Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 17


Famerenana fifehezana fotopampianarana 17

Takaro ary hazavao

Sary
Zatovolahy mamaky soratra masina

Anisan’ny tanjona amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ny hahafahanao manazava izany amin’ny fomba fiteninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanatevina ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mahatakatra ny soratra masina

  • Efa namaky soratra masina ve ianao—mety ho mihoatra ny indray mandeha—ka hitanao fa very hevitra ny amin’ny dikan’izany?

  • Impiry ianao no mahatsapa fa mitranga izany rehefa mandinika ny soratra masina ianao?

  • Manao ahoana ny fihetsikao rehefa mitranga izany?

Tian’ny Mpamonjy hahatakatra ny teniny isika, hanampy antsika hanao izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy. Mila ezaka avy aminao anefa izany. amin’ity lesona ity dia hanana fotoana ahafahana mianatra fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina ianao izay hanampy anao hahatakatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana samihafa.

Fahaiza-manao amin’ny fandalinana Soratra Masina

Avereno jerena vetivety ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Efesiana 1:10

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Efesiana 2:19–20

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

2 Tesaloniana 2:1–3

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho tonga […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

2 Timoty 3:15–17

Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Misafidiana anankiray amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto izay tianao hotakarina bebe kokoa. Rehefa avy eo dia misafidiana anankiray na maromaro amin’ny fahaiza-manao momba ny fandalinana andinin-tsoratra masina mba hanampy anao hahatakatra bebe kokoa izany andinin-tsoratra masina izany. Miomàna hanazava ny soratra masinao amin’ny hafa.

Raha manana fotoana, dia miezaha mampiasa fahaiza-manao samihafa amin’ny iray amin’ireto andinin-tsoratra masina hafa ireto.

Vitao ny sahanasa A, B, na D.

Sahanasa A: Andinin-tsoratra masina mifandray

Mampiasà loharanom-pahalalana izay misy mba hahitana ireo andinin-tsoratra masina hafa izay mety hanampy amin’ny fampitomboana ny fahatakarana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny loharanom-pahalalana toy izany dia mety hahitana fanamarihana eny ambanin’ny pejy izay misy an’ilay soratra masina, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina,na koa ny Topical Guide. Mariho ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ireo loharanom-pahalalana ireo, ary soraty anatin’ny diary fandalinanao soratra masina na ny application Mediathèque de l’Evangile ny fomba nanampian’izy ireo anao mba hahatakatra ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidinao.

Sahanasa B: Farito ireo teny sy andian-teny

Tadiavo ireo teny ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy takatrao. Tadiavo ny famaritana ireo teny na andian-teny ireo avy ao amin’ny loharanom-pahalalana izay misy, toy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na rakibolana. Raketo ao anaty diary fandalinanao soratra masina, na eny amin’ny sisin’ny soratra masina, na ao amin’ny ny application Médiathèque de l’Evangile ny famaritana izay hitanao, miaraka amin’ireo hevi-baovao rehetra.

Sahanasa D: Manakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatiny

Vitao ny iray na maromaro amin’ireto manaraka ireto izay mety ho afaka manampy anao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana:

  • Vakio ny momba ny epistily nahazoana ity andinin-tsoratra ity avy ao amin’ny teny iditra “Epistilin’i Paoly” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na koa ny Bible Dictionary.

  • Ahoana ny fomba hanampian’ny lohatenin’ireo toko sy andinin-tsoratra masina manodidina hampitombo ny fahatakaranao ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

  • Iza no niresahan’ilay mpanoratra notaomim-panahy, ary nahoana?

  • Inona no hafatra fototra ampitain’ity andinin-tsoratra masina ity?

Raketo ny zavatra izay takatrao momba ilay andinin-tsoratra masina noho ny zavatra nosaintsaininao.

1. Ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Hazavao ny fomba nanampian’ny fahaiza-manao amin’ny fandalinana soratra masina nampiasainao anao mba hampiorim-paka ny fahatakaranao ny Mpamonjy sy ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hizara ny andinin-tsoratra masinao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana.

Hamoaka printy