“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“28. Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
28.
Ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny maty
28.0
Teny fanolorana
Ireo ôrdônansy tanterahina any amin’ny tempoly dia manome fahafahana ny fianakaviana mba hiaraka mandrakizay ary hiaina fahafenoan’ny fifaliana eo anatrehan’ Andriamanitra.
Mba hiverenan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra any Aminy, dia tsy maintsy mibebaka ny tsirairay amin’izy ireo, sy tonga mendrika ny handray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana, ary manaja ireo fanekempihavanana mifandray amin’ny ôrdônansy tsirairay.
Fantatry ny Ray any An-danitra fa maro amin’ireo zanany no tsy handray ireo ôrdônansy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo eto an-tany. Nanolotra fomba iray hafa ho azy ireo Izy mba handraisana ôrdônansy sy hanaovana fanekempihavanana Aminy. Azo tanterahina amin’ny alalan’ny fisoloana tena ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly. Midika izany hoe misy olona velona iray mandray ireo ôrdônansy amin’ny anaran’ilay olona efa maty. Ny olona iray efa maty izay any amin’ny tontolon’ny fanahy dia afaka misafidy ny hanaiky na handà ireo ôrdônansy izay notanterahina ho azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:19, 32–34, 58–59).
Ny mpikamban’ny Fiangonana dia entanina mba hikaroka ireo havany efa maty izay mbola tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ny fisandratana. Avy eo dia manatanteraka ireo ôrdônansy amin’ny anaran’ireo havana ireo ny mpikambana.
Raha tsy nanomana anarana fianakaviana hanatanterahana asa atao any amin’ny tempoly ny mpikambana (jereo ny 28.1.1, dia hisy anaran’olona efa maty izay mila ôrdônansy homena any amin’ny tempoly.
28.1
Torolalana ankapobeny mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansy isoloana tena
Azo hanatanterahana ôrdônansy isoloana tena amin’ny anarany ireo olona efa maty izay 8 taona no ho miakatra tamin’ny fotoana nahafatesany. Azo tanterahina ho an’ny olona rehetra efa maty ny ôrdônansy isoloana tena raha vantany vao lasa ny 30 andro taorian’ny daty nahafatesan’izy ireo, afa-tsy izay zavatra voalaza ao amin’ny 28.3, raha toa ka feno ny iray amin’ireto fepetra manaraka ireto:
-
Mandefa ilay anarana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly ny havana akaikin’ilay olona efa maty (ny vadiny tsy nisaraka taminy, na ny zanany efa olon-dehibe, na ny rainy na ny reniny, na ny iray tampo aminy).
-
Misy fanomezan-dalana hanatanterahana ireo ôrdônansy voaray avy amin’ny havana akaikin’ilay olona efa maty (ny vadiny tsy nisaraka taminy, na ny zanany efa olon-dehibe, na ny rainy na ny reniny, na ny iray tampo aminy).
Raha toa ka tsy misy feno ireo fepetra etsy ambony ireo na dia iray aza, dia 110 taona aorian’ny nahaterahan’ilay olona maty vao azo tanterahina ireo ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena.
28.1.1
Fanomanana anaran’olona efa maty hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly
Raha azo atao dia tokony hampidirina ao amin’ny FamilySearch.org ny fampahalalana mikasika ireo olona efa maty ao amin’ny fianakaviana mialoha ny hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly (jereo ny 25.4.2).
28.1.1.1
Fandefasana ireo anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviana
Rehefa mandefa anarana hanatanterahana ôrdônansin’ny tempoly isoloana tena, dia tokony anaran’olona izay misy rohim-pihavanana aminy ihany amin’ny ankapobeny no halefan’ireo mpikambana.
28.1.2
Iza no afaka mandray anjara amin’ireo ôrdônansy ho an’ny maty?
Ny mpikambana rehetra izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mandray anjara amin’ny batisa ho an’ny maty sy ny fandraisana ho mpikambana an’ireo izay efa maty. Afaka mandray anjara amin’ireo ôrdônansy rehetra ho an’ny maty ny mpikambana efa nandray fanafiana masina izay manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery. Jereo ny 26.3.
28.1.4
Famandrihana fotoana
Mety ilain’ny mpikambana ny mamandrika fotoana mialoha ny hanatanterahana ôrdônansy ho an’ny olona efa maty. Jereo ny temples.ChurchofJesusChrist.org mahakasika ny fomba ahafahana mifandray amin’ny tempoly tsirairay sy ireo zavatra takina amin’ny famandrihana fotoana.
28.2
Fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo olona efa maty
Rehefa manatanteraka ôrdônansy isoloana tena dia tsy afaka manao ny fisoloana tena ny mpikambana iray raha tsy hoe lehilahy tany am-pahaterahana mitovy amin’ilay olona efa maty izay lehilahy tany am-pahaterahana, na vehivavy tany am-pahaterahana mitovy amin’ilay olona efa maty izay vehivavy tany am-pahaterahana.
28.2.1
Batisa sy fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty
Izay mpikambana rehetra manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia azo asaina mba hanompo ao anatina asa atao iray na maromaro ao amin’ny efitra fanaovana batisa. Ny sasantsasany amin’ireo asa atao ireo dia ahitana ny:
-
Firotsahana ho mpisolo tena ho an’ny batisa.
-
Firotsahana ho vavolombelon’ny batisa isoloana tena.
-
Firotsahana ho mpisolo tena ho an’ny fandraisana ho mpikambana.
-
Fanampiana ireo mpitsidika ny tempoly.
Azo asaina mba hanatanteraka batisa ho an’ny maty ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna. Ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka koa dia azo asaina mba hisahana ny fandraisana ho mpikambana ho an’ny maty.
Ny lehilahy izay efa nandray fanafiana masina ihany no azo asaina mba:
-
Ho mpiandraikitra ny firaketana eo amin’ny toerana fanaovana batisa.
-
Ho mpiandraikitra ny firaketana ny fandraisana ho mpikambana.
28.2.2
Fanafiana masina (tafiditra ao anatin’izany ny ôrdônansy fiomanana)
Rehefa manatanteraka fanafiana masina isoloana tena ho an’ny maty, dia tanterahina sy raketina mitokana ilay ampahany ahitana ny ôrdônansy fiomanana (jereo ny 27.2). Izay olona mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mirotsaka ho mpisolo tena mba handray ireo ôrdônansy ireo.
28.2.3
Famehezana amin’ny vady sy famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny
Any amin’ny tempoly dia azo fehezina amin’ny olona novadiny tety amin’ny fiainana an-tany ireo olona efa maty. Azo fehezina amin’ireo olona efa maty koa ireo zanany mbola velona na ireo zanany efa maty. Ny mpikambana efa nandray fanafiana masina ka manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly manan-kery dia afaka mirotsaka ho mpisolo tena ho an’ireo ôrdônansin’ny famehezana.
28.3
Ireo toe-javatra manokana
Ity fizarana ity dia manazava ireo toe-javatra izay tsy ahafahana mampihatra ny sasantsasany amin’ireo torolalana ao amin’ny 28.1 .
28.3.1
Zaza maty talohan’ny nahaterahana (zaza rano sy zaza afaka tao an-kibo)
Tsy ilaina ny manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo zanaka maty talohan’ny nahaterahany. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny 38.7.3.
28.3.2
Zaza maty talohan’ny naha-feno valo taona azy
Ny zaza dia avotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary “voavonjy ao amin’ny fanjakana selestialin’ny lanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:10). Noho izany antony izany dia tsy misy batisa na fanafiana masina atao ho an’ny zaza maty talohan’ny naha-feno 8 taona azy. Ny famehezana amin’ny ray aman-dreny anefa dia azo tanterahina ho an’ny ankizy izay tsy teraka tao anatin’ny fanekempihavanana na ho an’ny ankizy tsy nandray izany ôrdônansy izany fony fahavelony (jereo ny 18.1).