Boky torolalana sy antso
21. Fanompoana


“21. Fanompoana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“21. Fanompoana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Lehilahy maro mibata vato

21.

Fanompoana

21.0

Teny fanolorana

Ny fanompoana dia midika hoe manompo ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 20:26–28).

Tian’ny Tompo ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonany mba hahazo fikarakarana toy izany. Noho izany antony izany, dia notendrena ireo mpihazona ny fisoronana mba ho rahalahy mpanompo ny tokantranon’ny mpikambana tsirairay. Tendrena mba hisahana rahavavy olon-dehibe ireo rahavavy mpanompo.

21.1

Ny andraikitr’ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo

Ireo rahavavy sy rahalahy mpanompo dia manana ireto andraikitra manaraka ireto eo anatrehan’ireo olona tsirairay sy ny fianakaviana nasaina iandraiketan’izy ireo.

  • Manampy azy ireo hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Manampy azy ireo hiomana sy hanao fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra rehefa mandray ôrdônansy.

  • Mamantatra ireo zavatra ilaina ary maneho fitiavana sy fiahiana ary fanompoana tahaka ny an’i Kristy.

  • Manampy azy ireo mba ho lasa mizaka tena ara-panahy sy ara-batana.

21.2

Fandrindrana ny fanompoana

21.2.1

Fandrindrana ireo asa ampiandraiketina

Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana dia mandinika ombam-bavaka ireo asa ampiandraiketina an’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo. Manendry rahalahy roa na rahavavy anankiroa izy ireo raha ny mahazatra mba ho mpiara-manompo. Mangataka ny fankatoavan’ny eveka izy ireo mikasika ireo olona voatendry hiara-manompo ary ireo izay ampandraiketina hotompoin’izy ireo.

Azo tendrena hiara-hanompo olona iray na fianakaviana iray ny mpivady iray.

Tsy antsoina na tohanana na atokana ireo rahalahy na rahavavy mpanompo.

21.2.2

Fampiandraiketana fanompoana ho an’ny zatovo

Afaka ny ho mpiara-manompo amin’ny rahavavy iray ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ny zatovovavy iray rehefa vonona sy afaka ny hanao izany izy. Afaka manomboka manompo izy amin’ny taona izay handraisany 14 taona.

2:30

Miara-manompo amin’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray ny zatovolahy iray rehefa voatendry ho amin’ny anjara fanompoan’ny mpampianatra na mpisorona izy.

21.3

Dinidinika momba ny fanompoana

2:38

Ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpanolotsainy no manao dinidinika amin’ireo rahalahy mpanompo. Ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ireo mpanolotsainy no manao dinidinika amin’ireo rahavavy mpanompo.

Ireo dinidinika ireo dia atao farafahakeliny indray mandeha isaky ny telo volana.

Ny tanjon’izy ireo dia:

  • Hifandinihana momba ireo tanjaka sy zavatra ilaina ary olan’ireo fianakaviana sy olona nampiandraiketina.

  • Hifanakalozana hevitra mikasika ireo fomba hanampiana ireo olona hiomana handray ireo ôrdônansy raha ilaina.

  • Handinihana ny fomba ahafahan’ireo kôlejin’ny loholona, ny Fikambanana Ifanampiana, sy ny filankevitry ny paroasy, ary ireo olona hafa manampy.

  • Hampianarana sy hamporisihana ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo.

21.4

Fandrindrana ireo ezaka atao mahakasika ny fanompoana

2:51

Mihaona farafahakeliny isan-telo volana ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona. Mamerina mandinika ny zavatra nianarany nandritra ny dinidinika momba ny fanompoana izy ireo (jereo ny 21.3). Mandrindra ireo asa ampiandraiketina eo amin’ny fanompoana koa izy ireo.

Any amin’ireo rantsana izay ahitana mpikambana mavitrika vitsy, dia afaka manapa-kevitra ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy kôlejin’ny loholona ny tsy hanendry rahavavy mpanompo no tsy hanendry rahalahy mpanompo hiandraikitra mpikambana sasantsasany.