“7. Ny Episkôpà,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“7. Ny Episkôpà,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.
7.
Ny episkôpà.
7.1
Ny eveka sy ireo mpanolotsainy
Ny eveka no mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana hitarihana ny asan’ny Fiangonana eo anivon’ny paroasy (jereo ny 3.4.1). Izy sy ireo mpanolotsainy no mandrafitra ny episkôpà.
Manana andraikitra dimy lehibe ny eveka:
-
Mpisorona avo mpiahy eo anivon’ny paroasy izy.
-
Filohan’ny Fisoronana Aharôna izy.
-
Mpitsara tsotra izy.
-
Mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ka tafiditra ao anatin’izany ny fiahiana an’ireo izay sahirana.
-
Manara-maso ny rejisitra sy ny fitantanam-bola ary ny fampiasana ny trano fiangonana izy.
Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia miantefa any amin’ny taranaka vao misondrotra ao amin’ny paroasy (ny ankizy sy ny zatovo ary ny tanora tokan-tena). Mba hahafahany mifantoka amin’io andraikitra io dia andraikitra maro no asainy sahanin’olon-kafa (jereo ny 4.2.5).
7.1.1
Mpisorona avo mpiahy
Ny eveka no mpitarika ara-panahy voalohany ao amin’ny paroasy.
7.1.1.1
Ireo rafitra sy kôlejin’ny fisoronana ao amin’ny paroasy
Manana andraikitra sahanina ho an’ny rafitry ny Fikambanana Ifanampiana sy ny an’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy ny eveka. Manendry ireo mpanolotsainy izy hiandraikitra ny rafitry ny Sekoly Alahady sy ny an’ny Kilonga ary ireo fandaharan’asa hafa ao amin’ny paroasy.
Voalaza ao amin’ny 7.1.2 ny andraikitry ny eveka mikasika ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna. Ny andraikiny mikasika ny kôlejin’ny loholona dia voalaza ao amin’ny 8.3.1
7.1.1.2
Ôrdônansy sy tsodrano
Ny eveka no mitarika ny fanatanterahana ireto ôrdônansy sy tsodrano manaraka ireto ao amin’ny paroasy:
-
Ny fanasan’ny Tompo
-
Ny fanomezana anarana sy fitsofandrano ny zaza
-
Batisa sy fandraisana ho mpikambana an’ireo ankizy 8 taona voarakitra anaty rejisitra (ho an’ireo niova fo, dia jereo ny 31.2.3.2)
-
Ny fanomezana ny Fisoronana Aharôna sy ireo fanendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny diakona sy ny mpampianatra ary ny mpisorona
7.1.1.3
Filankevitra sy fivoriana
Ny eveka no mitarika ny filankevitry ny paroasy sy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 29.2.5 sy ny 29.2.6).
Ny episkôpà no manomana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa ao amin’ny paroasy izay voatanisa ao amin’ny toko faha-29
7.1.1.4
Antso sy fisaorana amin’ny antso
Ny andraikitry ny eveka mikasika ny antso sy ny fisaorana amin’ny antso dia voalaza ao amin’ny toko faha-30.
7.1.2
Filohan’ny Fisoronana Aharôna
Ny eveka dia manana ireto andraikitra manaraka ireto amin’ny maha-filohan’ny Fisoronana Aharôna azy ao amin’ny paroasy. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.
-
Manohana ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zatovo.
-
Manara-maso ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy. Ny eveka no filohan’ny kôlejin’ny mpisorona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:87–88). Ny mpanolotsainy voalohany no miandraikitra ny kôlejin’ny mpampianatra. Ny mpanolotsainy faharoa no miandraikitra ny kôlejin’ny diakona.
-
Mifampidinika amin’ny filohan’ny Zatovovavy ao amin’ny paroasy.
-
Manao tafa sy dinika tsy tapaka amin’ny zatovo tsirairay.
7.1.3
Mpitsara tsotra
Ny eveka no mpitsara tsotra ao amin’ny paroasy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:71–74). Ireto manaraka ireto no andraikiny:
-
Manampy ny zatovo sy ny olon-dehibe ho mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly.
-
Manao tafa sy dinika araka ny hazavaina ao amin’ny 31.2.
-
Mihaona amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izay mila fitarihana ara-panahy, na manana olana manokana mavesatra, na nanao fahotana goavana, ka manampy azy ireo hahazo ny hery manasitran’i Jesoa Kristy.
-
Manao filankevitra mandinika ny maha-mpikambana rehefa ilaina, eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka. Raha te hahalala ireo torolalana momba izany dia jereo ny toko 32.
7.1.4
Mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana.
Ny eveka no mandrindra ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao amin’ny paroasy (jereo ny toko 1). Manampy azy amin’izany ny mpanolotsainy sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy.
7.1.4.1
Fitarihana ireo ezaka hikarakarana ireo mahantra
Mba hahazoana fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba hikarakaran’ny eveka ireo sahirana dia jereo ny 22.6.1
7.1.5
Rejisitra sy fitantanam-bola ary ny trano fiangonana
Mba hahitana fampahalalana mikasika ireo rejisitra dia jereo ny toko faha-33 Mba hahitana fampahalalana mikasika ny fitantanam-bola, isan’izany ny fahafolonkarena, dia jereo ny toko faha-34. Mba hahitana fampahalalana mikasika ny trano fiangonana dia jereo ny toko faha-35
7.3
Mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny paroasy sy mpitantsoratra mpanatanteraka mpanampy eo anivon’ny paroasy
Manolotra olona iray mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny episkôpà mba ho mpitantsoratra mpanatanteraka eo anivon’ny paroasy.
Ireto manaraka ireto no andraikiny:
-
Mivory miaraka amin’ny episkôpà ary manomana ny fandaharam-potoana araka izay nampiandraiketana azy.
-
Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny paroasy ary manatrika ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.
-
Mandrindra ny fotoana ahafahana mihaona amin’ny episkôpà.
7.4
Mpitamboky sy mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy
Ny andraikitry ny mpitamboky sy ny mpitamboky mpanampy ao amin’ny paroasy dia voalaza ao amin’ny 33.4.2.