Seminera
Romana 6


Romana 6

“Mandeha amin’ny fiainam-baovao”

Sary
Zatovolahy iray atao batisa ao amin’ny dobo fanaovana batisa ao amin’ny efitrano fiangonana iray any Madagasikara.

Tsy mora ny manolotra ny tenantsika ho an’ Andriamanitra. Saingy mampanantena i Jesoa Kristy fa rehefa mahafoy ny nofontsika mpanota taloha isika, dia hanome antsika fiainam-baovao Izy, hanova ny toetrantsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Nampianatra i Paoly fa amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa no ahafahantsika mandray ny hery manova an’ny Mpamonjy mba hanampy antsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” ( Romana 6:4). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hikatsaka fiovana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy hamantatra tsara kokoa ny fotoana hitrangan’ireo fiovana ireo.

  • Inona no tsaroanao mikasika ny batisanao?

  • Ahoana no niovanao ara-panahy hatramin’ny nanaovana batisa anao?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny fivoaranao ara-panahy. Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao toy ny hoe “Mihatsara ve ny finoako sy ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?” na hoe “Ahoana no fiantraikan’ny zavatra nianarako momba ny Mpamonjy amin’ny fihetsiko sy ny zavatra ataoko?” Eo am-pandalinanao ny Romana 6, dia saintsaino raha toa ka lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa ianao sy ny fomba hanampiany anao hitombo hatrany sy ho tonga tahaka Azy kokoa.

Maneho ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty ny batisa

Fahaiza-manao sarobidy ny fianarana ny fomba hamantarana sy hahatakarana ireo tandindona ao amin’ny soratra masina. Nampiasa ny tandindon’ny batisa asitrika i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina tany Roma hahatakatra fa tsy maintsy mahafoy ny fiainantsika feno fahotana taloha isika mba hahafahan’i Jesoa Kristy manova antsika sy manome antsika fiainam-baovao amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Vakio ny Romana 6:3–8, ka tadiavo ireo tandindona izay afaka mampianatra anao bebe kokoa momba ny Mpamonjy. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy 7 dia mivaky toy izao: “Fa izay efa maty ny amin’ny ota dia afaka amin’ny ota.” (ao amin’ny Romana 6:7, fanamarihana ambanin’ny pejya).

  • Araka ny voalazan’ny Romana 6:3–8, dia maneho inona amintsika ny hoe midina, sy asitrika ary mivoaka avy ao anaty rano amin’ny batisa?

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ireo ôrdônansy fototra ao amin’ny filazantsara dia tandindon’ny Sorompanavotana. Ny batisa dia tandidon’ny fahafatesana, sy ny fandevenana, ary ny Fitsanganan’ny Mpanavotra tamin’ny maty.

(Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, nôv. 1996, 35)

  • Ahoana no hamintinanao ny Romana 6:4 ho fanambarana fahamarinana?

Ity manaraka ity dia fomba iray hamintinana ny Romana 6:4: Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no ahafahantsika miova sy “mandeha amin’ny fiainam-baovao.”

  • Inona aminao no dikan’ny hoe “mandeha amin’ny fiainam-baovao”? (Romana 6:4).

  • Oviana ianao no nahatsapana fa tamin’ny alalan’ny Mpamonjy no nahafahanao nandeha tamin’ny fiainam-baovao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy handeha amin’ny fiainam-baovao isika?

Araka ny voarakitra ao amin’ny andininy 5–6, dia nampianatra i Paoly fa amin’ny alalan’ny fanekempihavanana sy ny ôrdônansin’ny batisa, dia “niaraka nohomboana tamin’i [Jesoa Kristy]” sy “nolevonina, ny “toetsika taloha” na “ny tenan’ny ota” mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.”

Makà fotoana kely hisaintsainana ny fahotana na ny fahalemena manahirana anao ka tianao hoesorina amin’ny fiainanao. Hiverenanao ireo eritreritra ireo rehefa ao aoriana ao ato amin’ity lesona ity.

Inona no fiovana azoko atao?

  • Karazana fiovana inona no heverinao fa mora atao? Inona avy no sarotra?

Nampiasa ohatra mampiseho ny Mpamonjy mandresy ny fahafatesana sy ny ota i Paoly mba hampianarana fa afaka mandresy ny fahotantsika amin’ny alalany koa isika. Vakio ny Romana 6:9–14, ka tadiavo ny fomba nampifandraisan’i Paoly ny fahafatesan’i Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty amin’ny fomba ahafahantsika mandresy ny fahotana.

1. Mety hanampy anao hahatakatra ireo andininy ireo ireto fanontaniana manaraka ireto. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa na maromaro amin’izy ireo:

  • Tahaka an’ i Jesoa Kristy izay “maty tamin’ny ota indray mandeha” (andininy 10), no anaovana batisa antsika indray mandeha ho famelana ny fahotantsika. Na izany aza, afaka manavao ny fanoloran-tenantsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” isan-kerinandro isika (andininy 4) amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hanampian’ity ôrdônansy isan-kerinandro ity anao haneho ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina tamin’ny hoe: “ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’ Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy”? (andininy 11).

  • Nahoana ny zatovo iray no mety hisafidy ny hanaraka ny torohevitr’i Paoly voarakitra ao amin’ny andininy 12? Inona no fitahiana azo avy amin’ny fiainana toy izany?

  • Ny teny hoe tenanareo ao amin’ny andininy 13 dia ilazana ny faritra amin’ny vatantsika. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tananao, ny tongotrao, ny lohanao ary ny fonao “ho fiadian’ny fahamarinana ho an’ Andriamanitra”? (andininy 13).

  • Ny Dikantenin’i Joseph Smith amin’ny ampahany voalohany amin’ny andininy 14 dia mivaky hoe: “Fa raha manao izany ianareo dia tsy hanan-kery aminareo ny ota.” (ao amin’ny Romana 6:14, fanamarihana ambanin’ny pejya). Amin’ny fomba ahoana no ahafahana mahazo ny fampanantenana nomena ao amin’ny andininy 14 rehefa manaraka ny fampianarana voarakitra ao amin’ny andininy 11–13 ?

Azo afahana amin’ny fahotana ianao

Vakio ny Romana 6:16–18, 22–23, ka tadiavo ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana amin’ny fiainam-baovao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no namaritan’i Paoly ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana amin’ny fiainam-baovao?

  • Rehefa manohy miezaka ny handresy ny fahotana amin’ny alalan’i Kristy ianao, dia ho toy ny ahoana hoy ianao ny fahitanao sy fahatsapanao ny fiainam-baovao ao amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azonao atao mba handehanana amin’ny fiainam-baovao manomboka anio?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona avy ireo fomba sasany azoko ovaina?

Ny Rahavavy Becky Craven, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Rahavavy Rebecca L. Craven, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany. Sary ôfisialy ôktôbra 2018.

Ho valin’ny fanefany ilay sarany tsy hay sandaina ho antsika tsirairay avy, dia mangataka antsika hiova fo ny Tompo. Tsy ho tombontsoa ho Azy ilay fiovana angatahiny fa ho antsika. …

Rehefa avy nandre ny teny nolazain’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany dia nihiaka ary nanambara fa niova ny fon’izy ireo ka nilaza hoe: “Noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, … tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa” [Môzià 5:2]. Tsy milaza ny soratra masina hoe avy hatrany dia lasa tonga lafatra izy ireo, ny fanirian’izy ireo hiova no nanosika azy hanao asa. Ny fiovam-pon’izy ireo dia nidika ho fialana tamin’ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo sy fihainoana ny Fanahy teo am-piezahan’izy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.

(Becky Craven, “Tazony ny fiovana,” Liahona, nôv. 2020, 58)

Hamoaka printy