Seminera
Tombano ny fianaranao 7


Tombano ny fianaranao 7

Asan’ny Apostoly 1–28

Sary
Zatovovavy miala voly ao Ghana

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombana ireo tanjona izay napetrakao, ny fianarana ary ny fivoarana izay nisy taminao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

Afaka miova ve ny olona?

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao anankiray milaza aminao fa misy zavatra tiany hovaina momba ny tenany, mieritreritra anefa izy fa tsy afaka manao ireo fiovana ireo.

  • Inona no havalinao?

  • Ahoana no fiantraikan’ny fahafantarana fa afaka miova tokoa ianao amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Saintsaino ireo tantara izay avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay maneho ny fomba ahafahan’ny olona miova ho amin’ny tsara kokoa sy ho tonga mpianatr’i Kristy rehefa manatona Azy.

Raha ilaina, dia avereno jerena ny iray na maromaro amin’ireto ohatra manaraka ireto.

  1. Olona niditra ho mpikamban’ny Fiangonana: Asan’ny Apostoly 2:14, 36–47

  2. Ilay ionoka Etiopiana: Asan’ny Apostoly 8:26–40

  3. Saoly (izay lasa Paoly): Asan’ny Apostoly 9:1–22

  4. Kornelio: Asan’ny Apostoly 10:1–8, 24–25, 44–48

  5. Ilay mpiambina tranomaizina izay niambina an’i Paoly sy i Silasy: Asan’ny Apostoly 16:25–36

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity manaraka ity:

Ampiasao ny iray amin’ireto ohatra ireto na ny iray hafa avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, dia manomana valin-teny ho an’ny namanao izay tsy mino fa afaka miova izy. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  • Porofon’ny fiovan’ny olona na vahoaka iray noho ny fanampian’ny Mpamonjy.

  • Ny fomba nanampian’ny Mpamonjy sy ireo mpanompony izay nirahiny tamin’ny fiovam-po.

  • Inona ny zavatra izay nataon’ilay olona mba hatokisany ny Tompo sy ny mpanompony.

Fiovam-ponao ho an’i Jesoa Kristy

Saintsaino ny fiovam-ponao manokana ho an’i Jesoa Kristy. Eritrereto ireo fanasana hiova na hivoatra izay tsapanao avy tamin’ny Tompo rehefa nandalina ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ianao. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy izay mandrisika anao hitia sy hanaraka Azy bebe kokoa?

  • Tao anatin’ny iray volana teo ho eo, dia inona avy ireo fiovana izay tsapanao fa tokony namporisihan’ny Fanahy Masina mba ho ataonao? Ahoana no nasetrinao izany?

  • Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao noho ny ezaka izay nataonao? Inona ny zavatra izay nataonao ka nahatonga ny fiovana lehibe indrindra?

  • Inona, raha misy, no nananosarotra ny fanekena ny fanasana hiova sy hivoatra? Ahoana ny fomba ahafahanao mikatsaka fanampiana fanampiny avy amin’ny Ray any An-danitra?

Tohizo ny mikatsaka ny fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mandalina ity lesona ity ianao. Ezaho fantarina ny zavatra izay tiany hataonao mba hiova sy hiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. Misafidiana anankiray amin’ireto sahanasa izay hatao manaraka ireto rehefa misaintsaina ny fomba ahafahana manatona bebe kokoa an’i Kristy ianao.

2. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sahanasa A na B.

Sahanasa A: Ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia olona maro no nahazo fanampiana avy any an-danitra mba hiova sy hanatona bebe kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara.

Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina dia manazava ny fomba hanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansy ireo antsika mba hiova fo amin’i Jesoa Kristy.

Ny fibebahana, ny batisa ho famelana ny fahotana, ny fandraisana ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, ary ny finoana tsy miova ho an’i Jesoa Kristy Tompo no mahatanteraka ny fiovam-po. Ny olona araka ny nofo dia hovana ho olom-baovao izay nohamasinina sy madio, nateraka indray tao amin’i Kristy Jesoa (2 Korintianina 5:17; Môzià 3:19).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fiovam-po, Niova fo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Saintsaino ilay tantara izay nosafidianao ka mampiseho olona iray izay niova noho ny fanampian’ny Tompo.

Eritrereto ny valinteny izay homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no anjara asan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara tamin’ny fiovam-pon’izy ireo?

  • Ahoana ny fomba nanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara ireo anao na ny hafa mba hiova fo bebe kokoa ho an’ny Mpamonjy?

Alaivo sary an-tsaina hoe mangataka fanampiana aminao ho an’ny olona izay ampianariny ireo misiônera eo an-toerana. Tian’izy ireo ianao mba hizara ny fomba ahafahan’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara manampy mba hanamafy orina ny fiovam-po amin’i Jesoa Kristy sy hanasa Azy hanampy hanatanterahana ireo fiovana ilaina atao eo amin’ny fiainantsika. Manorata fanazavana ho an’io olona io ary ataovy toy ny hoe miresaka mivantana aminy mihitsy ianao. Mampiasà ohatra iray farafahakeliny avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly sy momba ny zavatra niainanao manokana ka heverinao fa mahasoa.

Sahanasa B: Fandalinana ny soratra masina sy ny fiovam-po

Ny zavatra anankiray manan-danja azontsika atao mba hanamafisana ny fiovam-pontsika amin’i Jesoa Kristy dia ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina. Eritrereto ny fomba hanehoan’ireto tantara manaraka nalaina avy tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ireto ny maha zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fiovam-po.

Saintsaino ny fanampiana nentin’ny fandalinana ny soratra masina teo amin’ny fiovam-ponao ho amin’ny Mpamonjy.

Alaivo sary an-tsaina hoe nangataka anao ny mpitarika ny Zatovolahy na ny Zatovovavy mba hanampy ireo zatovo ao amin’ny paroasy na sampana misy anao handalina ny soratra masina sy hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy. Inona no loharanom-pahalalana azonao foronina mba hanentanana azy ireo? Makà minitra vitsivitsy hamolavolana ireo loharanom-pahalalana ao anaty diary fandalinanao. Mety ho horonan-tsary, lahatsoratra, lahateny, tranonkala, na loharanom-pahalalana hafa.

Ny loharanom-pahalalana dia mety hahitana ny iray amin’ireto manaraka ireto:

  • Ohatra iray avy amin’ny Asan’ny Apostoly na boky ara-tsoratra masina iray hafa izay mampiseho ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny soratra masina.

  • Ohatra iray na maodely momba ny fahaiza-manao ara-tsoratra masina izay ampiasainao ka afaka manampy anao, na famaritana ny fomba fandalinanao.

  • Famaritana ny zavatra anankiray izay niainana ka nahafahan’ny fandalinana soratra masina nanampy anao na ny olona iray izay fantatrao hiova fo bebe kokoa amin’ny Mpamonjy.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny herin’ny fandalinana ny soratra masina.

Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa manoratra ny fihetsika izay tsapanao fa tokony hatao mba hampiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. Hanampy anao ny Mpamonjy rehefa miezaka manaraka ireo fahatsapana ireo ianao. Zarao amin’ny ray aman-dreny na amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azo itokisana ny fahatsapanao. Angataho izy ireo hanampy anao hanao asa araka ireo fahatsapana ireo.

Hamoaka printy