Asan’ny Apostoly 16
“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”
Tao anatin’ny teny fanaovam-belomany tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy dia nandidy azy ireo hoe: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ” (Matio 28:19). Nahitana fivoarana niavaka teo amin’i Paoly sy ny namany tamin’ny fanatanterahana io didy io. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hamantatra ny fanampiana tian’ny Mpamonjy homena anao rehefa miezaka mizara ny filazantsarany amin’ny hafa ianao.
Mizara ny filazantsara amin’ny hafa
Mety ho tsaroanao fa taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nampivory ireo Apôstôliny Izy ary nanome azy ireo izao didy manaraka izao: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” (Matio 28:19
Ny Loholona DieterF. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ireto hevitra manaraka ireto momba ny didin’ny Mpamonjy hitory ny filazantsara. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao” manomboka amin’ny mari-potoana 2:46 ka hatreo amin’ny 3:30 na vakio ireo teny etsy ambany.
Matetika aho no nisaintsaina sy nivavaka momba ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy an’ireo mpianany … “koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” [Matio 28:19].
Nitolona mafy aho ny hahazo valiny tamin’ny fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahantsika mpikamban’ny Fiangonana sady mpianatr’i Kristy manatanteraka izany iraka lehibe izany amin’ny fomba tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika isan’andro?”
Manasa anareo aho anio hisaintsaina io fanontaniana io ao am-ponareo sy ao an-tsainareo.
(Jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15–18.)
Ankoatra ilay fanontaniana nasain’ny Loholona Uchtdorf hosaintsaininao dia eritrereto ny valiny homena an’ireto fanontaniana manaraka ireto. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo valinteninao.
-
Raha refesina amin’ny alalan’ny ambaratonga manomboka amin’ny 1 ka hatrany amin’ny 5, dia hatraiza ny fanirianao hizara ny filazantsara amin’ny hafa? Hazavao ny valinteninao?
-
Inona avy ireo sakana atrehanao amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?
Misiônera tena matanjaka izay nitondra fanahy maro ho an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asa fitoriany ny Apôstôly Paoly. Mandritra ity herinandro ity dia hianatra momba ny sasany amin’ireo zava-nitranga nandritra ny dia fitoriana faharoa sy fahatelo nataon’i Paoly ianao (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:36–41; 16; 17; 18:1–22 sy ny Asan’ny Apostoly 18:23–28; 19; 20; 21:1–15). Ity sarintany manaraka ity dia maneho ny dian’i Paoly nandritra ireo dia ireo:
Rehefa mandalina ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Paoly tao anatin’ny asa nanirahana azy faharoa ianao ato amin’ny lesona dia hahita ohatra amin’ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia afaka mitarika antsika ho any amin’ireo izay nomaniny handray ny filazantsarany. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hizara ny filazantsara amin’ny hafa.
Nitory ny filazantsara tany Makedonia i Paoly sy ny namany
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6–15, ka tadiavo ny zavatra niainan’i Paoly sy ireo namany tany am-piandohan’ny dia fitoriana faharoa nataon’i Paoly.
-
Inona no azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra avy amin’ity tantara ity ka afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hitady ireo olona nomanin’ny Tompo handray ny filazantsarany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Tompo nanomana ny hafa handray ny filazantsarany? Ahoana no nanomanany anao na ny fomba ahafahany manomana anao hahita ireo olona izay mikatsaka Azy?
Hahitana fanohoana an-tsary ny fomba hanomanan’ny Tompo ny olona mba handray sy hizara ny filazantsarany dia jereo ilay horonantsary “Prayer” (4:12), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Nogadraina i Paoly sy i Silasy ary mbola nanohy nitory hatrany
Rehefa avy nampianatra sy nanao batisa an’i Lydia i Paoly sy ireo namany dia namoaka fanahy ratsy tao amin’ny mpanompovavy tanora iray i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:16–18). Nokapohina sy nogadraina izy sy i Silasy namany avy eo (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:19–24). Ny fidirana am-ponja noho ny fitoriana ny filazantsara dia toa antony iray azo hanomezana rariny ny hoe hilavo lefona amin’ny fitoriana. Saingy ho an’i Paoly sy i Silasy dia nanjary lasa fahafahana nanampy ny hafa hanatona an’i Kristy izany.
Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:25–36 mba hahitana ny fomba namadihan’ny Tompo ny fanagadrana an’i Paoly sy i Silasy ho lasa fahafahana ho azy ireo hitory ny filazantsara.
-
Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy nasehon’i Paoly sy i Silasy tao amin’io tantara io?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo toetra ireo azy ireo hizara ny filazantsara tamin’ny fomba mahomby kokoa?
-
Inona no nianaranao avy amin’ity tantara ity ka afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hitady ireo izay nomanin’ny Tompo handray ny filazantsarany?
Mampihatra ny zavatra izay nianaranao
Mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamaritana ny zavatra azonao atao mba hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Misafidiana iray amin’ireto fanasana manaraka ireto izay tsapanao fa tena hahasoa anao indrindra:
-
Mivavaha isan’andro amin’ny Tompo mba hitarihany anao any amin’ny olona iray izay nomaniny handray ny filazantsara.
-
Ataovy lisitra ny anaran’ny namana na mpiara-mianatra roa any am-pianarana izay mety ho vonona hihaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Dia angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny fomba ahafahanao ho fitaovana eo am-pelatanany hitondrana azy ireo any amin’ny Mpamonjy.
-
Rehefa nahazo fankatoavana mazava avy amin’ny ray aman-dreninao sy ny mpitarika anao, dia miaraha miasa amin’ny misiônera mandritra ny ora vitsivitsy. Zarao amin’ny iray kilasy ny zavatra niainanao amin’ny fotoana manaraka.
-
Eritrereto izay hevitrao manokana momba ny zavatra azonao atao mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa.
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Ahoana no ahafahan’ny tambajotran-tserasera manampy ahy hizara ny filazantsara?
Ao amin’ilay horonan-tsary hoe “To Sweep the Earth as with a Flood” (2:56), ny Apôstôly ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fampiasana ny tambajotran-tserasera hanaparitahana ny filazantsara. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Ahoana raha toa ka mandà ny fanasako hianatra kokoa momba izany ny olona amin’izao fotoana izao?
Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
Tsy mila anareo mba “hivarotra” ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Andriamanitra. Manantena tsotra fotsiny Izy fa tsy hanafina izany ao ambanin’ny vata famarana ianareo. Ary raha manapa-kevitra ny olona fa tsy natao ho azy ireo ny Fiangonana, dia fanapahan-keviny izany. Tsy midika akory izany fa tsy nahomby ianao. Tohizo ny fanehoanao hatsaram-panahy amin’izy ireo. Ary tsy manaisotra ny famerenana manasa azy ireo izany. Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fifandraisana tsotsotra amin’olona sy ny fifandraisana mifono fangorahana sy herim-po aseho amin’ny maha-mpianatra dia ny fanasana!
(Dieter F. Uchtdorf, “Ilay dianao lehibe mampientanentana,” Liahona, nôv. 2019, 88)
Hoy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Na dia eo aza ny faniriana mahery vaika hizara ny filazantsara dia mety tsy dia faly loatra amin’ny fahombiazana tamin’ny ezaka nataonareo teo aloha ianareo. Mety hahatsapa tena ho toy ny namana iray ianareo, izay milaza hoe: “Niresaka tamin’ny fianakavianay sy ireo namana mikasika ny Fiangonana aho, saingy vitsy no naneho fa liana tamin’izany, ary mihalasa misalasala bebe kokoa aho isaky ny misy fandavana. Fantatro fa tokony hanao zavatra bebe kokoa aho, saingy tsy afaka mandroso, ary fahadisoana goavana no hany tsapako.” …
Manome Soso-kevitra aho ny mba tsy hahatsapanareo ho diso intsony momba izay zavatra vitanareo na tsy vitanareo amin’ny fizarana ny filazantsara. Fa mivavaha kosa, tahaka ny nampianarin’i Almà, mba hanana fahafahana “hijoro ho [vavolombelon’] Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra … mba hahatonga ny [hafa] ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, [ka] hahazoanareo ny fiainana mandrakizay” [Môzià 18:9]. Hery mandrisika matanjaka kokoa noho ny fahatsapana ho diso izany.
(Neil L. Andersen, “Vavolombelon’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2016, 36–37)
Ahoana no fomba hahitako olona hampianarina?
Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo mba hahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ho an’ilay olona izay efa vonona amin’izao—ilay iray izay tiany hampiantsika androany. Avy eo isika dia tsy maintsy malina mba hihaino sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahiny amin’ny fomba hanaovantsika izany.
Ho avy ireo bitsika ireo. Fantatsika avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina fa manomana olona hanaiky ny filazantsara amin’ny fombany sy amin’ny fotoany ny Tompo. Efa eo am-pikarohana ireo olona ireo, ary rehefa mikatsaka ny hahafantatra azy ireo isika dia hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Hibitsika sy hitarika ireo izay maniry sy mikatsaka amin-kitsim-po ny fitarihany momba ny fomba hizarana ny filazantsara, ny toerana sy ny fotoana hizarana izany ary ny olona hizarana izany Izy.
(Dallin H. Oaks, “Sharing the Gospel,” Ensign, Nov. 2001, 8)