Seminera
Romana 4–5


Romana 4–5

Finoana, asa, ary fahasoavana

Sary
Sarin’ny mpilalao an-tsehatra iray izay maneho an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo horonan-tsary momba ny Baiboly.

Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana dia nikatsaka ny hanampy ny Olomasina Romana hahatakatra ny fahasoavan’i Kristy i Paoly tamin’ny alalan’ny fampianarana mikasika ny fifandraisan’izany amin’ny finoana sy ny asa. Afaka manampy antsika hampitombo ny fahatakarantsika mikasika ny filantsika famelan-keloka sy famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ny fampianaran’i Paoly. Ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao sy ny fankasitrahanao ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Inona no hamonjy anao?

Alaivo sary an-tsaina hoe matin’ny hetaheta ianao any an-tany foana ka misy tavoahangy misy rano eny an-tampon’ny tendrombohitra iray tsy lavitra anao. Ahoana ny maha-zava-dehibe ny tsirairay amin’ireto manaraka ireto amin’ny fahavelomanao?

1. Soraty ity lahatsoratra manaraka ity ary manaova sary mitovitovy amin’ity iray ity ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  1. Ny finoanao fa afaka manavotra anao ilay rano

  2. Ny ezaka ataonao mba hahatongavana any amin’ilay rano

  3. Ilay rano

Sary
Tsipika maneho sarina lehilahy mandady ao an-tany foana mitady rano. Eo amin’ny sehatra ny masoandro sy ny raketa
  • Nahoana no ilay rano ihany no hany hanakana anao tsy ho matin’ny hetaheta?

  • Nahoana no tsy ampy ny finoana sy ny ezaka hahazoana ilay rano?

  • Amin’ny fomba ahoana no miara-miasa ny finoanao sy ny ezaka ataonao ary ilay rano?

Ity rafi-tantara ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fampianaran’i Paoly momba ny fifandraisan’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana amin’ny fanamarinana.

  • Ahoana no hamaritanao ny teny hoe finoana, asa, ary fahasoavana?

Mety hanampy ny mamerina ny famaritana ireo teny ireo ao amin’ny lesona momba ny Romana 2–3 na ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Nino ny Kristiana Jiosy sasany tamin’ny andron’i Paoly fa voavonjy noho ny asa nataony ho fankatoavana ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Niezaka nanitsy izany tsy fahatakarana izany i Paoly. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Romana 4:16 [ao amin’ny Romana 4:16, fanamarihana ambanin’ny pejya].

  • Inona no ampianarin’io andininy io mikasika ny fomba hanamarinana antsika, na hamelana ny fahotantsika?

Mampianatra i Paoly ao amin’io andininy io fa hamarinina amin’ny finoana sy amin’ny asa isika amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

f 2. Asio marika toy izao manaraka izao ny sary nataonao ary soraty eo ambanin’ny sary ny valin’ireo fanontaniana roa manaraka:

Soraty ny teny hoe finoana, asa, ary fahasoavana eo akaikin’ny andian-teny avy amin’ny sarinao izay mifanandrify amin’ny teny tsirairay.

  • Inona no azonao ianarana avy amin’io fanoharana momba ny finoana sy ny asa io?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ny fahasoavan’ny Mpamonjy?

Mahatakatra bebe kokoa momba ny fahasoavan’i Jesoa Kristy

Mahatonga antsika ho afaka hohamarinina ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, na ho voavela amin’ny fahotantsika, ary mitahy antsika amin’ny fomba hafa ihany koa izany. Tsy vitan’ny hoe manome ny rano manavotra aina fotsiny i Jesoa Kristy, fa manamafy ny finoantsika sy ny ezaka ataontsika koa Izy mba hahafahantsika mahazo ilay rano. Afaka mahazo ny fahasoavany isika mialoha sy mandritra ary aorian’ny hanehoantsika finoana an’i Jesoa Kristy sy hanatanterahantsika asa tsara.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Mandritra ny androm-piainantsika, dia manolotra fitahiana ara-nofo sy fanomezana ara-panahy ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay manitatra ny fahafahantsika manao zavatra sy manatsara ny fiainantsika. Manadio antsika ny fahasoavany. Manampy antsika ho tonga ilay tsara indrindra vitantsika ny fahasoavany.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 108)

  • Ahoana no ahafahan’ny fahasoavan’ny Mpamonjy manampy anao ho tonga ilay tena tsara indrindra ao aminao?

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo fitahiana hafa mifandray amin’ny fahasoavan’ny Mpamonjy.

  • Inona no fitahiana fanampiny azo avy amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fahasoavany?

  • Oviana ianao no niaina ny fahasoavan’ny Mpamonjy teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no fiantraikan’izany amin’ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy?

Manasa ny fahasoavan’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainanao

Ny Filoha Uchtdorf dia nanome izao hevi-baovao izao mikasika ny fomba ahafahanao mandray bebe kokoa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Fanomezan’ Andriamanitra ny famindrampo, ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho amin’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any an-danitra io isika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 110)

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao rehefa mieritreritra ny fiantraikan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao ianao?

  • Inona no azonao atao mba hanasana feno kokoa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahantsika manaiky fa ilaintsika fahasoavana?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nametraka ireto fanontaniana manaraka ireto momba ny filantsika ny fahasoavana:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Moa ve takatsika ny trosantsika amin’ny Ray any An-danitra ka mitalaho amin’ny fanahintsika iray manontolo ny fahasoavan’ Andriamanitra?

Rehefa mandohalika mivavaka isika, moa ve izany mba hamerenana ireo zava-tsoa vitantsika noho ny fahamarinantsika manokana, sa moa ve izany ataontsika hibabohana ireo fahadisoantsika, ka hitalahoana ny famindram-pon’ Andriamanitra, ary handrotsahana ranomasom-pankasitrahana noho ilay drafitra mahagagan’ny fanavotana?

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 109)

Inona no ohatra iray mampiseho ny fahasoavana miasa eo amin’ny fiainan’ny olona iray?

Ilay horonan-tsary “Faith Journey: When Parents Get Divorce” (Lalam-pinoana: Rehefa misaraka ny ray aman-dreny) (3:05), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia maneho ny zavatra niainan’ny vehivavy iray izay nahita fa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy no nanampy azy hiatrika ny fisarahan’ny ray aman-dreniny.

Romana 4:16. Nahoana i Abrahama no nampiasaina ho ohatra amin’ny hoe hamarinina?

Mba hanitsiana ilay hevitra fa ireo izay voafora sy nitandrina ny lalàn’i Mosesy ihany no ho voavonjy, dia nampianarin’i Paoly fa nahazo fitahiana i Abrahama talohan’ny namorana azy ary taonjato maro talohan’ny nanomezana ny lalàn’i Mosesy. Nijanona ho mahatoky i Abrahama avy eo, rehefa avy nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra sy noforaina. Noho izany dia afaka naneho i Paoly fa tsy nohamarinina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny lalàn’i Mosesy ny olona tsirairay fa tamin’ny finoana sy ny asa tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy.

Ahoana no ifandraisan’ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny Fahalavoan’i Adama?

Ao amin’ny Romana 5:12–21 i Paoly dia nampianatra fa manampy antsika handresy ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy. Rehefa nandika lalàna i Adama dia niditra tamin’izao tontolo izao ny ota sy ny fahafatesana. Kanefa, noho ny “fanomezana avy amin’ny fahasoavana, izay avy amin’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy” (Romana 5:15), dia afaka mandresy ny vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana ny olon-drehetra ary mahazo ny fiainana mandrakizay. Ny firesahan’i Paoly momba ny Fahalavoana dia manampy antsika hahatakatra ny hery lehiben’ny fahasoavan’ny Mpamonjy mandresy ny zava-drehetra.

Hamoaka printy