“34. Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“34. Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
34.
Fitantanam-bola sy fanamarinana ny fampiasam-bola
34.0
Teny fanolorana
Ny fahafolonkarena sy ny fanatitra dia mamela ny Fiangonana hanohy ny asan’ny Tompo ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny 1.2). Masina ireny vola ireny. Maneho ny fahafoizan-tena sy ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana izy ireny (jereo ny Marka 12:41–44).
34.2
Mpitarika misahana ny fitantanam-bolan’ny paroasy
34.2.1
Ny episkôpà
Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny eveka mahakasika ny fitantanam-bola eo anivon’ny paroasy. Zarainy amin’ireo mpanolotsainy sy mpitambokiny ny ampahany amin’io asa io.
Ny eveka dia:
-
Mampianatra sy mitaona ny mpikambana handoa fahafolonkarena feno sy hanolotra amim-pahalalahan-tanana ireo fanatitra (jereo ny 34.3).
-
Maka antoka fa voatantana sy voatana an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny volan’ny paroasy (jereo ny 34.5).
-
Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.
-
Maka antoka fa mamantatra ny andraikiny mikasika ny vola masin’ny Fiangonana ireo mpitarika rafitra sy ireo mpitamboky.
-
Manomana sy mitantana ny tetibolan’ny paroasy isan-taona (jereo ny 34.6).
-
Mihaona isan-taona amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy mba hahazoana ny fanambarana ny fahafolonkaren’izy ireo.
34.2.2
Ny mpitambokin’ny paroasy
Omen’ny eveka andraikitra mba hanampy amin’ny firaketana ny fitantanam-bolan’ny paroasy ny mpitamboky eo anivon’ny paroasy na ny mpitamboky mpanampy eo anivon’ny paroasy. Manaraka tsara ireo fitsipika amin’izao fotoana izao ny mpitamboky mba hiarovana ny tahirim-bolan’ny Fiangonana sy mba hahazoana antoka fa marina tsara ireo rejisitry ny Fiangonana.
Ireto manaraka ireto ny andraikitra sahanin’ny mpitamboky:
-
Mirakitra an-tsoratra sy manatitra miaraka amin’ny mpikambana iray ao episkôpà izay vola rehetra voaray.
-
Mijery isam-bolana ny tatitra ara-bola ary maka antoka fa voavaha haingana ny olana rehetra.
-
Manampy ny episkôpà amin’ny fanomanana ny tetibolan’ny paroasy isan-taona (jereo ny 34.6.1 sy ny 34.6.2).
-
Maka antoka fa afaka mijery ny tatitra momba ny anjara biriky nentiny ireo mpikambana ary manampy raha ilaina izany.
Tokony hihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpitamboky ary manana fahazoan-dalana manan-kery hidirana ny tempoly.
34.3
Anjara biriky
34.3.1
Fahafolonkarena
Ny fahafolonkarena dia fanomezana ny iray ampahafolon’ny vola miditra amin’ny olona iray ho an’ny Fiangonan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 119:3–4; ny zana-bola dia azo lazaina hoe vola miditra). Tokony handoa fahafolonkarena ny mpikambana rehetra manana fidiram-bola.
34.3.1.2
Fanambarana ny fahafolonkarena
Mihaona amin’ny mpikambana tsirairay ny eveka mandritra ireo volana vitsivitsy farany isan-taona mba handray ny fanambarana ny fahafolonkaren’ilay mpikambana.
Asaina daholo ny mpikambana hihaona amin’ny eveka mba:
-
Hanambara amin’ny eveka hoe manao ahoana ny fanefan’izy ireo ny adidiny amin’ny maha-mpandoa fahafolonkarena azy ireo.
-
Haka antoka fa marina ny voalaza ao amin’ny firaketana ny anjara biriky nentin’izy ireo.
Raha azo atao dia tokony hanatrika avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana, anisan’izany ny zanaka.
34.3.2
Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina
Mamporisika ny mpikambana mba hiaina ny lalàn’ny fifadian-kanina ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fanatitra amin’ny ny fifadian-kanina amim-pahalalahan-tanana (jereo ny 22.2.2).
Hita ao amin’ny 22.5.2ny torolalana mikasika ny fampiasana ny vola avy amin’ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina.
34.3.3
Kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana
Ny anjara biriky arotsaka ao amin’ny kitapom-bolan’ny paroasy ho an’ny asa fitoriana dia ampiasaina voalohany indrindra hanefana ireo anjara biriky nanaovan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno avy ao amin’ilay paroasy fanolorantena.
Ireo anjara biriky narotsaka ao amin’ny kitapom-bola faobe ho an’ny asa fitoriana dia ampiasain’ny Fiangonana amin’ny asa fitoriana rehetra ataony amin’ny ankapobeny.
34.3.7
Tsy azo averina ireo anjara biriky natolotra
Rehefa atolotra ho an’ny Fiangonana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa dia an’ny Tompo izy ireny. Atokana ho Azy izany.
Mampahafantatra ireo izay mandoa fahafolonkarena sy fanatitra ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa tsy azo averina ireo anjara biriky ireo.
34.4
Fihazonana ho tsiambaratelo ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa
Hazonina ho tsiambaratelo ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa naloan’ny mpanome iray. Ny eveka sy ireo izay nomena lalana handray an-tanana na hijery ireo anjara biriky ireo ihany no tokony hahafantatra izany.
34.5
Fitantanana ny volan’ny Fiangonana
Maka antoka ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa voatantana araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana rehetra. Amporisihina ny episkôpà sy ny mpitamboky mba hijery ilay horonan-tsary “Sacred Funds, Sacred Responsibilities” indray mandeha isan-taona farafahakeliny.
34.5.1
Fitsipiky ny fiarahana miasa tsiroaroa
Ny fitsipiky ny fiarahana miasa tsiroaroa dia mitaky olona roa, mpikambana iray ao amin’ny episkôpà sy mpitamboky iray, na mpikambana roa ao amin’ny episkôpà, mba hiara-hiasa amim-pahavitrihana rehefa mitana an-tsoratra sy mamoaka ny volan’ny Fiangonana.
Tokony hiaro ary tsy hizara na oviana na oviana ny tenimiafin’izy ireo ny mpitarika (jereo ny 33.9.1.1).
34.5.2
Fandraisana fahafolonkarena sy fanatitra hafa
Nankinin’ny Tompo amin’ny eveka ny andraikitra masina handray sy hitana an-tsoratra ireo fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa avy amin’ny Olomasina (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:30–33; 119). Ny eveka sy ny mpanolotsainy ihany no afaka mandray ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa. Na inona na inona miseho dia tsy tokony horaisin’ny vadiny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakavian’izy ireo na ny mpitamboky na ny mpikambana hafa ao amin’ny paroasy ireo anjara biriky ireo.
34.5.3
Fanamarinana sy fitanana an-tsoratra ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa
Tokony hamarinina sy hotanana an-tsoratra ny alahady nandraisana izany ireo anjara biriky natolotra. Mpikambana iray ao amin’ny episkôpà sy mpitamboky iray na mpikambana roa ao amin’ny episkôpà no miara-manokatra ny valopy tsirairay. Manamarina izy ireo fa mitovy amin’ny vola voasoratra ao amin’ny taratasy fanoratana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa ny vola natsofoka tao anatin’ilay valopy. Tanan’izy ireo an-tsoratra araka ny tokony ho izy ny fanomezana tsirairay avy. Raha tsy mitovy ilay vola nomena sy ny vola voasoratra dia antsoin’izy ireo faran’izay haingana ilay olona nanome ny vola mba hamahana ilay olana.
34.5.4
Fandrotsahana ny vola avy amin’ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa
Tokony homanina ny fandrotsahana ny vola rehefa avy nalaina antoka fa mitovy amin’ny vola voaray ny vola notanana an-tsoratra.
Any amin’ny toerana izay ahitana banky azo androtsahana vola foana ao anatin’ny 24 ora, dia arotsaky ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà miaraka amin’ny olona iray hafa mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ilay vola amin’iny andro nanokafana ny valopy nisy ny vola sy nanamarinana ny vola iny ihany.
Raha toa ka tsy misy banky azo androtsahana vola foana ao anatin’ny 24 ora ary mihidy ny banky isaky ny alahady dia manome andraikitra mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka iray ny eveka mba handrotsaka ilay vola ny andro manaraka hisokafan’izany. Izy dia tokony:
-
Haka antoka fa any amin’ny toerana voaro tsara ireo vola mandra-pandrotsahana azy ireo.
-
Haka rosian’ny vola narotsaka ka ahitana ny daty sy ny totalin’ny vola narotsaka.
34.5.5
Fiarovana ny volan’ny Fiangonana
Ny mpikambana izay tompon’andraikitra amin’ny volan’ny Fiangonana dia tsy mahazo mamela izany ao amin’ny trano fivoriana an’ny Fiangonana mandritra ny alina na mamela izany na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona tsy misy mpanara-maso toy ny hoe mandritra ireo fivoriana na fiaraha-mientana.
34.5.7
Fitantanana ny fandoavam-bola ataon’ny tsatòka sy ny paroasy
Tsy misy vola holaniana azo ekena na azo aloa raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ny mpiandraikitra mpiahy.
Tsy maintsy mpitarika roa nahazo lalana no manome fankatoavana ny fandoavam-bola tsirairay avy. Tsy maintsy mpikambana ao amin’ny fiadidian’ny tsatòka na ny episkôpà ny iray amin’izy ireo. Na dia mety nahazo lalana hanome fankatoavana ireo fandoavam-bola aza ireo mpanolotsaina dia tsy maintsy mijery ny fandoavam-bola natao tsirairay avy ny filohan’ny tsatòka na ny eveka. Tsy tokony hanome fankatoavana fandoavam-bola ho an’ny tenany ireo mpitarika.
Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny filohan’ny tsatòka mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny tenany na ho an’ny fianakaviany. Takina ny fankatoavana an-tsoratra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mialoha ny hahafahan’ny eveka mampiasa ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina na manao fankatoavana ny bishop’s order (rafitra fangatahan-javatra ampiasain’ny eveka) ho an’ny filohan’ny tsatòka na ho an’ny fianakaviany. Jereo ny 22.5.1.2 mba hahitana torolalana.
Ny mpikambana iray izay mitaky famerenam-bola dia manome ny tahadikan’ny rosia na ny faktiora amin’ny endrika taratasy na elektrônika. Ampidiriny ao anatin’izany ihany koa ny antony sy ny tontalin’ny vola ary ny daty nividianan-javatra.
Raha misy vola naloa mialoha dia mandefa taratasy fangatahana fandoavam-bola ilay mpikambana, ary soratany ao anatin’izany ny antony sy ny tontalin’ny vola ary ny daty. Rehefa voaloa ilay vola nolaniana dia (1) manome rosia na faktiora manamarina ny vola lany ilay mpikambana ary (2) mamerina izay vola tsy lany. Tokony haverina harotsaka ny famerim-bola.
34.5.9
Fihazonana ny rejisitra ara-bola
Tokony hihazona rejisitra ara-bola ara-dalàna sy marina ny tsatòka sy sampana tsirairay.
Mba hahitana fampahalalana momba ny fampiasana sy ny fitehirizana rejisitra sy tatitra dia tokony hijery ireo torolalana avy amin’ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra ireo mpitamboky. Tokony hazonina mandritra ny telo taona farafahakeliny ankoatra ilay taona diavina ny rejisitra ara-bola.
34.6
Tetibola sy vola mivoaka
Ilay fandaharan’asa fanomezana vatsim-bola dia manolotra vola avy amin’ny kitapom-bola faoben’ny Fiangonana mba hanefana izay vola ilaina ho an’ireo hetsika sy fandaharan’asan’ny tsatòka sy ny sampana.
Tokony ho tsotra sy tsy dia mandany vola na tsy hampiasana vola mihitsy aza ny ankamaroan’ireo fiaraha-mientana.
34.6.1
Tetibolan’ny tsatòka sy paroasy
Mandrindra ny tetibola isan-taona ny tsatòka sy paroasy tsirairay ary manatontosa asa amin’ny alalan’izany. Ny filohan’ny tsatòka no mitantana ny tetibolan’ny tsatòka ary ny eveka no mitantana ny tetibolan’ny paroasy.
Voatanisa etsy ambany ny torolalana momba izany:
-
Mamerina mijery ny vola lany tamin’ny taona lasa mba hahazoana antoka fa voadinika ireo fandaniana miverimberina.
-
Mangataka ireo vondrona mba hanome ny tombantomban’ny tetibola holaniany amin’ny antsipiriany.
-
Mandrafitra ny tetibola amin’ny alalan’ny fampiasana fomba fandrafetana tetibola nahazoana fankatoavana.
34.6.2
Vatsim-bola
34.6.2.1
Fanomezana vatsim-bola
Isaky ny telo volana no hanomezana ny vatsim-bola ary mifototra amin’ny isan’ny mpanatrika ao anatin’ireto sokajy manaraka ireto:
-
Fivoriana fanasan’ny Tompo
-
Zatovolahy
-
Zatovovavy
-
Ankizy 7–10 taona ao amin’ny Kilonga
-
Tanora tokan-tena
Zava-dehibe ny manao tatitra marina sy ara-potoana momba ny isan’ny mpanatrika ny fivoriana (jereo ny 33.5.1.1).
34.6.2.2
Fampiasana ny tetibola araka ny tokony ho izy
Maka antoka ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka fa ampiasaina amim-pahendrena ny vatsim-bola.
Tokony hampiasaina mba handoavana ny vola ilaina amin’ireo fiaraha-mientana sy fandaharan’asa ary boky sy kojakoja ilaina rehetra ny vola omena ny tsatòka sy ny paroasy.
34.6.2.3
Tetibola ambiny
Tsy tokony hampiasaina ny tetibola ambiny. Averina any amin’ny tsatòka ny ambin’ny tetibola nampiasain’ny paroasy.
34.7
Fanamarinana ny fampiasam-bola
34.7.1
Kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka
Manendry kômity iray hisahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka ny filohan’ny tsatòka. Maka antoka io kômity io fa atao araka ny lalàn’ny Fiangonana ny fitantanana ny volan’ny tsatòka sy ny paroasy.
34.7.3
Fanamarinana ny fitantanam-bola
Manamarina ny rejisitra ara-bolan’ny tsatòka sy ny paroasy ary ny ivon-toeran’ny FamilySearch indroa isan-taona ireo mpanamarina ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka.
Ny mpiandraikitra amin’ny fisoronana miahy ilay rantsana sy ny mpitamboky nampiandraiketina ny lafiny ara-bola dia tsy maintsy manana fotoana malalaka hamaliana ireo fanontaniana mandritra ny fanamarinana ny fampiasam-bola.
34.7.5
Fahaverezana na fangalarana na fanodinkodinana na fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny volan’ny Fiangonana
Tokony hampahafantarina avy hatrany ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny kômity misahana ny fanamarinana ny fampiasam-bola eo anivon’ny tsatòka raha toa ka:
-
Nisy volan’ny Fiangonana very na nisy nangalatra.
-
Nanodinkodina na nampiasa ny volan’ny Fiangonana tsy araka ny tokony ho izy ny mpitarika iray.