Boky torolalana sy antso
14. Ireo mpikambana tokan-tena


“14. Ireo mpikambana tokan-tena,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“14. Ireo mpikambana tokan-tena,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

olona miresaka

14.

Mpikambana tokan-tena

14.0

Teny fanolorana

Ampahany maro an’isa amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana ireo lehilahy sy vehivavy tsy mbola manambady na nisara-panambadiana na maty vady. Zava-dehibe ho an’ny rehetra ny mahazo fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny Etera 12:4). Afaka manampy hahazoana fanantenana toy izany ireto fahamarinana mandrakizay manaraka ireto:

  • Ny soratra masina sy ireo mpaminanin’ny andro farany dia manamafy fa izay rehetra mahatoky amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia hanana fahafahana ny hahazo fisandratana.

  • Tsy mbola nambara avokoa ny fotoana sy ny fomba marina tsara hanomezana ireo fitahian’ny fisandratana. Na izany aza anefa dia azo antoka ny hitrangan’izany (jereo ny Môzià 2:41).

  • Ny fiandrasana ny Tompo dia midika hoe fankatoavana tsy tapaka sy fivoarana ara-panahy mankany Aminy (jereo ny Isaia 64:4).

  • Manolotra fiainana mandrakizay ho an’ireo zanany rehetra Andriamanitra. Ireo rehetra izay mendrika ny hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny famelan-keloka feno fahasoavan’ny Mpamonjy sy miaina ny didiny dia hahazo ny fiainana mandrakizay. (Jereo ny Môzià 26:30; Môrônia 6:8.)

  • Mifototra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ny fahatokiana ireo fanomezan-toky ireo. Mipetrapetraka araka ny tokony ho izy avokoa ny zavatra rehetra mahakasika ny fiainana an-tany noho ny famindram-pony (jereo ny Almà 7:11–13).

Mila ny mpikambana rehetra Andriamanitra mba hanampy amin’ny asany ho an’ny famonjena ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka misy azy ireo (jereo ny 1 Korintiana 12:12–27). Araka izay hitarihan’ny Fanahy dia antsoina ho amin’ny andraikitry ny mpitarika sy ny mpampianatra ireo mpikambana tokan-tena.

Ato amin’ity toko ity:

  • Ny hoe “Mpikambana tokan-tena” dia ilazana ny mpikambana olon-dehibe rehetra ato amin’ny Fiangonana izay tsy mbola manambady amin’izao fotoana izao.

  • Ny “tanora tokan-tena” dia ilazana ireo olona 18 ka hatramin’ny 30 taona.

  • Ny “olon-dehibe tokan-tena” dia ilazana ireo olona 31 taona no ho miakatra.

14.1

Mpikambana tokan-tena ao amin’ireo rantsana mahazatra

14.1.1

Ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka

14.1.1.2

Ny kômitin’ny tanora tokan-tena sy ny olon-dehibe tokan-tena eo anivon’ny tsatòka

Manangana kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena ny fiadidian’ny tsatòka.

Afaka manangana kômitin’ny olon-dehibe tokan-tena ihany koa ny fiadidian’ny tsatòka.

Mikatsaka ny hanampy ireo mpikambana ireo kômity amin’ny alalan’ny finamanana sy ny fanomezana fahafahana handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 14.2

14.1.2

Ny mpitarika ao amin’ny paroasy

14.1.2.1

Ny episkôpà

Manana andraikitra lehibe amin’ny fampandraisana anjara ireo mpikambana tokan-tena amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana ny episkôpà. Miara-miasa amin’ny filankevitry ny paroasy izy ireo mba hamantatra ireo antso sy anjara andraikitra manan-danja ho an’ireo mpikambana tokan-tena. Mamantatra sy miezaka mitondra fanampiana amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ireo ray aman-dreny tokan-tena izy ireo.

  • Mihaona amin’ny tanora tokan-tena tsirairay indray mandeha isan-taona farafahakeliny ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà.

  • Ny episkôpà ihany koa dia afaka manangana kômitin’ny tanora tokan-tena ao amin’ny paroasy.

14.1.2.2

Ireo mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana izay nomena andraikitra ao amin’ny tanora tokan-tena

Samy afaka manome andraikitra ny mpikambana iray ao amin’ny fiadidian’izy ireo avy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanohana ny tanora tokan-tena. Mamantatra ny tanjak’ireo tanora tokan-tena sy manampy amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’izy ireo ireo mpikambana ao amin’ny fiadidiana ireo.

Afaka manao tatitra mikasika ireo asa natao ireo mandritra ny fivoriana filankevitry ny paroasy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana.

14.1.2.3

Ireo mpitarika ny tanora tokan-tena

Ao amin’ny paroasy iray izay manana tanora tokan-tena betsaka dia afaka miantso lehilahy tanora tokan-tena iray sy vehivavy tanora tokan-tena iray ny episkôpà mba ho mpitarika ny tanora tokan-tena. Isan’ny andraikitr’izy ireo ny:

  • Manampy ny tanora tokan-tena handray anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 14.2).

  • Manompo ao amin’ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny tsatòka.

  • Mitarika ny kômitin’ny tanora tokan-tena eo anivon’ny paroasy raha misy iray natsangana ao.

  • Miara-mivory matetika amin’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana. Mandritra ireo fivoriana ireo izy ireo dia mifanakalo hevitra momba ny tanjak’ireo tanora tokan-tena sy ny fomba hanomezana ny zavatra ilain’izy ireo. Mifantoka ihany koa amin’ny fanompoana ireo tanora tokan-tena izy ireo.

14.2

Fandraisana anjara amin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana

14.2.1

Fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

14.2.1.1

Takariva fiaraha-mivory sy fandalinana ny filazantsara

Ireo mpitarika na mpikambana maniry ny handray anjara dia afaka manangana vondrona iray na maromaro mpanao takariva fiaraha-mivory ho an’ny olon-dehibe tokan-tena sy vondrona hafa ho an’ny tanora tokan-tena.

14.2.1.3

Fiaraha-mientana

Eo ambany fitarihan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy sy ny tsatòka dia afaka manomana sy mandray anjara amin’ireo fiaraha-mientana natao ho azy ireo manokana ireo tanora tokan-tena. Mety ho isan’ny ohatra amin’izany ny:

  • Fitsidihana tempoly.

  • Asa atao amin’ny tantaram-pianakaviana.

  • Fizarana ny filazantsara.

  • Fanompoana eo anivon’ny fiarahamonina.

  • Hira sy hetsika ara-kolontsaina.

  • Fanatanjahan-tena.

Eo ambany fitarihan’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka dia afaka manomana fiaraha-mientana mitovy amin’izany eo anivon’ny tsatòka ireo tanora tokan-tena.