Seminera
Matio 3:1–12; Marka 1:1–8


Matio 3:1–12; Marka 1:1–8

“Omano ny lalan’ny Tompo”

Sary
John the Baptist and a woman standing in the river Jordan with a group of people watching in the foreground. Outtakes include John the Baptist helping a woman into the water, and various scenes from a distance and close up.

Talohan’ny nanombohan’i Jesoa Kristy ny asa fanompoany dia nanomana ny hafa i Jaona mpanao batisa hanaraka sy handray ny Mpamonjy. Amin’ity lesona ity ianao dia handinika ny fomba nanekenao sy nanarahanao ny Mpamonjy, ny fomba tsaratsara kokoa ahafahanao manaiky sy manaraka Azy, ary ny fomba azonao hanomanana ny hafa mba hanaiky sy hanaraka Azy.

Miomana ho an’i Jesoa Kristy

Alaivo sary an-tsaina hoe handeha hanao dia lavitra manan-danja ianao ary misy sakana eo amin’ny lalana. Inona no hataonao? Hitodi-doha hiverina ve ianao? Hanandrana handalo eo amboniny ve ianao sa hihodidina azy ireo? Hiezaka hanala ireo sakana ve ianao ho an’ireo tonga aorianao? Alaivo sary an-tsaina hoe nisy olona tonga teo alohanao nanala ny maro tamin’ireo sakana sarotra indrindra.

  • Inona no ho tsapanao amin’ireo olona nanamboatra ny lalana ho anao?

Anio dia hianatra momba an’i Jaona Mpanao Batisa isika, izay nanomana ny olona mba hanaiky sy hanaraka ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 1:17).

  • Iza no nanampy anao hanamboatra ny lalana ho anao mba hanekenao sy hanarahanao ny Mpamonjy teo amin’ny fiainana?

  • Amin’izao fotoana izao dia iza no olona mamboatra ny lalana mba hahatonga ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao bebe kokoa?

  • Inona no traikefa nanampy anao hanaiky sy hanaraka ny Mpamonjy?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ireo sakana eo amin’ny lalanao na ny an’ny hafa tsy hahafahana manaiky sy manaraka Azy, sy izay mety hanampy anao na hanampy azy ireo hiatrika ireo sakana ireo.

Fampidirana ny Filazantsaran’i Marka sy ny asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batisa

Nanomboka ny Filazantsarany tamin’ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa i Marka. Tsy toa an’i Matio na i Jaona, i Marka dia tsy Apôstôlin’i Jesoa Kristy fa olona niova fo taty aoriana. Mety nanoratra ny Filazantsara teo ambany fitarihan’ny Apôstôly Petera i Marka. Ao amin’ny Filazantsarany i Marka dia nanoratra ho an’ny Jentilisa ary nanamafy kokoa izay nataon’ny Mpamonjy mihoatra noho izay nolazainy.

Vakio ny Marka 1:1–8 , itadiavana izay zavatra nataon’i Jaona Mpanao Batisa ka nanampy ny hafa hanaiky sy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Fitaovana fandalinana Soratra Masina.

Maro ireo fitaovana sy fomba fandalinana izay afaka manatsara ny fianaranao. Mba hanatsarana ny fomba fandalinanao ny tantara ao amin’ny Soratra Masina dia ezaho hatao ny mijery ireo tantara iray ihany ao amin’ny Filazantsara nosoratana mpanoratra samy hafa.

Ny famakiana ireo trangan-javatra iray ihany ao amin’ny Filazantsara samy hafa dia mety hanampy anao amin’ny fianaranao. Vakio ny Matio 3:7–12 , itadiavana antsipiriany fanampiny momba ny asa fanompoan’i Jaona Mpanao Batisa. Tamin’ny andron’ny Mpamonjy dia maro ny Zanak’Isiraely no lasa niavonavona izay tsy izy ary nihodina tamin’ny fampianaran’i Jehovah. Maro ireo nino fa ampy hamonjena azy ireo ny maha taranak’i Abrahama azy (jereo ny dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:36 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina] sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 3:8 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ).

1.

  • Inona no nataon’i Jaona Mpanao Batisa hanampiana ireo olona hanaiky sy handray ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny azonao tamin’ny alalan’ny fandinihana ny tantaran’i Jaona Mpanao Batisa voalaza ao amin’ny Boky nosoratan’i Matio?

  • Inona no porofo hitanao amin’izao androntsika izao fa ny Ray any An-danitra dia mbola manomana ny olona hanaiky sy handray ny Mpamonjy?

Manaiky ny Mpamonjy ary manampy ny hafa hanaiky Azy

Tanteraho ny iray amin’ireto atrikasa manaraka ireto. Saintsaino ny fomba hanekenao tanteraka kokoa sy hanarahanao manokana ny Mpamonjy sy ny fomba hanomananao ny hafa hanao tahaka izany koa.

2. Fantaro izay sahanasa nofidianao ary soraty ny valinteninao amin’ireo fanontaniana mifanentana amin’izany.

Sahanasa A: Fandraisana an-tsoratra isan’ andro

Saintsaino ary soraty amin’ny diary fandalinanao izay zavatra niainana nanampy anao hanaiky sy hanaraka ny Mpamonjy. Hevero ny hampidirana izay zavatra nanampy anao ho tonga hino an’i Jesoa Kristy sy hanolo-tena kokoa hiaina ny fampianarany. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no heverinao fa mety ho asain’ny Ray any An-danitra hataonao mba hanekena kokoa sy hanarahana kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny hoavy?

  • Inona no zavatra azonao atao mba hanampiana ny hafa hanaiky sy hanaraka an’i Jesoa Kristy?

Sahanasa B: Fikarohana ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany

Tadidio izay nianaranao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra. Raha azo atao, dia avereno jerena ny lahateny iray na roa amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, itadiavana hafatra izay mety hanampy anao hanaiky sy hanaraka tanteraka kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no nampianarin’ny mpaminanin’ny andro farany anao izay manampy anao hanaiky sy hanaraka tanteraka kokoa ny Mpamonjy?

  • Ahoana no fomba hampiharanao izany fampianarana izany eo amin’ny fiainanao na hizaranao izany amin’ny hafa?

Sahanasa D: Fikarohana ao amin’ny Soratra Masina

Ampiasao ny Soratra Masina mba hahatakaranao bebe kokoa ny fomba nitarihana ny hafa hanaiky sy hanaraka an’i Jesoa Kristy. Ohatra, azonao atao ny mianatra ireo ohatra izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tahaka ny Enôsa 1:2–8 ; Môzià 5:1–2, 5 ; Almà 22:17–18, 22–23 ; na koa Helàmana 5:28–30, 40–42 .

  • Inona no voarainao tamin’ireo Soratra Masina nohalalininao?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo hevi-baovao ireo anao hanaiky sy hanaraka tanteraka kokoa ny Mpamonjy na hanampy ny hafa hanao tahaka izany koa?

Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?

Iza moa i Marka?

I Marka (antsoina ihany koa hoe Jaona Marka) dia tsy isan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy tany am-boalohany, saingy niova fo avy eo ary niara niasa akaiky tamin’ny maro tamin’ireo Apôstôlin’ny Mpamonjy. I Petera dia niantso azy hoe “Marka zanako” ( 1 Petera 5:13), izay maneho ny fifandraisana akaiky nisy teo amin’izy ireo. I Marka dia nanoratra ny bokin’ny filazantsara fohy nosoratany ho an’ny Romana, sy firenena jentilisa hafa, ary olona vaovao niova fo ho amin’ny Kristianisma. Nisy fotoana koa niarahan’i Marka nanompo tamin’i Paoly tamin’ny asa fitoriana voalohany nataon’i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:25).

Inona avy ireo mampiavaka ny filazantsara nosoratan’i Marka?

Ny Filazantsara nosoratan’i Marka dia manomboka tampoka sy amin’ny fomba mahatalanjona ary izany dia ao anatin’ny hafaiganana tokoa eo amin’ny fitantarana ireo trangan-javatra izay mifanesisesy haingana. Imbetsaka i Marka no mampiasa ny teny hoe niaraka tamin’ izay sy ny hoe avy hatrany, izay maneho ilay hoe mandeha haingana sy feno zava-mitranga.Anisan’ireo lohahevitra manan-danja ao amin’i Marka ireo fanontaniana mikasika ny hoe iza i Jesoa ary iza no nahatakatra ny maha-Izy Azy, anisan’izany ihany koa ny anjara asan’ny mpianatra amin’ny maha-tsy maintsy “hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka [an’i Jesoa]” azy ireo ( Marka 8:34). Ho fanampin’izany, ny filazantsaran’i Marka irery ihany no hany mitantara ny fanoharana ny amin’ny voa izay mitombo samirery (jereo ny Marka 4:26-27), ny fanasitranana ilay olona marenina teo amin’ny faritr’i Dekapolisy (jereo ny Marka 7:31-37), ary ny fanasitranana tsikelikely an’ilay lehilahy jamba tao Betsaida (jereo ny Marka 8:22-26).

Marka 1:8 . Inona no atao hoe batisan’ny Fanahy Masina?

Nanambara i Jaona Mpanao batisa fa manao batisa amin’ny rano izy fa i Jesoa kosa dia “hanao batisa … amin’ny Fanahy Masina” ( Mark 1:8). Ny batisan’ny Fanahy Masina sy ny afo dia manamafy ny fandraisana aorian’ny batisa, ary ny fandraisana ny fiarahana amin’ny Fanahy Masina avy eo. Ny Fanahy Masina dia manasa sy manadio antsika, tahaka ny vokatry ny fanadiovana ataon’ny afo.

Matio 3:7 . Iza moa ireo Fariseo sy ireo Sadoseo?

Ny Fariseo dia mpikambana tao amin’ny antokom-pivavahana Jiosy iray izay nanambony ny tenany tamin’ny fitandremana tanteraka ny lalàn’i Mosesy. Nanao ny fivavahana ho fanarahana ireo fihetsika maro miendrika fombafomba izy ireo. Ny Sadoseo dia nosokajiana ho Jiosy manan-karena izay natanjaka teo amin’ny fivavahana sy ny ara-pôlitika. Tsy nino ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Samy nanalavitra ny tanjon’ireo lalàn’ Andriamanitra tamin’ny voalohany ireo vondron’olona anankiroa ireo, ary maro tamin’ny mpikambana tao aminy no tsy nety nanaiky ny hafatry ny mpaminanin’ Andriamanitra, dia i Jaona Mpanao Batisa.

Matio 3:12 . Inona no atao hoe fikororohana, tany, vary ary akofa, ary inona no hevitra fonosiny?

Ny “fikororohana” resahina ao amin’ny Matio 3:12 dia fitaovana fampiasa hanofana vary. … Ny ampahan’ny vary ilaina dia hilatsaka amin’ny tany raha hitsoka ny akofa maivana kosa ny rivotra. Avy eo ny vary dia hangonina ao an-tsompitra, na ny trano fitehirizana ary ny akofa kosa dia hodorana. Nampianatra i Jaona Mpanao Batisa fa ny Mpamonjy izay ho avy aoriany dia hampisaraka ny mpino amin’ny tsy mpino amin’ny fomba mitovy amin’ny fanasarahana ny vary amin’ny akofa.

(Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2018], ChurchofJesusChrist.org)

Hamoaka printy