Boky torolalana sy antso
22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena


“22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“22. Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

Lehilahy miasa

22.

Manome ireo zavatra ilaina ara-batana ary manorina fizakan-tena

22.0

Teny fanolorana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia manao fanekempihavanana “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay, … hiara-malahelo amin’izay malahelo…, ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:8–9).

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia toroina hevitra mba hanamafy orina ny fizakan-tenany manokana amin’ny alalan’ny asa feno fahavitrihana sy ny fanampian’ny Tompo. Ny fizakan-tena dia ny fahafahana sy ny fanolorantena ary ny fiezahana hamatsy ireo zavatra ilaina ara-panahy sy ara-batana eo amin’ny fiainana ho an’ny tena manokana sy ny fianakaviana.


EZAKA ATAON’NY TENA MANOKANA SY NY FIANAKAVIANA


22.1

Manorina fizakan-tena

Manorina fizakan-tena amin’ireto fomba manaraka ireto ny mpikambana miaraka amin’ny fanampiana avy amin’ny Tompo:

  • Mampitombo ny tanjaka ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetsehampo.

  • Manovo fianarana sy miasa.

  • Manatsara ny fiomanana amin’ireo zavatra ilaina ara-batana.

22.1.4.

Fiomanana ara-batana

Mampianatra ny maha-zava-dehibe ny fiomanana ny soratra masina (jereo ny Ezekiela 38:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:30). Toroina hevitra ny mpikambana hahavita fiomanana mba hahafahan’izy ireo mikarakara ny tenany sy ny fianakaviany ary ny olona hafa amin’ny fotoam-pahasahiranana.

Mampitombo ny fiomanan’izy ireo ara-bola ny mpikambana amin’ny alalan’ny:

  • Fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra (jereo ny Malakia 3:8–12).

  • Fanafoanana sy fisorohana ny trosa araka izay tratra.

  • Fiomanana sy fiainana amin’izay vola eo am-pelatanana.

  • Fanaovana tahiry ho an’ny hoavy.

  • Fanovozana fianarana mifanaraka amin’izay ilaina mba hanampiana azy ireo eo amin’ny fahazoana izay zavatra ilain’ny tenany sy ny fianakaviany (jereo ny 22.3.3).

Ny fiomanana koa dia ahitana ny fandrafetana drafitra iray mikasika ny fomba handrindrana ireo zavatra fototra ilaina ao anatin’ny voina tampoka. Amporisihina ny mpikambana hanokana vatsin-tsakafo, sy rano ary kojakoja hafa ilaina sady ho an’ny fotoana fohy no ho an’ny fotoana maharitra.

22.2

Manompo an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Nampianarina ireo mpianatry ny Tompo mba “hifankatia … sy hifanompo” ary “hanampy ireo izay mila … [fanampiana]” (Môzià 4:15–16). Miezaka ny mpikambana mba hijery ny hafa amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy azy ireo, ka manao izay hahatakarana ny tanjaka miavaka ananan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Ireo zavatra ilaina ireo dia mety ahitana sakafo, fitafiana, trano fonenana, fianarana, asa, fahasalamana ara-batana, fahatomombanana ara-pihetseham-po.

22.2.1

Ny trano fitehirizan’ny Tompo

Ireo loharanom-panampiana rehetra misy ao amin’ny Fiangonana mba hanampiana ireo izay mila fanampiana ara-batana dia antsoina hoe trano fitehirizan’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:18–19). Tafiditra ao anatin’izany ny fanoloran’ireo mpikambana fotoana, talenta, fangorahana, fitaovana ary fanampiana ara-bola mba hanampiana ireo izay sahirana.

Ny trano fitehirizan’ny Tompo dia misy isaky ny paroasy sy ny tsatòka tsirairay. Ny mpitarika dia afaka manampy ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba hahita vahaolana mahakasika ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ary ny fahafaha-manompo atolotr’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka.

22.2.2

Ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Ny Tompo dia nametraka ny lalàn’ny fifadian-kanina sy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hitahiana ny vahoakany sy hanolorana fomba iray hahafahan’izy ireo manompo ireo izay sahirana. Mihamanakaiky ny Tompo ny mpikambana ary mitombo tanjaka ara-panahy rehefa miaina ny lalàn’ny fifadian-kanina izy ireo. (Jereo ny Isaia 58:6–12; Malakia 3:8–12.)

Azo tanterahina amin’ny fotoana rehetra ny fifadian-kanina. Na izany aza, dia natokan’ny mpikambana araka ny mahazatra ho andro fifadian-kanina ny Sabata voalohany ao anatin’ny volana. Ahitana izao manaraka izao raha ny mahazatra ny andro fifadian-kanina iray:

  • Mivavaka

  • Tsy mihinana sy misotro mandritra ny 24 ora (raha mahavita izany ny vatana)

  • Manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana

Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia fanomezana hanampiana ireo izay sahirana. Rehefa mifady hanina ny mpikambana dia angatahina mba hanome fanatitra izay farafahakeliny mitovy amin’ny vidin’ireo sakafo tsy nohanina.

Azon’ny mpikambana omena ny eveka na ny iray amin’ireo mpanolotsainy ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina avy amin’izy ireo ary ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa izay nofenoina. Any amin’ny faritra sasany dia azon’izy ireo atao koa ny manolotra ny fanomezan’[izy] ireo en ligne.


EZAKA ATAON’NY MPITARIKA


22.3

Lamina ho an’ny fanorenana fizakan-tena sy ny fanompoana an’ireo izay sahirana

22.3.1

Mitady ireo izay sahirana

Manana andraikitra masina ny eveka hikaroka sy hikarakara ireo sahirana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:112). Ireto avy ireo olona hafa manana anjara asa manan-danja eo amin’ny fanampiana ny eveka ao anatin’izany andraikitra izany:

  • Rahalahy mpanompo sy rahavavy mpanompo.

  • Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny Loholona.

  • Ireo mpanolotsain’ny eveka.

  • Ireo mpikambana hafa ao anatin’ny filankevitry ny paroasy.

22.3.2.

Manampy ireo mpikambana hanombantombana sy hisahana ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy.

Miezaka mahazo ireo zavatra fototra ilain’izy ireo ny mpikambana amin’ny alalan’ny ezaka manokana ataon’izy ireo, sy ny fanampiana avy amin’ireo fianakaviana akaiky. Rehefa tsy ampy izany dia mety mila fanampiana avy amina loharano hafa ny mpikambana, toy ny:

  • Loharanom-panampiana eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny fiarahamonina (jereo ny 22.12).

  • Fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia mety ahitana fanampiana miompana amin’ireo zavatra ilaina mandritra ny fotoana fohy toy ny sakafo, fitaovam-pidiovana, akanjo, trano fonenana ary zavatra fototra hafa. Azon’ireo eveka ampiasaina ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba hanolorana ireo zavatra ilaina ireo. Any amin’ny toerana ahitana ny rafitra fanafaran-javatra ampiasain’ny eveka, dia mampiasa azy ireny ireo eveka amin’ny ankapobeny mba hanomezana sakafo sy ireo kojakoja fototra ilaina (jereo ny “Bishops’ Orders and Referrals” ao amin’ny Documentation pour les dirigeants et les greffiers [DDG]).

22.3.3

Manampy ireo mpikambana hanorina fizakan-tena maharitra

Mety mila fanohanana mitohy ireo mpikambana mba hiatrehana ireo fanamby hiseho maharitra. Ny fianarana, na ny fanarahana fanofanana hifehezana asa iray, na ireo loharano hafa dia afaka manampy azy ireo hanorina fizakan-tena sy hahazo izay zavatra ilain’izy ireo mandritra ny fotoana maharitra.

Ny Plan d’autonomie (Drafitra mahakasika ny fizakan-tena) dia manampy ireo mpikambana hamantatra ny tanjaka ananan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo. Manampy azy ireo koa izany hahita loharanom-panampiana mahasoa. Tokony hampiasaina io drafitra io isaky ny mihevitra ny hangataka fanampiana avy amin’ny Fiangonana.

22.3.4

Manompo an’ireo izay mila fanampiana ara-pihetsehampo

Maro ireo mpikambana izay miaina olana ara-pihetsehampo. Afaka ny ho fitaovana eo amin’ny fanampiana ireo mpikambana manana izany olana izany ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo ary ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy.

22.4

Fitsipika momba ny fanomezana fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ny mpikambana dia mikatsaka ny hamatsy ireo zavatra ilain’ny tenan’izy ireo sy ny fianakaviany, miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo.

Natao hanampiana ireo mpikambana mba ho lasa mahaleo tena izany fanampiana avy amin’ny Fiangonana izany fa tsy ho lasa miankin-doha. Izay fanampiana atolotra dia tokony hanamafy orina ny ezaka ataon’ireo mpikambana mba ho lasa mizaka tena.

22:59

22.4.1

Mamporisika ny fandraisan’andraikitry ny tena manokana sy ny fianakaviana

Ny mpitarika dia mampianatra fa ny olona tsirairay sy ny fianakaviana no manana andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny mahasoa azy ireo ara-batana sy ara-pihetsehampo ary ara-panahy.

Mialoha ny hanolorana fanampiana avy amin’ny Fiangonana, dia miaraka mandinika amin’ireo mpikambana ny eveka (na mpitarika iray hafa na mpikambana hafa notendreny) mikasika ireo loharanom-panampiana ampiasain’izy ireo hahazoany ireo zavatra ilain’izy ireo manokana.

22.4.2

Manolotra fanampiana tsy maharitra hanomezana ireo zavatra fototra ilaina

Ny tanjon’ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia ny hamatsy mandritra ny fotoana tsy maharitra ireo zavatra fototra ilaina eo am-piezahan’ny mpikambana mba ho lasa mizaka tena.

Tokony hahay handanjalanja tsara ny eveka ary hikatsaka fitarihana ara-panahy rehefa mandinika ny vola kasaina homena sy ny faharetan’ny fanomezana fanampiana. Tokony haneho fangorahana sy fahalalahan-tanana izy nefa koa tsy mamboly fiankinana tanteraka.

22.4.3

Manolotra loharanom-panampiana na fikarakarana toy izay lelavola

Raha azo atao dia tokony hisoroka ny fanomezana lelavola ny eveka. Fa tokony hampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina izy na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) mba hanomezana ireo sakafo sy kojakoja ao an-tokantrano na fikarakarana ilain’ireo mpikambana. Amin’izay ireo mpikambana dia afaka mampiasa ny volan’izy ireo manokana handoavana ireo zavatra hafa ilaina.

Raha tsy ampy izany dia afaka manampy ny eveka amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba handoavana mandritra ny fotoana tsy maharitra ireo faktiora ilaina aloa (jereo ny 22.5.2).

22.4.4

Manolotra fahafahana miasa na manao asa fanompoana

Asain’ny eveka ireo izay mandray fanampiana mba hiasa na hanao asa fanompoana araka izay vitany. Manampy ny mpikambana izany mba hihazona ny maha-izy azy. Mampitombo koa ny fahafahan’izy ireo ho lasa mizaka tena izany.

22.4.5

Mihazona ny momba ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana ho tsiambaratelo

Ny eveka sy ireo mpitarika hafa ao amin’ny paroasy dia mihazona ho tsiambaratelo izay fampahalalana momba ireo mpikambana izay mety mila fanampiana avy amin’ny Fiangonana. Miaro ny fiainan’ny mpikambana manokana izany sy ny maha-izy azy ireo.

22.5

Fitsipika arahana rehefa manolotra ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanaraka ireo fitsipika arahana novelabelarina ato anatin’ity fizarana ity rehefa manolotra fanampiana amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) mba hanomezana sakafo sy kojakoja fototra hafa.

22.5.1

Fitsipika arahana momba ny mpandray ny fanampiana avy amin’ny Fiangonana

22.5.1.1

Fanampiana an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy

Amin’ny ankapobeny ireo mpikambana izay mandray fanampiana avy amin’ny Fiangonana dia tokony hipetraka ao amin’ireo faritra ao anatin’ilay paroasy ary tokony ho ao amin’ny paroasy ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy ireo. Ny fanomezana fanampiana dia tsy miankina amin’ny hoe miangona tsy tapaka ilay mpikambana na tsia, na manaja ireo fitsipiky ny Fiangonana ilay mpikambana na tsia.

22.5.1.2

Fanampiana ho an’ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka

Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny filohan’ny tsatòka mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny tenany na ho an’ny fianakaviany.

22.5.1.4

Fanampiana ny olona izay tsy mpikamban’ny Fiangonana

Ny olona tsy mpikamban’ny Fiangonana dia mazana asaina manatona any amin’ireo loharanom-panampiana eo anivon’ny fiarahamonina eo an-toerana mba hahazo fanampiana. Tena mahalana ary rehefa tarihin’ny Fanahy ny eveka vao mahazo manampy azy ireo amin’ny alalan’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka).

22.5.2

Fitsipika arahana momba ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

22.5.2.1

Fitsaboana na fikarakarana ara-pahasalamana hafa

Ny vondromparitra tsirairay dia efa nametraka ny fetram-bola azo ekena eo amin’ny fampiasana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina mba handoavana ny saram-pitsaboana, na ny saran’ny fitsaboana nify na ny saran’ny fitsaboana ara-tsaina.

Mba hahitana ny fankatoavana saram-pitsaboana sy toromarika dia jereo ny “Use of Fast Offerings for Medical Expenses

22.5.2.3

Famerenana ny vola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Tsy mamerina ny vola fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina azon’izy ireo avy amin’ny Fiangonana ny mpikambana.

22.5.2.4

Vola mivoaka avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina eo anivon’ny paroasy

Tsy takina ny eveka mba hametra ny fanampiana avy amin’ny fifadian-kanina an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy amin’izay totalim-bolan’ny fanatitra voaray eo anivon’ny paroasy.

22.5.3

Fitsipika arahana momba ny fandoavam-bola

Raha azo atao dia tokony haloa mivantana any amin’ilay sampana mpamatsy entana sy mpanao raharaha ny vola.

22.5.4

Fitsipika arahana momba ny fandoavam-bola izay hahazoan’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka tombontsoa

Rehefa manolotra fanampiana an’ireo mpikambana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, dia tsy azon’ny eveka ampiasaina ny kitapom-bola mba handoavana volan-tsakafo sy kojakoja na raharaha izay hahazoany tombontsoa manokana.

Raha toa ka hahazoan’ny filohan’ny tsatòka tombontsoa na ny orinasany tombontsoa ilay vola aloa avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina, dia takina ny fankatoavana avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra.

22.6

Anjara asan’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy

22.6.1

Ny eveka sy ireo mpanolotsainy

Manana andraikitra masina ny eveka hikaroka sy hikarakara ireo izay mila fanampiana ara-batana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:112). Mampiandraikitra ny ankamaroan’izany asa izany amin’ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona izy. Na izany aza dia misy andraikitra sasany izay ny eveka ihany no afaka manao azy. Ohatra, ny eveka no:

  • Manapa-kevitra mikasika izay karazana fanampiana ara-batana homena, sy ny totalim-bola tokony homena ary ny faharetan’ny fanomezana izany.

  • Manao ny fankatoavana ny fanampiana avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 22.4 sy ny 22.5) sy ny bishops’ orders (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny sakafo sy ireo kojakoja fototra ilaina (jereo ny 22.13).

  • Mandinika manokana ireo drafitry ny fizakan-tena nataon’ireo mpikambana. Manendry mpitarika hafa ao amin’ny paroasy izy mba hanara-maso ireo drafitra ireo rehefa ilaina.

Manana ireto andraikitra manaraka ireto ny eveka sy ny mpanolotsainy:

  • Mampianatra ireo fitsipika sy fitahiana mifandray amin’ny (1) fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ara-batana sy ara-pihetsehampo sy amin’ny (2) fanorenana fizakan-tena (jereo ny 22.1).

  • Mampianatra ny lalàn’ny fifadian-kanina sy mamporisika ny mpikambana mba hanome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana (jereo ny 22.2.2

  • Manara-maso ny fanangonana sy ny firaketana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina (jereo ny 34.3.2).

22.6.2

Ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny Kôlejin’ny Loholona

Eo ambany fitarihan’ny eveka, ireo fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fikarakarana an’ireo izay mila fanampiana ao amin’ny paroasy (jereo ny 8.2.2 sy ny 9.2.2). Ireo mpitarika ireo dia mampianatra an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba:

  • Hanompo an’ireo izay sahirana.

  • Hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina.

  • Hanorina fizakan-tena.

  • Hampitombo ny fiomanan’ny tena manokana sy ny fianakaviana.

22.6.3

Rahalahy mpanompo na rahavavy mpanompo

Ny fanomezana fanampiana ara-panahy sy ara-batana dia matetika manomboka amin’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo (jereo ny 21.1). Izy ireo dia manao tatitra ny zavatra ilain’ireo izay tompoiny any amin’ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona na ny Fikambanana Ifanampiana mandritra ny dinidinika momba ny fanompoana na mandritra ny fotoana hafa. Afaka mizara mivantana amin’ny eveka ireo zavatra tsiambaratelo izay ilaina izy ireo.

22.7

Anjara asan’ny filankevitry ny paroasy

Anisan’ny anjara asa manandanja sahanin’ny filankevitry ny paroasy ny mandrafitra ny fomba hikarakarana ireo sahirana sy hanampiana azy ireo ho lasa mizaka tena (jereo ny 4.4). Ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra dia mampifototra ireo drafitra ireo amin’ny fampahalalana azo avy amin’ireo dinidinika momba ny fanompoana sy avy amin’ny fifandraisan’izy ireo manokana amin’ireo izay sahirana. Rehefa miresaka mikasika ireo zavatra ilain’ireo mpikambana, dia manaja ny fanirian’ireo izay nangataka ny hihazonana ho tsiambaratelo ny zavatra noresahina ny filankevitra.

22.8

Anjara asan’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy eo anivon’ny paroasy

Ny tanjon’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy dia ny hanampiana ny zatovo ho tonga tena mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy (jereo ny 29.2.6).

Eo ambany fitarihan’ny episkôpà, dia mandrafitra fomba hanompoana an’ireo izay mila fanampiana eo anivon’ny paroasiny sy eo anivon’ny fiarahamonina misy azy ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy.