“11. Ny Zatovovavy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“11. Ny Zatovovavy,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
11.
Ny Zatovovavy
11.1
Tanjona sy firafitra
11.1.1
Tanjona
Ny rafitry ny Zatovovavy dia manampy ireo zatovovavy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina sy hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
11.1.2
Ny fanevan’ny Zatovovavy
“Zanakavavy tian’ny ray aman-dreny any an-danitra aho, ary manana toetra araka an’ Andriamanitra sy anjara mandrakizay.
“Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia miezaka aho ny ho tonga tahaka Azy. Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana aho ka mandray andraikitra eo anoloan’izany, ary manompo ny hafa amin’ny Anarany masina.
“Hijoro ho vavolombelon’ Andriamanitra aho amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra.
“Eo am-piezahako ho mendrika ny fisandratana, dia mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro. Am-pinoana no hankaherezako ny tokantranoko sy ny fianakaviako, no hanaovako sy hitandremako fanekempihavanana masina, ary handraisako ireo ôrdônansy sy fitahian’ny tempoly masina.”
11.1.3
Kilasy
Lasa mpikambana ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy ireo zatovovavy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona.
Manapa-kevitra ombam-bavaka ny episkôpà sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy mikasika ny fomba handaminana ireo kilasy araka ny taonan’ireo zatovovavy. Ny kilasy tsirairay, na firy na firy ny isan’ny olona, dia tokony hanana filoha, ary mpanolotsaina iray na roa sy mpitantsoratra iray raha azo atao.
11.2
Fandraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana
11.2.1
Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy
11.2.1.2
Fianarana ny filazantsara
Ireo fivorian’ny kilasy dia atao ny alahady faharoa sy fahefatry ny volana. Maharitra 50 minitra izy ireo. Mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’ny kilasy no mitarika ny fotoana. Mitarika ny kilasy izy amin’ny fiarahana manonona ny faneva sy ny fiarahana mifampidinika momba ireo asa ampandraiketina ary ireo raharaha hafa.
Avy eo dia mitarika ny fampianarana ny filazantsara ny mpikambana iray ao amin’ny kilasy na ny olon-dehibe mpitarika iray.
11.2.1.3
Asa fanompoana sy fiaraha-mientana
Ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia tokony hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, hanamafy orina ny fianakaviana, hampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kilasy, ary hanolotra fomba ahafahana mitondra fitahiana ho an’ny hafa.
Ny asa fanompoana sy fiaraha-mientana sasany dia tokony hiarahan’ny zatovolahy sy ny zatovovavy atao, indrindra fa ho an’ireo zatovo zokiny.
Fiaraha-mientana fanao isan-taona. Ankoatra ny fiaraha-mientan’ny zatovo fanao mahazatra dia afaka ihany koa mandray anjara isan-taona amin’ireto manaraka ireto ny zatovovavy:
-
Lasy ho an’ny Zatovovavy (jereo ny Torolalana ho an’ny lasin’ny Zatovovavy
-
Fihaonamben’ny zatovo eo anivon’ny paroasy na eo anivon’ny tsatòka, na fihaonambe Ho Zatovo Mahery (HZM).
11.2.1.4
Fivoaran’ny tena manokana
Amin’ny ezaka ataon’izy ireo hitoviana kokoa amin’ny Mpamonjy dia asaina ny zatovo hametraka tanjona mba hivoarana ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana, ary ara-tsaina (jereo ny Lioka 2:52).
Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny ChildrenandYouth.ChurchofJesusChrist.org.
11.2.2
Fikarakarana ireo izay sahirana
Tokony hanana fahafahana hanompo ny hafa tsy tapaka ny zatovovavy ao amin’ny fianakaviany sy miaraka amin’ny fianakaviany, mandritra ireo fiaraha-mientan’ny zatovo, ary amin’ny ezaka ataony samirery.
11.2.2.1
Ny fanompoana
Azo ampandraiketina asa fanompoana ny zatovovavy manomboka ny volana janoary amin’ny taona izay handraisany 14 taona. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny toko 21.
11.2.3
Fanasana ny rehetra handray ny filazantsara
Manasa ny rehetra handray ny filazantsara ny zatovovavy rehefa “[mijoro] ho vavolombelon’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zavatra rehetra, ary amin’ny toerana rehetra” (Môzià 18:9).
Afaka manampy ny zatovovavy ireo ray aman-dreny sy ny mpitarika mba hiomana hizara ny filazantsara mandritra ny fiainan’izy ireo.
11.2.4
Fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay
Ny zatovovavy dia afaka manampy amin’ny fomba maro amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay.
-
Manaja ireo ray aman-dreniny sy maneho ohatra amin’izany fiainana tahaka ny an’i Kristy izany ao an-tokantranony.
-
Miomana handray ireo ôrdônansin’ny tempoly, anisan’izany ny fanambadiana mandrakizay.
-
Mamantatra ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny FamilySearch.org).
-
Mandray anjara matetika amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty, araka izay tratra.
11.3
Ny mpitarika ao amin’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy
11.3.1
Ny episkôpà
Ny andraikitra voalohany indrindra sahanin’ny eveka dia ny mikarakara ireo zatovovavy sy zatovolahy ao amin’ny paroasiny. Mamantatra ny anaran’izy ireo izy sy ireo mpanolotsainy ary mahatakatra ny toe-javatra iainan’izy ireo any an-tokantranony. Mihaona amin’ny zatovovavy tsirairay indroa isan-taona farafahakeliny izy ireo (jereo ny 31.3.1).
Manana andraikitra sahanina ho an’ny rafitry ny Zatovovavy ny eveka. Miara-mivory tsy tapaka amin’ny filohan’ny Zatovovavy izy.
Mandray anjara matetika amin’ireo fivoriana sy ny asa fanompoana ary ny fiaraha-mientan’ny Zatovovavy ny eveka sy ny mpanolotsainy.
11.3.2
Olon-dehibe fiadidian’ny Zatovovavy
Ny eveka dia miantso sy manokana vehivavy olon-dehibe iray ho filohan’ny Zatovovavy eo anivon’ny paroasy. Raha ampy tsara ny olona ao amin’ilay rantsana dia manolotra vehivavy olon-dehibe iray na roa io filohan’ny Zatovovavy io ho antsoina ho mpanolotsainy (jereo ny toko 30
Ao anatina rantsana kely dia mety ho ilay filohan’ny Zatovovavy ihany no olon-dehibe mpitarika voantso ao amin’ny rafitry ny Zatovovavy. Amin’izany tranga izany dia miara-miasa amin’ny ray aman-dreny izy mba handaminana ny fampianarana sy ireo fiaraha-mientana ho an’ny zatovovavy.
Raha tsy manana filohan’ny Zatovovavy ny sampana iray, dia afaka mandamina ny fampianarana ho an’ireo zatovovavy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mandra-pisian’ny filohan’ny Zatovovavy voantso.
Ireto manaraka ireto no andraikitra sahanin’ny filohan’ny Zatovovavy. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy.
-
Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy.
-
Mpikambana ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 29.2.6).
-
Manompo ny zatovovavy tsirairay.
-
Mampianatra an’ireo mpitarika hafa sy ireo fiadidian’ny kilasy ao amin’ny Zatovovavy mikasika ny andraikitr’izy ireo.
-
Miara-mifampidinika amin’ireo zatovovavy mikasika ireo olana izay tsy mitaky ny fidiran’ny eveka an-tsehatra na izay tsy misy hidirana resaka herisetra (jereo ny 32.3, sy ny 31.3.1, ary ny 38.6.2).
11.3.4
Fiadidian’ny kilasy sy mpitantsoratra
11.3.4.1
Ny fiantsoana sy ny fanohanana ary ny fanokanana
Tokony hanana fiadidian’ny kilasy ny kilasin’ny Zatovovavy tsirairay.
Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà no miantso zatovovavy iray ho filohan’ny kilasy. Rehefa ampy ny isan’ny zatovovavy afaka manompo dia mieritreritra ombam-bavaka ireo mpikambana ao amin’ny kilasy mba hatolotra ho mpanolotsaina sy mpitantsoratra izy.
Rehefa avy nanolotra ireo antso ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà dia ampahafantariny ao amin’ny kilasin’izy ireo ireo zatovovavy ireo mba hotohanana. Manokana an’ireo zatovovavy ny eveka na ny mpanolotsaina nomena andraikitra hisahana izany.
11.3.4.2
Andraikitra
Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ireo filohan’ny kilasy (jereo ny 11.3.4.4). Manana ireto andraikitra ireto ihany koa ireo fiadidian’ny kilasy:
-
Mitarika ny ezaka ataon’ny kilasy handraisana anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny toko 1).
-
Miezaka mamantatra sy manompo ny zatovovavy tsirairay, anisan’izany ireo izay tsy manatrika ireo fivorian’ny kilasy.
-
Mandrafitra sy mitarika ireo fivorian’ny kilasy amin’ny alahady (jereo ny 11.2.1.2).
-
Mandrafitra sy manatanteraka ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ataon’ny kilasy (jereo ny 11.2.1.3
11.3.4.3
Ny fivorian’ny fiadidian’ny kilasy
Mivory tsy tapaka ireo fiadidian’ny kilasin’ny Zatovovavy. Ny filohan’ny kilasy no mitarika ireo fivoriana ireo. Manatrika izany koa ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy izay notondroina hanohana ilay fiadidian’ny kilasy.
11.3.4.4
Filankevitry ny zatovon’ny paroasy
Jereo ny 29.2.6raha mila fampahalalana misimisy kokoa momba ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.
11.6
Torolalana sy fitsipika fanampiny
11.6.1
Fiarovana ireo zatovo
Rehefa mifanerasera amin’ny zatovo eo amin’ny sehatry ny Fiangonana ny olon-dehibe dia olon-dehibe tompon’andraikitra roa farafahakeliny no tokony hanatrika eo. Mety ilaina ny hampitambarana ireo kilasy mba hahafahana manatanteraka izany.
Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org).