Seminera
Matio 3:13–17, Tapany 1


Matio 3:13–17, Tapany 1

Nataon’i Jaona Mpanao Batisa batisa i Jesoa

Sary
Jesus Christ being baptized by John the Baptist in the River Jordan. Christ has been immersed and is ascending out of the water.

Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa Kristy mba hataony batisa. Ity lesona ity dia hanampy anao hahafantatra sy hahazo ny maha zava-dehibe ny batisa ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny maha-zava-dehibe ny batisa

Saintsaino ireo olona tianao izay tsy mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Alaivo sary an-tsaina hoe mihaona amin’ny misiônera ny iray amin’izy ireo. Inona no mety ho tsapanao? Alaivo sary an-tsaina hoe mangataka anao ny misiônera mba hanazava mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanaovana batisa. Saintsaino izay mety holazainao ka afaka manampy ireo olona tianao ireo mba handalo io dingana lehibe io.

  • Raha refesina amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (1 = tsy niomana; 10 = niomana fatratra), dia hatraiza no fahatsapanao ny fahavononanao hanazava ny maha-zava-dehibe ny batisa amin’ny fomba izay hahatonga ireo olona tianao hanana hetaheta hatao batisa?

  • Inona no tianao ho fantatra kokoa mikasika ny batisa mba hahatsapanao ho tsara omana kokoa hanazava ny maha-zava-dehibe izany?

Amin’ny lesona izay hatao anio dia hanana tombony ianao hianatra ny fotopampianarana momba ny batisa sy hamaly ireo fanontaniana samihafa mikasika izany lohahevitra izany. Hanana fotoana ihany koa ianao hanazavana izay zavatra nianaranao.

Natao batisa i Jesoa Kristy mba hampisehoana antsika ny lalana

Sary
Map 11 - The Holy Land in New Testament Times

Nandeha an-tongotra i Jesoa avy tany Galilia ho any Betabara, mba hataon’i Jaona batisa (jereo ny Matio 3:13 ; Jaona 1:28 ; 1 Nefia 10:9). Nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana Aharona i Jaona ary nanao batisa ny olona tao amin’ny reniranon’i Jordana (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Jaona Mpanao Batisa ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ampiasao ny iray amin’ireo maridrefy eo amin’ny sarintany hanombanana ny halaviran’ny dia nataon’ny Mpamonjy.

  • Inona no mety ampianarin’ny Mpamonjy anao momba Azy sy ny batisa teo amin’ny ezaka nataony mba hataon’i Jaona batisa?

Vakio ny Matio 3:13–17 , ary alaivo sary an-tsaina hoe nanatrika ny fanaovana batisa ny Mpamonjy ianao. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja momba ny Mpamonjy sy ny batisa izay tianao hotadidiana.

1.

  • Raha nanatrika ny nanaovana batisa ny Mpamonjy ianao, inona no tianao hotadidiana avy amin’izany?

  • Inona ny zavatra mba heverinao ho nianaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny batisa?

Saintsaino izay azonao zaraina amin’ny namanao na ny fianakavianao ka mety hanampy azy ireo mikasika ny batisan’i Jesoa Kristy.

Mety hanampy ihany koa ny mihevitra ireo fanontaniana mety hananan’ireo namanao na fianakavianao mikasika ny batisa. Ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo dia azo valiana ao amin’ny Matio 3 . Ankoatra izany, ny Bokin’i Môrmôna dia loharanom-pitaovana nentanim-panahy izay manazava fahamarinana maro mikasika ny batisa. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra amin’ireo fanontaniana mety hapetrak’ireo olona tsy mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny batisa. Safidio izay fanontaniana heverinao fa mety hapetraky ny namanao na ny fianakavianao. Hianaro avy ireo andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary jereo ny fomba hanampian’izany anao hamaly ilay fanontaniana.

  • Na dia natao batisa aza i Jesoa Kristy dia tokony hatao batisa koa ve aho? Nahoana? Ary raha tsia dia nahoana? (Jereo ny ny 2 Nefia 9:21, 23–24 ; 2 Nefia 31:5, 10–11 .)

  • Nahoana aho no maniry hatao batisa? Inona avy ireo fitahiana izay horaisiko? (Jereo ny 2 Nefia 31:12–13, 17–18 .)

  • Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa mba hatao batisa. Iza no afaka manao batisa ahy? (Jereo ny 3 Nefia 11:19–22 .)

  • Natao batisa tao amin’ny reniranon’i Jordana i Jesoa ary nivoaka avy ao anaty rano. Ilaiko ihany koa ve ny miroboka tanteraka anaty rano, sa misy fomba hafa azo hanaovana batisa ahy? (Jereo ny 2 Nefia 31:13 ; 3 Nefia 11:23–26 .)

  • Raha natao batisa aho mba hanadiovana ny otako, nahoana i Jesoa no natao batisa? Angaha moa Izy tsy hoe tsy nanam-pahotana? (Jereo ny 2 Nefia 31:5-11 .)

2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Ampiasao izay nianaranao tao amin’ny Matio 3:13-17 sy ny Bokin’i Môrmôna, raiso an-tsoratra ny fomba hanazavanao amin’ny fianakavianao na ny namanao ny maha-zava-dehibe ny batisa.

Raha mahatsiaro entanim-panahy ianao dia hevero ny hizara ny fanazavanao amin’ny namanao na ny fianakavianao izay mbola tsy natao batisa ho lasa mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fizarana amin’ireo olona efa natao batisa dia mety ho sahanasa manan-danja azo atao ihany koa.

Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?

Matio 3:13 . Nahoana i Jesoa no nanatona an’i Jaona mba ho atao batisa?

Nanazava ny fahefana nananan’i Jaona Mpanao Batisa i Joseph Smith rehefa nilaza hoe:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

I Jaona irery ihany tamin’izany fotoana izany no hany mpiandraikitra ara-dalana tao amin’ny raharahan’ny fanjakana izay nisy teto an-tany, sy hany nihazona ny fanalahidin’ny hery. Ireo Jiosy dia tsy maintsy nankatò ny fampianarany raha tsy izay dia nohelohin’ny lalàn’izy ireo. … Ny zanak’i Zakaria dia nitolona haka ny fanalahidy, sy ny fanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra avy tamin’ny Jiosy, tamin’ny alalan’ilay fanosorana sy didy avy any an-danitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 81–82; jereo ihany koa ny Fotompampianarana sy fanekempihavanana 84:23–28)

Ahoana no ahafantarantsika fa ilaina ny batisa?

Ny Mpamonjy dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny batisa rehefa nilaza tamin’i Nikodemosy fa ilaina izany mba hidirana amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (jereo ny Jaona 3:5). Nampianatra ihany koa ny Mpaminany Joseph Smith fa zava-dehibe ho an’ny famonjena ny batisa:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Mibebaha ny amin’ny fahotanao rehetra ary aoka ho atao batisa amin’ny rano ho famelana izany, amin’ny anaran’ny Ray, sy ny an’ny Zanaka, ary ny an’ny Fanahy Masina, ary raiso ny ordonansin’ny fametrahan-tànana avy amin’izay voatendry sy voaisy tombo-kase amin’ity fahefana ity, mba hahazoanareo mandray ny Fanahy Masin’ Andriamanitra; ary izany dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina, sy ny Bokin’i Môrmôna; ary hany fomba tokana ahafahan’ny olona miditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 154)

Ahoana no hanazavan’ny Bokin’i Môrmôna ny fotopampianarana mikasika ny batisa hampianarina ao amin’ny Baiboly?

Nampianatra ny Loholona Tad R.Callister tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Brother Tad R. Callister, Sunday school General President. Official Portrait 2018.

Averina indray fa ny Bokin’ i Môrmôna dia toy ny vavolombelona mitondra fanamafisana sy fanazavana ary fampiraisana mikasika ireo fotopampianarana ampianarina ao amin’ ny Baiboly mba ho “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa.” …

Misy fomba fanaovana batisa maro eto amin’ izao tontolo izao ankehitriny na dia lazain’ ny Baiboly amintsika aza ny fomba nanaovana batisa ny Mpamonjy, Ilay Ohatra lehibe ho antsika: “Dia niakatra avy teo amin’ ny rano niaraka tamin’ izay Izy” ( Matio 3:16). Moa ve Izy afaka nivoaka avy tao anaty rano raha tsy nidina tao anaty rano aloha? Mba hisorohana ny tsy fitovian-kevitra mikasika izany lohahevitra izany dia hazavain’ ny Bokin’ i Môrmôna amin’ ny alalan’ ity fanambarana tonga dia mahitsy mikasika ny fotopampiarana ity ny tena fomba hanaovana batisa: “Ary amin’ izany ianareo dia hanitrika azy ao anaty rano” ( 3 Nefia 11:26).

(Tad R. Callister, “Ny Bokin’i Môrmôna—Boky iray avy amin’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, nôvambra. 2011, 75–76)

Hamoaka printy