Institiota
Lesona 6: Miomana amin’ny fiainana amin’ny maha-misiônera


6

Miomana amin’ny fiainana amin’ny maha-misiônera

Fampidirana

Ny hoe manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia manaiky ny antso hisolo tena an’i Jesoa Kristy Tompo. Traikefa iray mahafinaritra ny fitoriana ny filazantsara, saingy mitaky asa mafy ihany koa izany. Mba ho misiônera mahomby, dia tsy maintsy vonona ny hahatoky ny Tompo ny tovolahy na ny tovovavy rehefa miatrika olana izy ireo. Rehefa miandrandra zavatra amim-pahendrena momba ny fiainana misiônera ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana, dia ho vonona tsara kokoa izy ireo hanompo amin’ny “fo, ny hery, ny saina ary ny [tanjaka]” (F&F 4:2).

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fahatongavana ho Misiônera

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana ity amin’ny mpianatra:

  • Inona no fiovana andrasanao amin’ny fomba fiainanao rehefa manomboka manompo amin’ny maha-misiônera anao ianao?

  • Inona no azonao atomboka atao dieny izao hiomanana amin’ireo fiovan’ny fomba fiainana ireo?

video iconAsehoy ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ka asao ny mpianatra iray hamaky izany, na asehoy ny rakitsarin’ ilay fanambarana. Hazavao fa na dia niresaka tamin’ny zatovolahy nandritra ny fivoriamben’ny fisoronana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aza ny Loholona Bednar dia mihatra amin’ny zatovovavy ihany koa ireo fitsipika izay ampianariny.

Loholona David A. Bednar

“Mandritra ireo fivoriana miaraka amin’ny zatovo mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao dia matetika aho manasa ireo izay manatrika mba hametraka fanontaniana. Ny fanontaniana iray izay tena matetika apetraky ny olona amiko dia izao: ‘Inona no azoko atao mba hiomanana amin’ny fomba mahomby kokoa ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno?’ Mendrika valiny tena matotra ny fanontaniana avy amin’ny fo toy izany.

“Ry rahalahy tanora malala isany, ny zavatra tokana manan-danja indrindra azonao atao hiomanana amin’ny antso iray mba hanompo dia ny hahatongavana ho misiônera mialoha lavitra ny fotoana handehananao any amin’ny sahan’ny misiôna. Mariho fa tao anatin’ny valinteniko dia nohamafisiko ny hoe tonga fa tsy ny hoe mandeha. Mamelà ahy ianareo hanazava izay tiako hambara.

“Ao amin’ny voambolana fampiasantsika ato am-piangonana dia matetika isika miresaka momba ny hoe mandeha any am-piangonana sy ny hoe mandeha mankany amin’ny Tempoly ary ny hoe mandeha manao asa fitoriana. Ary holazaiko mihitsy aza fa lasa mivoana amin’ny tena heviny ilay fahazarantsika manasongadina ny hoe mandeha.

“Tsy ny hoe mandeha any am-piangonana no zava-dehibe, fa ny fitsaohana sy ny fanavaozana ireo fanekempihavanana kosa . Tsy ny hoe mandeha mankany amin’ny tempoly na mandalo ao amin’ny tempoly no zava-dehibe, fa ny fananana ao am-po ny fanahy sy ireo fanekempihavanana ary ireo ôrdônansy atao any amin’ny tranon’ny Tompo kosa . Tsy ny hoe mandeha manao asa fitoriana no zava-dehibe, fa ny ho tonga misiônera sy manompo mandritra ny fiainantsika manontolo amin’ny fontsika, ny herintsika, ny saintsika ary ny tanjatsika manontolo kosa . Mety hisy zatovolahy mandeha manao asa fitoriana fa tsy tonga na lasa misiônera izy , ary tsy izany no takian’ny Tompo na ny ilain’ny Fiangonana.

“Ny fanantenako ambony indrindra ho anareo tsirairay ry zatovolahy dia ny hoe tsy handeha hanao asa fitoriana fotsiny ianareo—fa mba ho tonga misiônera fotoana ela mialoha ny handefasanareo ny antontan-taratasy ahatongavana ho misiônera, fotoana ela be mialoha ny handraisanareo ny antso handeha hanompo, fotoana ela be mialoha ny hanokanan’ny filohan’ny tsatòkanareo anareo ary fotoana ela be mialoha ny hidiranareo ao amin’ny IFM” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 45).

  • Inona no nolazain’ny Loholona Bednar fa zavatra manan-danja indrindra azonao atao hiomanana amin’ny antso iray mba hanao asa fitoriana? (Ny ho tonga misiônera mialoha lavitra ny fotoana handehanana manao asa fitoriana.)

video iconAsao ny mpianatra iray hamaky ny fizarana manaraka amin’ny tenin’ny Loholona Bednar, na asehoy ny rakitsary misy izany.

Loholona David A. Bednar

“Mazava ho azy, ny dingana mba ho tonga misiônera dia tsy mitaky ny hanaovan’ny zatovolahy iray lobaka fotsy sy karavato mankany an-tsekoly isan’andro na hanaraka ny torolalana misiônera amin’ny fandehanana matory sy ny fifohazana, na dia ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny aza no hanohana izany hevitra izany. Saingy azonao ampitomboana ny fanirianao hanompo an’ Andriamanitra [jereo ny F&F 4:3], ary afaka manomboka misaina toa an’ireo misiônera ianao, mamaky izay zavatra vakian’ireo misiônera ary mahatsapa ny zavatra tsapan’ireo misiônera. Afaka mandositra ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mahatonga ny Fanahy Masina hisintaka ianao, ary afaka mahazo fahatokian-tena amin’ny fahafantarana sy fanatanterahana ireo bitsika ara-panahy. Fitsipika anampy fitsipika, kely etsy ary kely eroa no ahafahanao ho lasa tsikelikely ilay misiônera antenainao hahatongavana sy ilay misiônera antenain’ny Mpamonjy” (“Becoming a Missionary,” 45–46).

Manontania avy eo hoe:

  • Araka nyvoalazan’ny Loholona Bednar, amin’ny fomba ahoana no ahafahanao ho tonga misiônera mialoha ny hidiranao ao amin’ny ivontoerana fanofanana ny misiônera?

Rehefa avy mamaly ireo mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka ny ho tonga misiônera aho ankehitriny amin’ny fomba fisainako sy ny fomba fahatsapako ary ny fomba fihetsiko. Mba hanehoana io fitsipika io dia asao ireo mpianatra mba hijery ny Almà 17:2–3,9,11, dia hazavao fa ireo andininy ireo dia manoritsoritra an’ireo zanakalahin’i Môsià, izay nanao asa fitoriana tany amin’ny Lamanita. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ireo andininy ireo eo am-panarahan’ny iray kilasy ny vakiteny ka hitady ny zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môsià mba hiomanana mampianatra amin’ny hery sy fahefana. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Inona no nataon’ireo zanakalahin’i Môsià mba hiomanana hampianatra amin’ny hery sy fahefana?

  • Ahoana no hanarahan’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana ny ohatr’ireo zanakalahin’i Môsià eo am-piomanan’izy ireo ho tonga misiônera amin’izao fotoana izao?

Asaivo mijery ao amin’ny pejy 163 amin’ny Torio ny Filazantsarako ireo mpianatra ka asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny andalana fahatelo. Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Araka ny taratasy fiantsoana ho misiônera, inona avy no zavatra andrasana ho atokan’ny misiônera ho an’ny Tompo, ary inona no zavatra andrasana ho laozan’izy ireo?

  • Inona avy no ohatra amin’ny “raharaha manokana” izay angatahina mba ho laozan’ny misiônera rehefa manomboka manompo amin’ny maha-misiônera azy izy?

  • Oviana ianao no efa voatahy noho ny fahafoizana izay nataonao mba hanompoana an’ Andriamanitra?

Avy eo, dia omeo minitra vitsy ny mpianatra mba hisaintsaina sy hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diarim-pianarany. Amporisiho ireo mpianatra hanoratra manokana ny zavatra izay tsapany fa resahin’ny Fanahy Masina aminy manokana. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo zavatra sasany azonao atao ankehitriny mba hanombohana mieritreritra sy mahatsapa ary manao zavatra tahaka ny misiônera iray?

  • Ahoana no hiomananao handao ireo raharaha manokana ka hanokana ny fotoanao sy ny fifantohanao rehetra amin’ny fanompoana ny Tompo?

  • Ahoana no mety hanampian’ny fanaovana ireo zavatra ireo anao hiomana hampianatra amin’ny hery sy fahefana tahaka ireo zanakalahin’i Môsià?

Amporisiho ny mpianatra mba hanoratra tanjona manokana ao anatin’ny diarin’izy ireo. Mety ho tafiditra amin’izany ny fandalinana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna, na ny fivavahana maraina sy hariva, na ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana rehetra, na ny fatoriana alohan’ny amin’ny 10:30 alina sy ny fifohazana alohan’ny amin’ny 6:30 maraina, na ny fampihenana ny fampiasany ny fitaovana elektronika, na ny fiezahana ho mpakatò kokoa ny didy.

Ny Fenitry ny Fahamendrehana

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe “fepetra mialoha,” ary asao ireo mpianatra mba hieritreritra toe-javatra izay mitaky fepetra mialoha. Omeo fotoana ireo mpianatra hitady ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:74 ireo fepetra takiana mialoha ho an’ny asa fitoriana. Dia manontania avy eo hoe:

  • Inona no torohevitra nomen’ny Tompo an’ireo mpiasa ao amin’ny fanjakany mba ho ataony hiomanana hitory ny filazantsara? (Manamasina ny tenany, manadio ny fony, manasa ny tanany.)

  • Inona ny dikan’ny hoe voahasina? (Madio, mendrika ny Fanahy Masina.)

  • Fitsipika inona mikasika ny misiônera no ampianarina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:74? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Mandidy ireo mpanompony mba hadio ny Tompo.)

Ho entina hanazavana ny dikan’ny hoe misiônera madio sy mendrika ny hanao asa fitoriana dia asehoy ity ampahan-dahateny nataon’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity, ary manasà mpianatra iray hamaky izany mafy:

Loholona M. Russell Ballard

“Amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy, dia manasa anareo aho dieny izao—izao hariva izao—mba hanomboka ho mendrika tanteraka. Manapaha hevitra ka manolora tena amin’ny tenanareo sy amin’ Andriamanitra fa manomboka amin’izao fotoana izao ianareo dia hiezaka amim-pahavitrihana ny hihazona ny fonareo sy ny tananareo ary ny sainareo ho madio sy tsisy pentin’ny karazana fandikan-dalàna ara-pitondran-tena. Manapaha hevitra ny hisoroka ny pôrnôgrafia, tahaka ny ho fisorohanareo ny aretina farany izay mikiky tsikelikely indrindra, satria izany tokoa ny pôrnôgrafia. Manapaha hevitra ny hifady tanteraka ny paraky sy ny toaka ary ny rongony tsy ara-dalàna. Manapaha hevitra ny ho marin-toetra. Manapaha hevitra ny ho olom-pirenena tsara sy hanaja ireo lalàn’ny tany misy anao. Manapaha hevitra fa manomboka amin’ity hariva ity ianareo dia tsy handoto ny vatanareo mihitsy na hampiasa fiteny tsy maontina na tsy mendrika ny mpihazona ny fisoronana” (“The Greatest Generation of Missionaries,” Ensign na Liahona, nôv. 2002, 47).

Mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny torohevitry ny Loholona Ballard:

  • Inona no didy izay noresahin’i Loholona Ballard manokana fa tokony hankatoavin’ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana?

  • Inona no dikan’ny hoe manana fo sy tanana ary saina “tsisy pentin’ny karazana fandikan-dalàna ara-pitondran-tena”? (Raha ilaina izany dia azonao lazaina ny fizarana “Pureté Sexuelle” ao amin’ny Jeunes, Soyez Forts [kiboky, 2011], 35–37.)

  • Nahoana no fahendrena ny misoroka ny pôrnôgrafia tahaka ny fisorohantsika ny aretina mikiky iray, ary ahoana no mety hanampian’ny fisorohana ny pôrnôgrafia anao hieritreritra sy hahatsapa ary hanao zavatra tahaka ny misiônera?

video iconAsehoy ny horonantsary “Stay within the Lines” (5:10) mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny maha-zava-dehibe ny fahamendrehana ny hanao asa fitoriana. Mialoha ny hanehoana ilay horonantsary dia manaova fifanakalozan-kevitra mikasika ny maha-zava-dehibe ireo tsipika mamaritra amin’ny fanatanjahan-tena sasany. Ifanakalozy hevitra ny maha samy hafa ny hoe “anatin’ny faritra” sy ny hoe “ivelan’ny faritra” sy ny fiantraikan’ny tsipika mamaritra amin’ny zavatra ataon’ny mpanao fanatanjahan-tena mandritra ny lalao. Lazao ireo mpianatra fa ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny dikan’ny hoe mijanona ao anatin’ny tsipika mamaritra ara-panahy mialoha ny misiôna.

Rehefa avy nijery ilay horonantsary, dia apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ifandraisan’ny “fijanonana ao anatin’ilay tsipika” sy ny fiomanana hanao asa fitoriana?

  • Niangavy an’ireo izay ao amin’ny ekipan’ny Tompo ny Loholona Holland mba hijanona ao amin’ny ekipa fa tsy handeha any “ivelan’ny faritra.” Midika inona ho anao izany?

  • Nahoana ny tsy fibebahana tamin’ny ota teo aloha no manakana ny misiônera tsy hahomby amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainany ny fahamendrehany hanao asa fitoriana. Hazavao amin’ny mpianatra fa raha manana olana amin’ny fahamendrehany izy ireo, dia tokony hikatsaka ny fitarihana amin’ny vavaka amin-kitsipo sy hifampiresaka amin’ny evekany na ny filohan’ny sampana misy azy mikasika izany olana izany.

Fiomanana ara-batana sy ara-pihetsehampo

Asehoy ity fanambarana avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 2002 ity ary asao ny mpianatra mba hamaky izany amim-pahanginana. Na asao ny mpianatra iray hamaky izany mafy.

“Ny asa misiônera amin’ny fotoana feno dia tombontsoa ho an’ireo izay voantso tamin’ny alalan’ny fitaomam-panahy nomena ny Filohan’ny Fiangonana. Ireo eveka sy filohan’ny tsatòka dia manana andraikitra lehibe ny hamantatra ireo mpikambana mendrika sy mahafeno fepetra ka vonona ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetseham-po ho amin’ity antso masina ity sy azo atolotra tsisy fisalasalana” (taratasy avy tamin’ny Fiadidiana Voalohany, 11 des. 2002).

Manontania avy eo hoe:

  • Ankoatra ny fiomanana ara-panahy, nahoana ny olona iray no mila fiomanana ara-batana sy ara-pihetseham-po raha hanao asa fitoriana?

Asehoy ity teny nambara manaraka ity ary asao ny mpianatra iray na mihoatra hamaky izany mafy:

Fanazaran-tena tsy tapaka (isan’andro). Ny misiônera iray dia tsy maintsy afaka mandeha an-tongotra tokony ho 10 km isan’andro ary mandeha bisikileta 19 km isan’andro. Ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana izay tsy dia mandeha an-tongotra ankoatra ny fandehanana mivoaka amin’ny fiara mankao an-dakilasy na ao am-piasana dia azo antoka fa harary sy hisy empaka ny tongony rehefa tonga any amin’ny sahan’ny misiôna. … Ny misiônera izay tsy dia salama vatana dia ho reraka amin’ny asa fitoriana, ary ny misiônera reraka dia mora kivy sy mora andairan’ny aretina tsy tahaka ny misiônera salama vatana.

“Ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana dia afaka miomana ho amin’ny tanjaka ara-batana takiana amin’ny fiainana misiônera amin’ny alalan’ny fanarahana fomba fanazaran-tena ara-batana—mandeha an-tongotra na mihazakazaka na mandeha bisikileta adiny iray isan’andro. …

Ampy torimaso. Na dia miovaova aza ny torimaso ilain’ny olona, amin’ny ankapobeny ny tanora dia mila matory adiny fito ka hatramin’ny adiny valo isan’andro. Ny tena tsara dia tokony ho efa eo am-pandriana izy ireo amin’ny 10:30 alina ka hatramin’ny misasakalina ary miala eo am-pandriana amin’ny 6:30 ka hatramin’ny 8:00 maraina. Ny tsy fatoriana hatramin’ny 2 na 3 maraina sy ny fatoriana hatramin’ny 10 maraina dia mahatonga ny olona iray hahatsiaro reraka foana sy te hatory hatramin’ny 12 atoandro. … Miaina fianana voarindra ny misiônera. Matory amin’ny 10:30 alina izy ireo ary mifoha amin’ny 6:30 maraina isan’andro. Ho sarotra io fandaharam-potoana io raha tsy manao fahazarana toy izany mialoha ny antso hanompo ny misiônera miomana hanao asa fitoriana.

Fahazarana misakafo ara-pahasalamana. Ny tanora dia tokony hianatra mitia sakafo misy protéine sy fibre, toy ny hena mahia, yaourt, legioma ary voankazo, fa tsy miaina amin’ny siramamy sy zavatra matavy. Ary koa, be loatra raha misotro zava-pisotro misy entona mihoatra ny 355 ml isan’andro” (Donald B. Doty, “Missionary Health Preparation,” Ensign, mar. 2007, 64).

  • Raha tsy salama vatana ny misiônera iray, inona no mety ho fiantraikan’izany amin’ny fandrosoan’ny asa sy amin’ny mpiara-mitory aminy ary amin’ny tenany?

Asaivo mandinika amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:

  • Ahoana no hamaritanao ny fiomananao ara-batana amin’ny asa fitoriana amin’izao fotoana izao?

  • Inona avy ireo zavatra sasany azonao atao ankehitriny mba hiomana hahafeno ny fepetra ara-batana takian’ny fanaovana asa fitoriana amin’ny fotoana feno?

Amporisiho ireo mpianatra mba hanao drafitra ka dieny izao dia hanomboka ny ho ampy torimaso sy hihinana sakafo ara-pahasalamana ary hanao fanatanjahantena mba hahatonga azy ireo hanana ny faharetana ara-batana ilainy amin’ny fahombiazany amin’ny maha-misiônera. Raha ampy ny fotoana dia asao ireo mpianatra mba hanoratra ny drafiny ao anatin’ny diarim-pianarany.

Asao ny mpianatra iray hanazava ny fomba famalin’ny vatana an’ireo fihetsika mamizana toy ny mihazakazaka miaka-midina amin’ny tohatra (miakatra ny fitempon’ny fo, sempotra, tsemboka, reraka ny hozatra, sy ny sisa). Hazavao fa ny tebiteby ara-batana dia karazana fanamby iray ihany izay atrehan’ny misiônera. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny tebiteby ara-pihetseham-po sy ara-tsaina vokatry ny fanamby sarotra na ny olana tsy nampoizina amin’ny vatana sy ny saina?

Hazavao fa ny misiônera rehetra dia samy miaina ambaratongan-tebiteby ara-pihetseham-po na fahatsapana te hody sy tsy fahavitan-javatra na alahelo na fihetseham-po hafa izay mety ho mavesatra aminy, ary izany dia fiainana misiônera izay tsy mahagaga.

video iconAsehoy ny horonantsary “Preparation of Gordon B. Hinckley: Forget Yourself and Go to Work” (2:04). Amporisiho ireo mpianatra mba hijery ireo antony izay nahatonga ny Filoha Gordon B. Hinckley hahatsapa fahakiviana fony izy misiônera tanora tany Angletera.

Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Inona avy ireo antony sasany izay nahatonga ny Filoha Hinckley hahatsapa fahakiviana rehefa tonga tany amin’ny sahan’ny misiôna?

  • Inona no nataon’ny Filoha Hinckley izay nanampy azy handresy ny fahakiviana?

Hazavao amin’ny mpianatra fa ny sasany amin’ireo misiônera lehibe ao amin’ny soratra masina dia niaina fahakiviana sy olana maro hafa tao anatin’ny asa fitoriana nataony. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jeremia 1:4–9; Almà 17:5; 26:27; ary Mosesy 6:31–32. Asao ireo mpianatra mba hisafidy ka hamaky am-pahanginana ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo, ka hitady ireo olana izay hita na nihatra tamin’ireo olona voaresaka ao amin’izay novakiny. Rehefa mamaly ny mpianatra dia fintino eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo, araka izay haseho eto ambany:

Jeremia 1:4–9. Natahotra i Jeremia fa mety tsy hihaino azy ny olona satria tanora loatra izy.

Almà 17:5; 26:27. Nijaly ara-batana sy ara-tsaina i Amôna sy ny mpiara-mitory aminy. Kivy izy ireo ary efa saika hiverin-dalana.

Mosesy 6:31–32. Natahotra i Enoka fa tsy hisy olona hihaino azy satria miadam-piteny izy ary mbola tena zatovolahy.

Manontania avy eo hoe:

  • Inona no nianaranao avy amin’ireo tantara telo ireo momba ny fanamby ara-pihetseham-po amin’ny fitoriana ny filazantsara? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ity fahamarinana ity eny amin’ny solaitrabe: Anisan’ny fiainana misiônera izay tsy mahagaga ny fanamby ara-batana sy ara-pihetseham-po.

  • Inona no eritreritra tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ny fehezanteny hoe anisan’ny fiainana misiônera izay tsy mahagaga ny fanamby ara-batana sy ara-pihetseham-po ianao?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa ny misiônera rehetra dia miatrika olana no misy fiantraikany amin’ny fomba fiomananao hanompo?

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa saika ny misiônera rehetra no miaina olana ara-pihetseham-po sy ara-batana. Na izany aza, ny misiônera dia tokony hianatra ny fomba fiatrehana ny adin-tsaina amin’ny fomba ara-pahasalamana sy mifanaraka amin’ny misiôna. Matetika ny fomba ara-pahasalamana hiadiana amin’ny adin-tsaina izay mahomby ivelan’ny sahan’ny misiôna, toy ny mandany fotoana irery na mihaino mozika na manao fanatanjahantena dia tsy azon’ny misiônera atao amin’ny ankapobeny. Tsy maintsy mianatra miatrika ny adin-tsaina amin’ny fomba izay mifanaraka amin’ny lalàn’ny misiôna ny misiônera.

Zarao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra dia zarao amin’ny mpianatra ny taratasy fizara mitondra ny lohateny hoe “Ireo fitakian’ny fiainana misiônera”. Asao ny vondrona tsirairay mba (1) hamaky mafy ny fizarana voalohany, izay mitondra ny lohateny hoe “Ireo fitakian’ny fiainana misiônera,” ary (2) hifampiresaka mikasika ny fomba ahafahan’ny fahafantarana an’ireo fitakian’ny fiainan’ny misiônera ireo manampy azy ireo mba ho vonona tsaratsara kokoa ho amin’ireo fanamby amin’ny fiainana misiônera.

Taratasy fizara: Fiainana misiônera

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo vondrona hamakiana sy hifampiresahana an’ilay fizarana, dia asao ny mpianatra maromaro mba hizara ireo hevitra manan-danja izay nifampiresahan’ireo vondrona. Avy eo dia makà minitra vitsy hiarahan’ny kilasy mamaky sy mifanakalo hevitra momba ny fizarana manaraka ao amin’ilay taratasy fizara, izay mitondra ny lohateny hoe “Fampifanarahan-tena amin’ny traikefa vaovao,” ka miresaha momba ny fomba mety hanampian’ny fahatakarana ireo dingan’ny fampifanarahana an’ireo mpianatra rehefa miditra ny IFM izy ireo.

Mitodika amin’ny Tompo mba hanampy amin’ireo fanamby

Mba hamporisihana ireo mpianatra hanomboka hieritreritra ny fomba hiatrehany ireo fanamby rehefa miaina izany any amin’ny sahan’ny misiôna izy ireo dia hazavao fa i Nefia dia niatrika fahatsapana lalina ho tsy hahavita zavatra sy kivy ary nanoratra mikasika ny zavatra nataony mba handresena ireo fahatsapana ireo. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 4:17–19. Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo teny na andian-teny nampiasain’i Nefia hanoritsoritana ireo vokatry ny fahalemeny?

Asao ny mpianatra mba handalina ny 2 Nefia 4:19–26, ka hitady ireo zavatra izay nanampy an’i Nefia handresy ny fahakiviany. Manontania avy eo hoe:

  • Inona ireo andian-teny izay nampiasain’i Nefia hanoritsoritana ny fomba nandreseny ireo fahatsapana ratsy lalina izay nananany? (Tokony ho hitan’ny mpianatra fa i Nefia dia nahatoky ny Tompo [jereo ny andininy 19], tsaroany izay nataon’ny Tompo taminy teo aloha [jereo ny andininy 20–23], nivavaka tamin-kafanam-po izy [jereo ny andininy 24], ary nahatsiaro ny famindrampon’ny Tompo izy [andininy 26].)

  • Tamin’ny fomba ahoana ny fahatsiarovana ny Tompo sy ny fahatsarany no efa nanampy anao nandritra ny fotoan’ny fahakiviana sy ny adin-tsaina?

  • Tany am-boalohany isika tato amin’ny lesona dia nanaiky fa tsy mahagaga raha ny misiônera no miaina tebiteby ara-pihetseham-po na fahatsapana te hody sy tsy fahavitan-javatra na fihetseham-po hafa izay mety ho mavesatra aminy. Raha dinihana ny zavatra nosoratan’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 4:19–26, dia inona no torohevitra homenao ny misiônera iray izay manana an’ireo karazana fahatsapana ireo? (Ampio ny mpianatra mba hahita ity fitsipika manaraka ity, ka soraty eny amin’ny solaitrabe izany: Rehefa matoky ny Tompo ireo misiônera dia afaka manampy azy ireo ny Tompo handrindra ireo fitakiana ara-batana sy ara-pihetseham-pon’ny fiainana misiônera.)

Zarao amin’ny mpianatra ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Tsy mino aho hoe mora foana hatrizay ny asa fitoriana, na ny fiovampo, na ny fihazonana ny mpikambana ho mahatoky, na ny fahatokiana hatrany. Mino aho fa tokony hitaky ezaka izany, dia zavatra avy ao amin’ny lalin’ny fanahintsika.

“Raha toa ka afaka nandroso Izy nandritra ny alina, nandohalika, niankohoka, nivoa-dra tamin’ny mason-kodiny rehetra ka niantsoantso hoe ‘Aba, Raiko ô (Dada), raha afaka mandalo ity kapoaka ity, dia aoka izany handalo’ [jereo Marka 14:36], dia tsy hahagaga raha tsy ho zavatra tsotsotra na mora ho antsika ny famonjena. Raha manontany tena ianao raha toa ka tsy misy fomba moramora kokoa, dia tokony ho tsaroanao fa tsy ianao no olona voalohany nanontany izany. Nisy olona tena lehibe kokoa nanontany taloha elabe tany raha toa ka tsy nisy fomba iray moramora kokoa.

“Hitondra tombontsoa ho an’ireo misiônera ny Sorompanavotana, angamba amin’ny fomba manan-danja kokoa noho ny hitondrany tombontsoa ho an’ireo naman’ny Fiangonana. Rehefa miady mafy ianao, rehefa lavina ianao, rehefa rorana sy roahana ary atao ho faneso sy ho fanaraby ianao, dia miaina ny fiainan’ilay olona izay tsara indrindra teto an-tany ianao, dia ilay hany olona madio sy tonga lafatra indrindra izay niaina teto an-tany. Manana antony hijoroana sy hankasitrahana ianao satria mahafantatra ny alahelonao sy ny fahorianao ilay Zanakalahy velon’ilay Andriamanitra velona. Ny hany lalana ahazoana ny famonjena dia amin’ny alalan’ny Getsemane sy Kalvary. Ny hany lalana ahazoana ny fiainana mandrakizay dia amin’ny alalany—ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 15).

Manontania avy eo hoe:

  • Araka ny nolazain’ny Loholona Holland, inona no antony mahatonga ny misiônera ho afaka hijoro mandritra ny fotoana izay hiadiany mafy?

Lazao ireo mpianatra fa rehefa miatrika toe-javatra sarotra any amin’ny sahan’ny misiôna, dia tokony ho tsaroany fa ny asa izay ataony dia ny manampy ny hafa hanatona an’i Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Almà 26:11–13; 29:10; sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo eo am-panarahan’ny iray kilasy ka hitadiavana ireo andininy izay mampianatra momba ny fiainan’ny misiônera. Asao ny mpianatra mba hizara hevi-baovao, ary omeo toky izy ireo fa na dia mafy sy mety hahaketraka aza indraindray ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia hanome fifaliana ho antsika ny Tompo rehefa miasa mba hitondra ny hafa hanatona an’i Kristy isika. Asao ny mpianatra mba hizara traikefa raha toa ka efa niaina io fitsipika io izy ireo.

Hamafiso amin’ny mpianatra fa indraindray izy ireo dia mety hanana namana mpiara-mitory izay manana olana amin’ny fahasalamana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina. Amin’ny toe-javatra toy izany dia tokony hihaino sy haneho fitiavana an’ilay namany izy, satria ny fitondrantena manohana izay ananan’ny namana mpiara-mitory iray dia mety ho manan-danja lehibe amin’ny fanampiana ny misiônera handresy ny olana. Tsy tokony hanoro hevitra mihitsy izy ireo hoe raha toa ka nanana finoana bebe kokoa fotsiny ny misiônera iray izay miady mafy dia ho afaka ny olany.

Hazavao ihany koa fa misy ireo olana hafa izay mitaky ny fanampian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina, ary ny ankamaroan’ny misiôna dia ahitana manampahaizana momba ny fahasalaman’ny saina natokana ho an’ireo misiônera. Tokony hifampiresaka ny momba azy amin’ny filohan’ny misiônany ireo misiônera izay manana olana ara-pihetseham-po mba hamantarana ny fanampiana izay mety aminy.

Mba hanampiana ny mpianatra handinika bebe kokoa ny fomba mety hiatrehany ny olana ara-batana sy ara-pihetseham-po izay hitranga aminy amin’ny maha-misiônera azy, dia omeo minitra maromaro izy ireo mba hanoratra momba ny fotoana iray izay nilainy nandresy toe-javatra sarotra. Araho maso izany amin’ny alalan’ny fanontaniana azy ireo ny zavatra nianarany momba ny Tompo sy ny momba ny tenany manokana avy tamin’ilay traikefa ary ny fomba hampiasan’izy ireo izany traikefa izany mba hampahery azy amin’ny hoavy.

Ho famaranana ny lesona dia asehoy ny fatokianao ny mpianatrao sy ny fahaizany hiatrika ireo fiovana izay miaraka amin’ny fiainana misiônera. Mijoroa ho vavolombelona fa manampy ny olona izay mitodika mba hitantana ny fitakiana ara-batana sy ara-pihetseham-pon’ny fiainany ny Tompo.

Fanasana mba hanao asa

Asao ny mpianatra mba hiomana amin’ny fiainan’ny misiônera amin’ny fanatanterahana ny iray na mihoatra amin’ireto asa atao manaraka ireto:

  • Mandinika ny zavatra tokony hataonao mba ho lasa madio sy mendrika ny hanao asa fitoriana. Raha ilaina dia manaisotra ireo eritreritra sy fitondrantena tsy mendrika izay manafintohina ny Fanahy.

  • Mametraka tanjona manokana mba hanaraka fandaharam-panatanjahantena isan’andro na hihinana sakafo ara-pahasalamana na hanana fahazarana matory izay manaraka ny fandaharam-potoan’ny misiônera isan’andro.

  • Mijery ny fitsipiky ny fitafy ho an’ny misiônera amin’ny fotoana feno hita ao amin’ny LDS.org.

  • Manontany misiônera niverina iray mba hiresaka momba ny zavatra nataony mba hifehezany ny adin-tsaina sy handreseny ireo fananmby ananan’ny misiônera.

  • Miresaka amin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny fisoronana mikasika ireo fomba hifandraisana amin’ny namana mpiara-mitory iray izay mety tsy hanana zavatra itovizana aminao na sarotra aminao ny mifandray aminy.

taratasy fizara

Taratasy fizara: Fiainana misiônera