Seminera
Romana 1


Romana 1

“Tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho”

Sary
Zatovolahy manao solomaso mipetraka eo an-tokontany sady mamaky soratra masina. (horiz)

Na ho ela na ho haingana, dia mila mijoro amin’ny zavatra inoantsika isika. Raha niresaka tamin’ireo Olomasina nipetraka tany Roma i Paoly dia nanambara fa “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy” izy (Romana 1:16). Porofon’izany ny fahavononany hizara ny hafatry ny filazantsara. Ity lesona ity dia afaka manampy anao tsy ho menatra ny ho fantatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao.

Inona no zavatra efa fantatrao?

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namanao iray izay avy amin’ny finoana Kristiana hafa momba ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao any amin’ny seminera ianao. Milaza aminao izy fa tiany ny Testamenta Vaovao saingy sahirana izy manakatra ireo Epistily indraindray. Manontany anao izay fantatrao momba izany izy. Valio ity andiam-panontaniana manaraka ity mba hijerena hoe hatraiza ny fahafahanao mamaly azy.

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famaliana ilay andiam-panontaniana. Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.

  1. Inona no atao hoe Epistily?

    1. Filazana ofisialin’ny Fiangonana ataon’ny mpaminany

    2. Lahateny ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay nangonina nandritra ny taona maro

    3. Taratasy isan-karazany nosoratan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ho an’ny Olomasina

  2. Iza no nomem-boninahitra tamin’ny fanoratana ny 14 amin’ireo epistily 21 tafiditra ao amin’ny Testamenta Vaovao?

    1. Petera

    2. Paoly

    3. Lioka

  3. Ahoana no nandaminana ny Epistily 13 voalohany?

    1. Milahatra araka ny vanim-potoana (tamin’ny fotoana nanoratana azy ireo)

    2. Araka ny maha-zava-dehibe

    3. Araka ny halavany

  4. Iza avy ireo mpanoratra hafa an’ireo Epistily?

    1. Jakoba, Petera, Jaona, ary Joda

    2. Jakoba, Petera, Jaona, ary Stefana

    3. Jakoba, Petera, Jaona, ary Timoty

Ny Epistily ho an’ny Romana

Ny bokin’ny Romana dia epistily, na taratasy, izay nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ireo Olomasina tany Roma taloha kelin’ny fiafaran’ny dia fitoriana nataony. Roma—renivohitry ny Fanjakana Romana—dia feno haifotokevitra araka izao tontolo izao ary toerana sarotra hitoriana sy hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nosoratan’i Paoly ho an’ireo Olomasina Romana izany mba hanamafisan’izy ireo orina ny finoany, hanomanana azy ireo amin’ny fahatongavany, hanazavany sy hiarovany ny fampianarany, ary hamporisihany ireo mpikamban’ny Fiangonana Jiosy sy Jentilisa mba hiray hina.

Rehefa mandalina ny Romana 1, ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka mankahery anao rehefa miezaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy ianao.

Tsy menatra aho

Jereo ny “Preparation of Joseph F. Smith: True Blue, Through and Through (Fiomanan’i Joseph F. Smith: Mahatoky tanteraka)” (1:31) hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ity tantara ity dia hita koa ao amin’ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph F. Smith [1998], 104.

Vakio ny Romana 1:15–17, ka tadiavo ny zavatra mampitovy ny Filoha Joseph F. Smith sy i Paoly. Asio marika ireo teny na andian-teny hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo.

Mety efa nasianao marika ireo teny hoe “Tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy aho” ao amin’ny Romana 1:16ianao.

  • Avy amin’izay nianaranao momba an’i Paoly tao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly, ahoana no nanehoany fa tsy menatra ny ho fantatra ho Kristianina izy?

  • Inona avy ireo toe-javatra mety atrehan’ny tanora ankehitriny ka ilaina azy ireo hijoro sy tsy ho menatra ny filazantsaran’i Kristy?

Fantatr’i Paoly fa toerana sarotra hiainana sy hitoriana ny filazantsara ao Roma. Niatrika fanoheran’ireo tsy nahatakatra na nandà ny fampianarany koa izy. Na dia izany aza, dia nazoto nankany Roma i Paoly ary nitory tany mba hitondrana ny hafa ho ao amin’i Kristy (jereo ny Romana 1:15).

Eritrereto ireo zavatra niainanao izay nahafahanao nijoro na nizara ny finoanao an’i Jesoa Kristy tahaka an’i Paoly. Manaova lisitra fohy ao amin’ny diarinao. Ampidiro ao anatin’izany ny eritreritrao sy ny fahatsapanao mikasika ny halehiben’ny fanirianao hizara ny finoanao amin’ireo toe-javatra ireo.

  • Nahoana no mety ho menatra amin’ny fahafantarana azy ho Kristianina ny tanora iray? Inona no azon’izy ireo atao raha manana izany eritreritra na fahatsapana izany izy ireo?

Ohatra ao amin’ny soratra masina sy ohatra maoderina

Avereno jerena ny roa amin’ireto ohatra manaraka momba ny olona izay tsy menatra nampahafantatra ny finoany ny Tompo ireto. Eritrereto ny toe-javatra nisy azy ireo, ary tadiavo ny fitoviana misy eo amin’ny fiainany sy ny fiainanao.

  • Rehefa mitsara anao ny hafa: Ilay vehivavy nanasa ny tongotr’i Jesoa tamin’ny ranomasony (Lioka 7:36–50)

  • Rehefa mila mijoro manoloana ny namanao ianao: Abinadia sy Almà (Môsià 13:1–9; 17:1–4; 18:1–3)

  • Rehefa mizara ny filazantsara ianao: Teren Bingham sy Brandon McEuen (“Same Jersey” [Mitovy fitafy] [5:01], ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no zavatra manaitra anao avy amin’ireo ohatra ireo?

  • Ahoana no fomba nanehoan’ireo olona ireo fa tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy izy ireo?

  • Iza no ohatra teo amin’ny fiainanao nampiseho fa tsy menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy? Ahoana no nanehoan’izy ireo ny finoany?

Milaza amintsika nyRomana 1:15–17 fa ny fientanentanan’i Paoly tamin’ny filazantsaran’i Kristy dia anisan’ny tonga tamin’ny alalan’ny fahatakarany fa “[ny filazantsara] no herin’ Andriamanitra ho famonjena” ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia naniry hizara izany amin’ny olona rehetra i Paoly satria fantany fa tsy misy olona ho voavonjy raha tsy misy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny roa amin’ireto lohahevitra manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no manampy anao tsy ho menatra Azy sy ny filazantsarany ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Na dia mety hisy aza ny fotoana iantsoana antsika hiaro ny finoantsika amin’ny fomba lehibe na mahatalanjona, ny ankamaroan’ny fotoana dia amin’ny fomba bitika sy tsotra no anehoana tsara indrindra ny finoantsika (jereo ny Almà 37:6–7). Mety ho toy ny ahoana ny endrika, na ny fandrenesana na ny fahatsapana ny hoe “tsy menatra ny filazantsaran’i Kristy” eo amin’ny fiainanao andavanandro?

  • Fenoy ity fehezan-teny manaraka ity: Tsy menatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho satria …

Ireto ny valiny (1) c; (2) b; (3) c; (4) a

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako amin’ny fomba mahazatra sy voajanahary?

Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Fantatro fa mahay mifandray kokoa amin’olona noho ny hafa ny sasany amintsika. Tsy maninona izany. Ny Tompo dia manao izay ahafahantsika tsirairay, araka ny fombantsika manokana, manasa ny hafa hanatona ary hahita sy hanatona ary hanampy. amin’izay Andriamanitra dia hanao ny asam-pamonjeny, ary hanatona sy hitoetraizy ireo.

Mamelà ahy hanolotra zavatra dimy azon’ny olon-drehetra atao mba handraisana anjara amin’ilay iraka lehibe nomen’ny Mpamonjy fanangonana an’i Isiraely.

  1. Manakaikeza an’ Andriamanitra. …

  2. Fenoy fitiavana ho an’ny hafa ny fonao. …

  3. Miezaha mandeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. …

  4. Zarao izay zavatra ao am-ponao. …

  5. Matokia ny Tompo fa hanao fahagagana Izy.

(Dieter F. Uchtdorf, “Sharing the Gospel in Normal and Natural Ways,” ChurchofJesusChrist.org)

Raha te hianatra bebe kokoa momba ireo sosokevitra ireo dia vakio ny lahatsoratra fohy nosoratan’ny Loholona Uchtdorf “Sharing the Gospel in Normal and Natural Waysao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy