Seminera
Asan’ny Apostoly 22–23, 26–28


Asan’ny Apostoly 22–23, 26–28

Miaraka amin’i Paoly ny Tompo

Sary
Kristy tafatsangana tamin’ny maty niseho tamin’i Paoly tao am-ponja.

Raha mbola nifatotra rojo vy sy voahodidina Jiosy izay nitady hamono azy i Paoly, dia nitsangana teo amin’ny lalana hiditra ny lapa Antonia tao Jerosalema izy ary nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy. Taorian’ny nigadran’i Paoly dia namangy azy ny Mpamonjy ary nampanantena fa hijoro ho vavolombelona momba Azy any Roma i Paoly. Nisedra fitsapana maro i Paoly tatỳ aoriana, izay nahatonga an’io fampanantenana io ho toy ny tsy ho tanteraka. Ity lesona ity dia manome topimaso momba ny Asan’ny Apostoly 22–23, 26–28 ary natao hampitombo ny fahatokianao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanatanteraka ny fampanantenan’ Izy Ireo rehefa miezaka ny hanompo Azy Ireo ianao. 

Iza no atokisanao?

Iza no hatokisanao amin’ny fanaovana izao manaraka izao ary nahoana?

  • Mifidy akanjo hanaovana

  • Mifidy toerana honenana

  • Mitandrina mandrakariva ny fampanantenana nataony

  • Mijanona miaraka aminao amin’ny fotoan-tsarotra

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza amin’ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Nahoana no manampy anao eo amin’ny fiainanao ny fananana olona azonao atokisana?

Makà fotoana kely handinihana hoe hatraiza ny fahaatokinao ny Ray any An-danitra sy ny fahatokianao an’i Jesoa Kristy. Mino ve ianao fa hitana ny fampanantenana nataony aminao Izy Ireo? Mino ve ianao fa hiaraka aminao mandritra ny fotoan-tsarotra Izy Ireo? Hatoky Azy ireo ve ianao ka hamela Azy Ireo hitarika anao isan’andro? Nahoana na nahoana no tsia? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mitadiava tantara afaka manampy anao hampitombo ny fahatokianao fa hanatanteraka ny fampanantenan’ Izy Ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miezaka ny hanompo Azy Ireo ianao.

Niverina tao Jerosalema i Paoly

Taorian’ny dia fitoriana fahatelo nataony dia niverina tany Jerosalema mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy i Paoly. Notaritaritin’ny Jiosy maromaro te hamono azy hiala ny tempoly izy, saingy novonjen’ny miaramila Romana. Nentina teo amin’ny zana-tohatry ny lapa Antonia izy ary navela hiteny (jereo ny Asan’ny Apostoly 21). Nijoro ho vavolombelona momba ny fiovam-pony ao amin’i Jesoa Kristy sy ny torolalan’ny Mpamonjy mba hitory amin’ny Jentilisa i Paoly. Tezitra indray ny Jiosy ary naverina tany amin’ny lapa i Paoly mba hiarovana azy (jereo ny Asan’ny Apostoly 22; 23:1–10).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 23:11; ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy nataony ho an’i Paoly. Ankoatra izany dia azonao jerena ilay horonantsary hoe “Matokia” (1:32), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra nolazainy sy nataony tao amin’io andinin-tsoratra masina io?

  • Oviana ny Mpamonjy no nampiseho ny iray amin’ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao?

Ny fampanantenan’ny Mpamonjy

Ny zavatra niainan’i Paoly dia ohatra iray mampiseho ny Mpamonjy nanatanteraka ny fampanantenany fa hiaraka amin’ireo Apôstôly Izy rehefa hitory ny filazantsara izy ireo (jereo ny Matio 28:19–20).

1. Ataovy ireto manaraka ireto:

Mamoròna tabilao toy ity eto ambany ity ao amin’ny diary fandalinanao. Tanisao mandritra ity lesona ity ny fampanantenan’ny Tompo eo amin’ny ilany havian’ny tabilao ary ny fahatanterahan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny ilany havanana.

Fampanantenana

Fahatanterahan’ireo fampanantenana

Fampanantenana

Niaraka amin’ireo Apôstôly i Jesoa rehefa nitory ny filazantsara izy ireo (jereo ny Matio 28:19–20).

Nijoro ho vavolombelona tany Roma i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11).

Fahatanterahan’ireo fampanantenana

Rehefa avy nitory i Paoly dia nanatona azy tao amin’ny lapa i Jesoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11).

Nanao fampanantenana fanampiny tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy.

Vakio ny Matio 10:18–20 sy ny Marka 16:17–18. Karohy ireo fampanantenana nataon’ny Mpamonjy ary soraty eo amin’ny tsanganana an-kavian’ny tabilaonao izany.

  • Inona no ampianarin’ireo fampanantenana ireo anao momba an’i Jesoa Kristy?

Nanohy nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy i Paoly

Vakio ireto famintinana manaraka ireto dia saintsaino ny zavatra mety ho tsapanao raha ianao no teo amin’ny toeran’i Paoly. Avy eo dia vakio ireo andininy voatanisa isaky ny toe-javatra tsirairay mba hahitana ny zavatra nataon’i Paoly sy ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo. Ampidiro eo amin’ny ilany havanan’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao ireo fampanantenana tanteraka izay hitanao.

  1. Notsaraina teo anatrehan’ireo governora sy mpanjaka Romana i Paoly; Asan’ny Apostoly 26:1–2, 22–23.

  2. Nalefa tao anaty sambo nankany Roma i Paoly, nefa tratran’ny tafio-drivotra mahery izay nanambana ny handrendrika azy ireo; Asan’ny Apostoly 27:22, 25, 41, 44.

  3. Tafahitsoka teo amin’ny nosy iray i Paoly, ary tany dia nisy bibilava nanaikitra azy; Asan’ny Apostoly 28:4–6.

  4. Tonga tany Roma ihany i Paoly tamin’ny farany; Asan’ny Apostoly 28:16, 30–31.

Hianatra bebe kokoa mikasika ireo tantara ireo ianao ao amin’ireo lesona manaraka.

  • Inona avy ireo fampanantenana hitanao fa tanteraka?

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny fanatanterahan’i Jesoa Kristy ny fampanantenany?

  • Ahoana ny fiantraikan’ny fahafahafantarana hoe, ny Mpamonjy dia mitana ny fampanantenany, eo amin’ireo zavatra tsapanao momba Azy sy ny fanirianao hihaino sy hanaraka Azy?

Na dia manasa antsika hiezaka hanompo Azy aza Andriamanitra, dia tsy manantena antsika ho lavorary izy vao hanatanteraka ny fampanantenana nomeny antsika. Na dia niaina fanamby maro aza i Paoly (jereo ny 2 Korintiana 11:23–27) sady tsy tonga lafatra (jereo ny 1 Timoty 1:15), dia mbola nanatanteraka ny fampanantenany tamin’i Paoly ihany Andriamanitra.

Fahatanterahan’ny fampanantenana eo amin’ny fiainanao

Eritrereto ireo fampanantenana nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy taminao.

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Tsy voaisa na voafaritra tanteraka ireo fampanantenana sady soa no lehibe indrindra izay atolotry ny Ray any An-danitra ny zanany. Saingy na dia [ilay] lisitra misy ny ampahany amin’ireo fitahiana nampanantenaina notanisaiko teo aza … dia tokony “hahagaga” antsika tsirairay sy “hampandohalika antsika tsirairay ka hitsaoka ny Ray” amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.

(David A. Bednar, “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra,” Liahona, nôv. 2017, 91)

Ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto dia ahitana ireo fampanantenana nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamintsika.

Misafidiana amin’ireo loharano ireo mba hohalalinina. Rehefa mahita fampanantenana ianao dia ampidiro eo amin’ny ilany havian’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao izany.

  • Inona no zavatra ampianarin’ireo fampanantenana ireo anao momba ireo zavatra irin’ny Mpamonjy ho anao?

Jereo ny lisitry ny fampanantenana hitanao. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fomba mety nanatanterahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fampanantenana ireo teo amin’ny fiainanao ianao. Ampidiro eo amin’ny tsanganana an-kavanan’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao ny famaritana fohy momba ny fomba nanatanterahan’ Izy Ireo ny iray na maromaro amin’ireo fampanantenana ireo na izay mety ho fampanantenana fanampiny eritreretinao. Ohatra, ny fahatsapana ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia mety ho fahatanterahan’ireo fampanantenana natao tao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2). Azonao atao koa ny manoratra ny fomba nanatanterahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny fampanantenan’ Izy Ireo tamin’ny olona iray fantatrao.

Saintsaino ny fomba ahafahan’ireo ohatra ireo mampitombo ny fahatokianao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia hanatanteraka ny fampanantenan’ Izy Ireo amin’ny ho avy.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana isika no tokony hametraka ny fitokisantsika amin’ny Tompo?

Nanazava ny Loholona Stanley G. Ellis tao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Stanley G. Ellis. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Ry rahalahy sy anabavy, afaka manana ny finoana mba hatoky Azy isika! Tiany hahazo izay mahasoa antsika indrindra isika (jereo ny Mosesy 1:39). Hamaly ny vavaka ataontsika Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:10). Hitazona ny fampanantenany Izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Manana ny hery hanatanterahana ireo fampanantenany ireo Izy (jereo ny Almà 37:16). Mahafantatra ny zava-drehetra Izy! Ary ny tena manan-danja indrindra, dia mahafantatra ny tsara indrindra Izy (jereo ny Isaia 55:8–9).

(Stanley G. Ellis, “Matoky Azy ve isika? Tsara ny zavatra sarotra,” Liahona, nôv. 2017, 114).

Nahoana aho no te hiezaka hanompo an’ Andriamanitra?

Nanazava ny Rahavavy Elaine L. Jack, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:

Sary
Sarin’i Elaine L. Jack, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana nanomboka tamin’ny 1990 hatramin’ny 1997.

Fony aho reny mbola tanora dia tsaroako ny nilazako tamin’i Gordon zanako faralahy an’izao, rehefa nianjera teo amin’ny bisikiletany izy ka tsy tojo faharatrana lohalika fotsiny fa tojo fahaverezan’ny fahatokian-tenany ihany koa: “Eto aho.” Hoy aho rehefa namihina azy mba hampionona azy hoe: “Eto aho.” Moa ve izany tsy mampahatsiahy antsika ny Tompo, izay momba antsika mandrakariva? (jereo ny Matio 28:20) Tsy rehefa any am-piangonana, na any amin’ny tempoly, na rehefa mandohalika eo am-pandriantsika ihany isika vao eo Izy. Eo Izy rehefa miaina araka ny fampianarany isika.

(Elaine L. Jack, “Ponder the Path of Thy Feet,” Liahona, nôv. 1993, 100)

Asan’ny Apostoly 23:11. Ny Tompo dia nahafantatra ny fahafoizan-tena nataon’i Paoly sy ny fisedrana niainany, ary niaraka taminy Izy. Hanao toy izany amiko koa ve Izy?

Nampianatra ny Rahavavy Sharon Eubank, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Sharon Eubank. Sary nalaina tamin’ny 2017.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tiana ianareo. Fantatry ny Tompo hoe tena miezaka mafy ianareo. Mivoatra ianareo. Mandrosoa hatrany. Hitany ireo fahafoizan-tena mangingina rehetra ataonareo ary manisa izany mba ho soa ho anareo sy ho an’ireo olon-tianareo Izy. Tsy very maina ny asanareo. Tsy irery ianareo. Ilay anarany mihitsy, Imanoela, dia midika hoe “Amintsika Andriamanitra.” Azo antoka fa miaraka aminareo Izy.

(Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 75–76)

Ahoana no ahafahako mahatakatra tsara kokoa ireo zava-nitranga ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–23, 26–28?

Jereo ny horoan-tsary “Fizarana 63: i Paoly mamita ny misionany” (2:32), ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy