Seminera
Lioka 3:7–14


Lioka 3:7–14

Ny fifaliana avy amin’ny fibebahana

Sary
Woman pondering with a view.

Fomba iray nanampian’i Jaona Mpanao Batisa ny olona hiomana handray an’i Jesoa Kristy ny fanasana azy ireo hibebaka. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahafantatra bebe kokoa ny fibebahana sy ny fifaliana entin’ny fibebahana tsy tapaka.

Inona no mitondra fifaliana ho anao?

Saintsaino ny zavatra mitondra fifaliana ho anao. Hevero ny hitanisa ohatra maro araka izay azonao atao ao anatin’ny 30 segondra.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra izao manaraka izao momba ny fomba ahafahantsika mandray fifaliana amin’ny fiainantsika:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa misafidy ny hibebaka isika, dia misafidy ny hiova! Omentsika fahafahana ny Mpamonjy mba hanova antsika ho lasa ilay tsara indrindra ao amintsika. Misafidy ny hivoatra ara-panahy isika ary hahazo fifaliana, ilay fifalian’ny fanavotana ao Aminy.

(Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67)

Ny fibebahana dia fiovana amin’ny alàlan’ny fialana amin’ny fahotana sy ny fanatonana kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alàlan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fibebahana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Napetrakao ao amin’ny lisitry ny zavatra mitondra fifaliana ho anao ve ny fibebahana? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Raha tsy neritreretinao ho zavatra mitondra fifaliana ho anao ny fibebahana dia inona ny fahatsapana na fihetseham-po tonga rehefa mieritreritra momba ny fibebahana ianao? Nahoana?

  • Fa maninona ny olona iray no tsy mahatsapa fifaliana avy hatrany eo am-pibebahana?

Saintsaino izay mety ho fanontaniana anananao momba ny fibebahana. Ao aoriana kely ao amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hitadiavana valiny amin’ireo fanontaniana ireo.

“Mibebaha ianareo. … Omaninareo ny lalan’ny Tompo”

Mba hanampiana ny olona hiomana handray an’i Jesoa Kristy dia nanasa azy ireo hibebaka i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Matio 3:1–3).

Tamin’ny lesona teo aloha dia nandalina izay noraketin’i Marka sy i Matio momba an’i Jaona Mpanao Batisa ianao. Nampiditra antsipiriany fanampiny momba an’i Jaona i Lioka. Vakio ny Lioka 3:10–14 , ka tadiavo ny fomba nanampian’i Jaona ny olona hibebaka.

  • Inona avy ireo fiovana nasain’i Jaona nataon’ny olona?

  • Ahoana no mety nanampian’ireo fiovana ireo ny olona hiala amin’ny fahotana ary hiomana amin’ny fanekena sy fanarahana an’i Jesoa Kristy?

Halalino ny teny manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson. Rehefa manao izany ianao dia diniho tsara izay ampianarin’ny Fanahy Masina anao momba ny fibebahana sy i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Maro loatra ireo olona mihevitra ny fibebahana ho toy ny fanasaziana, zavatra iray izay tokony hosorohina afa-tsy ao anatin’ireo toe-javatra faran’izay ratsy. Saingy i Satana no mamorona izany fahatsapana ho voasazy izany. Izy dia miezaka ny manakana antsika tsy hibanjina an’i Jesoa Kristy, izay mijoro mamelatra ny sandriny, manantena sy vonona ny hanasitrana, hamela, hanadio, hampatanjaka ary hanamasina antsika.

Ny dikan’ny hoe fibebahana ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny teny Grika dia metanoeo. Ilay tovona meta- dia midika hoe “fiovana.” Ilay tovana -noeo dia misy ifandraisany amin’ireo teny Grika izay midika hoe “saina,” “fahalalana,” “fanahy,” ary “fiaina.”

Araka izany, rehefa mangataka ahy sy ianao i Jesoa mba “hibebaka” [ Lioka 13:3, 5 ], dia manasa antsika Izy mba hanova ny saintsika, ny fahalalantsika, ny fanahintsika, eny, fa na dia ny fomba fiainantsika aza. Mangataka antsika Izy mba hanova ny fomba fanehoantsika fitiavana, ny fomba fanompoantsika, ny fomba fandaniantsika ny fotoantsika, ny fomba fitondrantsika ny vadintsika, ny fomba fampianarantsika ny zanatsika, eny fa na dia ny fomba fikarakarantsika ny vatantsika aza.

Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’ andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Na mandroso amim-pahavitrihana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ianao, na solafaka teny amin’ny lalan’ny fanekempihavanana na tafavoaka an’izany, na tsy afaka mahita akory ilay lalan’ny fanekempihavanana avy any amin’izay misy anao amin’izao fotoana izao, dia miangavy anao aho mba hibebaka. Iaino ilay hery mampatanjaka avy amin’ny fibebahana isan’ andro, dia ny hanao sy ho lasa tsaratsara kely kokoa isan’ andro.

(Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67)

  • Inona no manaitra anao amin’ny fampianaran’ny Filoha Nelson momba ny fibebahana sy i Jesoa Kristy?

  • Oviana ianao no nahita fitahiana avy amin’ny fibebahana teo amin’ny tenanao na tany amin’ny olon-kafa?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena manantena antsika hibebaka ny Mpamonjy ary tena vonona ny hamela antsika?

Mandritra ny minitra vitsy manaraka dia hisafidy sy handalina lafiny manokana amin’ny fibebahana ianao izay hanampy anao hanakaiky kokoa sy hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy, hanana fahafahana mandray bebe kokoa ny heriny sy ny fiadanany ary hahatsapa fifaliana lehibe kokoa. Ireto manaraka ireto dia lafiny manokana amin’ny fibebahana izay mety ho tianao halalinina. Safidio ny iray amin’ireny hianaranao, na ianaro ny iray amin’ireo fanontanianao manokana momba ny lohahevitry ny fibebahana.

  • Ahoana no fomba hibebahako?

  • Ahoana no hahitako fifaliana bebe kokoa amin’ny fibebahana?

  • Ahoana no ahafahako mandresy ny tahotry ny fibebahana?

  • Inona no mety ho tafiditra ao amin’ny hoe fifantohana tsy tapaka sy isan’ andro amin’ny fibebahana, na mety ho toy ny ahoana no mety ho endrik’izany eo amin’ny fiainako?

Ireto manaraka ireto dia loharanom-pitaovana manokana manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fibebahana. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo na amin’ny application Bibliothèque de l’Evangile. Ireo sy ny loharanom-pitaovana hafa dia azo ampiasaina hitarika ny fandalinanao izay lafiny amin’ny fibebahana nofidinao. Mandraisa naoty ary asongadino ireo antsipiriany izay hitanao fa manandanja indrindra.

  • Jeunes, soyez forts! [bokikely, 2011], “Repentir,” 28–29

  • Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Mibebaka, Fibebahana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

  • Lahateny tamin’ny fihaonamben’ny fiangonana toa ny Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67–69

  • Dale G. Renlund, “Ny fibebahana: safidy mahafaly,” Liahona, nôv. 2016, 121–24

1.

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny fandalinanao?

  • Inona no torohevitra omenao ny olona iray miezaka hahafantatra ny antony ilany mibebaka? Inona no tianao ho fantatr’izy ireo sy ho azony momba an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanampy anao hanana na hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fifaliana avy amin’ny fibebahana amin’ny alalàn’i Jesoa Kristy?

Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?

Lioka 3:7 . Nahoana i Jaona no niantso ny olona hoe “taranaky ny menarana?”

Bibilava Palestiniana iray no bibilava misy poizina fantatra indrindra any Isiraely. Ny menarana dia velombelona amin’ny alina ary mazàna mihaza amin’ny fiafenana sy fijaikojaikoana eo akaikin’ny hazany avy eo. Rehefa mahatsapa loza ny menarana dia mampiorona ny vatany, mikisakisaka ary mamely ny fahavalony. Toy izany ihany koa, ny Fariseo sy ny Sadoseo dia nahatsapa ho norahonan’i Jaona noho izy nitaona olona maro hiala amin’ny fampianaran-dison’izy ireo.

Lioka 3:8 . Inona ireo “voa mendrika ny fibebahana?”

Ao amin’ny soratra masina, ny karazan’olona indraindray dia ampitahaina amin’ny hazo, izay mamokatra na voa tsara na voa ratsy. Ny hoe “mamoa… voa mendrika ny fibebahana” dia midika hoe manova ny faniriantsika sy ny fihetsika ataontsika hanarahana ny fampianaran’ Andriamanitra.

Lioka 3:12 . Inona no atao hoe mpamory hetra?

Tany Roma fahiny, ny mpamory hetra dia mpitaky hetra ho an’ny fanjakana Romana. Nankahalain’ny Jiosy ny mpamory hetra tamin’ny ankapobeny, satria nihevitra azy ireo ho mpamadika ny fireneny ny vahoaka ary satria matetika mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainy ireo mpamory hetra (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 3:19–20 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]; Lioka 3:12–13). Ny mpamory hetra sasany dia nanaiky avy hatrany ny filazantsara (jereo ny Matio 9:9–10 ; Lioka 19:1–10 ; Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Mpamory hetra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Mahavonjy antsika ve ny fibebahana?

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy dia hoe ny fibebahana no mahavonjy ny olona. Ny ran’i Jesoa Kristy no mahavonjy antsika. Tsy amin’ny fanovantsika ny fitondran-tenantsika amin-kitsim-po sy amim-pahamarinana fotsiny no ahavoavonjy antsika, fa “amin’ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao” ( 2 Nefia 25:23). Ny fibebahana marina kosa no fepetra takina mba ho tonga amin’ny fiainantsika ny famelan-kelok’ Andriamanitra. Ny fibebahana marina dia mahatonga ny “andro ho mamirapiratra [avy ao amin’ny] alina maizina indrindra” (Spencer W. Kimball, The Miracle of Forgiveness [1969], 362).

(Dieter F. Uchtdorf, “Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 100)

Hamoaka printy