Seminera
Asan’ny Apostoly 17:16–34


Asan’ny Apostoly 17:16–34

“Terak’ Andriamanitra isika”

Teo am-piandrasana ireo namana mpiara-mitory aminy ho any Atena dia nanahy mafy ny amin’ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fahafantaran’ireo vahoaka tao Atena ny tena toetran’ Andriamanitra ny Apôstôly Paoly. Mba hanampiana ny Ateniana hahatakatra sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra dia nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny synagoga sy ny tsena i Paoly. Nanasa an’i Paoly avy eo ireo filôzôfa mba hanazava “izany fampianarana vaovao lazain[y] izany” (Asan’ny Apostoly 17:19) teo amin’ny toerana iray antsoina Areopago. Nampianatra ireo filôzôfa ny tena toetran’ Andriamanitra i Paoly ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fifandraisan’izy ireo masina Aminy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny maha-zanak’ Andriamanitra anao.  

Zanaky ny Ray aho

Henoy ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 113) ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na jereo ny horonan-tsary “Child of God” (2:54), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mihaino na mihira ianareo dia saintsaino ny lanjan’ny hafatra fonosin’ity hira ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’ity hira ity izay hitanao fa manan-danja? Nahoana?

2:54

Child of God

Remember—through a beloved children's song—who you really are.

Ny Loholona Donald L. Hallstrom ao amin’ny Fitopololahy dia nanasa antsika hisaintsaina ny hafatra fonosin’ny “Zanaky ny Ray aho”:

Sary ôfisialin’ny Loholona Donald L. Hallstrom. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Io hira be mpitia ao anaty fihirana io dia iray amin’ireo hira matetika hiraina indrindra ato amin’ity Fiangonana ity. Saingy ny fanontaniana tena manan-danja indrindra dia ny hoe, tena fantatsika marina ve izany? Fantatsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary ao anaty fanahintsika ve izany? Ny maha-avy any an-danitra antsika ve no famantarana antsika voalohany sy lalina indrindra?

(Donald L. Hallstrom, “Zanaky ny Ray aho,” Liahona, mey 2016, 26)

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia nampifanarahana tamin’ny teny nambaran’ny Loholona Hallstrom ary azo valina amin’ny hoe “eny” na “tsia”. Rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ianao dia hazavao ny antony namalianao ny fanontaniana tsirairay araka ny fomba namalianao azy.

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tena fantatrao marina ve fa zanak’ Andriamanitra ianao?

  • Fantatrao ao an-tsainao sy ao am-ponao ary ao anatin’ny fanahinao ve izany?

  • Moa ve ianao mahita ny tenanao ho zanak’ Andriamanitra mialoha ny hahitanao ny tenanao ho zavatra hafa?

Mandritra ity lesona ity dia diniho ny valinteninao tamin’ireo fanontaniana teo aloha sy ny zavatra lazain’ny valinteninao momba ny zavatra tsapanao mikasika ny Ray any An-danitra. Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Rainao any An-danitra, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao sy hahatsapa ny fitiavany lalina anao.

Nitory tany Atena i Paoly

Nitory tany Atena ny Apôstôly Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony. Nanana foto-kevitra sy filôzôfia ary finoana maro samihafa ny olona tao Atena. Hitan’i Paoly fa lasa “tanàna feno sampy” tany (Asan’ny Apostoly 17:16), izany hoe nivavaka tamina zavatra hafa fa tsy tamin’ Andriamanitra ny vahoaka. Noho izany dia nitory isan’andro momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty i Paoly. Nentina teo amin’ny Areopago i Paoly avy eo, izay nanasana azy hitory teo anoloan’ny filôzôfa maromaro (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:17–21).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:22–23 ka tadiavo ny fomba nampidiran’i Paoly ny hafany. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “We Are the Offspring of God (Taranak’Andriamanitra isika” manomboka eo amin’ny mari-potoana 00:00 hatramin’ny 01:54, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

4:26

We Are the Offspring of God

Paul preaches to Athenians on Mars' Hill and identifies their "unknown god" as the Father of us all. He testifies that we all are children of God. Acts 17:16–34

  • Inona no mety ho hevitr’ilay soratra teo amin’ny alitara izay noresahan’i Paoly mahakasika ny finoan’ny Ateniana an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ampitahana an’io soratra io amin’ny fampianaran’ny soratra masina momba an’ Andriamanitra?

Nino andriamani-diso maro ary nanangana sarivongana sy tempoly ho fanomezam-boninahitra azy ireny ny Ateniana fahiny. Ilay alitara naorina “ho an’izay andriamanitra tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23) dia mety ezaka nataon’ireo Ateniana hanomezana fahafaham-po ny andriamanitra tsy fantatra iray na andriamanitra tsy fantatra anarana iray.

  • Inona avy ireo fahadisoan-kevitra mahazatra hitanao eto amin’izao tontolo izao ankehitriny momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy?

  • Raha nanana fahafahana nampianatra olona iray izay tsy mahafantatra firy momba ny Ray any An-danitra ianao, dia inona no tianao ho fantatr’izy ireo momba Azy?

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:24–31 ary manaova lisitra ahitana ireo fahamarinana nampianarin’ny Apôstôly Paoly momba ny tena toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao Aminy. Omeo anarana hoe “Ilay Andriamanitra marina sy velona ary ny fifandraisako Aminy” ny lisitrao. Mariho fa misy ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny andininy faha-27 (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Rehefa avy nanao ny lisitrao ianao, dia valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no fahamarinana manan-danja indrindra aminao ao amin’ilay lisitrao, nahoana?

Terak’ Andriamanitra isika

sarin’ny seminera teo amin’ny Mars Hill

Iray amin’ireo fahamarinana mety ho hitanao avy amin’ny fampianaran’i Paoly ny hoe terak’ Andriamanitra isika” (andininy 29).

  • Inona no mampiavaka ny hoe zanak’ Andriamanitra amin’ny hoe iray amin’ireo zavatra nohariany fotsiny?

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny hevitry ny fahamarinana hoe “terak’ Andriamanitra isika.”

Sary ôfisialin’ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Ny tena fototra iorenan’ny maha-avy any an-danitra antsika dia tsy ny fiheverako na ny fiheveranao fotsiny ihany. Fa fahamarinana mandrakizay ilay izy. Soratana amin’ny litera lehibe, sora-matevina, sora-baventy izy io. Ny fahatakarana io fahamarinana io—ny fahatakarana marina izany sy ny fanekena izany—no manova ny fiainana. Izany dia manome anao ny maha-izy anao tena mahavariana izay tsy azon’iza na iza esorina aminao. Fa mihoatra noho izany dia omeny anao ny fahatsapana lehibe momba ny lanja sy ny hasarobidinao tsy manam-petra. Ary farany dia omeny anao ny tanjona masina sy mendrika ary mahaliana eo amin’ny fiainana.

(M. Russell Ballard, “Children of Heavenly Father” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 3 mar. 2020], 2, speeches.byu.edu)

  • Inona no fiovana hisy eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao noho ny fahalalanao fa “terak’ Andriamanitra” ara-bakiteny ianao?

  • Inona no zavatra niainanao izay nanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao?

Mba hahitana ohatra iray amin’ny fomba fiantraikan’ny fahatakaran’ny vehivavy iray ny maha-andriamanitra azy, dia jereo ny horonan-tsary “Am I a Child of God? (Moa ve aho zanak’Andriamanitra?)” (10:24), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:24 ka hatramin’ny 5:23.

2:3

Zanaky ny Ray ve aho?

Ny Loholona Taylor dia mampianatra ny fomba hahafahana mampatanjaka antsika amin’ny alalan’ny fahatakarana ny maha-andriamanitra antsika amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika.

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany momba ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra ka tianao hotsaroana?

  • Inona no zavatra tsapanao fa ilainao atao izay mifototra amin’ny zavatra nianaranao?

  • Inona no azonao atao mba hahitana ireo valin’ireo fanontaniana mbola anananao momba ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manamafy orina ny fifandraisako amin’ Andriamanitra?

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Misy zavatra mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malalany ny zanak’ Andriamanitra iray. Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

(Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahôna, nôv. 2017, 61.)

Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny tena maha-zanak’ Andriamanitra ahy marina?

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Brian K. Taylor ao amin’ny Fitopololahy:

Sary ôfisialin’ny Loholona Brian K. Taylor. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Nianatra momba ny lovany avy amin’ Andriamanitra i Mosesy raha niresaka nifanatri-tava tamin’ny Tompo. Taorian’izany zavatra niainany izany dia “tonga i Satana naka fanahy” tsy nivantana kanefa tamim-pikasan-dratsy mba hanova ny maha-izy azy an’i Mosesy “nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy. Ary … dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro, izaho dia zanak’ Andriamanitra” [Mosesy 1:12–13; nampiana fanamafisana].

Ity ady lehibe mahakasika ny fananana toetra araka an’ Andriamanitra ity dia mbola iadian-kevitra hatrany, raha eo am-pampitomboana tsy an-kiato ireo paikady mamitaka entina hamotehana ny finoantsika sy ny fahalalantsika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra i Satana. Soa ihany fa nahazo fitahiana tamin’ny fahitana sy fahatakarana mazava momba ny tena maha-isika antsika hatrany am-piandohana isika. …

Ny fahafantarana ny Raintsika dia manova ny zava-drehetra, indrindra ny fontsika, rehefa manamafy ny tena maha-isika antsika sy ny halehiben’ny lanjantsika eo imasony ilay Fanahiny malefaka. Miara-dia amintsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana Andriamanitra rehefa mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny fitalahoana amim-bavaka sy ny fandalinana soratra masina, ary ny fiezahana hankatò isika.

(Brian K. Taylor, “Zanaky ny Ray ve aho?,” Liahona, mey 2018, 12, 14)

Nijoro ho vavolombelona momba ny tena maha-isika antsika amin’ny maha-zanakavavy sy zanakalahin’Andriamanitra antsika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ilay horonantsary “Our True Identity” (3:38), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

NaN:NaN