Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Apokalypsy 20:12


Fifehezana fotopampianarana: Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Sary
A teenage girls sits on her loft bed in her room. She has her feet hanging over the side of the bed. She appears to be reading her scriptures. This is in Maine.

Tao amin’ny lesona teo aloha, “Apokalypsy 20:11–15,” dia nianatra ianao momba ny Fitsarana Farany sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha Mpitsara Azy antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja izay hita ao amin’ny Apokalypsy 20:12, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Tadidio sy hazavao

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany” ( Apokalypsy 20:12):

  • Tonony mafy in-dimy ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina.

  • Avy eo dia soraty in-telo eo amin’ny taratasy iray ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay tadidy. Aorian’ny andrana tsirairay, jereo izay marina ary manaova fanitsiana ilaina amin’ny andrana manaraka.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Ampahatsiahivo fa tamin’ny lesona teo aloha, dia nianatra ny fahamarinana ianao fa Hitsara antsika avy amin’ireo boky izay nosoratana araka ny asantsika Andriamanitra. Mba hanampiana anao hanombantombana hoe hatraiza ny fahatakaranao io fahamarinana io dia alaivo sary an-tsaina hoe misy zandrinao iray mametraka aminao ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina. Valio ny fanontaniana maro araka izay azonao atao.

  • Iza no hotsaraina?

  • Iza no ho mpitsara antsika ary nahoana?

  • Inona no hitsarana antsika?

  • Inona avy ireo boky hitsarana antsika? (Jereo ny Apokalypsy 20:12 .)

  • Ahoana no ahafahantsika miomana amin’ny fitsarana?

Minitra vitsy izao no lasa hatramin’ny niezahanao nitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Apokalypsy 20:12 , jereo raha mbola afaka mamerina izay tadidinao hatrany ianao. Jereo ny fahamarinanao raha ilaina.

Fizarana mampihatra

Ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Fintino fohy amin’ny teninao manokana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Avereno jerena avy eo ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana (2022), ary tadiavo ireo fahamarinana fanampiny azonao ampidirina ao amin’ny famintinanao.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka. Eritrereto hoe nahoana ny olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany no mety hahatsapa toy izany. Afaka mitantara ny fihetseham-pon’ny iray amin’ireo zatovovavy ireo ve ianao? Saintsaino izay mety mbola tsy takatr’izy ireo momba ny Fitsarana Farany izay afaka manampy azy ireo.

1. Manana namana izay miaina araka izao tontolo izao i Stephanie. Niaiky izy fa na dia mandika ny didy aza izy ireo dia toa mahafinaritra indraindray ny zavatra ataony. Tsy nahatsikaritra voka-dratsy lehibe amin’ny safidiny izy ary mieritreritra ny hiaraka amin’izy ireo.

2. I Kayla dia zatovovavy marin-toetra izay mibebaka amim-panetren-tena rehefa manao fahadisoana, kanefa mbola matahotra ihany izy rehefa miresaka momba ny Fitsarana Farany ny olona. Niezaka tsy nieritreritra momba izany izy.

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa an-tsoratra manaraka ity:

Manorata taratasy ho an’i Stephanie na i Kayla izay inoanao fa afaka manampy azy hisoroka ny fanenenana amin’ny ho avy na ny tahotra tsy ilaina. Ho solon’izany dia azonao atao ny misafidy ny hanoratra amin’ny olona iray fantatrao izay mety hotahiana raha mahatakatra tsara kokoa ny Fitsarana Farany. Ampidiro ao amin’ny taratasinao ny fomba ampiharana ireo fitsipika tsirairay amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Azonao atao ny mandinika ireto manaraka ireto rehefa manapa-kevitra izay hosoratana ianao.

  • Ahoana no mety hanampianao an’i Stephanie na i Kayla hahita zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Ahoana no nanampian’izany azy?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena izay mety hanampy an’i Stephanie na i Kayla? Ahoana no nianaranao ireo fahamarinana ireo?

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana notendren’ Andriamanitra ho soso-kevitrao hamadihana azy mba hianatra ny fahamarinana momba ny Fitsarana Farany? Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Apokalypsy 20:12 manampy azy?

  • Ahoana no ahafahanao mamporisika azy hanao zavatra amim-pinoana ankehitriny sy amin’ny ho avy?

Hamoaka printy