7
Mampianatra ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny (Tapany 1)
Fampidirana
Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia nampianarin’ireo mpaminany tao anatin’ireo fotoampitantanana rehetra, ka nahafahan’ireo zanak’ Andriamanitra hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia very ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny fahefan’ny fisoronana, ka nahatonga ny Apôstazia Lehibe. Nanala ireo vokatry ny Apôstazia ny Famerenana amin’ny Laoniny tamin’ny andro farany ary nanorina indray ny Fiangonan’i Kristy eto an-tany. Ny misiônera miomana amin’ny asa fitoriana dia tokony hahatakatra ny hevitry ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny Laoniny ary tokony ho vonona ny hanazava azy ireo amin’ny fomba tsotra sy hijoro ho vavolombelona momba izany amin’ny hery.
Fiomanana mialoha
-
Halalino ny Torio ny filazantsarako, 36–41.
-
Miomàna hampiseho ny horonantsary “The Great Apostasy” (16:33), azo jerena ao amin’ny LDS.org.
-
Omano ny tahadika iray an’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” homena ny mpianatra.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Andriamanitra dia Ilay Raintsika be Fitiavana any An-danitra
Atombohy amin’ny fanasana ireo mpianatra mba handinika ity fandinihana zava-misy manaraka ity ny fotoam-pianarana:
Anio alina alohan’ny hatory ianao dia haharay hafatra avy amin’ny namana iray izay kivy sy manontany tena raha toa ka tena misy marina Andriamanitra ary miraharaha antsika ve izy. Hoy ilay namanao: “Mino ve ianao fa tena misy Andriamanitra? Tahaka ny ahoana no finoanao an’ Andriamanitra?”
Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba mety hamaliany an’ilay namany. Avy eo dia lazao ny mpianatra fa ny lesona androany dia mifantoka amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika sasany izay hita ao amin’ny lesona misiônera voalohany, anisan’izany ny toetry ny Ray any An-danitra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Andriamanitra dia Ilay Raintsika be Fitiavana any An-danitra” ao amin’ny pejy 36–37 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ireo mpianatra mba hanipika na hanasongadina ireo andian-teny izay mety ho ampiasainy mba hanampiana ny hafa hahatakatra bebe kokoa ny toetran’ Andriamanitra amin’ny maha-Raintsika be fitiavana any An-danitra Azy.
Omeo minitra vitsy ny mpianatra hitadiavana ny telo na efatra amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ilay faritra misy ny Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 37 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao izy ireo mba hieritreritra ny fomba mety hanampian’ilay andinin-tsoratra masina amin’ny famaliana ireo fanontaniana avy amin’ny olona iray izay manana fanontaniana momba an’ Andriamanitra, tahaka ilay fandinihana zava-misy tany am-boalohany. Azonao amporisihana ireo mpianatra mba hanasongadina andinin-tsoratra masina iray na mihoatra ao amin’ny soratra masiny na hanoratra izany eo amin’ny sisin’ny pejin’ny Torio ny Filazantsarako ampiasainy. Manontania avy eo hoe:
-
Inona no fehezanteny mety hamintinana fohy an’ireo fotopampianarana izay tena manan-danja novakinao tao amin’ny Torio ny Filazantsarako sy tao amin’ireo andin-tsoratra masina ireo? (Mety hahitana ilay fotopampianarana hoe Andriamanitra dia ilay Raintsika be fitiavana any An-danitra ary ny faniriany dia ny hiverenantsika rehetra hiara-hiaina miaraka Aminy ny mpianatra.)
-
Nahoana no mety ho manan-danja ho an’ny olona ny mahatakatra io fitsipika io mialoha ny hianarana ireo fotopampianarana hafa?
Mitahy ny Fianakaviana ny Filazantsara
Asao ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mitahy ny Fianakaviana ny Filazantsara” ao amin’ny pejy 37–38 amin’ny Torio ny Filazantsarako ka hanao fehezanteny famintinana ny anjara asan’ny tokantrano sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra. Rehefa avy nomena fotoana hamakiana izy ireo dia asao ireo mpianatra mba hizara ny famintinana izay nataony. (Ny famintinana dia mety hahitana ilay fotopampianarana hoe voatendrin’ Andriamanitra ny fianakaviana ary ampahany amin’ny drafitr’ Andriamanitra mba hitondra fifaliana ho an’ny zanany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika misongadina io.)
Araka ny fahitanao ny filan’ny mpianatrao ary raha ampy ny fotoana, dia hevero ny hanolotra izao asa atao manaraka izao: Asaivo mifantoka amin’ny andalan-tsoratra farany izay novakiany tao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatrao: “Avy amin’ny alalan’ny mpaminany tamin’ny fotoana rehetra, ao anatin’izany koa ny antsika, no nanambaran’ Andriamanitra ny drafitry ny fahasambarana ho an’ny olona tsirairay ary ho an’ny fianakaviana.”
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ny antony maha-tena manan-danja an’io fahamarinana io dia asehoy ny tahadikan’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” na zarao tahadikan’izany ny mpianatra. Avy eo dia asao ny mpianatra mba haka minitra vitsy hamakiana an’ilay fanambarana ka hitady ireo andian-teny na fitsipika izay manampy antsika hahatakatra tsaratsara kokoa ny anjara asan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Asao ny mpianatra iray hanoratra ireo zavatra ireo eny amin’ny solaitrabe.
Asehoy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny tanjona lehiben’ny fahavalo, izay ‘manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny’ (Apokalypsy 12:12), dia ny hanakorontana sy hanelingelina ary handrava ny tokantrano sy ny fianakaviana” (“The Father and the Family,” Ensign, mey 1994, 19).
Anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Nahoana no ho “tanjona lehiben’ny fahavalo” ny handrava ny tokantrano sy ny fianakaviana? (Ao no “toerana tsara indrindra hampianarana sy hianarana ary hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”)
-
Inona avy ireo fironana eo amin’izao tontolo izao izay manohitra ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fanambadiana sy ny tokantrano ary ny fianakaviana? (Fanamarihana: Aza dia mandany fotoana be amin’ny firesahana ireo fironana ireo. Ampy ny fahafantarana izany fotsiny ary avy eo dia ampiasao ireo torolalana manaraka mba hijanona hifantoka amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fianakaviana.)
Asao ny mpianatra mba hizara ny fomba mety hampiasany ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” amin’ny fampianarana toe-javatra izay hanavahana ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny fironana eo amin’izao tontolo izao izay mifanohitra amin’ny drafiny ho an’ny fanambadiana sy ny tokantrano ary ny fianakaviana.
Hazavao amin’ny mpianatra fa ny olona sasany izay hifanena aminy dia hanana fomba fijery izay tsy mitovy na mifanohitra mihitsy aza amin’ny fampianaran’ny Fiangonana momba ny fanambadiana sy ny tokantrano ary ny fianakaviana. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mampiasa ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany ireo mpianatra mba hoentina mampianatra, dia ho tarihin’ny Fanahy Masina izy ireo hanampy ireo izay ampianariny hahatakatra tsara kokoa ny anjara asan’ny fanambadiana sy ny tokantrano ary ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany.
Ny Mpaminany sy ny Fotoampitantanana
Hazavao amin’ny mpianatra fa ny fomba iray manan-danja izay anehoan’ Andriamanitra ny fitiavany antsika dia amin’ny alalan’ny fiantsoany mpaminany. Asehoy ity teny nolazain’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary mangataha mpianatra iray hamaky izany mafy : Asao ireo mpianatra mba hitady ireo fitahiana tonga amin’ireo izay manaraka ny mpaminany:
“Mety hanontany isika hoe: ‘Moa ve misy feo izay hanome antsika hatrany torolalana mazava mba hahitana ny lalantsika ao anatin’ ity tontolo mikorontandrontana ankehitriny ity?’ Ny valiny dia eny! Ny feon’ny mpaminany velona sy ireo apôstôly io feo io. …
“Zava-dehibe ry rahalahiko sy anabaviko ny manana mpaminanin’ Andriamanitra eo anivontsika. Fitahiana lehibe sy mahatalanjona no tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa mihaino ny tenin’ny Tompo izay omeny antsika amin’ny alalan’ny mpaminany isika. …Tokony ho eny sy eo no ho eo ny valintenintsika rehefa maheno ny torohevitry ny Tompo izay ambarany amin’ny alalan’ny tenin’ny Filohan’ny Fiangonana isika. Nampiseho ny tantara fa misy fiarovana, fiadanana, firoboroboana ary fahasambarana ao amin’ny fankatoavana ny toromarika avy amin’ny mpaminany, toy ny nataon’i Nefia fahiny hoe: ‘Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo’ (1 Nefia 3:7) …
“Mampanantena anareo aho androany. Tsotra ilay izy, nefa marina. Raha mihaino ny mpaminany velona sy ny apôstôly ianareo ka manaraka ny torohevitra izay omeny, dia tsy handeha amin’ny lalan-diso ianareo” (“His Word Ye Shall Receive,” Ensign, mey 2001, 65–66).
Aorian’ny famakiana ilay fanambarana dia anontanio hoe:
-
Inona avy ireo fitahiana azon’ireo izay manaraka ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo?
Omeo fotoana ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38. Manontania avy eo hoe:
-
Inona no ampianarin’io andininy io momba ny mpaminany sy ny toroheviny?
-
Afaka mieritreritra fotoana iray manokana ve ianao izay nahavoatahy ny fiainanao noho ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminan’ny Tompo?
Asao ireo mpianatra mba hamaky ny andalana voalohany eo ambanin’ny lohateny hoe “Manambara ny Filazantsarany isaky ny Fotoampitantanana ny Ray any An-danitra” ao amin’ny pejy 38 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Ampio ireo mpianatra hahita ireo fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay andalana amin’ny fanontaniana hoe:
-
Inona avy ireo fotopampianarana sasany izay azontsika ianarana momba ny mpaminany ao amin’io andalana io? (Na dia maro aza ireo fitsipika izay mety ho zarain’ireo mpianatra dia ampio ny mpianatra hahita ilay fotopampianarana hoe ny mpaminany dia mianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanambarana ary manana andraikitra ny hampianatra ny hafa sy hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.)
Ampiasao ilay fomba fampiofanana ao amin’ny IFM rehefa manampy ny mpianatra hampianatra mikasika ny maha-zava-dehibe ny mpaminany ianao. Hazavao amin’ny mpianatra fa tokony hamaky ny famaritana ny mpaminany hita ao amin’ny pejy 52 amin’ny Torio ny Filazantsarako izy ireo ary avy eo hanomana hanao tantara an-tsehatra momba ny fampianarana naman’ny fiangonana iray mikasika ny mpaminany. Avy eo dia asehoy an-tsehatra amin’ny fampianarana ny mpianatra iray mikasika ny mpaminany. Manaraka izany dia asao ireo mpianatra hitady namana iray ka hanao tantara an-tsehatra, ary haka sary an-tsaina hoe olona tsy mpikambana izay naheno fa ny Fiangonana dia tarihin’ny mpaminany ilay mpianatra ho ampianarina. Ilay mpianatra izay hilalao ny mpampianatra dia tokony hanazava fohy ny hoe iza ny mpaminany sy hijoro ho vavolombelona momba ny mpaminany maoderina. Avy eo dia tokony hanombatombana ny zava-bitan’ny namany ireo mpianatra izay nampianarina amin’ny filazana ny hoe inona no hitany fa tena nanan-danja sy nanentam-panahy tamin’ny zavatra nasehony. Avy eo dia asao ireo mpianatra hamerina ny fanazaran-tena, amin’ny fanaovana ilay tantara an-tsehatra indray ka hifamadika andraikitra mba hahafahan’ireo mpianatra hafa mampianatra sy mandray tatitra.
Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny andalana efatra farany ao amin’ny pejy 38–39 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ny ambin’ny kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny fifandraisan’ny mpaminany sy ny apôstazia ary ny fotoampitantanana. Raha ilaina dia asao ny mpianatra handalina koa ny “Fotoampitantanana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Ampio ireo mpianatra hifampiresaka momba ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalana ireo amin’ny fametrahana fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:
-
Nahoana no mety hanampy ny naman’ny Fiangonana ny mahatakatra fa niafara tamin’ny apôstazia avokoa ireo fotoampitantanana rehetra teo aloha?
-
Inona no efa nataon’ Andriamanitra nandritra ny tantara mba hamaranana ny fotoan’ny apôstazia? Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana io fomba fitrangan-javatra io manomana ny naman’ny Fiangonana hianatra mikasika ny Famerenana amin’ny Laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?
Raha ampy ny fotoana dia azonao omena minitra vitsy ny mpianatra mba hanao fanazaran-tena hanazava amin’ny namany ny zavatra ao amin’ny pejy 38–39 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Amporisiho izy ireo mba hampiditra ao amin’ny fanazavany ny teny hoe apôstazia, fotoampitantanana, ary mpaminany.
Ny Asa fanompoan’ny Mpamonjy teto An-tany
Asao ireo mpianatra mba hijery ilay sary ao amin’ny pejy 40 amin’ny Torio ny Filazantsarako, izay maneho ny fanendren’ny Mpamonjy ny Apôstôly Roambinifolo. Anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Inona avy ireo zavatra sasany nataon’i Jesoa Kristy hananganana ny Fiangonany teto an-tany tamin’ny androny? (Azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Asa fanompoan’ny Mpamonjy teto An-tany” ao amin’ny pejy 40 amin’ny Torio ny Filazantsarako mba ho fakan-kevitra.)
-
Amin’ny fomba ahoana ny asa fanompoan’ny Mpamonjy sy ny fandavana Azy tamin’ny farany no nanaraka ny fomba fitrangan-javatra nisy teo amin’ireo fotoampitantanana teo aloha? (Talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia tao anatin’ny apôstazia ny olona. Naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny teto an-tany ny filazantsara, tahaka ny nataon’i Noa sy i Abrahama ary i Mosesy tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha. Taorian’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôly, dia latsaka tao anatin’ny apôstazia indray ireo zanak’ Andriamanitra mandrapahatonga an’ Andriamanitra hiantso mpaminany indray mba hamerina amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.)
Ny Apôstazia Lehibe
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny ilàna ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fanontaniana manaraka izao.
Asao ireo mpianatra mba hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny andalana roa voalohany ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Apôstazia Lehibe” ao amin’ny pejy 41 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ireo mpianatra mba hamaly ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa taorian’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Apôstôliny dia nisy fanovana tsy nahazoana lalana izay nanimba ireo fotopampianarana sy fomba fanaon’ny Fiangonana, ka nitarika ny fanesorana ireo fanalahidy sy fahefan’ny fisoronana tsy ho teto an-tany.
Asao ny mpianatra mba handalina mangina ny maromaro amin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao amin’ny faritra misy Fandalinana Soratra masina ao amin’ny pejy 42 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ireo mpianatra mba hitady ireo zavatra novinanian’ireo mpanoratra ny soratra masina izay hitranga amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny farany. Rehefa avy nomena fotoana ampy handalinana ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra hitany amin’ny mpianatra iray hafa. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny sasany amin’ireo valinteny ary avy eo dia soraty izao famintinana izao: Nilaza mialoha ireo faminaniana taloha fa hisy fialàna amin’ny ankapobeny amin’ny fahamarinana.
Zarao ho vondrona tsiroaroa ny mpianatra ka omeo torolalana izy ireo mba hiaraka hampianatra lesona mandritra ny efatra ka hatramin’ny dimy minitra mikasika ny Apôstazia. Hazavao fa tokony ho tsotra sy mazava ary mifantoka amin’ny olona ampianariny ny fampianarany. Asao ireo mpianatra mba hampiasa ny zavatra ao amin’ny pejy 41 amin’ny Torio ny Filazantsarako (na afaka mampiasa ilay kibokin’ny misiônera mitondra ny lohateny hoe Ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy izy ireo). Amporisiho ireo mpianatra mba hizara soratra masina iray na roa mikasika ny Apôstazia ka hanazava ny dikan’izany.
Rehefa avy nomena fotoana ampy hiomanana ireo mpianatra, dia asao ny vondrona tsirairay mba hampianatra vondrona iray hafa. Rehefa mamarana ny fotoana ampianarany ireo mpianatra dia asaivo mifanakalo hevitra mikasika ireto manaraka ireto ny vondrona: Inona no nety tamin’ireo lesona nataonao? Inona no azonao nohatsaraina kokoa? Inona no tena nahomby tamin’ny fanampiana ny hafa hahatakatra ny zavatra nitranga taorian’ny fahafatesan’ireo Apôstôly?
Avy eo dia afamadiho ny andraikitra ka avelao ilay vondrona izay nampianarina mba hampianatra ilay vondrona hafa. Alaivo antoka fa misy fotoana hahafahan’izy ireo hanome sy handray fanamarihana.
Rehefa samy nanana ny fahafahana hampianatra avokoa ny mpianatra rehetra, dia asao ny mpianatra mba hizara amin’ny kilasy ireo hevi-baovao avy amin’ny zavatra niainany.
Mba hanehoana ny fiantraikan’ny Apôstazia Lehibe tamin’izao tontolo izao sy mba hanomanana ny mpianatra amin’ny lesona manaraka momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia asehoy ny horonantsary “Ny Apôstazia Lehibe” (16:33). Eo am-pijerevany izany dia amporisiho ireo mpianatra mba handinika ny fomba nandresen’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny ny vokatry ny Apôstazia Lehibe.
Aorian’ny fijerena ilay horonantsary dia anontanio hoe:
-
Tamin’ny fomba ahoana ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no nandresy ny vokatry ny Apôstazia Lehibe?
-
Rehefa nijery ny tantaran’ny fiovampon’i Wilford Woodruff ianao dia inona no eritreritrao momba ny fahafahana mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa?
Farano ny lesona amin’ny fanontaniana ireo mpianatra raha misy amin’izy ireo te hizara amin’ny kilasy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.
Fanasana mba hanao asa
Asao ny mpianara mba hamerina mijery ireo fotopampianarana voaresaka tato amin’ity lesona ity amin’ny fanatanterahana ny iray na mihoatra amin’ireto asa atolotra ho atao manaraka ireto:
-
Mandalina misimisy kokoa ny momba ny Apôstazia Lehibe amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanazavana ny teny hoe“Apôstazia–Apôstazian’ny fiangonana kristiana tany am-piandohana,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Mampiasa ny diary fandalinanao mba handraisana naoty ireo andinin-tsoratra masina izay mety ho ampiasainao hampianarana ny Apôstazia.
-
Mandalina sy misaintsaina ny lahatsoratra ao amin’ny Gospel Topics (Lohahevitra momba ny filazantsara) hoe “Are Mormons Christian?” (Moa ve kristiana ny Môrmôna?) hita ao amin’ny lds.org/topics.
-
Ho fiomanana amin’ny fotoam-pianarana manaraka dia manomboha manao tsianjery ny fitantaran’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany, araka ny hita ao amin’ny pejy 43–44 amin’ny Torio ny Filazantsarako (jereo koa ny Joseph Smith—Tantara 1:16–19).