Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3


Mahazo Fahalalana Ara-panahy, Tapany 3

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Sary
tovolahy mijery solosaina

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo foto-kevitra mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana amin’ny alalan’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.

Aiza no hitadiavanao ny valiny?

Ezaho valina ao anatin’ny iray minitra ireto fampahalalana manaraka ireto.

  • Ny toetr’andro amin’ny faran’ny herinandro

  • Ny anaran’ny renivohitr’i Groenland

  • Fomba iray fahandroana paty na vary

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana nampiasainao (na ho ampiasainao raha ny mahazatra) mba hitadiavana ilay fampahalalana?

  • Nahoana ianao no matoky ireo loharanom-pahalalana ireo mba hamaliana ireo karazana fanontaniana ireo?

Aiza no ahitantsika valiny avy amin’ Andriamanitra?

  • Aiza no toerana asainao hitadiavan’ny olona ny valin’ireo fanontaniana manan-danja mikasika an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana na ny drafitry ny famonjena?

Eritrereto izay mety ho fanontaniana anananao mikasika an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fampahalalana izay efa novakinao na henonao ka nampametra-panontaniana anao na nanahirana anao. Katsaho ny Fanahy Masina mba hitarika anao mandritra ny fianaranao ireo fitsipika izay mety ho afaka hanampy anao ao anatin’ity lesona ity.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto hahitana ny fomba ahafahan’ireo loharanom-pahamarinana ampianariny ato amin’ity andinin-tsoratra masina ity mitahy antsika.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no loharanom-pahamarinana hitanao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Nahoana isika no afaka matoky tanteraka ireo loharanom-pahalalana ireo?

  • Aiza no mety hitadiavan’ny olona maro fampahalalana momba ireo fanontaniana ara-panahy ka hampitandremanao azy ireo? Nahoana?

Ahoana raha toa ka tsy azoko antoka fa azo itokisana ny loharanompahalalana iray?

Isan’ireo fomba fampiasan’ny besinimaro hitadiavana fampahalalana amin’izao fotoana izao ny fampiasana internet. Afaka mahazo loharanom-pahalalana tsara maro be isika amin’ny alalan’ny internet. Mifanindran-dalana amin’izany, ny internet koa dia mahatonga antsika hahita loharanom-pahalalana tsy azo antoka sy tsy marina. Nampitandrina ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy misy sivana hanesorana ireo fampahalalana tsy marina ao amin’ny Internet. Ny fampahalalana sasany, na dia mandresy lahatra toy ny ahoana aza, dia tsy marina tsotra izao.

(Neil L. Andersen, “Joseph Smith,” Liahona, nôv. 2014, 29)

Vakio ny andiam-pehezan-teny 12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Asio marika ny antony maharatsy ny fitadiavana valinteny mikasika ny fanontaniana ara-panahy avy amin’ny loharanom-pahalalana tsy fantatra na tsy azo itokisana.

Rehefa mahita fampahalalana momba an’ Andriamanitra, ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena ianao, dia mety hanampy anao ny mametra-panontaniana tahaka ireto fanontaniana manaraka ireto mikasika ilay loharanom-pahalalana. Rehefa mamaky ireto fanontaniana ireto ianao dia tadiavo izay heverinao fa tena afaka manampy rehefa hanapa-kevitra ianao ny hatoky na tsia ny loharanom-pahalalana iray. (Azonao atao ihany koa ny mandalina ny andinin-tsoratra masina tsirairay miaraka amin’izany.)

Fanontaniana vitsivitsy handrefesana ny fahamarinan’ny fampahalalana vaovao.

  • Inona no tsapako avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamaky na maheno io fampahalalana io aho? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:23–24.)

  • Mitondra ahy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany ve io fampahalalana io? (Jereo ny Môrônia 7:15–17.)

  • Mamporisika ahy hitandrina ny didin’ Andriamanitra ve io fampahalalana io?

  • Mifanaraka amin’izay ampianarin’ny soratra masina sy ny mpaminany maoderina ve izany? (Jereo ny 2 Timoty 3:15–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38.)

  • Manamafy ny zavatra efa tsapako fa nolazain’ny Fanahy Masina tamiko hoe marina ve izany, sa mamporisika ahy hiahiahy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara? (Jereo ny Môrônia 10:5.)

  • Avy amina loharano izay raisin’ny Mpamonjy na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho azo itokisana ve izany fampahalalana izany?

  • Inona no mety holazain’ny ray aman-dreniko na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ity fampahalalana ity? (Raha alaim-panahy aho hanafina izany amin’izy ireo dia inona no ambaran’izany amiko mikasika ny loharano nipoiran’ilay fampahalalana?)

  • Inona amin’ireo fanontaniana ireo no heverinao fa hanampy anao indrindra? Nahoana?

  • Inona avy ireo fanontaniana hafa izay heverinao fa tokony hapetraky ny olona mikasika ny fampahalalana izay hitany?

Misafidiana fampahalalana iray efa henonao na fanontaniana anananao momba an’ Andriamanitra, na ny Fiangonana, na ny drafitry ny famonjena. Avy eo dia manokana minitra vitsy hanaovana fampiharana hitadiavana valinteny amin’ny alalan’ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Isan’ny azonao atao ao anatin’ireo zavatra maro ny

  • mivavaka;

  • mamakafaka ny soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny soratra masina, na ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana;

  • mamakafaka ireo lahateny tamin’ny fihaonambe maneran-tany, ny pejy Sujets de l’évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na ny applicationa Médiathèque de l’Évangile;

  • Mamaky fizarana manan-danja ao amin’ireo fitaovan’ny Fiangonana toy ny Ho zatovo mahery! (kiboky, 2011) na ny Sujets de l’évangile, topics.ChurchofJesusChrist.org;

  • mifandray amin’ny olona fantatrao sy atokisana, tahaka ny ray aman-dreny, na ny eveka, na ny mpitarika ny zatovo ao amin’ny paroasy na ny sampana misy anao, na ny mpampianatra seminera, mba hanampy anao hitady valiny.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao nandritra ity lesona ity izay hanampy anao rehefa mahita fampahalalana vaovao mikasika an’ Andriamanitra na ny Fiangonana ianao?

  • Araka ny hevitrao dia nahoana no zava-dehibe amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo loharanom-pahalalana hitadiavanao valinteny sy fampahalalana?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no tokony hataoko raha tsy mahita ny valin’ny fanontaniana iray amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy ho avy eo no ho eo avokoa ny valiny rehetra, saingy ny ankamaroan’ny fanontaniana dia afaka ho voavaly amin’ny alalan’ny fandalinana amin-kitsimpo sy fikatsahana valiny avy amin’ Andriamanitra. …

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe: “Tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.”

Ny mamela ny tena ho feno fisalasalana, fahanan’ny valinteny avy amin’ny kely finoana sy ny tsy mpino, dia mampalemy ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny.

(Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 66)

Nahoana aho no tokony hitandrina amin’ny fikatsahana valinteny mikasika ny Fiangonana avy amin’ireo izay niala tao?

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niteny hoe:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

Ny olona sasany dia misisika mamantatra ny Fiangonana amin’ny fomba fijerin’ireo olona niala tao fotsiny, toy ny hoe mametra-panontaniana amin’i Jodasy mba hahatakarana ny momba an’i Jesoa. Ny momba ny tenan’izy ireo manokana foana no resahan’ireo olona niala tao amin’ny Fiangonana ireo bebe kokoa amintsika fa tsy izay antony nialan’izy ireo.

(Neal A. Maxwell, “All Hell Is Moved” [fampaherezam-panahy natao tao amin’ny Brigham Young University, 8 nôv. 1977, 3, speeches.byu.edu)

Inona no mety ho fiantraikan’ireo loharanom-pahalalana safidiako ireo eo amin’ny fiainam-panahiko?

Jereo ny horonan-tsary “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” (9:16), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Jereo ny fiantraikan’ny safidy nataon’ireo zatovo ao amin’ny horonan-tsary teo amin’ny tenan’izy ireo avy amin’ny fisafidianany izay olona hohenoiny sy ny toerana nofidiany hitadiavana valiny.

Ny horonantsary “Mikaroka ny fahamarinana” (3:03), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia mety hanampy ihany koa.

Hamoaka printy