Seminera
Asan’ny Apostoly 19:1–7


Asan’ny Apôstôly 19:1–7

Ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina

Sary
Zazavavy iray raisina ho mpikambana.

Iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra atolotry ny Ray any An-danitra ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy nanao fanekempihavanana ny fanomezana ny Fanahy Masina. Noho izany dia gaga i Paoly rehefa nihaona tamin’ireo mpianatra tany Efesosy izay nilaza fa natao batisa izy ireo nefa tsy mbola nandre momba ny Fanahy Masina. Raha ny fantatra dia efa natao batisa izy ireo saingy tsy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Rehefa avy natao batisa tamin’ny “anaran’i Jesoa Tompo” izy ireo, dia nametrahan’i Paoly tanana ary nomeny ny fanomezana ny Fanahy Masina (Asan’ny Apostoly 19:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao handray ireo fitahiana izay irin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy homena anao amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Ny torohevitr’i Joseph Smith ho an’ny Fiangonana

Taorian’ny nahafatesan’i Joseph Smith ho maritiora dia nanana fanontaniana sy ahiahy maro i Brigham Young noho izy ho mpaminanin’ny Fiangonana manaraka. Indray andro, dia niseho tamin’i Brigham Young tamin’ny nofy i Joseph Smith ary nanome azy izao torohevitra manaraka izao: “Lazao ny olona mba hanao izay ” (Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 2, No Unhallowed Hand, 1846–1893 [2020], 49).

  • Inona araka ny eritreritrao no torohevitra mety nomen’i Joseph Smith mba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana?

Sary
I Brigham Young mahita an’i Joseph Smith anaty fahitana iray.

I Joseph Smith dia nanoro hevitra an’i Brigham Young “hilaza ny olona mba hanao izay hihazonana ny fanahin’ny Tompo sy hanaraka izany, ary hitondra azy ireo amin’ny marina izany” (Saints, 2:49).

  • Amin’ireo torohevitra rehetra izay azon’i Joseph nomena an’i Brigham Young, nahoana araka ny eritreritrao no nanamafy ny fikatsahana ny Fanahy Masina ho namana izy?

Raketo ao anatin’ny diarinao ny antony hiheveranao fa mbola ilaina amin’izao andro sy fiainantsika izao ny hafatr’i Joseph Smith ho an’ny Fiangonana. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mieritrereta momba ny fomba ahafahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mitahy ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

Ny fanomezana ny Fanahy Masina

Rehefa nanomboka ny dia fitoriana fahatelo nataony i Paoly dia nandeha nanerana an’i Galatia sy Frygia. Nandeha nankany Efesosy izy avy eo (jereo ny Sarintanin’ny Baiboly, lah.13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly”). Tany no nihaonany sy nampianarany ireo mpianatra izay mbola tsy nandre momba ny Fanahy Masina. Ireo olona ireo dia efa natao batisa, fa olona tsy nihazona fahefana ahafahana manao izany no nanao batisa azy ireo (jereo ny Joseph Smith, “Baptism,” Times and Seasons,, Sept. 1, 1842, 904, josephsmithpapers.org).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:1–7, ka tadiavo ny fomba nanampian’i Paoly an’ireo mpianatra ireo.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampifantoka ny fampianarany tamin’i Jesoa Kristy i Paoly talohan’ny nanaovana batisa indray ireo mpianatra?

  • Amin’ny fomba ahoana no hilazalazanao amin’ireo olona ireo ny maha-zava-dehibe ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny batisa?

  • Inona avy ireo fahamarinana avy amin’ity tantara ity izay azonao zaraina amin’ny olona iray izay efa natao batisa tany amin’ny antokom-pinoana iray hafa?

Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe mba hahafeno tanteraka ny batisa dia tsy maintsy ampiarahana amin’izany ny fandraisana ho mpikambana sy ny fandraisana ny Fanahy Masina.

Makà minitra vitsivitsy hieritreretana hoe, nahoana no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho namanao ny Fanahy Masina. Saintsaino izany rehefa mamaky ireto soratra masina manaraka ireto ianao:

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho namanao lalandava ny Fanahy Masina?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina anao manokana teo amin’ny fiainanao? Nahoana?

Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina sy hahatakatra fa mila miomana handray fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina ianao dia fenoy na alaivo sary an-tsaina ity sahanasa manaraka ity.

Asio kaopy telo tsy misy na inona na inona ao anaty évier na anaty lovia fisaka mahazaka rano. Sarony tanteraka amin’ny taratasy na amin’ny saron-javatra ny tampon’ny kaopy iray. Asio zavatra iray (toy ny vato) ao anaty kaopy iray hafa izay mahafeno tsara ilay kaopy. Andramo fenoina rano avy eo ireo kaopy telo.

  • Raha toa ka maneho antsika ireo kaopy ireo ary maneho ny Fanahy Masina ny rano, dia mety maneho inona eo amin’ny fiainan’ny olona iray ilay taratasy (na saron-javatra) sy ilay vato (na ilay zavatra hafa)?

Vakio ireto teny roa nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto momba ny Fanahy Masina.

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Tsy tonga dia hiasa tsotra fotsiny eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina satria nametrahan-tanana ny lohantsika ary nolazaina ireo teny efatra manan-danja hoe [“Raiso ny Fanahy Masina”].

(David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 95)

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Raha misy zavatra eritreretintsika na hitantsika na henontsika izay manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina dia tokony hijanona tsy hieritreritra na hijery na hihaino na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ny zavatra iray natao hampiala voly ohatra ka mampihataka antsika amin’ny Fanahy Masina dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany karazana fialam-boly izany. Satria tsy afaka mitoetra miaraka amin’ny zavatra kivalavala na mirefarefa amin’ny tany na tsy maotina ny Fanahy dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany.

(David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Liahona, May 2006, 30)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Inona no zavatra nampianarin’ny Loholona Bednar izay heverinao fa zava-dehibe ny hahatakaran’ny tanora azy ankehitriny? Nahoana?

  • Ahoana no hamantaranao ny fananana ny Fanahy Masina ho namana eo amin’ny fiainanao? Oviana no fotoana farany indrindra namantaranao ny fitaomany?

  • Inona no fanapahan-kevitra noraisinao ka nanampy anao hanana ny Fanahy Masina miaraka aminao matetika kokoa? Ahoana no nitahian’ny Ray any An-danitra anao tamin’ny alalan’io fanomezana io?

Manaova drafitra handraisana ny fitaoman’ny Fanahy Masina feno kokoa sy matetika kokoa eo amin’ny fiainanao. Angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao amin’ny drafitrao sy hitahy anao mba hamantatra ny fitarihany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa miasa amin’ny fanatanterahana izany ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no zava-dehibe ny fandraisako ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanolotra ity fanasana manaraka ity ho antsika tsirairay avy.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, miangavy anareo aho mba hampitombo ny fahafahanareo ara-panahy mandray fanambarana. Enga anie ity [andro] ity mba ho fotoana tena manan-danja eo amin’ny fiainanareo. Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takina mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

Ao amin’ilay horonantsary “Enemy Territory (Faritry ny Fahavalo)” (3:38), ny Filoha BoydK. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambonifolo dia nizara zavatra niainana iray izay maneho ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny Fanahy. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ahoana no ahafahako manakaiky kokoa ny fananana ny Fanahy Masina ho namana lalandava?

Nilaza ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Henry B. Eyring nalaina tamin’ny martsa 2018.

Mila ny Fanahy Masina ho namana lalandava isika noho ny antony maro. Maniry izany isika saingy fantatsika avy tamin’ny zavatra niainantsika fa tsy mora ny mihazona azy. Mieritreritra sy milaza ary manao zavatra izay mety manafintohina ny Fanahy isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Nampianatra ny Tompo fa hanana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika raha toa ka feno fiantrana ny fontsika ary raha toa ka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika ny hatsaram-panahy [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45]. …

… Ny fitaomam-panahy sarobidy indrindra ho anao dia ny hahalalanao izay tian’ Andriamanitra hataonao. Raha toa izany ka ny fandoavana fahafolonkarena na ny fitsidihana namana malahelo dia tokony hataonao izany. Na inona izany na inona, dia ataovy. Rehefa nasehonareo ny fahavononanareo hankatò dia hanome fitarihana bebe kokoa mikasika ny zavatra tian’ Andriamanitra hataonareo ny Fanahy.

Rehefa mankatò ianareo, ireo fitarihana avy amin’ny Fanahy dia ho tonga matetika kokoa ka hanakaiky kokoa hatrany ny fananana izany ho namana lalandava.

(Henry B. Eyring, “Ny Fanahy Masina ho namanao,” Liahona, nôv. 2015, 105)

Ao amin’ny lahateniny “Raiso ny Fanahy Masina” (Liahona, nôv. 2010, 95–97), ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ihany koa ny heviny mikasika ny fomba hanasantsika ny Fanahy Masina ho namantsika.

Hamoaka printy