Institiota
Lesona 10: Mampianatra ny drafitry ny famonjena (Tapany 1)


10

Mampianatra ny drafitry ny famonjena (Tapany 2)

Fampidirana

Ny drafitry ny famonjena dia drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany. Mifototra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany ary mampianatra ny antony ilàna ny Sorompanavotana. Ny drafitry ny Ray any An-danitra ihany koa dia mamaly ireo fanontaniana hoe “Avy aiza aho?,” “Inona no tanjoko amin’ny fiainana?,” ary “Ho aiza aho aorian’ny fahafatesako?” Ny misiônera miomana hanao asa fitoriana dia tokony hanana fahatakarana mazava ny fotopampianaran’ny drafitry ny famonjena sy ho vonona hanazava izany amin’ny fomba tsotra ary hijoro ho vavolombelona mikasika izany amin-kery.

Fiomanana mialoha

Sosokevitra Enti-mampianatra

Fiainana Talohan’ny nahaterahana: Ny Tanjon’ Andriamanitra sy ny Drafiny ho antsika

Asao ireo mpianatra mba hihira ny “Zanaky ny Ray aho” ho hira fanombohana. Mba hanombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra hijery amim-pahanginana ny tonon’ny andininy voalohan’ilay hira “Zanaky ny Ray aho” ka asao izy ireo hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ilay tononkira.

Zanaky ny Ray aho,

Napetrany ety,

Nomeny fianakaviana aho

Ray aman-dreny tia.

Tariho, ampio, miaraha,

Eo anilanay.

Toroy ahy ny ataoko

Hiverina any indray.

(“Zanaky ny Ray Aho,” Fihirana, pejy 113)

Rehefa afaka fotoana fohy dia asao ireo mpianatra hanazava izay fotopampianarana sy fitsipika manan-danja hita ao amin’ilay hira. Raha ilaina dia azonao apetraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ambaran’io tononkira io momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany?

  • Inona no ambaran’io tononkira io momba ny tanjon’ny fiainana eto an-tany?

Lazao ny mpianatra fa amin’ny maha-misiônera azy dia hanana fahafahana hampianatra mikasika ny tanjon’ny fiainana izy ireo. Asao ny mpianatra iray na mihoatra hamaky mafy ny andalana roa voalohany amin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Fiainana talohan’ny nahaterahana: Ny tanjon’ Andriamanitra sy ny drafiny ho antsika” ao amin’ny pejy 56–57 amin’ny Torio ny Filazantsarako.

Azonao zaraina ihany koa izao fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao:

Filoha Boyd K. Packer

“Tsy misy fahamarinana lalina kokoa nomena antsika tamin’ny famerenana tamin’ny laoniny mihoatra noho ny fahalalana ny fisiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tsy misy fiangonana hafa mahafantatra na mampianatra io fahamarinana io. Amin’ny endrika famintinana fotsiny no nanomezana ilay fotopampianarana saingy miverimberina im-betsaka ao amin’ireo fanambarana ireo zava-misy tena mivohitra ka ampy hanome toky antsika mikasika ny fahamarinana fototra sasantsasany” (Our Father’s Plan [1984], 14).

Anontanio hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana sy ny hoe niaina tamin’ny naha-zanaka ara-panahy antsika isika niaraka tamin’ny Ray any An-danitra manampy hampisy lanjany bebe kokoa ny fianantsika? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manamafy izao fitsipika izao: Rehefa takatsika fa zanaky ny Ray any An-danitra isika, dia hahita bebe kokoa ny lanjan’ny fiainantsika eto an-tany isika.)

video iconMba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany an’io fitsipika io dia asehoy ny horonantsary “God Is Our Father” (3:05), ka asao ny mpianatra mba hihaino ireo fitahiana voasoritr’ireo olona ao amin’ilay horonantsary.

Rehefa avy nijery ilay horonantsary ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay nofaritan’ireo olona tao amin’ilay horonantsary izay tonga avy tamin’ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra izy ireo?

  • Ahoana no nanampian’ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra ianao hahita lanjany bebe kokoa eo amin’ny fiainanao?

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ireo andalana efatra farany amin’ny fizarana hoe Fiainana Talohan’ny nahaterahana: Ny Tanjon’ Andriamanitra sy ny Drafiny ho antsika, pejy 57 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Toroy lalana ireo mpianatra mba hitady ireo fotopampianarana sy fitsipika izay mampianatra ny tanjon’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ny fomba hanatanterahan’ny drafitry ny famonjena izany tanjona izany. Manontania avy eo hoe:

  • Inona no drafitr’ Andriamanitra nataony ho an’ireo zanany? (Ny valintenin’ireo mpianatra dia mety ahitana ilay fotopampianarana hoe ny drafitry ny famonjena dia manome fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra handray ireo fitahian’ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay. Raha ilaina ny fanazavana dia azonao lazaina ny famaritanany hoe tsy fahafatesana sy ny fisandratana ao amin’ny pejy 69 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Hamafiso fa ny fiainana mandrakizay dia ilay fiainana izay iainan’ Andriamanitra.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fotopampianarana io dia asao izy ireo hamaky ka hanao tsianjery ny Mosesy 1:39. Rehefa nahazo fotoana fohy hitadidiana sy hilazana tsianjery an’io andinin-tsoratra masina io izy ireo dia anontanio hoe:

  • Ahoana no ahafahan’ny fampianarana ny naman’ny Fiangonana fa ny tanjon’ Andriamanitra dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay miantraika amin’ireo safidy izay ataony amin’ny fiainany andavanandro?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana ny andraikitry ny misiônera amin’ny fanampiana ny Ray any An-danitra amin’ny asany dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny amin’ny mpianatra iray hafa na hanoratra ny eritreriny ao anatin’ny diary fandalinana.

Ny fahariana sy ny vatantsika

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny fahariana” ao amin’ny pejy 57 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Toroy lalana ireo mpianatra mba hitady ny lanjan’ny Fahariana ao amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana ny fahariana no raisintsika ho ampahany manan-danja amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra? (Mba hahafahantsika mivoatra sy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tonga teto an-tany isika tsirairay mba hahazo vatana sy ho tsapaina mandritra ny fotoana fisedrana.)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahazoana vatana, dia asehoy ka vakio mafy izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Rahavavy Susan W. Tanner fony izy filohan’ny Zatovovavy maneran-tany. Asao ireo mpianatra hitady ny antony nahatonga antsika tsirairay ho faly fa hahazo vatana.

Susan W. Tanner

“Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana dia nianatra isika fa ny vatana dia ampahany amin’ny drafitry ny fahasambarana lehibe an’ Andriamanitra ho antsika. Araka ny voalaza ao amin’ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao: ‘Ireo fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy dia nahafantatra sy nanompo an’ Andriamanitra tahaka ny Rainy mandrakizay ary nanaiky ny drafiny izay ahafahan’ireo zanany hahazo vatana sy hahazo traikefa etỳ ambonin’ny tany mba handrosoany mankany amin’ny fahatanterahana ary hahatratrarany any amin’ny farany ny anjarany tahakan’ Andriamanitra amin’ny maha-mpandova ny fiainana mandrakizay azy.’ Eny tokoa, ‘nihoby’ isika (Joba 38:7) fa ho anisan’io drafitra io.

“Nahoana isika no faly tokoa aok’izany? Nahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay momba ny vatantsika isika. Nahafantatra isika fa ny vatantsika dia ho araka ny endrik’ Andriamanitra. Nahafantatra isika fa ny vatantsika no hitoeran’ny fanahintsika. Nahatakatra ihany koa isika fa ny vatantsika dia hiharan’ny fanaintainana, aretina, fahasembanana ary fakam-panahy. Saingy vonona isika, nazoto mihitsy aza, hanaiky ireo fanamby ireo satria fantatsika fa amin’ny fanahy sy ny singa mifamatotra tsy azo sarahina irery ihany no hahafahantsika mivoatra tahaka ny Raintsika any An-danitra (jereo ny F&F 130:22) sy ‘mandray ny fahafenoan’ny fifaliana’ (F&F 93:33)” (“The Sanctity of the Body,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 13).

Manontania avy eo hoe:

  • Tao amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana, inona ireo fahamarinana takatsika izay nahatonga antsika ho faly tokoa fa ho tonga eto an-tany ka hahazo vatana?

  • Nahoana isika no vonona sy nazoto ho tonga teto an-tany na dia efa fantatsika aza fa hiatrika fanamby sarotra isika amin’ny fiainana an-tany?

Omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsainana izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no hanazavanao amin’ny naman’ny Fiangonana iray ny fomba hanampian’ny fiainantsika eto an-tany antsika hivoatra ka ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra? Raha ampy ny fotoana dia asao izy ireo handalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny faritra hoe Fandalinana Soratra masina eo ambanin’ny hoe “Ny Fahariana” ao amin’ny pejy 49 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Afaka iray minitra eo ho eo dia asao ny mpianatra hitodika amin’ny olona izay mipetraka eo akaikiny ka hanazava ny valinteniny amin’io fanontaniana io.

Ny Fahafahana Misafidy sy ny Fahalavoan’i Adama sy Eva

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto:

Izay azon’i Adama sy i Eva natao tao amin’ny Saha

Izay tsy azon’i Adama sy i Eva natao tao amin’ny Saha

Asao ireo mpianatra handalina ny 2 Nefia 2:22–25 sy ny fizarana “Ny Fahafahana Misafidy sy ny Fahalavoan’i Adama sy Eva” ao amin’ny pejy 58 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Eo am-pamakian’izy ireo dia asao ny antsasaky ny kilasy hanao ny lisitr’ireo zavatra izay azon’i Adama sy i Eva natao tao amin’ny Sahan’i Edena (afaka niaina mandrakizay tamin’ny toetra tsy manan-tsiny izy ireo, afaka nampiasa ny fahafahany misafidy izy ireo mba handraisany fanapahan-kevitra). Asao ny antsasany hafa hanao ny lisitr’ireo zavatra tsy azon’i Adama sy i Eva natao tao amin’ny Sahan’i Edena (tsy afaka nivoatra na niaina fanoherana izy ireo, tsy afaka niaina fifaliana na alahelo na fanaintainana na fahoriana izy ireo, tsy afaka nanota izy ireo, tsy afaka nahatsapa ny aretina sy ny fijaliana izy ireo, tsy afaka niteraka izy ireo.) Afaka fotoana fohy dia asao ireo mpianatra mba hizara ny zavatra hitany. Eo am-pamaliany, dia manasà mpianatra iray hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra eny amin’ny solaitrabe.

Asaivo mifantoka amin’ny teny hoe fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy ao amin’ny pejy 58 amin’ny Torio ny Filazantsarako ny mpianatra. Angamba efa samy mahafantatra daholo ny mpianatra rehetra fa ny fahafatesan’ny vatana dia manondro ny fahafatesan’ny vatana ara-nofo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fahafatesana ara-panahy dia manondro ny fisarahana amin’ Andriamanitra. Ireo fahafatesana roa ireo dia vokatry ny Fahalavoan’i Adama. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no hany ahafahantsika mandresy ireo fahafatesana roa ireo.

Azonao ampitomboina ny fahatakaran’ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny Fahalavoana ao amin’ny drafitry ny famonjena amin’ny alalan’ny fanehoana ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith Smith (1876–1972) ka asao ny mpianatra iray hamaky mafy izany:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Rehefa noroahina avy tao amin’ny Sahan’i Edena i Adama, dia nanameloka azy ny Tompo. Ny olona sasany dia nahita izany fanamelohana izany ho zavatra mahatahotra. Tsy izany akory, fa fitahiana izany. Raha ny tena marina aza dia tsy fantatro raha azo raisina ho toy ny sazy mihantona izany.

“Mba hahazoan’ny olombelona ny fanavotana sy ny fisandratana dia ilainy ny fahazoana vatana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy mandalo ireo traikefa sy fianarana izay tsy hita raha tsy manadalo fiainana mety maty. Efa nilaza ny Tompo fa ny asany sy ny voninahiny lehibe dia ‘ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona’ [Mosesy 1:39]. Raha tsisy ny fiainana an-tany, tsy afaka ny ho tanteraka izany fitahiana lehibe izany. Noho izany dia nohariana ny tontolo maro ka nametrahana ireo zanak’ Andriamanitra, ary nomena ilay tombontsoa handalo ny fiainana an-tany izy ireo, niaraka tamin’ilay fanomezana lehiben’ny fananana ny fahafahana misafidy. Amin’ny alalan’io fanomezana io dia misafidy ny tsara na misafidy ny ratsy izy ireo, ary mandray araka izany ny valin’ny zava-bitany any amin’ny mandrakizay izay ho avy. Noho ny fandikan-dalàna nataon’i Adama dia tonga amin’izao fiainana mety maty izao isika. …

“Ny fahalavoan’ny olona dia tonga toy ny fitahiana amin’ny endriny hafa, ary izany no fomba hampandrosoana ireo tanjon’ny Tompo amin’ny fivoaran’ny olona, fa tsy fomba misakana izany akory” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 1:113–14).

Manontania avy eo hoe:

  • Nahoana no mety ny mijery ny Fahalavoan’i Adama sy Eva ho anisan’ny singa manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra? (Ny fahalavoan’ny Adama sy Eva no nahafahan’ireo zanaka ara-panahin’ Andriamanitra hahazo vatana sy nanome fahafahana azy ireo hivoatra ka ho tonga tahaka Azy.)

Asao ireo mpianatra mba hijery ilay faritra misy hoe “Fampianarana momba ny Fahalavoana” ao amin’ny pejy 58 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Avy eo dia asao ireo mpianatra hanazava amin’ny olona izay mipetraka eo akaikiny amin’ny fiteniny manokana ny fotopampianaran’ny Fahalavoana.

Ny Fiainantsika eto an-tany

video iconAsehoy ny horonantsary “The Plan of Salvation” (4:30) na asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka izao. Asao ireo mpianatra hitady ireo fomba anehoan’ny tantara an-tsehatra iray izay mizara telo ny drafitry ny famonjena:

Filoha Boyd K. Packer

“Ny drafitry ny famonjena, izay manana fizarana telo dia azo ampitahaina amin’ny tantara an-tsehatra lehibe izay mizara telo. Ny fizarana 1 dia mitondra ny lohateny hoe ‘Fiainana talohan’ny nahaterahana.’ Ny soratra masina dia manoritsoritra izany ho ny toetrantsika voalohany (jereo ny Joda 1:6; Abrahama 3:26,28). Ny fizarana 2 izay manomboka amin’ny fahaterahana ka hatramin’ny fitsanganana amin’ny maty dia ny ‘Toetra Faharoa.’ Ny fizarana 3 dia antsoina hoe ‘Fiainana aorinan’ny Fahafatesana’ na ny ‘Fiainana Mandrakizay.’

“Isika eto an-tany dia toy ny mpilalao an-tsehatra iray izay miditra ao anatin’ny trano fampisehoana tantara an-tsehatra iray raha iny niakatra mba hampisehoana ny fizarana faharoa iny ny lamban-tsehatra. Tsy nahatratra ny fizarana 1 isika. Ilay tantara dia ahitana zava-mitranga maro izay mifamahofaho ao amin’ilay fampisehoana, izay mahasarotra ny fahafantarana hoe iza no iza ary inona no atao inona, iza no tsara fanahy ary iza no ratsy fanahy. Vao mainka sarotra izany satria tsy mpijery fotsiny isika; anisan’ny mpandray anjara isika, eo ambonin’ny sehatra, ao anatin’izany rehetra izany!

“Ao amin’ilay drafitra mandrakizay, ny fahatsiarovantsika ny fianantsika talohan’ny nahaterahana, izany hoe ny fizarana 1, dia voasaron’ny voaly. Koa satria miditra amin’ny fiainana an-tany amin’ny fanombohan’ny fizarana 2 isika dia tsy manana fahatsiarovana ny fizarana 1, ka tsy mahagaga raha sarotra ny mahatakatra ny zavatra mitranga. …

“Raha manantena ny hahita fanamaivanana sy fiadanana ary fahasambarana fotsiny ianao mandritra ny fizarana 2 dia ho kivy tokoa. Tsy ho fantatrao tsara izay zavatra mitranga sy ny hoe nahoana no avela ho tahaka izay miseho ny zavatra.

“Tadidio izao! Ilay andalana hoe ‘Ary dia niaina amim-pahasambarana izy rehetra taorian’izay’ dia tsy ao anatin’ny fizarana faharoa velively. Izany andalana izany dia tafiditra ao anatin’ ny fizarana fahatelo rehefa voavaha ireo mistery ary nalamina araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra. …

“Misy ny zavatra izay atao hoe sori-dalana (script) ho an’ity tantara lehibe mandrakizay ity. Izany dia manoritsoritra fohy ny zavatra izay nitranga tao amin’ny fizarana 1—ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Na dia tsy ahitana antsipiriany firy aza, ny sori-dalana dia manazava tsara ny tanjon’izay rehetra miseho izany ary manambara feno tsara ny momba an’ilay tantara mba hanampy anao hahafantatra hoe inona no tena dikan’ny fiainana.

“Izany ‘sript’ izany, araka ny tokony ho efa fantatrareo, dia ny soratra masina—ireo fanambarana. Vakio izy ireny. Halalino izy ireny. Milaza aminareo izy ireny ny amin’ny hoe inona moa ny olombelona, nahoana Andriamanitra no mahatsiaro azy, ary nahoana isika no natao ‘ambany kely noho Andriamanitra’ nefa ‘[nosatrohana] voninahitra sy fiandrianana’ (Salamo 8:4–5).

“Milaza ny fahamarinana ny soratra masina. Afaka mianatra tsara mikasika ireo fizarana telo rehetra ianao avy amin’izy ireny mba hahafahanao mitondra ny fiainanao sy mahazo fitarihana amin’ny fiainanao. Ambarany fa ‘ianareo dia niaraka koa tamin’ny Ray tany am-piandohana, dia Fanahy, ny Fanahin’ny fahamarinana;

“‘Ary ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy’ (F&F 93:23–24)” (Boyd K. Packer, “The Play and the Plan” [Takariva amorom-patana an’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana, 7 mey 1995], 2–3; si.lds.org).

Avy eo dia mametraha fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana ny tantara an-tsehatra iray izay mizara telo no maneho ireo singa ao amin’ny drafitry ny famonjena?

  • Araka io fanoharana io, nahoana no sarotra amin’ny olona maro ny mahatakatra ny tanjon’ny fiainana eto an-tany?

  • Araka io fanoharana io, aiza no ahitantsika ny sori-dalana ho an’ity tantara lehibe izay mizara telo ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny soratra masina manampy ireo zanak’ Andriamanitra hahatakatra tsara kokoa ny tanjony ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra?

Hazavao amin’ny mpianatra fa rehefa mampianatra ny drafitry ny famonjena ny misiônera dia manampy ny naman’ny Fiangonana hahatakatra tsara kokoa ny tanjon’ny fiainana mety maty sy ny fomba ahafahantsika miverina indray miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra (jereo ny Almà 12:32–34). Asao ireo mpianatra hamaky ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny Fiainantsika eto An-tany” ao amin’ny pejy 59 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Rehefa nahazo fotoana ampy hamakiana ilay fizarana izy ireo dia anontanio hoe:

  • Ahoana no hanazavanao ny tanjon’ity fiainana ity ao anatin’ny fehezanteny iray na roa?

Lazao ireo mpianatra fa zava-dehibe ho an’ny naman’ny Fiangonana ny mahatakatra fa ny fiomanantsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra dia miankina amin’ireo fanapahan-kevitra raisintsika mandritra ny fiainantsika eto an-tany. Ny fanapahan-kevitra hanaraka ireo didin’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika hanatona bebe kokoa ny Ray any An-danitra, raha toa ka ny fandikantsika ireo didin’ Andriamanitra dia manakana antsika tsy hiverina eo anatrehany. Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Vokatry ny fandikana ny fahotana:

Manontania avy eo hoe:

  • Inona avy no vokatry ny fahotana? Raha ilaina dia amporisiho ireo mpianatra hijery indray ny andalana faharoa amin’ny fizarana “Ny Fiainantsika eto An-tany” ao amin’ny pejy 59 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Na dia hampiasa teny hafa aza ny mpianatra dia tokony hahatakatra ireto fahamarinana ireto izy ireo: Ny fahotana dia mitarika ho amin’ny tsy fahasambarana sy miteraka fahatsapan-tena ho meloka sy menatra. Mahatonga antsika tsy hadio sy tsy ho mendrika ny ho eo anatrehan’ Andriamanitra izany. Ny fahotana dia manakana antsika tsy hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra raha tsy voavela ny fahotantsika.)

  • Ahoana ny fahatakarana ny vokatry ny fahotana no manampy ny naman’ny Fiangonana hanaiky ny hafatry ny Sorompanavotana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa amin’ity fiainana ity dia mandalo ny fahafatesan’ny vatana avokoa isika rehetra—tafasaraka amin’ Andriamanitra isika. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Ahoana no anampian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy antsika handresy ny fahafatesana ara-panahy ka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manontany azy ireo hoe ahoana no ahafahan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebehana, ny batisa asitrika, ary ny fanomezana ny Fanahy Masina manampy antsika tsirairay avy handresy ny vokatry ny Fahalavoana sy hanomana antsika hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra.)

Tena zava-dehibe ny fanomezana fahafahana an’ireo mpianatra mba hanao fanazaran-tena amin’ny fanazavana ireo singa amin’ny drafitry ny famonjena izay voaresaka nandritra ity lesona ity. Hanampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ho ampianariny ny naman’ny Fiangonana izany.

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Omeo fotoana ampy ireo ekipa mba hiomana hampianatra lesona mandritra ny dimy ka hatramin’ny folo minitra momba ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany. Asao ireo mpianatra hamaky ny ao amin’ny pejy 58 amin’ny Torio ny Filazantsarako, anisan’izany ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny faritra Fandalinana ny Soratra masina. Raha misy dia azon’izy ireo halalinina ihany koa ny pejy 2–9 ao amin’ny kibokin’ny misiônera mitondra ny lohateny hoe Ny Drafitry ny Famonjena. Eo am-panomanan’ny mpianatra dia mandehandehana ao amin’ny efitrano fianarana ka ampio izy ireo mba hanomana fanazavana tsotra sy fohy momba ireo singa ao amin’ny drafitry ny famonjena. Hamafiso fa hampitombo ny herin’ny fampianaran’ireo mpianatra ny fampiasana andinin-tsoratra masina sy ny fijoroana ho vavolombelona momba ireo fotopampianarana sy fitsipika izay ampianariny.

Rehefa avy nanana fotoana ampy hamakiana izany sy hanomanana lesona fohy ireo mpianatra dia tendreo ny ekipa tsirairay hampianatra ekipa iray hafa. Avy eo dia asaivo mifamadika izy ireo mba hahafahan’ny ekipa tsirairay hanana fahafahana hampianatra indray mandeha. Eo am-pamaranan’ny ekipa tsirairay ny fotoana hampianarany dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto manaraka ireto miaraka amin’ireo mpianatra izay nampianariny:

  • Inona no zavatra tsara nataon’ireo mpampianatra?

  • Inona no fomba mety hampahomby bebe kokoa an’ilay fanazaran-tena?

Rehefa samy nanana fahafahana hanao fanazaran-tena sy hanao tomban’ezaka ny fampianarany ny ekipa tsirairay dia asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao avy tamin’ny zavatra nataony.

Fintino ny lesona amin’ny fanoratana ireto fehezanteny ireto eny amin’ny solaitrabe ary asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety hahafahan’ireo fitsipika ireo mampitombo ny faniriany hanao asa fitoriana:

Zanak’ Andriamanitra avokoa ny olona rehetra izay mifanena aminao ary tiany.

Mitondra enta-mavesatry ny tsy fahasambarana avy amin’ny fahotana izay tsy novahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana manadion’i Kristy avokoa ny olona rehetra izay mifanena aminao.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra tsapany rehefa misaintsaina ireo fehezanteny ireo izy. Hevero ny hamarana ny lesona amin’ny fangatahana ny mpianatra raha misy te hijoro ho vavolombelona amin’ny iray kilasy momba ireo fotopampianarana izay mifandray amin’ny drafitry ny famonjena.

Fanasana mba hanao asa

Asao ireo mpianatra hampitombo ny fahatakarany momba ny drafitry ny famonjena ka hampivoatra ny fahaizany mampianatra amin’ny fisafidianana ny iray amin’ireto asa ho atao ivelan’ny kilasy manaraka ireto:

  • Vakio ny fizarana “Famaritana ireo teny manan-danja” ao amin’ny pejy 68–69 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Manaova fanazaran-tena hanazava amin’ny teninao manokana ny tsirairay amin’ireo teny ireo amin’ny fampiasana fehezanteny tsotra.

  • Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina hita ao amin’ny faritra Fandalinana Soratra Masina ao amin’ny pejy 57–58 amin’ny Torio ny Filazantsarako. Misafidiana andinin-tsoratra masina iray na roa izay tianao ho ampiasaina hampianarana ny ampahany tsirairay amin’ny drafitry ny famonjena ary mariho izany ao amin’ny soratra masinao. Manaova fanoloran-tena hitadidy ny iray na mihoatra amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Mamorona drafitra hampianarana ny drafitry famonjena. Hevero ny fampiasana ireo drafi-pampianarana ao amin’ny pejy 64–68 amin’ny Torio ny Filazantsarako mba ho fakan-tahaka.

  • Eritrereto ny fotoana iray izay nitahiana ny fiainanao noho ny fahafantaranao ny drafitry ny famonjena. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny famintinana an’izany zavatra niainanao izany na zarao amin’ny namana iray izany