Institiota
Lesona 5: Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna?


5

Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna?

Fampidirana

Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mahery vaika amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy ary porofon’ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Mamaly “ireo fanontaniana ananan’ny olona” maro izany (jereo ny Torio ny FIlazantsarako, 127) momba ny fianany. Dingana iray manan-danja amin’ny fiovampo ny mandray fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Tokony handalina isan’andro ny Bokin’i Môrmôna sy hanana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ka hahazo traikefa amin’ny fizarana izany fijoroana ho vavolombelona izany ny misiônera miomana hanao asa fitoriana.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mahery vaika amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy

Asao ireo mpianatra mba hijery ny Bokin’i Môrmônany, na mihazòna iray amin’izany mba hodinihin’ny mpianatra. Ary avy eo dia anontanio izao manaraka izao:

  • Raha tsy nahafantatra na inona na inona mikasika ny Bokin’i Môrmôna ianao, inona no mety hianaranao avy amin’ny famakiana ny lohateniny (Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy)?

  • Inona no mety ho heverinao fa ho hitanao ao anatin’ilay boky?

Asao ireo mpianatra mba hijery ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hamaky ny andalana faharoa, sady hifantoka amin’ny zavatra nirian’ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna handresena lahatra an’izao tontolo izao. Avy eo dia anontanio hoe:

  • Inona no nirian’ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna handresena lahatra an’izao tontolo izao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Tanjona fototra iray an’ny Bokin’i Môrmôna ny mandresy lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna” ao amin’ny pejy 125 amin’ny Torio ny Filazantsarakoeo am-panarahan’ny iray kilasy izany ka hitadiavan’izy ireo ireo fomba izay maha-vavolombelon’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna.

Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny Bokin’i Môrmôna no vavolombelon’i Kristy?

  • Ahoana no fomba nampatanjahan’ny Bokin’i Môrmôna ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny mpiara-mianatra aminy ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna, na ny zavatra izay niainany rehefa namaky sy nivavaka mikasika izany izy, ary ireo andinin-tsoratra masina tiany indrindra momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy. Lazao ireo mpianatra fa zavatra iray tena manan-danja izay azony atao mialoha ny hidirany any amin’ny IFM ny mamaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo ka mivavaka mikasika ny fahamarinany. Amporisiho ireo mpianatra mba hanaraka ny torohevitry ny Filoha Ezra Taft Benson ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hamaky 30 minitra isan’andro avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna dia mifameno

Asaivo manokatra ny pejy 126–27 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly dia mifameno.”

Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy ireo fomba sasany izay mampifameno ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly?

  • Nahoana ny misiônera no tokony sady hampiasa ny Bokin’i Môrmôna no hampiasa ny Baiboly rehefa manampy ny hafa hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? (Tokony hahitana taratra izao fahamarinana manaraka izao ny valintenin’ny mpianatra: Ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly dia miara-miasa amin’ny maha vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io hevitra io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 3:12. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Ezekiela 37:15–17. Asao ny iray kilasy mba hijery ireo andian-teny manondro ny Baiboly sy ireo andian-teny manondro ny Bokin’i Môrmôna. Aorian’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo dia anontanio ny mpianatra hoe:

  • Ahoana no anohanan’ireo andinin-tsoratra masina ireo an’ilay hevitra momba ny vavolombelona roa?

  • Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina ho vokatry ny fiaraha-miasan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly?

Mba hanazavana misimisy kokoa ny fomba maha-vavolombelon’ i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly, dia asao ny mpianatra iray hamaky izao teny manaraka izao izay nataon’ny Loholona Tad R. Callister ao amin’ny Fitopololahy, na asehoy ny rakitsary misy an’ilay fanambarana.

Sary
Loholona Tad R. Callister

“Nahoana no tena ilaina ny Bokin’ i Môrmôna raha toa isika ka efa manana ny Baiboly mba hampianatra antsika momba an’ i Jesoa Kristy? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe, fa maninona no tena maro ireo fiangonana Kristianina manerana an’ izao tontolo izao ankehitriny raha toa ka avy ao amin’ ilay Baiboly mitovy ihany no ahazoan’ izy ireo ireo fotopampianarany? Satria tsy mitovy ny fomba handikan’ izy ireo izay lazain’ ny Baiboly. Raha mitovy ny fandikan’ izy ireo izany dia hitovy ny fiangonan’ izy ireo. Tsy fepetra iray izay tian’ ny Tompo anefa izany, satria i Paoly Apôstôly dia nanambara fa ‘iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa’ (Efesiana 4:5). Mba hahatanteraka izany fitambarana ho iray izany dia nametraka lalàna masin’ ny vavolombelona ny Tompo. Nampianatra i Paoly hoe: ‘Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny rehetra’ (2 Korintiana 13:1).

“Ny Baiboly dia vavolombelona iray momba an’ i Jesoa Kristy ary ny Bokin’ i Môrmôna dia anankiray hafa koa. Nahoana no zava-dehibe ilay vavolombelona faharoa? Ity ohatra manaraka ity dia mety hanampy: Firy ny isan’ ny tsipika mahitsy azonao atao miala avy amin’ ny teboka iray eo amin’ ny taratasy iray? Ny valiny dia isa tsy manam-petra. Eritrereto mandritra ny fotoana fohy hoe izany teboka iray monja izany dia maneho ny Baiboly ary ireo tsipika mahitsy an-jatony maro avy eo amin’ ilay teboka dia maneho ny fandikana samihafa ny Baiboly ary ireo dikanteny samihafa ireo dia samy maneho fiangonana iray hafa.

“Inona no mitranga anefa raha toa ka misy teboka faharoa eo amin’ izany taratasy izany izay maneho ny Bokin’ i Môrmôna? Firy ny isan’ ny tsipika mahitsy azonao faritana eo anelanelan’ ireo teboka ifantohana ireo—ny Baiboly sy ny Bokin’ i Môrmôna? Iray ihany. Dikanteny iray ihany momba ireo fotopampianaran’ i Kristy no afaka hisy noho ny fijoroana ho vavolombelon’ ireo vavolombelona roa ireo.

“Averina indray fa ny Bokin’ i Môrmôna dia toy ny vavolombelona mitondra fanamafisana sy fanazavana ary fampiraisana mikasika ireo fotopampianarana nampianarina tao amin’ ny Baiboly ka noho izany dia tsy misy afa-tsy hoe ‘iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa’” (“Ny Bokin’ i Môrmôna—Boky iray avy amin’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 75).

Aorian’ny fanehoana ilay horonan-tsary na ny famakiana ilay teny nambara dia anontanio hoe:

  • Inona no maha-zava-dehibe ny manana vavolombelona roa ara-tsoratra masina an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny lahatenin’ny Loholona Callister ka mety hanampy anao hampianatra ny hafa mikasika ny fiaraha-miasan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly.

Ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Mba hanomezana sahan-kevitra rehefa mampianatra ny fitsipika manaraka dia azonao asaina ireo mpianatra mba hamaky indray ny andalana faharoa ao amin’ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna ka hanipika na hanasongadina ny fampanantenana fa ny mpamaky dia afaka “[mahafantatra] ny fanekempihavanan’ny Tompo, mba tsy holavina mandrakizay.” Hazavao fa io andinin-tsoratra io dia miresaka momba ny hoe tsy maintsy hangonina ireo zanak’ Andriamanitra ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely izay miely patrana. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa nanao fanekempihavanana tamin’ireo zanany Andriamanitra tamin’ny andro taloha. Na izany aza dia naparitaky ny Tompo manerana ny tany ireo mpikambana ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely noho ny tsy fahamarinany sy ny fikomiany.

Tendreo ireo mpianatra hamaky ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ka hitady ireo fomba hanangonana an’ireo zanak’ Andriamanitra: 1 Nefia 10:14; 3 Nefia 16:4–5; na 3 Nefia 20:13. Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahafantatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo:

  • Araka ireo andinin-tsoratra ireo, dia inona no tsy maintsy mitranga amin’ny olona mba ho voangona ho anisan’ny mpianakavin’i Isiraely? (Tsy maintsy tonga amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy izy ireo.)

  • Inona no anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’izany dingana izany? (Na dia mety hampiasa teny hafa aza ny mpianatra, dia tokony hahita izao fahamarinana manaraka izao: Ny Bokin’i Môrmôna dia fitaovana mba hanampiana amin’ny fanangonana ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy.

Vakio izao fanambarana manaraka izao, izay hanazavan’ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Raha ny mikasika ny fanangonana an’i Isiraely, dia ny Bokin’i Môrmôna no manan-danja indrindra amin’ny boky rehetra izay efa nosoratana sy izay mbola ho soratana. Izany no ilay boky manangona an’i Isiraely sy manambara, amin’ny fahafenoana sy amin’ny fahalavorariana, ny fotopampianaran’ilay fanangonana. … Ny Bokin’i Môrmôna no mahatonga ny olona hino ny filazantsara sy ho lasa mpikamban’ny Fiangonana, ary, araka ny efa hitantsika teo aloha, dia izany no hery mahatanteraka ny fanangonana an’i Isiraely” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 554).

Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no handraisan’ny misiônera anjara amin’ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely? (Amin’ny fanampiana ny hafa handalina sy hahatakatra ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahan’izy ireo manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny finoana, ny fibebahana, ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ary ny faharetana hatramin’ny farany.)

  • Nahoana no tena zava-dehibe ny fampiasan’ny misiônera ny Bokin’ Môrmôna rehefa manampy ny hafa hanatona an’i Kristy izy ireo?

Ampahany iray manan-danja amin’ny fiovampo ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara mombamomba ny Apôstôly Parley P. Pratt (1807–1857) manaraka ity, izay hanoritsoritany ny zavatra niainany tamin’ny namakiany ny Bokin’i Môrmôna voalohany:

Sary
Loholona Parley P. Pratt

“Nosokafako tamim-paharisihana ilay izy, ary novakiako ny pejin-dohateniny. Avy eo dia novakiako ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona maromaro izay mifandray amin’ny fomba nahitana sy nandikana azy. Taorian’izay dia nanomboka ny votoatiny hatramin’ny voalohany aho. Namaky manontolo andro aho; satriko ho tsy nisakafo mba hamakiana, tsy nahatsiaro noana aho; satriko ho tsy natory rehefa tonga ny alina, satria naleko namaky toy izay hatory.

“Rehefa namaky aho, dia tao amiko ny fanahin’ny Tompo, ary fantatro sy takatro fa marina ilay boky, amin’ny fomba mazava sy miharihary izay mety hahatakaran’olona sy hahafantarany fa misy izy” (Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. [1874], 38).

  • Ahoana no nikasihan’ny Fanahin’ny Tompo an’i Parley P. Pratt rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna izy?

  • Afaka mizara ny fotoana iray izay nikasihan’ny Fanahy anao ve ianao rehefa namaky andinin-tsoratra masina manokana tao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra mba hanipika na hanasongadina izao fehezanteny manaraka izao ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 124: “Ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny Fanahy dia loharano tena matanjaka ho anao amin’ny fiovam-po.” Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fahamarinana io dia asao izy ireo hamaky ny fizarana “Ny Bokin’i Môrmôna dia Mampanatona bebe kokoa ny Olona amin’ Andriamanitra” ao amin’ny pejy 129 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Manontania avy eo hoe:

  • Araka io fizarana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako io, inona avy ny sasany amin’ireo zavatra manokana izay mety hitranga rehefa manomboka mandalina ny Bokin’i Môrmôna ny olona iray?

  • Nahoana ny fanampiana ny naman’ny Fiangonana handalina sy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna no iray amin’ireo tanjon’ny misiônera manan-danja indrindra?

Hazavao amin’ny kilasy fa afaka manampy ny naman’ny Fiangonana hahatsapa ny hery mampiova fo avy amin’ny Bokin’i Môrmôna izy ireo amin’ny alalan’ny fanampiana ny naman’ny Fiangonana hahita ao amin’ny pejin’izany ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra momba ny fiainana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ireo andalana sy fanontaniana hita ao amin’ny pejy 106–07 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao ny iray kilasy mba hitady ny dikan’ilay andian-teny hoe “fanontaniana ananan’ny olona.” Avy eo dia mifanakaloza hevitra momba ireto manaraka ireto:

  • Inona no dikan’ny hoe: “fanontaniana ananan’ny olona” aminao?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao:

Mamaly ireo fanontaniana ananan’ny olona ny fampianaran’ny Bokin’i Môrmôna.

Mifanakaloza hevitra amin’ny mpianatra momba ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no hampiasanao ny Bokin’i Môrmôna mba hahitana ny valin’ireo fanontaniana anananao?

  • Inona avy ireo fanontaniana ananan’ny olona izay nahitanao valiny tao amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Manehoa fampiharana fohy amin’ny kilasy ny amin’ny fomba fampiasana ny Bokin’i Môrmôna mba hahitana ny valin’ireo fanontaniana ananan’ny olona. Misafidiana fanontaniana iray amin’ireo fanontaniana voatanisa ao amin’ny pejy 128 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina voatanisa miaraka amin’ilay fanontaniana dia asehoy ny fomba hamalian’ny Bokin’i Môrmôna ilay fanontaniana nosafidinao. Asehoy ihany koa ny fomba fampiasana ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hahitana valim-panontaniana. Zarao amin’ny mpianatra ny fahatsapanao momba ny fomba hahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy ihany koaazy ireo sy ny naman’ny Fiangonana izay ampianarin’izy ireo mba hahita ny valim-panontanian’izy ireo.

Rehefa avy manome ity ohatra ity ho an’ny mpianatra dia asao izy ireo hanaraka dingana mitovy amin’izany. Asao izy ireo hisafidy fanontaniana iray avy amin’ilay lisitra ka hijery ny andinin-tsoratra masina miaraka amin’izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hitady ireo fotopampianarana na fitsipika izay mamaly ilay fanontaniana. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo mba hiomanana, dia asao ny mpianatra mba hizara fohifohy amin’ny mpianatra iray hafa ny zavatra hitany. Rehefa nahavita izany izy ireo dia mifanakaloza hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Ahoana no mety hampiasan’ny misiônera ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny naman’ny Fiangonana hahita ny valin’ny fanontaniana ananan’ny olona?

Mba hanazavana misimisy kokoa ny fomba hamalian’ny Bokin’i Môrmôna ireo fanontaniana ananan’ny olona dia asehoy ny horonantsary “A Book of Mormon Story.” Asao ireo mpianatra mba hijery ny fomba namalian’ny Bokin’i Môrmôna ny sasany amin’ireo fanontaniana nananan’ny Rahalahy Cook talohan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana azy.

Aorian’ny horonantsary dia azonao anontaniana hoe:

  • Inona avy ny sasany amin’ireo fanontaniana manan-danja nananan’ny rahalahy Cook izay voavaly rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna izy?

  • Inona no fiantraikan’ny fahitana ireo valiny ireo taminy?

Asao ireo mpianatra mba handinika fanontaniana manan-danja iray izay mikasika ny filazantsara izay iriany na irian’ny namany iray mba hahazoana valiny. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy azy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny fanontaniany amin’ny alalan’ny fandalinany ny Bokin’i Môrmôna.

Manamafy ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny Bokin’i Môrmôna

Asao ireo mpianatra mba hifandimby hamaky mafy ny fizarana ao amin’ny Torio ny Filazantsarako izay mitondra ny lohateny hoe “Ny Bokin’i Môrmôna no vato ifaharan’ny fivavahantsika,” ao amin’ny pejy 124. Eo am-pamakian’izy ireo dia asao izy ireo mba hisaintsaina ny fanambarana nataon’i Joseph Smith momba ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna. Manontania avy eo hoe:

  • Amin’ny fomba ahoana ny Bokin’i Môrmôna no “fototra iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona”?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manohitra ny Bokin’i Môrmôna ny fahavalo ary manakana ny olona tsy hamaky izany? (Satria izany no vato ifaharan’ny fivavahantsika.)

Hazavao fa misy olona marobe amin’izao tontolo izao izay manana fahasarotana amin’ny finoana ny tantaran’i Joseph Smith sy ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna. Tokony ho vonona ireo misiônera hanome fanazavana momba ny ahiahin’ireo naman’ny Fiangonana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna.

Asao ny iray kilasy hiara-mamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ampiasao ny Bokin’i Môrmôna mba hamaliana ireo Anton-javatra anoherana” hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako, pejy 130–31. Asao ireo mpianatra mba hitady torohevitra izay mety hanampy azy ireo hanamafy orina ny finoan’ny naman’ny Fiangonana izay manana olana na fisalasalana. Mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hamantatra fitsipika iray hita ao amin’ny vakiteniny:

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Benson, nahoana no zava-dehibe ho an’ny olona iray izay manana olana momba ny finoantsika ny mahafantatra fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy ny olona iray hamaha ny olana na fisalasalana ara-panahy?

Mba hamintinana ireo fitsipika izay hitan’ny mpianatra, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe izao fitsipika izao: Ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ny naman’ny Fiangonana handresy ny olana sy ny fisalasalana ara-panahy.

Asehoy izao fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) izao, ary manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy andalana iray na roa:

Sary
Filoha Gordon B. Hinckley

“Isaky ny mamporisika ny hafa hamaky ny Bokin’i Môrmôna isika dia mitondra fanampiana ho azy ireo. Raha mamaky izany amim-bavaka sy amim-piniavana izy ireo mba hahafantatra ny fahamarinana, dia ho fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ilay boky.

“Avy amin’izany fahalalana izany no hipoiran’ny fahafantarana tanteraka ny fahamarinan’ny zavatra maro hafa. Fa raha marina ny Bokin’i Môrmôna dia velona Andriamanitra. …

“Raha marina ny Bokin’i Môrmôna, dia Mpanavotra antsika sy Mpamonjy izao tontolo izao marina tokoa i Jesoa. “Ny tanjona lehiben’ny fiarovana sy ny famoahana izany, araka ny voalaza ao, dia ny ‘handresen-dahatra ny Jiosy sy ny Jentilisa fa i Jesoa no Kristy, Ilay Andriamanitra Mandrakizay, izay maneho ny tenany amin’ny firenena rehetra.’ (Pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna.) …

“Raha marina ny Bokin’i Môrmôna, dia Mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith, satria izy no fitaovana teo an-tanan’ Andriamanitra hitondrana amin’ny mazava ity fijoroana ho vavolombelona momba ny Tompo ity. …

“Raha marina ny Bokin’i Môrmôna, dia marina ny Fiangonana, satria ilay fahefana nitondrana ity rakitsoratra masina ity tamin’ny mazava ihany no misy sy miasa eo anivontsika amin’izao fotoana izao. Famerenana amin’ny laoniny an’ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy tany Palestina izany. Famerenana amin’ny laoniny an’ilay Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy tamin’ny nitsidihany an’ity kaontinanta ity izany, araka ny voalaza ao amin’io rakitsoratra masina io” (“The Power of the Book of Mormon,” Ensign, jona 1988, 6).

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no tena manan-danja ho an’ny naman’ny Fiangonana sy ho an’ny misiônera ary ho an’ny mpikambana ny mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no hanamafisan’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith? (jereo ny Matio 7:13–15).

  • Ahoana no efa nanampian’ny fijoarana ho vavolombelona nananao momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fanamafisana tao am-ponao ny maha-zava-dehibe mandrakizay ny Famerenana amin’ny laoniny?

Mijoroa ho vavolombelona fa porofon’ny fahamarinan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Bokin’i Môrmôna. Farano ny lesonao amin’ny fanasana mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Bokin’i Môrmôna sy hanazava ny antony mahatonga azy ireo ho tsindrin-daona hanasa ny hafa mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hivavaka momba izany.

Fanasana mba hanao asa

Ampahatsiahivo ireo misiônera miomana hanao asa fitoriana fa ny fomba tsara indrindra hiomanana amin’ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno dia ny manomboka manao asa fitoriana amin’izao fotoana. Asao ireo mpianatra mba hametraka tanjona manokana hanao ireto manaraka ireto:

  • Mamaky ny Bokin’ny Môrmona iray manontolo ka hivavaka mba hahafantarana ny fahamarinany, na dia efa nanao izany aza izy tany aloha.

  • Manorina fahazarana ny famakiana isan’andro ao amin’ny Môrmôna.

  • Hampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray mandritra ny herinandro ho avy (na mivantana na amin’ny alalan’ny tambazotra ifaneraserana) ka hanasa azy ireo mba hamaky sy hivavaka momba izany.

Hamoaka printy