“13. Sekoly Alahady,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“13. Sekoly Alahady,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
13.
Sekoly Alahady
13.1
Tanjona
Ireo mpitarika sy mpampianatra ary ireo kilasy ao amin’ny Sekoly Alahady dia:
-
Manamafy orina ny finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fampianarana “ny fotopampianaran’ny fanjakana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77).
-
Manohana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana.
-
Manampy ireo mpikambana hampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.
13.2
Mpitarika ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy
13.2.1
Episkôpà
Ny episkôpà no manara-maso ny Sekoly Alahady. Raha ny mahazatra dia manendry iray amin’ireo mpanolotsainy ny eveka mba hanatanteraka io andraikitra io eo ambany fitarihany.
13.2.2
Filohan’ny Sekoly Alahady
13.2.2.1
Fiantsoana filohan’ny Sekoly Alahady
Ny eveka dia miantso sy manokana mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray mba ho filohan’ny Sekoly Alahady. Raha toa ka ilaina ny mpanolotsaina ary raha ampy ireo lehilahy afaka manompo amin’izany toerana izany dia azon’ny filohan’ny Sekoly Alahady atao ny manolotra mpanolotsaina iray na roa.
13.2.2.2
Andraikitra
-
Manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy.
-
Manara-maso ny ezaka atao hampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano sy any am-piangonana.
-
Manolotra anaran’ olon-dehibe mpikambana amin’ny episkôpà mba ho mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady.
-
Manohana sy mankahery ary mampianatra ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady.
-
Mitarika ireo fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra araka izay fitarihana voaray avy amin’ny eveka (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 3)
13.2.3
Mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady
Rehefa miomana hampianatra ireo mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady dia mampiasa ny soratra masina, sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakavianaary ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady
13.3
Kilasin’ny Sekoly Alahady
Ny Sekoly Alahady dia tanterahina isaky ny alahady voalohany sy fahatelon’ny volana.
Rehefa nahazo lalana avy amin’ny episkôpà dia mandamina ireo kilasy ho an’ny olon-dehibe sy ny zatovo ny filohan’ny Sekoly Alahady.
Tokony hisy olon-dehibe roa farafahakeliny ao amin’ny kilasy ho an’ny zatovo tsirairay.
Ny olon-dehibe rehetra miara-miasa amin’ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana mikasika ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana taorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org
13.4
Fampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ao amin’ny paroasy
Tompon’andraikitra amin’ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana eo anivon’ny rafitra misy azy avy ireo mpitarika ao amin’ny paroasy. Raha ilaina dia afaka mangataka fanampiana amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady izy ireo.
13.5
Fampivoarana ny fianarana sy ny fampianarana ao amin’ny tokantrano
Tompon’andraikitra amin’ny fampianarana ny filazantsara an’ireo zanany ny ray aman-dreny. Afaka mangataka fanampiana amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady izy ireo mba hampivoatra ny maha mpampianatra azy ireo.