Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 16


Famerenana fifehezana fotopampianarana 16

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Reny sy zatovovavy any Nouvelle-Zélande miaraka mipetraka mamaky soratra masina. Sarina vehivavy eo am-pisaintsainana ihany koa.

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ny zavatra izay nampianarina tao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja sasany ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Inona no mety ho antony hanaovanao tsianjery ny sasany amin’ireto manaraka ireto: tononkira, fandaharam-potoana, na zava-misy momba ny mpilalao ara-panatanjahantena na mpanakanto?

  • Inona avy ohatra ireo zavatra hafa ataonao tsianjery? Nahoana izy ireny no ataonao tsianjery?

  • Inona avy ireo antony izay tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, na jereo ny horonan-tsary “He Lives,” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 5:27 ka hatramin’ny 6:05. Mitadiava fitahiana telo farafahakeliny izay azon’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina atolotra antsika.

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Manoro hevitra anao aho mbahanao tsianjery ireo soratra masina izay manohina ny fonao ary mameno ny fanahinao amin’ny fahatakarana. Rehefa ampiasaina araka izay nahatonga ny Tompo hirakitra izany ny soratra masina, dia manana hery anaty izay tsy voampita rehefa ambara amin’ny teny hafa izany. Indraindray rehefa misy zava-dehibe ilaiko eo amin’ny fiainako, dia mamerina an-tsaina ireo andinin-tsoratra masina izay efa nanome hery ahy aho. Misy fampiononana, sy tari-dalana, ary hery lehibe mikoriana avy ao amin’ny soratra masina, indrindra fa ireo teny izay nolazain’ny Tompo.

(Richard G. Scott, “He Lives,” Ensign, Nov. 1999, 87–88)

  • Inona avy ireo fitahiana sasany izay azonao avy tamin’ny fitadidiana soratra masina na andian-teny manan-danja avy ao amin’ny soratra masina?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitadidiana ny tenin’ny Tompo izay voarakitra ao amin’ny soratra masina nanampy anao mba hahatsapa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Karatra fitadidiana

Fomba iray ahafahana mitadidy ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ny fampiasana karatra fitadidiana. Mba hamoronana karatra fitadidiana, dia aforeto roa ny taratasy tsy misy soratra ary aforeto eo amin’ny fisasahany, avy eo aforeto indray eo amin’ny fisasahany mba hamoronana fizarana efatra. Velaro ny taratasy, ary tapaho ireo tsipika miforitra mba hahazoana karatra efatra.

Soraty eo amin’ny lafiny iray amin’ny karatra tsirairay avy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Soraty amin’ny lafiny iray hafa indray ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Toko sy andininy

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Toko sy andininy

Efesiana 1:10

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Toko sy andininy

Efesiana 2:19–20

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

Toko sy andininy

2 Tesaloniana 2:1–3

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho tonga […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

Toko sy andininy

2 Timoty 3:15–17

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Aoka ianao ho tia mamorona mba hanampy anao hitadidy. Misafidiana iray amin’ireto hevitra manaraka ireto na mitadiava hevitra ho anao manokana.

  • Mametraha andiam-panontaniana ho anao manokana: Tazony ireo karatra fitadidiana mba hahitanao hatrany ireo andinin-tsoratra masina na andian-teny manan-danja. Manandrama milaza fehezan-teny manan-danja na andinin-tsoratra masina izay mifanaraka amin’izany. Avereno im-betsaka ny andinin-tsoratra masina tsirairay sy ny andian-teny izay mifanaraka amin’izany.

  • Famerenan-dahatsoratra: Manorata andinin-tsoratra masina iray amin’ny namanao ao amin’ny kilasin’ny seminera ary jereo hoe iza no hamaly ilay hafatra miaraka amin’ny andian-teny manan-danja marina.

  • Sahanasa fampifanarahana: Miaraha miasa amin’ny mpiara-mianatra na olona iray avy amin’ny fianakaviana. Manasà olona iray hametraka ny karatr’izy ireo ka izay misy andinin-tsoratra masina no eo ambony ary olona iray hafa hametraka ny karatr’izy ireo ka izay misy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina no eo ambony. Ampifanaraho amin’ilay andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina mifanandrify azy ny andinin-tsoratra masina amin’ny alalan’ny fametrahana ilay karatra misy ny andian-teny manan-danja eo ambonin’ilay karatra izay misy ny andinin-tsoratra masina.

  • Ampiasao ny application: Mampiasà application fifehezana fotopampianarana hanampy anao hitadidy.

1. Ento any amin’ny fianarana mivantana fanao isan-kerinandro ny karatra fitadidianao mba hozaraina amin’ny mpampianatra anao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

Misafidiana anankiray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Nahoana ianao no maniry ny hitadidy io andalan-tsoratra masina na io andian-teny manan-danja io?

  • Ahoana no mety hanampian’izany mba hampiorom-paka bebe kokoa ny fahatakaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany?

Hamoaka printy