Boky torolalana sy antso
8. Kôlejin’ny loholona


“8. Kôlejin’ny loholona,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“8. Kôlejin’ny loholona,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

lehilahy miresaka

8.

Kôlejin’ny Loholona

8.1

Tanjona sy firafitra

8.1.1

Tanjona

Ny lehilahy mendrika 18 taona no ho miakatra dia afaka mandray ny Fisoronana Melkizedeka ary aroso ho amin’ny anjara fanompoan’ny loholona. Ny lehilahy iray naroso ho amin’izany anjara fanompoana izany dia miditra ao anaty fanekempihavanana masina hanampy an’ Andriamanitra amin’ny fanatanterahana ny asany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:33–44).

8.1.2

Ny maha mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona

Samy manana kôlejin’ny loholona iray ny paroasy tsirairay. Hita ao amin’izany ireto rahalahy manaraka ireto:

  • Ireo loholona rehetra ao amin’ny paroasy.

  • Ireo olona mety azo aroso ho loholona ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.4).

  • Ireo mpisorona avo rehetra ao amin’ny paroasy ankoatra ireo izay manompo ankehitriny ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, na ao amin’ny episkôpà, na ao amin’ny filankevitra avo na ny patriarika am-perinasa.

Ny zatovolahy iray dia afaka manatrika ireo fivorian’ny kôlejin’ny loholona rehefa feno 18 taona na dia tsy mbola notendrena ho loholona aza izy. Rehefa feno 19 taona izy na alohan’ny handaozany ny tokantranon’ny ray aman-dreniny, toy ny hoe handeha hianatra any amin’ny oniversite na hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia tokony hotendrena ho loholona izy raha mendrika.

Ireo lehilahy manambady latsaky ny 18 taona dia azo aroso ho loholona ary mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona ihany koa.

8.2

Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana

3:42

8.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

8.2.1.2

Fianarana ny filazantsara mandritra ireo fivorian’ny kôlejy

Ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana no anatanterahana ny fivoriana. Maharitra 50 minitra izany. Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona no manomana ireo fivoriana ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana no mitarika ny fotoana.

Ireo fivorian’ny kôlejy dia mifantoka amin’ny lohahevitra avy amin’ny lahateny iray na maro natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra.

8.2.1.3

Fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka mamolavola fiaraha-mientana. Atao amin’ny andro hafa ankoatra ny alahady sy ny alatsinainy hariva ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.

8.2.2

Mikarakara ireo izay mila fanampiana

2:43

8.2.2.1

Fanompoana

Mandray fanendrena hanompo avy amin’ny fiadidian’ny kôlejy ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.

8.2.2.2

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana fohy

Mikatsaka ny hahazo an-tsaina sy handray andraikitra eo anatrehan’ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny ny rahalahy mpanompo. Mety mila fanampiana tsy maharitra ireo mpikambana amin’ny fotoan’ny aretina, ny fiterahana, ny fahaverezan’asa na amin’ny toe-javatra hafa.

Rehefa ilaina izany dia mangataka fanampiana amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ireo rahalahy mpanompo.

8.2.2.3

Ireo zavatra ilaina ao anatin’ny fotoana maharitra sy ny fizakan-tena

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana dia manampy ireo mpikambana amin’ireo zavatra ilaina maharitra sy ny fizakan-tena araka izay handrindran’ny eveka izany.

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na mpitarika iray hafa no manampy ilay olona na ilay fianakaviana hanao Drafitra ho amin’ny fizakan-tena. Ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo ihany koa dia afaka manampy amin’ilay drafitra.

8.2.2.4

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy

Rehefa misy mpikambana iray maty ao amin’ny paroasy dia manolotra fampiononana sy fanampiana ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Azon’izy ireo atao ny manampy amin’ny fandevenana araka ny tari-dalana omen’ny eveka.

Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.5.8

8.2.3

Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa fitoriana ny filazantsara ao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka ireo.

Jereo ny 23.5.1sy ny 23.5.3

8.2.4

Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay

Manendry mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba hanampy amin’ny fitarihana ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakavianaao amin’ny paroasy. Miara-miasa amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana voatendry izy mba handrindrana ireo ezaka ireo.

Jereo ny 25.2.2

2:49

8.3

Ireo mpitarika ao amin’ny kôlejin’ny loholona

8.3.1

Fiadidian’ny tsatòka sy eveka

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona dia manao tatitra mivantana amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Mihaona tsy tapaka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidiana izy mba handray torolalana sy hanao tatitra momba ny andraikiny.

Mandray fitarihana avy amin’ny eveka izay mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny paroasy ihany koa ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Mihaona tsy tapaka izy ireo.

8.3.2

Mpikambana ao amin’ny filankevitra avo

Manendry mpikambana iray ao amin’ny filankevitra avo ny fiadidian’ny tsatòka mba hisolo tena azy ireo any amin’ireo kôlejin’ny loholona tsirairay. Ny andraikiny dia hazavaina ao amin’ny 6.5.

8.3.3

Fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

8.3.3.1

Fiantsoana fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

Rehefa avy nifandinika tamin’ny eveka ny filohan’ny tsatòka dia miantso loholona na mpisorona avo iray mba ho filohan’ny kôlejin’ny loholona.

Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra anarana loholona na mpisorona avo iray na roa amin’ny filohan’ny tsatòka ny filohan’ny kôlejin’ny loholona mba ho mpanolotsainy.

8.3.3.2

Andraikitra

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.

  • Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy.

  • Mitarika ny ezaka ataon’ny kôlejy handraisana anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).

  • Mandamina sy manara-maso ny asa fanompoana ataon’ireo rahalahy mpanompo.

  • Mifampidinika amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy araka ny torolalana omen’ny eveka.

  • Mandrindra ny ezaka ataon’ny kôlejin’ny loholona ho fampatanjahana ireo rahalahy tanora, na ireo manambady izany na ireo tsy manambady, ao amin’ny paroasy.

  • Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay manokana ao amin’ny kôlejy farafahakeliny indray mandeha isan-taona.

  • Mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:89). Tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana azy ireo ny fampiasana ny fisoronana amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy sy ireo tsodrano.

  • Manara-maso ny firaketana sy ny tatitra ary ny fitantanam-bolan’ny kôlejy (jereo ny LCR.ChurchofJesusChrist.org

8.3.3.3

Fivorian’ny fiadidiana

Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitantsoratra. Ny filoha no mitarika ireo fivoriana ireo. Ny mpikambana ao amin’ny filankevitra avo voatendry hisahana ny kôlejy dia manatrika matetika ireo fivoriana ireo.

Ny fandaharam-potoana dia mety ahitana ireto singa manaraka ireto:

  • Mamolavola ny fomba hanamafisana orina ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy (ka anisan’izany ireo olona mety ho azo aroso ho loholona) sy ny fianakavian’izy ireo.

  • Mandrindra ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mikasika ny tantaram-pianakaviana.

  • Mandray andraikitra eo anatrehan’ireo asa avy amin’ireo fivorian’ny filankevitry ny paroasy.

  • Manadihady ireo fampahalalana voaray avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana.

  • Mandinika ny amin’ireo rahalahy izay hanompo ao amin’ireo antso sy fanendrena.

  • Mamolavola fivoriana sy fiaraha-mientan’ny kôlejy.

8.3.4

Mpitantsoratra

Ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka miantso mpikambana iray ao amin’ny kôlejy mba ho mpitantsoratry ny kôlejy rehefa nahazoana ny fankatoavan’ny eveka.

8.4

Fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona hiomana handray ny Fisoronana Melkizedeka

Ny olona mety ho azo aroso ho loholona dia lehilahy mpikamban’ny Fiangonana izay tsy nandray ny Fisoronana Melkizedeka ka (1) 19 taona na mihoatra na (2) latsaky ny 19 taona fa manambady.

Ny fanampiana ireo olona mety ho azo aroso ho loholona mba handray ny Fisoronana Melkizedeka dia anisan’ny laharam-pahamehana ambony indrindra an’ny kôlejin’ny loholona.