“37. Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“37. Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
37.
Tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana
37.0
Teny fanolorana
Ny filohan’ny tsatòka dia afaka mandroso ny hananganana tsatòka sy paroasy ary sampana ho an’ny sokajin’olona manokana mba hanompoana ireo mpikambana araka izay voalaza ao anatin’ity toko ity.
37.1
Paroasy sy sampana miteny amin’ny fiteny hafa
Ny filohan’ny tsatòka no afaka mandroso ny hananganana paroasy na sampana miteny amin’ny fiteny hafa ho an’ny mpikambana ao amin’ny tsatòka (1) izay tsy miteny ny fiteny eo an-toerana na (2) izay mampiasa fiteny tanana.
37.7
Vondrona ao anatina tsatòka sy misiôna ary vondromparitra
Ny vondrona dia andiana mpikambana vitsivitsy nahazo lalana hivondrona eo ambany fanaraha-mason’ny eveka iray na filohana sampana na filohan’ny misiôna. Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna dia afaka mangataka ny hananganana vondrona iray amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:
-
Sarotra ho an’ireo izay mety ho mpikambana ao aminy ny fandehanana any amin’ny paroasy na sampana iray.
-
Misy mpikambana vitsivitsy miteny amin’ny fiteny hafa ankoatra ny fiteny ampiasaina ao amin’ilay sampana na paroasy.
-
Ireo mpikambana ao amin’ny tafika dia voakarakara kokoa rehefa ao anatina vondrona.
Tsy maintsy misy mpikambana roa farafahakeliny ao amin’ny vondrona iray. Ny anankiray dia tsy maintsy mpisorona mendrika ao amin’ny Fisoronana Aharôna na mpihazona Fisoronana Melkizedeka mendrika.
Ao anatin’ny tsatòka dia ny filohan’ny tsatòka no manome andraikitra eveka na filohan’ny sampana iray hanokatra sy hanara-maso ilay vondrona. Ao anatin’ny misiôna dia ny filohan’ny misiôna no manome andraikitra ny filohan’ny sampana handrindra sy hanara-maso izany.
Ny filohan’ny tsatòka na ny filohan’ny misiôna na ny eveka na ny filohan’ny sampana no miantso mpitarika ny vondrona sy manokana azy. Ny mpitarika ny vondrona no mandrindra sy mitarika ireo fivorian’ny vondrona, izay ahitana fikarakarana ny fanasan’ny Tompo.
Tsy mihazona fanalahidin’ny fisoronana ny mpitarika ny vondrona ary tsy mahazo lalana ny:
-
Handray fahafolonkarena sy fanatitra.
-
Hanoro hevitra ireo mpikambana mikasika ny fahotana goavana.
-
Hanome famerana tsotsotra na ôfisialy ny zo maha-mpikambana.
-
Hanatanteraka andraikitra hafa izay ilana fanalahidin’ny fisoronana.
Raha ny tokony ho izy, ny vondrona dia mampiasa ny Fandaharam-pampianarana fototra ho an’ny rantsana.
Ny taratasy firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana an’ireo mpikambana ao amin’ny vondrona dia tazonina ao amin’ny paroasy na sampana izay manara-maso ilay vondrona.
Ny foiben’ny Fiangonana dia tsy manome laharana rantsana ho an’ireo vondrona.