Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Zatovo samihafa miara-mivondrona. Toa ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ao am-piangonana izy. Manana soratra masina izy ireo ary mitsiky. Any Samoa io.

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hianatra ny fomba fampiharana araka ny tokony ho izy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ho anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany amin’ny toe-javatra mitranga isan-karazany ao amin’ny fampianarana.  

Ny soratra masina ankatoavina dia mirakitra tantara maro momba ny olona izay mampiasa ny soratra masina mba hampianarana ny hafa. Ireo ohatra vitsivitsy dia ahitana ny nampianaran’i Jesoa Kristy ny mpianany roalahy teny an-dalana ho any Emaosy (Lioka 24:27), i Nefia namporisika ireo rahalahiny haka ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 4:2 ary i Môrônia nampianatra ny tovolahy Joseph Smith (Joseph Smith—Tantara 1:36–41).

  • Tamin’ny oviana ianao na olon-kafa izay fantatrao no nampiasa ny soratra masina mba hampianarana ny hafa?

  • Nahoana no heverinao fa zava-dehibe ny fampiasana ny soratra masina ho fanampin’ireo fanazavanao manokana rehefa mampianatra ny hafa isika?

Avereno jerena ireto lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto sy ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina. Saintsaino ireo toe-javatra samihafa izay mety ho atrehanao ka hahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hampianarana olona iray.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

1. Misafidiana anankiroa amin’ireto trangan-javatra manaraka ireto ary valio ao anaty diary fandalinanao ireo fanontaniana izay miaraka amin’izany:

Fandevenana

Alaivo sary an-tsaina hoe nasaina mba hanao lahateny mandritra ny fotoam-pandevenana olona akaikin’ny fo iray ianao.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao sy ilay misiônera mpiara-mitory aminao dia mampianatra olona iray izay manontany tena ny antony ilantsika fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo

Alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin’ny kômitin’ny zatovo iray ianao izay notendrena hisafidy lohahevitra ho an’ny fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo izay hatao ato ho ato ao amin’ny tsatòka na distrika misy anao.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Namana

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay sahirana eo amin’ny fanaovana izay hahatsapana ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mangataka torohevitra aminao izy.

Hamoaka printy