Institiota
Lesona 1: Ny tanjona amin’ny maha-misiônera


1

Ny tanjona amin’ny maha-misiônera

Fampidirana

Mampianatra ny Torio ny Filazantsarako fa ny tanjon’ny misiônera dia ny “hanasa ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo handray ny filazantsara naverina amin’ny laoniny amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy ny faharetana hatramin’ny farany” (Torio ny filazantsarako, 1). Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ho fahafahana masina hitondranao ny hafa hanatona an’i Kristy ny asa fitorianao ary hanampy amin’ny fanomanana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.” (“Fanomanana an’izao tontolo izao amin’ny Fiaviana Fanindroany,” Ensign na Liahona, mey 2011, 50). Ity taranja ity dia afaka manampy amin’ny fanomanana ireo mpianatrao mba handray anjara amin’ilay fahafahana masin’ny asa fitoriana.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny tanjon’ny asa fitoriana ny filazantsara

Asao ireo mpianatra mba hilaza asa sy zavatra ataon’ny misiônera, ka hitanisa izany eny amin’ny solaitrabe. (Mety ho tafiditra ao amin’ny valinteny ny hoe mitady olona liana, mandalina, mampianatra, mivavaka ary manompo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ny soratra ao amin’ny faritra misy ny hoe “Ny tanjoko” ao amin’ny pejy 1 amin’ny Torio ny Filazantsarako. (Koa satria ity no fivoriana voalohany izay hianarana, dia mety ho maro ny mpianatra tsy hanana ny boky Torio ny filazantsarako miaraka aminy, noho izany dia azonao atao ny mizara ny tahadikan’ity sy ireo pejy hafa izay ilaina.)

Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hampitaha ilay fehezanteny manambara ny tanjona amin’ny maha-misiônera sy ny lisitr’ireo asa voatanisa eny amin’ny solaitrabe, ka manontania hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana an’ilay fehezanteny milaza ny tanjona amin’ny maha-misiônera manitatra ny fahatakaranao ny zavatra izay ataon’ny misiônera? Ahoana no ahafahan’io tanjona io mampisy dikany ireo asa tanterahin’ny misiônera?

  • Inona amin’io fehezanteny milaza tanjona io no milaza ny andraikitry ny misiônera, ary inona no milaza ny andraikitry ny naman’ny Fiangonana?

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fametrahana an’io tanjona mba ho fitsipika mitarika ny asanao io manampy anao ho lasa misiônera mahomby kokoa? (Ilay fehezanteny manambara tanjona dia manome fitarihana amin’ny asa izay ataon’ny misiônera iray. Manampy ny misiônera tsy hifantoka be loatra amin’ny fanaovana asa izany ka hifantoka bebe kokoa amin’ny fanatanterahana ny tena tanjony marina.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny asa fitoriana, dia asao izy ireo mba hijery ao amin’ny pejy 2 ao amin’ny Torio ny filazantsarako, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana farany, izay manomboka amin’ny hoe : “Voantso.”

Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ireto fanontaniana ireto:

  • Araka ny voalaza ao amin’io andalana io, inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba hanatonany ny Mpamonjy?

  • Araka ny voalaza ao amin’io andalana io, inona no ataon’ny misiônera mba hanampiana ny olona hanatona an’i Jesoa Kristy?

Omeo tahadikan’ilay taratasy fizara hoe “Ny tanjona amin’ny maha-misiônera” ny mpianatra tsirairay. Ilay taratasy fizara dia ahitana ampahany amin’ny lahateny nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Alamino ho vondrona kelikely ireo mpianatra, na asaivo manangana vondrona izy ireo. Asao ireo vondrona mba hamaky ilay taratasy fizara ka hifanakalo hevitra mikasika ilay fanontaniana amin’ny farany.

Sary
Taratasy fizara: Ny tanjona amin’ny maha-misiônera

Rehefa nahazo fotoana ampy handalinana sy hifanakalozana hevitra ny fanamarihan’ny Loholona Chirstofferson ireo mpianatra, dia manasà mpianatra maromaro mba hizara ny valintenin’izy ireo. Ary avy eo dia anontanio izao manaraka izao:

  • Ahoana no hanombohanao hifantoka amin’ilay fehezanteny milaza ny tanjona amin’ny maha misiônera? (Mety ho anisan’ny valinteny ny sasany amin’ireto manaraka ireto: mety hisafidy hanao tsianjery izany ireo mpianatra, na mety hanoratra izany izy ireo ka hametraka izany amin’ny toerana izay ahafahany mahita izany isan’andro, na mety hivavaka izy ireo hangataka fanampiana mba hahafahan’izy ireo mahatakatra izany bebe kokoa, na mety haka singa iray avy amin’io tanjona io mba ho anisan’ny fandalinany ny soratra masina.)

Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity ny mpianatra iray:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Tsy mitory sy mampianatra isika mba ‘hitondrana olona ao am-piangonana’ na hampitomboana ny isan’ny mpikamban’ny Fiangonana. Tsy mitory sy mampianatra mba handresy lahatra fotsiny ny olona hanana fiainana tsaratsara kokoa isika. … Manasa ny olona rehetra isika mba hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny batisa ary ny fandraisana ho mpikambana, mba hanokafana ny varavaran’ny fanjakana selestialy ho an’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra [jereo ny F&F 76: 51–52]. Tsy misy olon-kafa afaka manao izany” (“The Purpose of Missionary Work,” missionary satellite broadcast, Apr. 1995).

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny hoe mitory ny filazantsara dia zavatra lehibe lavitra noho ny hoe manampy ny hafa ho lasa mpikamban’ny Fiangonana fotsiny? (Jereo koa ny 3 Nefia 11:33–34.)

  • Inona no eritreritra tonga ao aminao rehefa mandinika ianao fa hanampy amin’ny “fanokafana ny varavaran’ny fanjakana selestialy” ho an’ireo olona izay ho ampianarinao?

Asao ireo mpianatra mba handinika ny fomba mety hampiharany eo amin’ny fiainany ny tanjona amin’ny maha-misiônera, ary asao izy ireo mba handinika raha toa ka mifanaraka amin’ilay fehezanteny milaza ny tanjona amin’ny maha -misiônera hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny antony manokana hanaovan’izy ireo ny asa fitoriana. Asao ireo mpianatra mba haka fotoana hanoratany eo amin’ny taratasy iray na ao amin’ny diarim-pianarany ireo asa manokana izay mety ho ataony mba hampifanaraka tsara ny antony nahatonga azy ireo hanao asa fitoriana amin’io fehezanteny milaza ny tanjona io.

Mampianatra ny Fotopampianaran’i Kristy

Hazavao amin’ny iray kilasy fa ny Mpamonjy dia nanambara fa ny iray amin’ireo tanjona voalohan’ny Bokin’i Môrmôna dia ny “[hitondra] amin’ny mazava ny filazantsarako [sy] ireo lafiny marina amin’ny fotopampianarako” (F&F 10:62). Ny fotopampianaran’i Kristy dia ahitana ilay didy manao hoe ny olona rehetra dia hino an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpanavotra, hibebaka amin’ny fahotana, hatao batisa ary handray ny fanomezan’ny Fanahy (jereo ny 3 Nefia 11:32). Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

2 Nefia 31:2, 10–21   3 Nefia 11:31–41   3 Nefia 27:13–21

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. Asao ny vondrona iray handalina ny 2 Nefia 31:2, 10–21; asao ny vondrona faharoa mba handalina ny 3 Nefia 11:31–41; ary asao ny vondrona fahatelo handalina ny 3 Nefia 27:13–22. Angataho ny vondrona tsirairay mba hamaky ny andinin-tsoratra masina nomena azy ka hijery ny hoe inona no takiana amin’ireo izay mikatsaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy. Azonao amporisihina ireo mpianatra mba handoko na hanisy marika ao amin’ny soratra masin’izy ireo ireo fahamarinana manokana mikasika ny fotopampianarana sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Rehefa nahazo minitra vitsivitsy hamakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hitanisa eo ambanin’ny andinin-tsoratra tsirairay eny amin’ny solaitrabe ireo asa manokana izay takiana amin’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Raha misy olona iray manontany anao raha mino an’i Jesoa Kristy ny Môrmôna, ahoana no ahafahan’ireo andinin-tsoratra telo eo amin’ny solaitrabe ireo manampy anao hamaly an’ilay fanontaniana?

  • Amin’ny teninao manokana, ahoana no fomba hanazavanao ny fotopampianarana na ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra izany?

  • Mety hanontany anao ny olona sasantsasany hoe nahoana ny misiônera no mitory amin’ny olona izay efa mino an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahan’ny fotopampianaran’i Kristy, araka ny voalaza ao amin’ireo andinin-tsoratra eo amin’ny solaitrabe ireo, manampy anao hamaly izany fanontaniana izany?

Eo am-pamalian’ireo mpianatra dia ataovy izay ahatakarany fa ny fotopampianaran’i Kristy dia ahitana (1) ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy sy izay mbola ataony mba hitaona antsika ho any amin’ny Ray (jereo ny Almà 33:22; F&F 76:40–42) sy (2) ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahafahantsika mahazo ireo fitahiana noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, tafiditra amin’izany ny fanana finoana, ny fibebahana, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary ny faharetana hatramin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 27:16–21).

Avereno resahana ilay fehezanteny milaza ny tanjona amin’ny maha-misiônera eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:

  • Ahoana no ifandraisan’ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?

Rehefa mifanakalo hevitra momba io fanontaniana io ny mpianatra dia tokony hilaza fahamarinana tahaka izao manaraka izao izy ireo: Manatanteraka ny tanjony ny misiônera amin’ny alalan’ny fanampiana ny naman’ny Fiangonana mba hanaiky ny fotopampianaran’i Kristy, hampitombo finoana, hibebaka, hatao batisa, handray ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary haharitra hatramin’ny farany.

Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra fa ny naman’ny Fiangonana dia tsy maintsy manao asa araka ny fotopampianaran’i Kristy mba hahazoana ny filazantsara naverina amin’ny laoniny, dia asaivo mijery ao amin’ny pejy faha-6 amin’ny Torio ny filazantsarako ireo mpianatra, ary asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana roa voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy.” Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatrao hahita hoe nahoana no zava-dehibe ho an’ny naman’ny Fiangonana ny mampihatra amim-pinoana:

  • Inona no porofo tadiavin’ny misiônera iray mba hamaritana ny hoe mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, mibebaka, ary miomana ny handray ny fanekempihavanan’ny batisa ve ny naman’ny Fiangonana iray?

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia hazavao fa ireo misiônera dia matetika miahiahy hoe milaza sy manao ny zavatra izay tokony ho lazainy sy ho teneniny ve izy ireo. Kanefa mbola manan-danja kokoa noho ny zavatra izay lazain’ny misiônera sy ataony ny hoe mampihatra amim-pinoana izay zavatra ampianarina azy ireo ny naman’ny Fiangonana. Iray amin’ireo fahaiza-manao izay azon’ny misiônera iray hampitomboina ny mamantatra amin’ny alalan’ny Fanahy raha toa ka tena mampihatra amim-pinoana sy lasa niova fo tokoa ny naman’ny Fiangonana iray.

  • Inona no porofo tadiavin’ny misiônera iray mba hamaritana ny hoe teo ny Fanahy Masina nandritra ny lesona ka tsapan’ny naman’ny Fiangonana iray?

  • Inona no azon’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana atao mba hahatakarany bebe kokoa sy hampiharany ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy? (Mety hahitana ny sasany amin’ireto manaraka ireto ny valim-panontaniana: mivavaka amim-pinoana mba hahazoana fahatakarana bebe kokoa, mandalina ao amin’ny soratra masina ny lafiny manokana amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy toy ny hoe ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika sy fanekempihavanana voalohan’ny filazantsara, miresaka amin’ny hafa momba ny zavatra izay nataony mba hampitomboana ny finoany an’i Jesoa Kristy, mandalina ny vavaky ny fanasan’ny Tompo mba hahatakarana bebe kokoa momba ireo fanekempihavanan’ny batisa, sy ny sisa.)

Asehoy ny horonantsary “The Purpose of Missionary Work: Robles Family” (9:19), ary asao ireo mpianatra mba handray naoty ny zavatra nataon’ireo misiônera hanampiana ny fianakaviana Robles hanatona an’i Kristy.

Rehefa avy nampiseho ny horonantsary dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto hanampiana ireo mpianatra hanazava ny zavatra nataon’ireo misiônera mba hanatanterahana ny tanjony:

  • Inona no nataon’ireo misiônera ireo mba hanampiana ny fianakaviana Robles hitombo finoana? (Mety hahitana ireto manaraka ireto ny valim-panontaniana: Namporisika azy ireo mba hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna, namaly ny fanontanian’izy ireo, nampianatra azy ireo ny antony maha-zava-dehibe ny mankatò ny didy, naniraka azy ireo mba hanolo-tena hitandrina ny didy, nanampy azy ireo handray ny fanekempihavanan’ny batisa, nanao izay hahatonga ny paroasy handray anjara amin’ny fiainan’izy ireo, ary namporisika azy ireo hifantoka amin’ny tempoly.)

  • Nahoana ny fampianarana ireo naman’ny Fiangonana sy ny fanasana azy ireo hanatona an’i Kristy no lafiny manan-danja amin’ny zavatra ataon’ny misiônera?

  • Inona no porofo hitanao izay nampiseho fa nitombo ny finoan’ny fianakaviana Robles ary nahatsapa ho vonon-kandray ny Fanahin’i Kristy izy ireo?

Omeo fotoana maromaro ny mpianatrao handalinana ny fizarana mitondra ny lohateny hoe: “Fanampiana ny Hafa Hanao Fanoloran-tena: Ny Lalana mitondra any amin’ny Finoana sy ny Fibebahana” ao amin’ny Torio ny filazantsarako, pejy 9. Avy eo dia asaivo miasa tsiroaroa ireo mpianatra ka hifandimby hizara ny fahatsapany momba ny fanasana ny hafa hitandrina ireo fanoloran-tena. Inona no tahotra na ahiahy ananan’izy ireo? Inona no manampy azy ireo hanana fahatokiana fa ho vitan’izy ireo izany? Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fotopampianaran’i Kristy manampy anao hanasa ireo naman’ny Fiangonana hanao fanoloran-tena?

  • Nahoana ny Loholona Jeffrey R. Holland no nilaza fa tokony ho “malahelo” ny misiônera rehefa tsy mahavita ny fanoloran-tena hamaky na hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna ny olona?

Asao ny iray kilasy mba haka sary an-tsaina ny hoe ahoana no mety ho fahatsapana an’izany hoe manampy ny olona hiova sy hatao batisa izany. Anontanio raha efa nisy tamin’izy ireo nanampy namana na havana iray hanatona an’i Kristy, ary asao izy ireo hizara ny hoe ahoana no fahatsapana rehefa mitondra fanampiana amin’izany dingana izany.

Ny andraikitra lehibe indrindra

Ifanakalozy hevitra ny hoe ahoana no hananan’ny misiônera fahefana hampianatra ny filazantsara amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra sy hanampy azy ireo handray ireo ôrdônansy izay hanome fahafahana azy ireo handray ireo fitahian’ny Sorompanavotana. Asehoy ireto teny manaraka ireto ary mangataha mpianatra iray hamaky mafy izany amin’ny iray kilasy:

Sary
Mpaminany Joseph Smith

“Ankoatr’izay rehetra efa voalaza dia ny andraikitra lehibe sy manan-danja indrindra dia ny mitory ny filazantsara” (Joseph Smith, voalaza ao amin’ny Torio ny filazantsarako, 13).

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Manan-danja kokoa noho ireo asa tsara hafa ny mampianatra ny filazantsara. Eo am-panaovana ny asa farany tsara indrindra eto an-tany ianao, ary tsy misy zavatra eto amin’ity izao tontolo izao ity azo ampitahaina amin’izany. Tsy misy dikany ny fanorenana trano sy tetezana. Tsy misy dikany ny manorina tontolo maro raha oharina amin’ireo fiainana izay aorinao. Tsy manan-danja akory ny fanavotana ny fiainana eto an-tany raha oharina amin’ny zavatra izay ataonao. Afaka mandeha mivoaka ianao ety ka ho eny amin’ny iray amin’ireny fasana ireny ka hanangana ny maty, na arivo na iray alina amin’izy ireny mihitsy aza, dia tsy nahavita na inona na inona ianao raha oharina amin’ny zavatra ataonao rehefa manavotra olona ianao” (The Teachings of Spencer W. Kimball [1982], 547).

Anontanio ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo hizara ny hoe nahoana araka ny eritreriny ny fitoriana ny filazantsara no andraikitra tena manan-danja indrindra izay ananantsika. Alaivo antoka ny hahatakaran’ny mpianatra fa rehefa mitory ny filazantsara isika dia manampy ny hafa hahazo ireo fitahian’ny Sorompanavotana.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10, 15–16 eo am-panarahan’ny iray kilasy ny vakiteny, ka hitady ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay mitory ny filazantsara sy ireo izay manaiky ny filazantsara. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ny sasany amin’ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay mitory ny filazantsara sy amin’ireo izay ampianarina ny filazantsara?

Hazavao fa mety ho sarotra ihany koa ny asa fitoriana. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny nambara manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Resy lahatra aho fa tsy mora ny asa fitoriana ny filazantsara satria tsy zavatra ho azo mora foana ny famonjena. Tsy mora velively ny famonjena. Isika no Fiangonan’i Jesoa Kristy, izany no marina, ary Izy no Filohantsika Lehibe sy Mandrakizay. Ahoana no hinoantsika fa ho mora amintsika izany nefa tsy mba mora taminy velively? Amiko dia ohatra ny hoe tsy maintsy mandalo farafahakeliny fotoana fohy ao Getsemane ny misiônera sy ireo mpitarika ny misiôna. Tsy maintsy hanao dingana iray na roa mankany amin’ny tampon’ny Kalvary ireo misiônera sy ireo mpitarika ny misiôna.

“… Mino aho fa mba hahafahana manatona ny fahamarinana sy hahazoana ny famonjena ary hahafantarana mikasika ny zavatra izay nahefa, dia tsy maintsy hanefa mitovy amin’izany ny misiônera sy ny naman’ny Fiangonana (“Missionary Work and the Atonement,”Ensign, mar. 2001, 15).

  • Ahoana no ahafahan’io fomba fijery ny asa fitoriana ny filazantsara io manampy anao mandritra ny fotoana hisedranao olana amin’ny maha-misiônera?

Eo am-pamarananao ny lesona dia omeo minitra vitsy ireo mpianatra mba hanoratany ny zavatra izay nianarany mikasika ny fifandraisan’ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny fotopampianaran’i Kristy. Amporisiho ireo mpianatra mba hametraka tanjona ny amin’ny zavatra izay mety ho ataony mba hahatakarana tsara kokoa ny fotopampianaran’i Kristy rehefa miomana amin’ny asa fitoriany izy ireo. Anontanio ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara amin’ny kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa raha toa ka hianatra sy hanao asa araka ny fotopampanaran’i Kristy ireo mpianatra dia ho misiônera mahomby kokoa izy ireo.

Fanasana mba hanao asa

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fiomanana mahomby amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia mitaky ezaka ivelan’ny efitrano fianarana. Noho izany, isaky ny amin’ny faran’ny lesona tsirairay, dia hanome sosokevitra asa atao izay natao hanampy azy ireo ho vonona tsara kokoa hanao asa fitoriana ianao. Mba hanampiana ireo mpianatra hanomboka handray anjara dieny izao amin’ny asan’ny Tompo, dia omeo fanamby izy ireo hanao ny iray na mihoatra amin’ireto manaraka ireto:

  • Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tambazotra ifaneraserana, dia mizarà amin’ny hafa ny antony mahatonga anao ho tsindrin-daona hanao asa fitoriana ny filazantsara sy ny zavatra izay ataonao mba hiomanana amin’izany.

  • Mijery ny sasany amin’ireo horonantsary hita ao amin’ny fizarana hoe Hastening the Work of Salvation ao amin’ny LDS.org ka manoratra ao amin’ny diary fandalinana ny fahatsapana izay anananao rehefa mandinika ny fahafahanao mandray anjara amin’ny fanafainganana ny asa famonjena ianao.

  • Manasà namana iray mba hiaraka aminao hamonjy ny kilasin’ny fiomanana ho misiônera. (Azonao omena ny mpianatra io fanasana io amin’ny faran’ny fotoam-pianarana tsirairay.)

  • Manasà namana tsy mpikambana na mpikambana malaindaina ho ampianarina ny lesona misiônera.

Hamoaka printy