Boky torolalana sy antso
38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana


“38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).

“38. Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana,” Fantina avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany

38.

Ireo fitsipika sy torolalan’ny Fiangonana

38.1

Fandraisana anjara ao am-piangonana

Tian’ny Raintsika any An-danitra ny zanany rehetra. “Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra,” ary manasa ny rehetra Izy “hanatona Azy sy hanana anjara amin’ny hatsaram-pony” (2 Nefia 26:33).

38.1.1

Fanatrehana ireo fivoriam-piangonana

Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sosialy ataon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny olona rehetra. Ny mpiandraikitra mpiahy no tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa ireo rehetra manatrika dia maneho fanajana ny fahamasinan’ny toerana.

Ireo izay manatrika dia tsy tokony hanao zavatra manapaka na manelingelina mifanohitra amin’ny fitsaohana na ireo tanjona hafa an’ilay fivoriana. Tokony hajaina avokoa ireo fe-taona sy fitondrantena takin’ireo fivoriam-piangonana sy hetsika samihafa. Izany dia mitaky ny tsy fanaovana fihetsika toy ny fifanorohana ela na fifampisafosafoana ary ny tsy fanaovana fitafy na fihaingo izay miteraka tsy fifantohana. Izany ihany koa dia mandrara ny fanaovana resaka ara-politika na firesahana momba ny fironana ara-pananahana na momba ny toe-tena manokana hafa amin’ny fomba izay mampiala ny fifantohana amin’ireo fivoriana izay mifantoka amin’ny Mpamonjy.

Raha misy fitondrantena tsy mendrika miseho dia manome torohevitra mitokana sy amim-pitiavana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Mankahery ireo izay manana fitondrantena tsy mifanentana amin’ilay fivoriana izy mba hifantoka hanampy amin’ny fihazonana ilay toerana ho masina ho an’ireo rehetra manatrika ka antitranterina manokana amin’izany ny fitsaohana ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Ireo trano fivoriana an’ny Fiangonana dia raisina ho fananana manokana iharan’ireo fitsipiky ny Fiangonana noho izany. Ireo rehetra izay tsy vonona ny hanaraka ireo torolalana ireo dia hangatahina amim-panajana tsy hanatrika ireo fivoriam-piangonana sy ireo hetsika karakarain’ny Fiangonana.

38.2

Fitsipika mikasika ireo ôrdônansy sy tsodrano

Ny fampahalalana amin’ny ankapobeny momba ireo ôrdônansy sy tsodrano dia omena ao amin’ny toko faha-18. Ny fampahalalana momba ny ôrdônansin’ny tempoly dia omena ao amin’ny toko faha-27 sy 28. Afaka mifandray amin’ny filohan’ny tsatòka ireo eveka raha manana fanontaniana izy ireo. Afaka mifandray amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka raha manana fanontaniana izy ireo.

38.3

Fisoratam-panambadiana

Manentana ireo mpikambana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hanao izay hahamendrika azy ireo hanao fanambadiana any amin’ny tempoly ary hanambady sy hofehezina any amin’ny tempoly. Raha avelan’ny lalàna eo an-toerana anefa dia afaka manatanteraka fisoratam-panambadiana ara-panjakana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Tsy maintsy atao mifanaraka amin’ny lalàna misy eo amin’ny toerana hanatanterahana azy ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana.

38.3.1

Iza no afaka manatanteraka ny fisoratam-panambadiana ara-panjakana

Raha avelan’ny lalàna misy eo an-toerana, ireto mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana eo am-panompoana ireto dia afaka manao ny antson’izy ireo mba hanatanteraka lanonam-pisoratam-panambadiana:

  • Ny Filohan’ny Misiôna

  • Ny Filohan’ny tsatòka

  • Ny Filohan’ny distrika

  • Ny Eveka

  • Ny Filohan’ny sampana

Ireo mpiandraikitra ireo dia tsy afaka manatanteraka afa-tsy fisoratam-panambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray ihany. Tsy maintsy mihatra ihany koa ireto fepetra manaraka ireto:

  • Mpikamban’ny Fiangonana ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady na manana datin’ny batisa.

  • Ao amin’ilay rantsan’ny Fiangonana izay ahin’ilay mpiandraikitra ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana ilay vehivavy na ilay lehilahy mpanambady, na ho tafiditra ao aorian’ny batisa.

  • Nahazo lalana ara-dalàna ny hanatanteraka fisoratam-panambadiana ao anatin’ny faritra hanaovana ilay fanambadiana ilay mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana.

38.3.4

Fisoratam-panambadiana ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana

Azo atao ao amin’ny tranon’ny Fiangonana ny lanonam-panambadiana iray raha toa ka tsy manakorontana ny fandaharam-potoana efa mahazatra ao amin’ny Fiangonana izany. Tsy tokony hatao ny Sabata na ny alatsinainy hariva ireo fanambadiana ireo. Tokony ho tsotra sy mendrika ireo fanambadiana tanterahina ao amin’ireo tranon’ny Fiangonana. Tokony ho masina sy feno fanajana lalina ary mitondra fifaliana ireo hira.

Azo tanterahina ao amin’ny trano fiangonana, ao amin’ny efitrano ara-kolontsaina, na amin’ny efitrano hafa izay mety amin’izany ireo fanambadiana. Tokony hanaraka ireo torolalana mikasika ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny trano fivorian’ny Fiangonana ireo fanambadiana.

38.3.6

Lanonam-pisoratam-panambadiana

Rehefa manatanteraka fisoratam-panambadiana ny mpiandraikitra iray ao amin’ny Fiangonana dia miresaka amin’ilay mpivady ary miteny hoe: “Aoka ianareo hifandray amin’ny tanana havana.” Avy eo izy dia milaza hoe: “[Anarana fenon’ilay lehilahy sy anarana fenon’ilay vehivavy], mifandray amin’ny tanana havanana ianareo ho marik’ireo voady izay hifanaovanareo amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ Andriamanitra sy ireto vavolombelona ireto.” (Afaka mifidy na manendry ireo vavolombelona ireo mialoha ilay mpivady.)

Avy eo ilay mpiandraikitra dia mitodika amin-dralehilahy ary manontany hoe: “[Anarana fenon’ilay lehilahy], manaiky ve ianao, handray an’i [anarana fenon’ilay vehivavy], ho vadinao ara-dalàna, ary moa ve ianao manaiky an-tsitrapo sy noho ny safidinao tsy misy faneriterena ny ho namany sy ho vady andefimandriny ara-dalàna, fa ianao dia hifikitra aminy fa tsy amin’olon-kafa, fa ianao dia hitandrina ireo lalàna sy andraikitra ary adidy rehetra mifamatotra amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana, ary ianao dia hitia sy hanaja ary hankamamy azy raha samy mbola velona koa ianareo roa?”

Mamaly ralehilahy hoe, “Eny” na “Manaiky aho.”

Avy eo ilay mpiandraikitra dia mitodika amin-dravehivavy ary manontany hoe: “[Anarana fenon’ilay vehivavy], manaiky ve ianao, handray an’i [anarana fenon’ilay lehilahy], ho vadinao ara-dalàna, ary moa ve ianao manaiky an-tsitrapo sy noho ny safidinao tsy misy faneriterena ny ho namany sy ho vady andefimandriny, fa ianao dia hifikitra aminy fa tsy amin’olon-kafa, fa ianao dia hitandrina ireo lalàna sy andraikitra, ary adidy rehetra mifamatotra amin’ny fahamasinan’ny fanambadiana, ary ianao dia hitia sy hanaja ary hankamamy azy raha mbola samy velona koa ianareo roa?”

Mamaly ravehivavy hoe, “Eny” na “Manaiky aho.”

Rehefa izany dia mitodika amin’ny mpivady ilay mpiandraikitra ao amin’ny Fiangonana ka miteny hoe: “Amin’ny alalan’ny fahefana ara-dalàna izay nomena ahy amin’ny maha-loholon’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy, no anambarako fa ianareo ry [anaran-dralehilahy] sy [anaran-dravehivavy], dia mpivady ara-dalàna mandritra ny fiainanareo eto an-tany.”

(Teny ampiasaina ho an’ny mpitondra fivavahana any amin’ny tafika izay tsy mpiandraikitra mpiahy ao amin’ny Fiangonana: “Amin’ny alalan’ny fahefana ara-dalàna izay nomena ahy amin’ny maha-mpitondra fivavahana ahy avy ao amin’ny [sampan’ny miaramila na fikambanana sivily], no anambarako fa ianareo ry [anaran-dralehilahy] sy [anaran-dravehivavy], dia mpivady ara-dalàna mandritra ny fiainanareo eto an-tany.”)

“Andriamanitra anie handrotsaka fifaliana eo amin’ny taranakareo ao anatin’ny fanambadianareo, sy hanome fiainana lava iarahana ao anatin’ny fahasambarana, ary Izy anie hitahy anareo mba hitandrina ho masina ireo voady izay nataonareo. Ireo tsodrano ireo no angatahiko hirotsaka aminareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”

Tsy voatery atao ny fanasana ny mpivady hifanoroka, fa arakaraka ny lamina ifanekena ara-kolontsaina.

38.4

Ireo fitsipika momba ny famehezana

Mampitambatra ny fianakaviana ho mandrakizay ireo ôrdônansin’ny famehezana ao amin’ny tempoly rehefa miezaka manaja ny fanekempihavanana izay ataony ny mpikambana rehefa mandray ilay ôrdônansy. Ireo ôrdônansin’ny famehezana dia ahitana ny:

  • Famehezana ny mpivady.

  • Famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny.

Hihazona ireo fitahiana ho an’ny tena manokana nentin’ilay famehezana ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany. Mitombina foana izany na dia efa nandika ireo fanekempihavanana aza ny iray amin’ireo mpivady na niala tamin’ilay fanambadiana.

Ireo zanaka mahatoky izay fehezina amin’ny ray aman-dreny na teraka tao anatin’ny fanekempihavanana dia mihazona ireo fitahian’ny maha-zanaka mandrakizay. Toy izany hatrany izany na dia manafoana ny famehezana ny fanambadiany aza ny ray aman-drenin’izy ireo, na nesorina tsy ho mpikamban’ny Fiangonana, na niala tamin’ny maha-mpikambana azy ireo.

Tokony hifampidinika amin’ny evekany ireo mpikambana raha toa ka manana fanontaniana mikasika ireo fitsipika mifehy ny famehezana. Miresaka amin’ny filohan’ny tsatòka ny eveka raha manana fanontaniana. Ny filohan’ny tsatòka dia mahazo mifandray amin’ny fiadidiana misahana ny tempoly ao amin’ny distrikan’ny tempoly misy azy ireo, na ny Fiadidian’ny Vondromparitra, na ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany raha manana fanontaniana izy ireo.

38.5

Akanjo fitafy ao amin’ny tempoly sy garmentan’ny tempoly

38.5.1

Fitafiana fanao any amin’ny tempoly

Mandritra ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana ao amin’ny tempoly dia manao akanjo fotsy ny mpikamban’ny Fiangonana. Manao ireto akanjo fotsy manaraka ireto ny vehivavy: akanjo tohitena lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry (na zipo sy lobaka lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry), bakiraro fohy na lava, ary kiraro na kiraro lamba.

Manao ireto akanjo fotsy manaraka ireto ny lehilahy: lobaka lava tanana, karavato na “noeud papillon”, pataloha, bakiraro, ary kiraro na kiraro lamba.

Mandritra ny ôrdônansin’ny fanafiana masina sy ny famehezana dia manao fitafy fanampiny fanaovana ôrdônansy eo ivelan’ny akanjo fotsiny ireo mpikambana.

38.5.2

Ny fomba hahazoana ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly sy ny garmenta

Mamporisika ireo mpikambana efa nandray fanafiana masina ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka mba hanao izay ananan’izy ireo ny fitafiana fanao any amin’ny tempoly izay azy ireo manokana. Ireo akanjo fitafy any amin’ny tempoly sy ireo garmentan’ny tempoly dia azo vidina ao amin’ny Sampan-draharaha mpaninjara an’ny Fiangonana na ao amin’ny store.ChurchofJesusChrist.org. Afaka manampy ireo mpikambana hanafatra ireo fitafiana ny mpitambokin’ny tsatòka sy paroasy.

38.5.5

Fanaovana sy fikarakarana ny garmenta

Ireo mpikambana izay mandray ny fanafiana masina dia manao fanekempihavanana ny hitafy ny garmentan’ny tempoly mandritra ny androm-piainany.

Ny garmentan’ny tempoly dia mpampahatsiahy ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly, ary rehefa tafina araka ny tokony ho izy izany mandritra ny fiainana, dia ho fiarovana hanoherana ny fakam-panahy sy ny ratsy. Ny garmenta dia tokony hanaovana ao anatin’ny akanjo tafina ety ivelany. Tsy tokony hoesorina izany rehefa manao zavatra izay azo atao tsara miaraka amin’ny fanaovana garmenta, ary tsy tokony hamboarina izany mba hifanaraka amin’ny endriky ny akanjo samihafa. Ireo mpikambana efa nandray ny fanafiana masina dia tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamaliana ireo fanontaniana manokana mikasika ny fanaovana garmenta.

Tombontsoa masina ny fanaovana garmenta ary ny fanaovana izany dia fanehoana ety ivelany ny fanolorantena ao anatinao fa hanaraka ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

Safidy manokana ataon’ny olona iray ny hoe hanao atin’akanjo hafa na tsia eo ivelany na ao anatin’ny garmentan’ny tempoly.

Jereo ny 26.3.3.

38.5.7

Fanariana ireo garmenta sy akanjo fitafy mandritra ny ôrdônansy ao amin’ny tempoly

Rehefa simba ireo garmentan’ny tempoly ka tsy hampiasa izany intsony ny mpikambana dia tokony hohetezan’izy ireo na hopotehiny ireo marika. Avy eo dia hetezana ilay lamba sisa tavela mba tsy hisy hahafantarana azy intsony hoe garmenta. Azo ariana ilay lamba sisa tavela.

Ny mpikambana dia afaka manome garmenta sy akanjo fitafy any amin’ny tempoly izay mbola tsara ho an’ny mpikambana hafa izay efa nandray fanafiana masina.

38.5.8

Akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ho an’ny fandevenana

Raha azo atao dia tokony hampitafiana ny akanjo fitafy ao amin’ny tempoly ireo mpikambana maty ka efa nandray fanafiana masina rehefa halevina na hodorana. Raha tsy mety na sarotra ny hanaovana izany noho ireo fomban-drazana ara-kolontsaina na ireo fomba amam-panao amin’ny fandevenana, dia azo avalona ilay fitafiana ary apetraka eo akaikin’ilay vata-mangatsiaka.

Ny vata-mangatsiakan’ny lehilahy iray dia ampiakanjoana ny garmentan’ny tempoly sy ireto akanjo fotsy manaraka ireto: lobaka lava tanana, karavato na noeud papillon, pataloha, bakiraro, ary kiraro na kiraro lamba. Ny vata-mangatsiakan’ny vehivavy iray dia ampiakanjoana ny garmentan’ny tempoly sy ireto akanjo fotsy manaraka ireto: akanjo tohitena lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry (na zipo sy lobaka lava tanana na misy tanany manasaka ny lanton-tsandry), bakiraro fohy na lava, ary kiraro na kiraro lamba.

Ampanaovina ilay vatamangatsika araka ny torolalana mandritra ny fanafiana masina ny akanjo fanao mandritra ireo ôrdônansy any amin’ny tempoly. Ilay akanjo lava dia apetraka eo amin’ny soroka havanana ary afatotra amin’ilay tady kely eo amin’ny valahana havia. Fatorana manodidina ny valahana ilay aron’akanjo. Ilay fehinkibo dia atao manodidina ny valahana ary afatotra asiana noeud (vona) eo ankavia. Ny satroky ny lehilahy matetika dia apetraka eo akaikin’ny vatamangatsiakany mandra-pahatongan’ny fotoana hamonosana azy na hanidiana ny vatampaty na izay zavatra asiana azy. Avy eo ilay satroka dia apetraka ka asiana vona eo ambonin’ny sofina havia. Ny voaly ho an’ny vehivavy dia azo apetraka tsotra eo amin’ny ondana ao ambanin’ny lohany. Ny fanaronana ny tarehin’ny vehivavy iray mialoha ny handevenana na handoroana azy dia tsy voatery atao ary ny fianakaviana no manapa-kevitra ny amin’izany.

38.6

Fitsipika mikasika ny fitondrantena

38.6.1

Fanalan-jaza

Nandidy ny Tompo hoe: “Tsy … hamono olona [ianao], na hanao zavatra toy izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:6). Ny Fiangonana dia manohitra ny fampitsaharana an-tsitrapo ny fitondrana vohoka noho ny fikatsahana izay maha-metimety ny tena na maha-metimety eo amin’ny fiarahamonina. Ny mpikambana dia tsy mahazo manaiky ny ho alana zaza, na hanatanteraka izany, na hanao izay hahatontosana izany, na hanaiky ny hanaovana izany, na hamporisika ny fanaovana izany. Ny hany toe-javatra mety maningana amin’izany dia rehefa:

  • Vokatry ny fanararaotana ara-nofo na ny fivadiana amin’ny olom-pady (mpianaka na mpianadahy) ilay vohoka.

  • Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa tandindomin-doza ny aina sy ny fahasalaman’ilay renim-pianakaviana.

  • Manapa-kevitra ny mpitsabo iray manam-pahaizana manokana momba izany fa misy fahasamponana lehibe eo amin’ilay zaza ao an-kibo ka tsy hahafahan’ilay zaza hiaina aorian’ny fahaterahany.

Kanefa na dia ireo toe-javatra maningana ireo aza dia tsy tonga dia manamarina avy hatrany ny fanalan-jaza. Tena zava-doza ny fanalan-jaza. Tsy tokony hoheverina ny hanaovana izany raha tsy efa nahazo fanamafisana tamin’ny alalan’ny vavaka ilay olona tompon’andraikitra. Afaka mifampidinika amin’ny evekany ireo mpikambana ao anatin’izany dingana izany.

38.6.2

Ny herisetra

Ny hoe herisetra dia fihetraketrahana na fanaovana tsinontsinona ny hafa izay miteraka fahavoazana ara-batana, na ara-nofo, na ara-pihetsehampo, na ara-bola. Ny Fiangonana dia mihevitra fa tsy azo ekena ny fampiharana herisetra amin’ny endriny rehetra. Ireo izay mampihatra herisetra amin’ny vadiny, na ny zanany, na ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana, na amin’ny olona hafa dia mandika ny lalàn’ Andriamanitra sy ny an’olombelona.

Ny mpikambana rehetra, indrindra fa ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika, dia amporisihina mba ho malina tsara sy hazoto ary hanao izay azon’izy ireo atao mba hiarovana ny zanaka sy ny olona hafa amin’ny fampiharana herisetra. Raha toa ny mpikambana ka lasa mahafantatra mikasika ny fisian’ny fampiharana herisetra dia tokony hitatitra izany any amin’ny manampahefana ara-panjakana sy hifampidinika amin’ny eveka. Tokony handray amim-pahamatorana ireo tatitra mombana herisetra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka tsy hanamaivana azy ireny na oviana na oviana.

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy na ny zatovo dia tsy maintsy mamita ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy ireo (jereo ny ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Tsy maintsy mamerina ilay fiofanana izy ireo isaky ny telo taona aorian’izay.

Rehefa misy herisetra mitranga, ny andraikitra voalohany raisin’ny Fiangonana dia ny manampy ireo izay nianjadian’ny herisetra sy miaro ireo izay mila fiarovana amin’ny herisetra ho avy. Ireo mpitarika dia tsy tokony hamporisika ny olona iray hijanona ao amin’ny tokantrano na toe-javatra iray isian’ny herisetra na mampidi-doza.

38.6.2.1

Laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra

Any amin’ny firenena sasany dia nanokana laharan-tariby manokana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra ny Fiangonana mba hanampiana ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka. Tokony hiantso avy hatrany ny laharan-tariby hanomezana fanampiana amin’ny herisetra ireo mpitarika ireo hiresahana momba ny toe-javatra rehetra izay mety nampiharana herisetra tamin’ny olona iray, na ahiana ho mety iharan’izany. Tokony hiantso izany ihany koa izy ireo raha toa ka mahafantatra mpikambana iray mijery, na mividy, na mizara pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy.

Any amin’ireo firenena izay tsy manana laharan-tariby hanomezana fanampiana, ny eveka izay nahafantatra ny fisian’ny fampiharana herisetra dia tokony hifampiresaka amin’ny filohan’ny tsatòkany. Ny filohan’ny tsatòka dia tokony hikatsaka tari-dalana any amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra.

38.6.2.2

Filana hevitra rehefa misy trangana herisetra

Matetika ireo nianjadian’ny herisetra no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka. Manome torohevitra ara-panahy sy fanohanana izy ireo mba hanampiana ireo niharan’ny herisetra handresy ireo voka-dratsin’ny herisetra izay manimba.

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Manampy azy ireny sy ny fianakaviany ireo mpitarika mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka dia tokony hanampy ireo izay nahavanona herisetra mba hibebaka sy hanatsahatra ny fitondran-tena tia herisetra. Raha nahavanona fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo amin’ny ankizy ny olon-dehibe iray dia mety ho tena sarotra ovaina izany fitondrantena izany. Mety ho lava dia lava ny dingan’ny fibebahana. Jereo ny 38.6.2.3.

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ihany koa ireo niharan’ny herisetra sy ireo nahavanon-doza ary ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 31.3.6.

38.6.2.3

Herisetra atao amin’ny ankizy na ny zatovo

Fahotana lehibe tokoa ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny zatovo (jereo ny Lioka 17:2). Araka ny ampiasana azy etoana, ny herisetra atao amin’ny ankizy na ny zatovo dia ahitana ireto manaraka ireto:

  • Herisetra ara-batana: Fampiharana fampijaliana ara-batana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Mety tsy hiharihary ny fahavoazana sasany.

  • Herisetra ara-nofo na fanararaotana ara-nofo: Fampiharana izay mety ho endrika filana ara-nofo amin’ny ankizy na zatovo na fanomezana lalana an-tsitrapo na fanampiana ny hafa hanao toy izany. Araka ny ampiasana azy etoana dia tsy tafiditra ao anatin’ny herisetra ara-nofo ny firaisana ara-nofo nifanarahana ataon’ny zaza roa tsy ampy taona izay mitovitovy taona.

  • Herisetra ara-pihetsehampo: Fampiasana fihetsika na teny atao amin’ny ankizy na zatovo iray mba hanimbana tanteraka ny fahatsapany ho mendri-kaja na ny fahatsapany ho manana lanjan’ny tena manokana. Matetika izany no ahitana fanambaniana miverimberina sy mitohy, sy fanaovana azy ho fitaovana, ary ireo fitsikerana manala baraka sy manetry. Mety tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanaovana tsinontsinona an-kitsirano.

  • Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy: jereo ny 38.6.6.

Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala na miahiahy ny fisiana herisetra atao amin’ny ankizy na zatovo dia manaraka avy hatrany ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.1 izy. Maka fepetra ihany koa izy mba hanampiana amin’ny fiarovana amin’ny fiomboan’ny herisetra.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha misy olon-dehibe mpikambana iray mahavanona herisetra amin’ny ankizy na zatovo araka ny voafaritra ato amin’ity fizarana ity. Jereo ihany koa ny 38.6.2.5.

38.6.2.4

Herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa

Tsy dia misy loatra teny tokana hamaritana ny herisetra izay afaka ampiasaina amin’ny toe-javatra rehetra. Fa misy sokajiny arakaraka ny halehibeny kosa ny fihetsika feno herisetra. Izany sokajy izany dia manomboka amin’ny fampiasana teny mahery tsindrindray ka hatramin’ny fampijaliana miteraka fahavoazana lehibe.

Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala fisiana herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa dia manaraka avy hatrany ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.1 izy. Maka fepetra ihany koa izy mba hanampiana amin’ny fiarovana amin’ny fiomboan’ny herisetra.

Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpitarika mba hamaritana raha toa ka fanomezana torohevitra manokana na fanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana no fomba mety indrindra entina andraisana an-tanana ny herisetra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mifampidinika mivantana amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana an’ireo olona tafiditra ao amin’ilay herisetra ny amin’ny fomba mety andraisana an-tanana ny herisetra. Kanefa izay mety ho herisetra atao amin’ny vady na olon-dehibe hafa ka mahakasika ireo fitondrantena na fihetsika voasoritsoritra etsy ambany dia mitaky ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana.

  • Herisetra ara-batana: Fampiharana fampijaliana ara-batana amin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Mety tsy hiharihary ny fahavoazana sasany.

  • Herisetra ara-nofo: Jereo ireo toe-javatra voafaritra ao amin’ny 38.6.18.3.

  • Herisetra ara-pihetsehampo: Fampiasana fihetsika na teny atao amin’ny olona iray mba hanimbana tanteraka ny fahatsapany ho mendri-kaja na ny fahatsapany ho manana lanjan’ny tena manokana. Matetika izany no ahitana fanambaniana miverimberina sy mitohy, sy fanaovana azy ho fitaovana, ary ireo fitsikerana manala baraka sy manetry.

  • Fanararaotana ara-bola: Manararaotra ara-bola ny olona iray. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana tsy ara-dalàna na tsy nahazoan-dalana ny fananana, vola, na zava-tsarobidy hafa an’ny olona iray. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fisolokiana fahefana amin’ny fampiasana ny volan’olon-kafa. Mety ho tafiditra amin’izany ny fanamparana fahefana ara-bola entina hanerena na hampitahorana olona.

38.6.2.5

Antso ao amin’ny Fiangonana, sy ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary ny fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana

Ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavanona herisetra tamin’ny hafa dia tsy tokony homena antso ao amin’ny Fiangonana ary tsy afaka mihazona fahazoan-dalana hidirana ny tempoly raha tsy rehefa afaka ireo famerana zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Raha toa ny olona iray ka nanao herisetra ara-nofo tamin’ny ankizy na zatovo, na nahavanona herisetra ara-batana na ara-pihetseham-po goavana tamin’ny ankizy na zatovo dia hasiana fanamarihana ny firaketana ny mombamomba ny maha-mpikambana azy. Tsy azo omena antso na andraikitra misy ifandraisany amin’ny ankizy na zatovo mihitsy izy. Tafiditra ao anatin’izany ny fanendrena amin’ny fanompoana fianakaviana ka ahitana zatovo na ankizy ao amin’ilay tokantrano. Anisan’izany ihany koa ny tsy fananana zatovo ho mpiara-manompo. Ireo famerana ireo dia manan-kery raha tsy hoe ny Fiadidiana Voalohany no manome lalana ny hanesorana ny fanamarihana.

38.6.2.6

Filankevitry ny tsatòka sy paroasy

Ao anatin’ny filankevitry ny tsatòka sy paroasy dia jeren’ny filohan’ny tsatòka sy ny episkôpà matetika ireo fitsipiky ny Fiangonana sy torolalana momba ny fisorohana ny herisetra sy ny zavatra atao hiatrehana izany. Ny mpitarika sy ny mpikambana ao amin’ilay filankevitra dia tokony hikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy rehefa mampianatra sy miresaka momba io zavatra saropady io.

Tokony hamita ilay fanofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny filankevitra (jereo ny 38.6.2).

38.6.2.7

Raharaha ara-pitsarana mifandray amin’ny herisetra

Raha toa ireo fihetsika feno herisetra nataon’ny mpikambana iray ka nandika ny lalàna velona dia tokony hanainga azy ny eveka na ny filohan’ny tsatòka mba hanambara ilay resaka any amin’ny sampan-draharaha misahana ny fampiharana lalàna na manampahefam-panjakana hafa mifanandrify amin’izany.

Ireo mpitarika sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana dia tokony hanatontosa ireo adidy takin’ny lalàna amin’ny fanaovana tatitra momba ny herisetra amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana.

38.6.4

Fandrindrana ny fiterahana

Tombontsoa lehibe ho an’ireo mpivady vita mariazy izay afaka miteraka ny manome vatana mety maty ho an’ireo zanaka ara-panahin’ Andriamanitra, ka izy ireo noho izany no tompon’andraikitra amin’ny fitaizana azy ireo (jereo ny 2.1.3). Ny fanapahan-kevitra mikasika ny isan’ny zanaka tiana hananana sy ny fotoana hananana azy ireo dia an’ny tena manokana tanteraka sy tena saropady. Tokony ny mpivady sy ny Tompo ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany.

38.6.5

Fahadiovam-pitondrantena sy fahatokiana amin’ny vady

Ny lalàn’ny Tompo mikasika ny fahadiovam-pitondrantena dia ny:

  • Tsy fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray.

  • Fahatokiana ao anatin’ny fanambadiana.

Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia natao ho tsara sy masina. Tendrin’ Andriamanitra izany mba hahariana ireo zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady.

38.6.6

Pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy

Ny Fiangonana dia manameloka ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy amin’ny endriny rehetra. Raha toa ny eveka na ny filohan’ny tsatòka ka mahalala fa misy mpikambana iray mandray anjara amin’ny pôrnôgrafia ahatafidiran’ankizy, dia manaraka avy hatrany ireo toromarika ao amin’ny 38.6.2.1 izy.

38.6.8

Famorana ny taovam-pananahan’ny vehivavy

Ny Fiangonana dia manameloka ny famorana ny taovam-pananahan’ny vehivavy.

38.6.10

Firaisana amin’olom-pady

Ny Fiangonana dia manameloka ny firaisana amin’olom-pady amin’ny endriny rehetra. Araka ny ampiasana azy etoana, ny firaisana amin’olom-pady dia firaisana ara-nofo eo amin’ny:

  • Mpianaka.

  • Ray be na reny be sy ny zafikely.

  • Mpiray tampo.

  • Dadatoa na nenitoa sy zanakavavy na zanakalahin’ny iray tampo.

Araka ny ampiasana azy etoana dia tafiditra ao anatin’ny hoe zanaka, zafikely, mpiray tampo, zanakavavina iray tampo ary ny zanakalahina iray tampo ireo izay nateraka, natsangana, zana-bady, na havana notezaina.

Raha zaza tsy ampy taona no lasibatry ny firaisana ara-nofo amin’olom-pady, ny eveka na ny filohan’ny tsatòka dia miantso ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany (jereo ny 38.6.2.1). Any amin’ireo firenena hafa kosa, ny filohan’ny tsatòka dia tokony hikatsaka tari-dalana avy amin’ny mpanoro hevitra momba ny lalàna ao amin’ny biraon’ny vondromparitra. Amporisihina ihany koa izy ny hifampidinika amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sampan-drahaharaha misahana ny fianakaviana na ny mpitantana ny resaka fifanampiana sy fizakan-tena ao amin’ny biraon’ny vondromparitra.

Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ny mpikambana iray nahavanona firaisana ara-nofo amin’olom-pady. Saika amin’ny ankapobeny ny firaisana ara-nofo amin’olom-pady no mitaky ny hanalan’ny Fiangonana ny olona iray tsy ho mpikambana.

Raha zaza tsy ampy taona no mahavanona firaisana ara-nofo amin’olom-pady dia mifandray amin’ny Biraon’ny Fiadidiana Voalohany ny filohan’ny tsatòka mba hahazoana torolalana.

Matetika ireo nianjadian’ny firaisana ara-nofo amin’ny olom-pady no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo ireo mpitarika. Manome fanohanana sy torohevitra ara-panahy izy ireo mba hanampiana azy ireo handresy ireo voka-dratsin’ny firaisana ara-nofo amin’ny olom-pady izay manimba.

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Manampy azy ireny sy ny fianakaviany ireo mpitarika mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 38.6.18.2.

38.6.12

Ny fikambanana miafina

Ny fikambanana miafina dia mifantoka amin’ny haizina ary mitarika amin’ny fahadisoam-panantenana. Manimba ny finoana an’i Kristy izany.

Tafiditra ao anatin’ny fikambanana miafina ny fiderana an’i Satana. Tafiditra ao anatin’izany koa ireo zavatra atao ao amin’ny miafina izay tsy mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny zavatra atao toy izany dia ahitana (kanefa tsy voafetra amin’izany) ny fanandroana na ny fahitana zavatra, ny ozona, ary ireo fanaovana fanasitranana izay maka tahaka ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra (jereo ny Môrônia 7:11–17).

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hirotsaka amin’izay mety ho endrika isehoan’ny fiderana an’i Satana na handray anjara ao anatin’ny fikambanana miafina na amin’ny fomba ahoana izany na ahoana. Tsy tokony hifantoka amin’ny haizina toy izany izy ireo mandritra ireo fifampiresahana na ireo fivoriam-mpiangonana.

38.6.13

Ny pôrnôgrafia

Ny Fiangonana dia manameloka ny pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra. Ny fampiasana ny pôrnôgrafia amin’ny karazany rehetra dia manimba ny fiainan’ny olona tsirairay sy ireo fianakaviana ary ny fiarahamonina. Izany koa dia mandroaka ny Fanahin’ny Tompo. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony hiala amin’ireo soratra na sary pôrnôgrafika amin’ny endriny rehetra ary hanohitra ny famokarana sy ny fandefasana ary ny fampiasana izany.

Ny fanoroana hevitra manokana sy ny famerana tsy amin’ny fomba ôfisialy ny zo amin’ny maha-mpikambana matetika dia ampy hanampiana olona iray hibebaka amin’ny fampiasana ny pôrnôgrafia. Amin’ny ankapobeny dia tsy anatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana izany. Saingy mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny fampiasana be na fiankinan-doha amin’ny pôrnôgrafia ka nampitondra takaitra goavana ny olona iray ao amin’ny fanambadiana na ny fianakaviana (jereo ny 38.6.5). Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana sy ny hanisiana fanamarihana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana raha toa ny mpikambana iray ka manao, na mizara, na manana, na mijery imbetsaka sary pôrnôgrafika ahatafidiran’ankizy (jereo ny 38.6.6).

38.6.14

Fitsarana an-tendrony

Zanak’ Andriamanitra ny olona rehetra. Mpirahalahy sy mpirahavavy ao anatin’ny fianakaviany masina ny olona rehetra” (jereo ny “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”). Andriamanitra dia nanao “ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany” (Asan’ny Apostoly 17:26). “Mitovy ny rehetra” ho Azy (2 Nefia 26:33). Ny olona tsirairay dia “sarobidy eo imasony tahaka ny iray hafa” (Jakôba 2:21).

Tsy mifanaraka amin’ny tenin’ Andriamanitra nambara ny fitsarana an-tendrony. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanoloran-tena Aminy sy amin’ny didiny, fa tsy amin’ny volonkoditry ny olona iray na ireo toetra hafa.

Miantso ny olona rehetra ny Fiangonana mba hahafoy ny fihetsika sy ny zavatra atao izay mifono fitsarana an-tendrony atao amina vondrona na olona na iza na iza. Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tokony ho lohalaharana amin’ny famporisihana ny fanehoana fanajana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Mitandrina ilay didin’ny Mpamonjy mba hitia ny hafa ny mpikambana (jereo ny Matio 22:35–39). Miezaka ny ho olona mangoraka ny rehetra izy ireo, ka mitsipaka izay mety ho karazana fitsarana an-tendrony. Tafiditra ao anatin’izany ny fitsarana an-tendrony mifototra amin’ny firazanana, ny foko, ny zom-pirenena, ny maha-lahy na ny maha-vavy, ny taona, ny fahasembanana, ny toe-javatra iainana eo amin’ny fiarahamonina ara-piarian-karena, ny fivavahana inoana sy ny tsy finoana fivavahana, ary ny fironana ara-pananahana.

38.6.15

Fifanintonana misy eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana sy ny fitondran-tena eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana

Mitaona ny fianakaviana sy ny mpikambana mba hanolo-tanana ombam-pitandremana sy amim-pitiavana ary amim-panajana ireo olona izay tratran’ny fifanintonana eo amin’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy ny Fiangonana. Ny Fiangonana ihany koa dia mampivelatra ny fahatakarana ao amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny izay hita taratra amin’ny fampianarany momba ny hatsaram-panahy, ny tsy fanavakavahana, ny fitiavana ny hafa ary ny fanajana ny olombelona rehetra. Tsy manana hevitra ijoroana mikasika ny antony mahatonga ny fifanintonana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana ny Fiangonana.

Mandrara ny fitondran-tena tsy madio rehetra ireo didin’ Andriamanitra, na ny eo amin’ny fiarahan’ny olona lahy sy vavy na ny olon-droa mitovy fananahana. Manoro hevitra ireo olona izay nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny mpitarika eo anivon’ny Fiangonana. Manampy azy ireo ny mpitarika mba hahatakatra tsara ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny dingan’ny fibebahana, ary ny tanjon’ny fiainana an-tany.

Tsy fahotana ny fahatsapana fifanintonana eo amin’ny olon-droa mitovy fananahana. Ny mpikambana izay manana ireo fahatsapana ireo kanefa tsy manaraka na tsy manatanteraka izany dia miaina araka ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany sy ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Manohana sy mankahery azy ireo amin’ny fahavononany hiaina araka ny didin’ny Tompo ny mpitarika. Afaka mahazo antso ao amin’ny Fiangonana sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly ary mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ireo mpikambana izay manana ireo fahatsapana ireo. Mahazo mandray sy mampiasa ny fisoronana ireo lehilahy mpikamban’ny Fiangonana.

Ny mpikambana rehetra mitandrina ny fanekempihavanany dia handray ireo fitahiana rehetra any amin’ny mandrakizay na mamela azy ireo handray ireo fitahiana avy amin’ny fanambadiana mandrakizay sy ny fahafahana hanan-janaka eto amin’ity fiainana ity ny toe-javatra iainan’izy ireo na tsia (jereo Môzià 2:41).

38.6.16

Ny fanambadian’ny olon-droa mitovy fananahana

Ny Fiangonana dia manambara, amin’ny maha-fitsipiky ny fotopampianarana mifototra amin’ny soratra masina an’izany, fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy iray dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany. Ny Fiangonana ihany koa dia manambara fa ny lalàn’ Andriamanitra dia mamaritra ny fanambadiana ho fiarahana ara-dalàna eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

38.6.17

Fampianarana mikasika ny fananahana

Ny ray aman-dreny no olona voalohany manana andraikitra hampianatra mikasika ny fananahana an’ireo zanany. Tokony hiresaka foana amin-kitsim-po sy mazava amin’ireo zanany mikasika ny zavatra rehetra manodidina ny fananahana izay mahasoa sy mendrika ny ray aman-dreny.

38.6.18

Herisetra ara-nofo, fanolanana, ary ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo

Ny Fiangonana dia manameloka ny herisetra ara-nofo amin’ny endriny rehetra. Araka ny ampiasana azy etoana, ny herisetra ara-nofo dia faritana ho izay mety ho fanerena hanao firaisana ara-nofo amin’olona iray hafa izay tsy maniry izany. Ny firaisana ara-nofo amin’ny olona iray izay tsy manome na tsy afaka manome fankatoavana ara-dalàna dia raisina ho herisetra ara-nofo. Mety hitranga amin’ny vady na mandritra ny fifaneraseran’ny olon-droa vao mifankafantatra ihany koa ny herisetra ara-nofo. Mba hahitana fampahalalana momba ny herisetra ara-nofo atao amin’ny ankizy na zatovo dia jereo ny 38.6.2.3.

Ny herisetra ara-nofo dia mahafaoka zavatra atao isan-karazany, miainga amin’ny fihetsika sy fiteny mamporisika ny fanaovana firaisana ara-nofo ka tonga hatrany amin’ny fanolanana sy ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo. Mety hitranga ara-batana, sy ara-pitenenana, ary amin’ny fomba maro hafa izany. Ho fampahalalana mikasika ny fanomezana torohevitra ireo mpikambana izay niaina herisetra ara-nofo, na fanolanana, na izay mety ho endrika hisehoan’ny herisetra ara-nofo, dia jereo ny 38.6.18.2.

Raha miahiahy na mahafantatra mombana herisetra ara-nofo ireo mpikambana dia mandray andraikitra avy hatrany hiarovana ireo niharam-pahavoazana sy ny hafa faran’izay haingana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana tatitra amin’ny manampahefana eo anivon’ny fanjakana sy ny fampahafantarana ny eveka na ny filohan’ny tsatòka. Raha misy ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo dia tokony harahin’ny mpikambana ireo torolalana ao amin’ny 38.6.2.

38.6.18.2

Fanomezana torohevitra ireo niharan’ny herisetra ara-nofo, fanolanana, ary ireo endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo

Matetika ireo niharan’ny herisetra ara-nofo, na fanolanana, na izay endrika hafa hisehoan’ny herisetra ara-nofo no ampijalian’ny fikorontanana anaty lehibe. Rehefa mamboraka izany amin’ny eveka na ny filohan’ny tsatòka izy ireo dia maneho fangorahana sy fahatakarana avy amin’ny fo izy. Manome torohevitra ara-panahy sy fanohanana izy mba hanampiana ireo niharam-pahavoazana handresy ireo voka-dratsin’ny herisetra izay manimba. Antsoiny ihany koa ny laharan-tariby an’ny Fiangonana hanomezana fanampiana amin’ny herisetra mba hahazoana fitarihana any amin’ireo firenena ahafahana miantso izany.

Indraindray ny olona niharam-pahavoazana dia manana fahatsapana ho menatra na meloka. Tsy meloka amin’ny fahotana ireny olona niharam-pahavoazana ireny. Tsy manome tsiny ilay niharam-pahavoazana ny mpitarika. Manampy ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany izy ireo mba hahatakatra ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fahasitranana avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Almà 15:8; 3 Nefia 17:9).

Raha toa ireo mpikambana ka misafidy ny hizara ny mombamomba ilay herisetra dia tsy tokony hifantoka be loatra amin’ireo antsipirian-javatra ireo mpitarika. Mety handratra ilay niharam-pahavoazana izany.

Ankoatra ny fahazoana fanampiana nentanim-panahy avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia mety ho mila torohevitra avy amin’ny matihanina ireo niharam-pahavoazana sy ny fianakaviany. Ho fampahalalana momba izany dia jereo ny 31.2.6.

38.6.18.3

Filankevitra mandinika ny maha-mpikambana

Mety hilaina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana ho an’ny olona iray izay nihetraketraka na nanararaotra ara-nofo ny olona iray. Takina ny hanatanterahana filankevitra mandinika ny maha-mpikambana raha toa ka nahavanona fanolanana na voaheloka tamin’ny endrika hafa isehoan’ny herisetra ara-nofo ny mpikambana iray.

38.6.20

Famonoan-tena

Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny fiainana an-tany, fanomezana izay tokony homena lanja sy harovana. Ny Fiangonana dia manohana mafy ny fisorohana ny famonoan-tena.

Maro amin’ny olona izay nieritreritra ny hamono tena no maniry ny hohamaivanina amin’ny fijaliana ara-batana, na ara-tsaina, na ara-pihetseham-po, na ara-panahy. Mila fitiavana sy fanampiana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ary matihanina manam-pahaizana manokana momba ny famonoan-tena ny olona toy izany.

Manome fanampiana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny eveka raha misy mpikambana mihevitra ny hamono tena na efa nanandrana nanao izany. Manampy avy hatrany ilay mpikambana koa izy mba hahazo fanampiana avy amina manam-pahaizana manokana momba izany.

Na dia eo aza ny ezaka tsara indrindra ataon’ireo olona akaiky ny fo sy ireo manam-pahaizana manokana, dia tsy voatery ho voasoroka foana ny famonoan-tena. Mamela ratram-po lalina sy fikorontanana eo amin’ny fihetseham-po, ary fanontaniana tsy voavaly eo amin’ireo havan-tian’ilay olona sy ny hafa izany. Tokony hanoro hevitra sy hampionona ilay fianakaviana ireo mpitarika. Manolokolo sy manohana izy ireo.

Tsy mety ny hanalan’ny olona iray ny ainy amin’ny tenany. Kanefa Andriamanitra irery ihany no afaka mitsara ny eritreritra sy ny asa ary ny halehiben’ny maha-tompon’andraikitra ilay olona (jereo ny 1 Samoela 16:7; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9).

Ireo izay namoy olona akaikin’ny fo noho ny famonoan-tena dia afaka mahazo fanantenana sy fanasitranana ao amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

38.6.23

Transgenre (olona izay tsy mitovy amin’ny namaritana azy ny fahatsapany ny maha-lahy na ny maha-vavy azy na ny fanehoany izany)

Miaina olana saro-bahana ireo olona transgenres. Ireo mpikambana na tsy mpikambana izay mahatsapa ny tenany ho transgenres, mbamin’ny fianakaviana sy ny naman’izy ireo, dia tokony horaisina tsara omban’ny fiezahana hahatakatra ny fihetseham-po mety hananan’izy ireo, amin-katsaram-panahy, amim-pangorahana, ary amin’ny fitiavana sesehena toa ny an’i Kristy. Afaka manatrika soa aman-tsara ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo, sy ireo fivoriana isaky ny alahady, ary ireo hetsika sosialy ataon’ny Fiangonana ny olona rehetra (jereo ny 38.1.1).

Toetra tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny maha-lahy na maha-vavy. Ny hevitra tiana avoitra momba ny maha-lahy na maha-vavy voalaza ao amin’ilay fanambarana momba ny fianakaviana dia ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana. Misy olona sasany miaina fahasorenana noho ny fahatsapana tsy fitoviana eo amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy azy sy ny fahatsapany ny maha-lahy na maha-vavy ny tenany. Noho izany izy ireo dia mety hahatsapa ny tenany ho transgenres. Tsy manana hevitra ijoroana mikasika ireo antony mahatonga ny olona miantso ny tenany ho transgenres ny Fiangonana.

Tsy mifidy na lahy na vavy ny ankabeazan’ny fandraisana anjara ao am-piangonana sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Ireo olona transgenres dia azo atao batisa sy raisina ho mpikambana araka izay voalaza ao amin’ny 38.2.8.10. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mandray ny fanasan’ny Tompo sy mandray tsodranon’ny fisoronana. Saingy ny fanendrena ho amin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly kosa dia raisina arakaraka ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahany.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manohitra ny fanarahana fitsaboana na fandidiana tsy voatery hatao entina hiovana ho lahy na ho vavy izay mifanohitra amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana (“fanovana fananahana”). Mampahafantatra ireo mpitarika fa ny fanaovana ireny dia hitarika amin’ny famerana zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana.

Ireo mpitarika ihany koa dia tsy mandrisika ny fanovana ny mombamomba ny tena. Tafiditra ao anatin’ny fanovana ny mombamomba ny tena ny fanovana ny fomba fitafy na fihaingo, na fanovana anarana na solon’anarana entina hanehoana ny tena ho olona hafa amin’ny toetra voajanahary maha-lahy na maha-vavy tamin’ny nahaterahana. Mampahafantatra ireo mpitarika fa ireo izay manova ny mombamomba ny tenany dia hiaina famerana ny sasany amin’ireo zo amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny fotoana isian’izany fanovana izany.

Ireo famerana zo ireo dia ahitana ny famerana amin’ny fandraisana na fampiasana ny fisoronana, fandraisana na fampiasana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly, ary fandraisana antso sasantsasany ao amin’ny Fiangonana. Na dia noferana aza ireo tombontsoa sasantsasany amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia azo atao tsara kosa ny fandraisana anjara amin’ny fomba hafa ao am-piangonana.

Raha toa ny mpikambana iray manapa-kevitra ny hanova ny anarana na solon’anarana tiany hiantsoana azy dia afaka soratana eo amin’ny faritra ho an’ny anarana tiana iantsoana eo amin’ny firaketana ny maha-mpikamban’ny Fiangonana izany. Azo antsoina amin’ilay anarana tiany iantsoana azy ilay olona ao amin’ny paroasy.

Tsy mitovy mihitsy ny toe-java-mitranga isaky ny rantsana sy isaky ny olona. Miara-mikaon-doha ny mpikambana sy ny mpitarika ary miara-mikaon-doha amin’ny Tompo. Ireo Fiadidian’ny Vondromparitra dia hanampy ireo mpitarika eo an-toerana mba handray an-tanana amim-pitandremana tsara ny toe-javatra misy ny isam-batan’olona. Miara-mikaon-doha ny eveka sy ny filohan’ny tsatòka. Tsy maintsy maka hevitra amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra ireo filohan’ny tsatòka sy ireo filohan’ny misiôna (jereo ny 32.6.3).

38.7

Ireo fitsipika mikasika ny fitsaboana sy ny fahasalamana

38.7.2

Fandevenana na fandoram-paty

Ny fianakavian’ny olona maty no manapa-kevitra raha halevina na hodorana ilay vatana mangatsiaka. Manaja ny fanirian’ilay olona izy ireo.

Any amin’ny firenena sasany dia fandorana faty no takin’ny lalàna. Amin’ny tranga hafa dia tsy azo tanterahina sy tsy takatry ny volan’ny fianakaviana ny fandevenana. Amin’ny tranga rehetra dia tokony homena hasina sy hajaina ilay vatana mangatsiaka. Tokony homena toky ny mpikambana fa mihatra foana ny herin’ny Fitsanganana amin’ny maty (jereo ny Almà 11:42–45).

Raha azo atao dia tokony hampanaovina fitafiana fanao mandritra ny ôrdônansy any amin’ny tempoly ny vatan’ny mpikambana iray nodimandry izay efa nahazo fanafiana masina rehefa halevina na dorana (jereo ny 38.5.8).

38.7.3

Ireo zaza maty alohan’ny hahaterahany

Afaka manapa-kevitra ny ray aman-dreny raha toa ka hanao fivoriana ho fahatsiarovana na fiaraha-mivory eo akaikin’ny fasana.

Tsy ilaina ny manatanteraka ôrdônansin’ny tempoly ho an’ireo zanaka maty talohan’ny nahaterahany. Tsy mandà ny mety hahafahan’ireo zaza ireo ho ao anatin’ilay fianakaviana izany amin’ny mandrakizay. Amporisihina ireo ray aman-dreny hatoky ny Tompo sy hikatsaka ny fankaherezany.

38.7.4

Euthanasie (Fanamoram-pahafatesana)

Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra ny fiainana an-tany. Ny fanamoram-pahafatesana dia fanaovana fanahy iniana manapitra ny ain’ny olona iray izay mijaly noho ny aretina tsy azo sitranina na toe-javatra hafa. Ny olona iray izay mandray anjara amin’ny fanaovana fanamoram-pahafatesana, ao anatin’izany ny fanampiana olona iray ho faty amin’ny alalan’ny famonoan-tena, dia mandika ny didin’ Andriamanitra ary mety mandika ny lalàna misy eo an-toerana.

Ny fampitsaharana na ny fanakanana ny fandraisana fepetra hitazonana aina amin’ny fomba artifisialy amin’ny fomba tafahoatra rehefa tena ho faty ny olona iray dia tsy raisina ho toy ny fanaovana fanamoram-pahafatesana (jereo ny 38.7.11).

38.7.5

Mitondra ny tsimokaretina VIH sy voan’ny SIDA

Ny mpikambana izay mitondra ny tsimokaretina VIH (virus de l’immunodéficience humaine) na voan’ny SIDA (syndrome immunodéficitaire acquise) dia tokony horaisina an-tanan-droa amin’ireo fivorian’ny Fiangonana sy ireo fiaraha-mientana. Tsy atahorana hanimba ny fahasalaman’ny hafa ny fanatrehan’izy ireo.

38.7.8

Fikarakarana ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana

Miara-miasa mba hahazoana fanasitranana, araka ny sitrapon’ny Tompo, ny fikatsahana fanampiana ara-pitsaboana avy amin’ny manam-pahaizana manokana sy ny fampiharana finoana ary ny fandraisana ireo tsodranon’ny fisoronana.

Ny mpikambana dia tsy tokony hampiasa na hanindrahindra ireo fomba amam-panao hoentina mitsabo sy hitandroana ny fahasalamana izay mampiahiahy eo amin’ny fitondrantena na ara-panahy na eo anatrehan’ny lalàna. Ireo izay tsy salama dia tokony hanatona ireo mpitsabo matihanina manam-pahaizana manokana izay manana fahazoan-dalana hanao izany asa izany ao amin’ireo faritra izay hiasan’izy ireo.

38.7.9

Fitsaboana amin’ny alalan’ny marijuana

Ny Fiangonana dia manohitra ny fampiasana marijuana amin’ny zavatra hafa ankoatra ny fitsaboana. Jereo ny 38.7.14.

38.7.11

Fanalavana ny andro iainana (anisan’izany ny fitazonana aina amin’ny fomba artifisialy)

Tsy tokony hahatsapa ho voatery hanalava ny andro iainana eto an-tany amin’ny alalan’ireo fomba tafahoatra ny mpikambana. Ny tsara indrindra dia ilay olona na ny olona ao amin’ny fianakaviany no mandray ireo fanapahan-kevitra ireo. Tokony hikatsaka torohevitra avy amin’ny mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany sy hikatsaka fitarihana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka izy ireo.

38.7.13

Fanaovana vakisiny

Ny vakisiny ataon’ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana momba izany dia miaro ny fahasalamana sy miaro ny aina. Ireo mpikamban’ny Fiangonana dia amporisihina mba hiaro ny tenany sy ny zanany ary ny fiarahamonina misy azy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana vakisiny.

Ny olona tsirairay amin’ny farany no tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-keviny manokana mikasika ny fanaovana vakisiny. Raha manana olana ny mpikambana dia tokony haka hevitra amin’ireo mpitsabo manam-pahaizana manokana izy ireo ary hikatsaka ihany koa ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

38.7.14

Tenin’ny Fahendrena sy ireo fomba amam-panao mahasalama

Ny Tenin’ny Fahendrena dia didin’ Andriamanitra. Nanazava ireo mpaminany fa ny fampianarana ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89 dia ahitana ny tsy fifohana sigara sy tsy fihinana paraky, tsy fisotroana zava-pisotro mahery (zava-pisotro misy alikaola), ary zava-pisotro mahamay (dite sy kafe).

Misy zavatra sy fomba fanao hafa manimba izay tsy voalaza manokana ao amin’ny Tenin’ny Fahendrena na tsy voalazan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tokony hampiasa fahendrena sy fandanjalanjana ombam-bavaka ny mpikambana rehefa manao safidy mba hanatsara ny fahasalaman’izy ireo ara-batana, sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po.

38.8

Fitsipika mifehy ny fitantanana

38.8.1

Ny fananganan-jaza sy ny fitaizana zanak’olona ao an-trano

Ny fananganan-jaza sy ny fitaizana zanak’olona ao an-trano dia afaka mitahy ny ankizy sy ny fianakaviana. Azo atao ny mamorona fianakaviana feno fitiavana sy mandrakizay amin’ny alalan’ny fananganan-jaza. Na amin’ny alalan’ny fananganan-jaza na amin’ny alalan’ny fahaterahana no ahatongavan’ireo zanaka ao amin’ny fianakaviana iray, dia samy fitahiana sarobidy avokoa izy ireo.

Ireo mpikambana izay maniry ny hanangana na hitaiza ankizy ao an-trano dia tokony hanaja amin’ny fomba hentitra ireo fitakian’ny lalàna ao amin’ireo firenena sy fitondran-panjakana voakasik’izany.

38.8.4

Sora-tanana sy sarin’ireo Manampahefana Ambony sy ireo Mpiandraikitra Ambony ary ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hangataka ny sora-tanan’ireo Manampahefana Ambony na ireo Mpiandraikitra Ambony, na ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra. Ny fanaovana izany dia manimba ny antso masin’izy ireo sy ny fanahin’ny fivoriana. Mety hanakana azy ireo tsy hiarahaba ireo mpikambana hafa ihany koa izany.

Tsy tokony haka sary an’ireo Manampahefana Ambony na ireo Mpiandraikitra Ambony na ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ao amin’ireo trano fiangonana ny mpikambana.

38.8.7

Gazetibokin’ ny Fiangonana

Isan’ny gazetibokin’ny Fiangonana ny:

Ny Fiadidiana Voalohany dia mamporisika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra hamaky ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Ireo gazetiboky dia afaka manampy ny mpikambana hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, handalina ny fampianaran’ireo mpaminany velona, hahatsapa fifandraisana amin’ny fianakaviamben’ny Fiangonana maneran-tany, hiatrika ireo fanamby amim-pinoana, ary hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

38.8.8

Anaran’ny Fiangonana sy teny famantarana ny Fiangonana ary sary famantarana ny Fiangonana

Ny soratra sy ny sary famantarana ny Fiangonana

Ny anarana sy ny teny famantarana ary ny sary famantarana ny Fiangonana dia singa fototra hahafantarana ny Fiangonana.

Ny teny sy ny sary famantarana ny Fiangonana. Ny teny famantarana sy ny sary famantarana ny Fiangonana (jereo ilay sary fanehoana etsy ambony) dia tsy natao ho ampiasaina raha tsy araka ny fomba nankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy. Tsy azo ampiasaina hatao haingon-javatra izy ireo. Tsy azo atao ihany koa ny mampiasa azy ireny amin’ny zavatra mahakasika ny tena manokana, na eo amin’ny lafiny ara-barotra, na amin’ny endrika dokam-barotra.

38.8.10

Solosaina

Ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny vondromparitra no manome sy mitantana ireo solosaina sy rindrambaiko (logiciel) ampiasaina ao amin’ireo trano fivorian’ny Fiangonana. Mampiasa ireo fitaovana ireo ny mpitarika sy ny mpikambana mba hanohanana ireo asa ataon’ny Fiangonana, anisan’izany ny asa momba ny tantaram-pianakaviana.

Ny rindrambaiko rehetra ao amin’ireo solosaina ireo dia tsy maintsy nahazoana fahazoan-dalana araka ny tokony ho izy ho an’ny Fiangonana.

38.8.12

Ireo boky sy fitaovana momba ny fandaharam-pampianarana

Ny Fiangonana dia manome boky sy fitaovana mba hanampiana ny mpikambana hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Isan’izany ny soratra masina, ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, gazetiboky, boky torolalana, boky, ary loharanom-pitaovana hafa. Mamporisika ny mpikambana ny mpitarika mba hampiasa ny soratra masina sy ireo loharanom-pitaovana hafa araka izay ilaina mba handalinana ny filazantsara ao an-tokantrano.

38.8.14

Fomba fitafy sy bika aman’endrika

Amporisihina ny mpikamban’ny Fiangonana mba haneho fanajana ny vatana amin’ny safidiny mahakasika ny fomba fitafy sy ny bika aman’endrika izay mety. Ny hoe mety dia miovaova arakarak’ireo kolontsaina sy ireo fotoana isan-karazany izay vonjena.

38.8.16

Andro fifadian-kanina

Afaka mifady hanina amin’ny fotoana rehetra ny mpikambana. Kanefa raha ny mahazatra dia manaja ny Sabata voalohan’ny volana izy ireo ho andro fifadian-kanina.

Amin’ny ankapobeny ny andro fifadian-kanina dia ahitana vavaka, tsy fihinanana sakafo na zava-pisotro mandritra ny fe-potoana 24 ora (raha mahazaka izany ny vatany), ary fanomezana fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana. Ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia fanomezana mba hanampiana ireo sahirana (jereo ny 22.2.2).

Indraindray dia atao ny Sabata voalohan’ny volana ireo fivoriana maneran-tany na eo an-toerana izay ataon’ny Fiangonana. Rehefa mitranga izany dia manapaka Sabata hafa hatao andro fifadian-kanina ny fiadidian’ny tsatòka.

38.8.17

Ny filokana sy ny lôteria

Ny Fiangonana dia manohitra ary tsy mamporisika ny filokana amin’ny endriny rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny filokana ara-panatanjahan-tena sy ireo lôteria tohanan’ny fitondram-panjakana.

38.8.19

Fifindra-monina

Ireo mpikambana mijanona any amin’ny tany nahaterahany no matetika manana fahafahana hampiorina sy hampatanjaka ny Fiangonana any an-toerana. Na izany aza anefa dia safidin’ny tena manokana ny fifindra-monina any amin’ny firenena iray hafa.

Ireo mpikambana izay mifindra any amin’ny firenena iray hafa dia tokony hankatò ny lalàna manan-kery rehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21).

Tsy tokony hanolo-tena hanohana ny fifindra-monina ataon’ny hafa ireo misiônera.

38.8.22

Ireo lalàn’ny tany

Ny mpikambana dia tokony hankatò sy hanaja ary hanohana ireo lalàna ao amin’ny firenena rehetra izay hipetrahan’izy ireo na handehanan’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:21–22; Fanekem-pinoana 1:12). Tafiditra ao anatin’izany ireo lalàna mandrara ny fitoriana filazantsara.

38.8.25

Ny fifandraisan’ny mpikambana amin’ny foiben’ny Fiangonana

Ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy tokony hiantso, na handefa mailaka, na hanoratra taratasy amin’ireo Manampahefana Ambony momba ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana, ny olan’ny tena manokana, na fangatahana. Amporisihina ny mpikambana mba hanatona ireo mpitarika azy ireo eo an-toerana, isan’izany ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona misy azy ireo, rehefa mikatsaka fitarihana ara-panahy izy ireo (jereo ny 31.3

38.8.27

Mpikambana manana fahasembanana

Amporisihina ireo mpitarika sy ny mpikambana mba hamaly ny filan’ireo rehetra izay mipetraka ao amin’ny rantsana misy azy ireo. Omena lanja ary afaka mitondra anjara biriky amin’ny fomba manan-danja ireo mpikambana manana fahasembanana. Mety ho ara-tsaina, ara-piarahamonina, ara-pihetseham-po, na ara-batana ireo fahasembanana.

38.8.29

Ireo antokom-pinoana hafa

Hita any amin’ireo antokom-pinoana hafa maro ireo zavatra maro izay manentana ny fanahy sy tena tsara ary mendrika ny homena fanajana tena lehibe. Tsy maintsy maneho firaharahiana sy fanajana ny finoana sy ny fomban-drazan’ny hafa ny misiônera sy ny mpikambana hafa.

38.8.30

Ireo hetsika ara-pôlitika sy mahakasika ny maha-olom-pirenena

Amporisihina ireo mpikamban’ny Fiangonana mba handray anjara amin’ireo raharaha mahakasika ny pôlitika sy ny fitondram-panjakana. Any amin’ny firenena maro dia mety ho tafiditra ao anatin’izany ny:

  • Fandraisana anjara amin’ny fifidianana.

  • Fidirana na fanompoana ao anatin’ireo antoko pôlitika.

  • Fanomezana fanampiana ara-bola.

  • Fifaneraserana amin’ireo manampahefana sy mpirotsaka hofidiana ao anatin’ilay antoko.

  • Fanompoana amin’ireo toeram-pitantanana ao amin’ireo raharaham-panjakana amin’ny alalan’ny fifidianana na ny fanendrena ao amin’ny governemanta eo an-toerana sy ao amin’ny firenena.

Amporisihina ihany koa ireo mpikambana mba handray anjara amin’ireo asa mendri-piderana mba hahatonga ny fiaraha-monin’izy ho lasa toerana tsara hiainana sy hanorenana fianakaviana.

Tsy tokony hampivondrona mpikambana handray anjara amin’ireo raharaha ara-pôlitika ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana. Tsy tokony hanandrana handresy lahatra ny mpikambana amin’ny fomba handraisan’izy ireo anjara amin’izany koa ny mpitarika.

Ireo mpitarika sy ireo mpikambana ihany koa dia tsy tokony hilaza teny na haneho fihetsika izay mety horaisin’ny olona ho toy ny fanohanan’ny Fiangonana ny antoko pôlitika iray, na ny tsangan-kevitra iray, na ny lalàna iray, na ny mpirotsaka hofidiana iray.

38.8.31

Fiainan’ireo mpikambana manokana

Manana adidy hiaro ny fiainan’ireo mpikambana manokana ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Tsy azo ampiasaina noho ny antony mikasika ny tena manokana, na ara-barotra, na ara-pôlitika ireo firaketan’ny Fiangonana sy ny fizahana adiresy sy nomeraon’ny telefaonina ary ireo fitaovana mitovy amin’izany.

38.8.35

Mpitsoa-ponenana

Ao anatin’ny andraikitr’izy ireo hikarakara ireo sahirana (jereo ny Mozià 4:26) dia manolotra ny fotoanany sy ny talentany ary ny finamanany ireo mpikamban’ny Fiangonana mba handraisana ireo mpitsoa-ponenana ho isan’ireo mpiara-monina amin’izy ireo.

38.8.36

Fangatahana fanampiana ara-bola avy amin’ny Fiangonana

Amporisihina ireo mpikambana sahirana mba hiresaka amin’ny evekany fa tsy hifandray amin’ny foiben’ny Fiangonana na hangataka vola avy amin’ireo mpitarika na mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana.