Asan’ny Apostoly 27–28
Araho ny Mpaminany
Rehefa avy nenjehina sy nampijaliana ary nogadraina noho ny tsy rariny tany Jerosalema sy Kaisaria ny Apôstôly Paoly, dia nangataka ny hampakatra ny raharahany teo anatrehan’i Kaisara tany Roma izy. Nony teny an-dalana nankany Roma i Paoly dia nisedra tafio-drivotra mahery sy fahasimban’ny sambo ary zava-tsarotra hafa izy sy ireo olona niaraka taminy. Nanoloana ireo toe-java-niseho ireo, dia nanome torohevitra sy fampitandremana notaomim-panahy i Paoly mba hiarovana ny rehetra. Ity lesona ity dia natao mba hanampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany.
Manaraka ny mpaminany
Vakio ireto fanambarana manaraka ireto momba ny torohevitra na fampitandremana ara-paminaniana avy ao amin’ilay kiboky Ho zatovo mahery! (2011).
“Manehoa fitiavana isan’andro ho an’ny fianakavianao” (pejy 14).
“Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny fianarana mba hanampiana anao hitovy kokoa Aminy. … Ny fahalalana azonao dia ho sarobidy aminao mandritra ny fiainana an-tany sy any amin’ny fiainana ho avy” (pejy 9).
“Aza manatrika, na mijery, na mandray anjara amin’izay zavatra ambany, na tsy mendrika, na feno herisetra, na mahakasika ny pôrnôgrafia na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana” (pejy 11).
“Raha mamporisika anao hanao zavatra ratsy ireo namanao dia aoka ianao mba ho ilay iray izay mijoro amin’ny tsara, na dia mijoro irery aza ianao” (pejy 16).
-
Inona no toetra hitanao fa miavaka asehon’ireo olona mikasika ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany?
-
Nahoana no mety hisafidy ny tsy hihaino ny torohevitr’ireo mpaminany ny zatovo sasany?
-
Inona no mety ho vokatra ateraky ny tsy fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany?
Saintsaino ny fomba hamalianao manokana ny torohevitra sy ny tari-dalan’ny mpaminany. Rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 27, ianao dia katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahazoana fahatsapana izay afaka manampy amin’ny fanamafisana ny fanoloran-tenanao hanaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminanin’ny Tompo.
Ny torohevitra ara-paminaniana nataon’i Paoly
Nony teny an-dalana ho any Roma hampakatra ny raharahany teo anatrehan’i Kaisara i Paoly, dia nanome torohevitra sy fampitandremana ireo mpandeha izy mba tsy ho azon-doza amin’ny dian’izy ireo.
Ny dian’i Paoly nankany Roma
Nitondra an’i Paoly sy ireo voafonja hafa tao anaty sambo nisy olona 300 teo ho eo ireo miaramila Romana. Niadana sy sarotra ary nampidi-doza ny dian’izy ireo satria nandritra ny faramparan’ny fararano izay fisehoan’ny tafio-drivotra mahery vaika matetika. Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:9–13. |
Nandritra ny tafio-drivotra nahatsiravina iray, dia niezaka nanamboatra ilay sambo sy nanamaivana ny entana izy ireo. Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:20–26. |
Taorian’ny 14 andro izay nisehoan’ilay tafio-drivotra mahery vaika, dia nanao fanandramana nampatahotra hanatona ny tanety izy ireo. Nalatsak’ireo tantsambo ny vatofantsika ary naniry ny handao ilay sambo izy ireo satria noheverin’izy ireo fa hiankapoka tamin’ny vato izany. Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:30–36. |
Rehefa avy nohamaivanina kokoa ny sambo, dia niezaka nampiantsona ilay sambo izy ireo. Vakio ny Asan’ny Apostoly 27:41–44. |
-
Ahoana araka ny hevitrao no fihetsika mety ho nasetrinao ny fampianaran’i Paoly raha tao anatin’ilay sambo ianao? Nahoana?
-
Inona no fahamarinana nianaranao avy tamin’ny zavatra izay nohalalininao?
-
Inona ny zavatra fantatrao momba ireo mpaminany ka mahatonga anao hatoky ny toroheviny sy ireo fampianarany?
Nampianatra ny Tompo fa amin’ny alalan’ny mpaminany no handrenesantsika ny feony (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37–38) ary matetika ny fampitandremany dia ho avy amin’ny alalan’ireo mpaminany izay nofinidiny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:1–4). amin’izao androntsika izao, dia manohana ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara isika. Makà fotoana hisaintsainana ny antony hifandraisan’ny Tompo amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminany sy ny asehon’izany momba ny fitiavany antsika.
-
Inona ny zavatra izay nianaranao momba ny Tompo avy tamin’ny torohevitra sy ireo fampitandremana izay nomeny tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny?
-
Inona avy ireo zavatra niainanao na niainan’ny olom-pantatrao hafa mikasika ny fisafidianana na hanaraka na tsy hiraharaha ny torohevitra avy amin’ny mpaminany?
Makà minitra maromaro hitadiavana sy hianarana ireo torohevitra na fampitandremana izay nomen’ny Tompo antsika vao haingana tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny. Mety ho anisan’ny toerana hitadiavana izany ireo lahateny tamin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na ny gazetiboky Ho zatovo mahery! , na ny kiboky Ho zatovo mahery! . Azonao ampidirina ireo teny avy tamin’ireo mpaminany izay nomena teny am-piandohan’ny lesona.
Manaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany eo amin’ny fiainanao
-
Inona avy ireo antony sasany mahatonga anao ho feno fankasitrahana noho ireo torohevitra sy fampitandremana avy amin’ny mpaminany eo amin’ny fiainanao?
Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hamantatra ireo fomba nanehoan’ny Tompo fa faly Izy amin’ny fankatoavanao ireo mpaminaniny, sy ireo fomba izay mety hamporisihany anao hivoatra koa. Soraty ireo eritreritra sy fahatsapana izay tonga ao an-tsaina, dia manolora tena hanaraka izany. Mety hanampy ny mizara ny fahatsapanao amin’ny olona iray izay akaiky anao ao amin’ny fianakavianao na mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azo itokisana ary asao izy ireo mba hanampy anao hanaraka ireo fahatsapanao ireo.
Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
Inona no fiantraikan’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany amiko?
Nampianatra an’izao manaraka izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
Ny fisafidianana ny tsy handray ireo torohevitry ny mpaminany dia manova tanteraka ny faritra ijoroantsika. Lasa mampidi-doza kokoa izany. Ny tsy fanekena ny torohevitra avy amin’ny mpaminany dia mampihena ny herintsika handray torohevitra nentanim-panahy amin’ny hoavy. Ny fotoana tsara indrindra nanapahana hevitra ny hanampy an’i Noa hanamboatra ilay sambofiara dia tamin’ny fotoana voalohany nangatahany izany. Isaky ny nangataka izy taorian’izay, dia ho nampihena ny fahatsapana ny Fanahy ny tsy famaliana azy tamin’izany. Ka noho izany dia ho toy ny niha-adaladala kokoa ny fangatahana izay nataony isak’izay mandeha, mandrapahatongan’ny orana. Avy eo dia ho efa tara loatra izany.
Isak’izay nisafidy ny hanemotra ny fanarahako ireo torohevitra nentanim-panahy teo amin’ny fiainako aho, na nanapa-kevitra fa naningana tamin’ny rehetra ny tenako, dia fantatro fa nampidi-doza ny tenako aho izay. Isaky ny nihaino ny torohevitr’ireo mpaminany aho, sy nahatsapa izany tamin’ny alalan’ny vavaka, ary avy eo nanaraka izany, dia hitako fa nizotra nankany amin’ny toerana azo antoka aho.
(Henry B. Eyring, “Finding Safety in Counsel,” Ensign, Mey 1997, 25)
Satria tsara fanahy ny Tompo, dia niantso mpanompo izy mba hampitandrina ny olona amin’ny loza. Izany antso mba hampitandrina izany dia mihamafy sy mihamanan-danja satria ireo fampitandremana manan-danja indrindra dia mikasika ireo loza izay tsy mbola eritreretin’ny olona akory hoe tena misy.
(Henry B. Eyring, “A Voice of Warning,” Ensign, Nov. 1998, 32)
Asan’ny Apostoly 27:9. Inona no dikan’ny hoe “efa lasa sahady ny fifadian-kanina”?
“Ny fifadian-kanina” eto angamba dia manondro ilay andro masin’ny Jiosy izay nantsoina hoe andron’ny Sorompanavotana, izay nanamarika ny fiantombohan’ny vanim-potoana izay noheverina fa nampidi-doza ny fandehanana teny amin’ny Ranomasina Mediteraneanina noho ny tafio-drivotra mahery vaika nandritra izany. Matetika ny andron’ny Sorompanavotana dia natao tamin’ny faran’ny volana septambra na fiandohan’ny volana ôktôbra.
Asan’ny Apostoly 27:28. Hatraiza ny “fathom” iray?
Ny “refy” dia ny halaviran’ny elenelana misy eo amin’ny rantsantanana lava indrindra amin’ny tanana iray ka hatramin’ny rantsantanana lava indrindra amin’ny tanana ilany rehefa mihinjitra ny sandry. Ny “refy” iray dia mirefy efatra hakiho eo ho eo.