Seminera
Apokalypsy 20:11–15


Apokalypsy 20:11–15

Ny Fitsarana Farany

Sary
Resurrected Christ with arms outstretched stands above a throng of people of all races and times, some prone, some standing. The people on the right side of Christ are in the attitude of worship. The people on the left side of Christ are in anguish. Scenes of ruin are in the foreground and background. The Washington D.C. temple is pictured in the upper left corner.

Efa nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana ny Fitsarana Farany? Naminany ny amin’io andro lehibe io ny apostoly Jaona. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny Fitsarana Farany sy hiomana hanana traikefa tsara amin’ny fijoroana eo anoloan’i Jesoa Kristy amin’io andro io.

Ny Fitsarana Farany

Jereo ilay sary maneho ny Fitsarana Farany any am-piandohan’ny lesona.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ho fahatsapan’ny olona samihafa amin’ny Fitsarana Farany? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao inona no mamaritra raha misy olona miomana amin’izany andro izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no anoloran’i Jesoa Kristy tena hanampy antsika hiomana amin’izany andro izany?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay antenainao fa heritreretinao sy ho tsapanao rehefa mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina ianao. Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahavononanao?

Tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tiany isika ho feno fiadanana sy fifaliana amin’ny Andro Fitsarana. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maoderina Izy ireo mba hampianarana antsika hoe hanao ahoana ny Fitsarana sy ny fomba hiomanana amin’izany.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy tamin’i Jaona momba ny Fitsarana Farany?

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io dia ny hoe Hitsara antsika avy ao amin’ireo boky izay nosoratana araka ny zavatra nataontsika Andriamanitra.

Fanontaniana momba ny Fitsarana Farany

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fanontanianao momba ity andinin-tsoratra masina ity na zavatra hafa tianao ho takatra kokoa momba ny Fitsarana Farany.

Makà minitra maromaro hitadiavana ny valiny amin’ireo fanontanianao. Azonao atao ny misafidy ny hikaroka ireo teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na azonao atao ny mikaroka izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque de l’Evangile. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy sy loharano naroso izay azonao ampidirina ao anatin’ny fandalinanao:

1. Inona avy ireo boky sasany hitan’i Jaona nampiasain’ny Tompo tamin’ny Fitsarana?

Torolalana ho an’ny Soratra Masina , “Bokin’ny Fiainana”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7

3 Nefia 27:24–26

3. Amin’ny inona no hitsarana antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9

Môsià 4:30

Jereo ny fanambarana nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

4. Ahoana no ahafahako miomana amin’ny Fitsarana Farany?

3 Nefia 27:16–20

Apokalypsy 20:13, 15 ; 22:11–12

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny Fitsarana Farany?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana sy ny finoana io fotopampianarana io amin’ny zavatra ataontsika?

  • Inona amin’ireo toetran’ny Mpamonjy no manampy anao hatoky Azy ho Mpitsara anao? Ahoana no fomba hanampiany anao hiomana amin’ny Fitsarana Farany?

Ny bokin’ny fiainanao

Vakio ny Apokalypsy 20:12 ary asio marika ilay andian-teny hoe “ny bokin’ny fiainana.” Amin’ny lafiny iray, ny bokin’ny fiainana dia firaketana ny fiainan’ny tsirairay.

Soraty ho lohatenin’ny pejy iray tsy misy na inona na inona ao anatin’ny diary fandalinanao ny lohateny hoe “Ny Bokin’ny Fiainako”, ary zarao ho tsanganana roa ilay pejy. Asio marika ny tsanganana havia hoe “Faly aho fa nanao izany,” ary ataovy lisitra ao anatin’io tsanganana io ny zavatra manokana izay maha feno fankasitrahana anao ao amin’ny bokin’ny fiainanao. Izany dia mety ahitana:

  • Ireo ôrdônansy noraisinao.

  • Ireo asa soa nataonao.

  • Ny fanirianao marina.

  • Ny fivoaran’ ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy.

Alaivo sary an-tsaina hoe manao ahoana ny fahatsaran’ny zavatra iray indray andro any raha toa ny Mpamonjy mamerina mijery aminao ny tantaran’ny fahamarinanao!

Asio marika ny tsanganana havanana amin’ny pejy hoe “Tiako.” Soraty na saintsaino tsotra izao ireo asa sy ôrdônansy marina izay tianao ampiana ao amin’ny bokinao alohan’ny Fitsarana. Ampidiro ihany koa ireo safidy sy toe-po izay tianao hofoanana ao amin’ny bokin’ny fiainana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny Mpamonjy dia nanao izay ahafahana manitsy ny zavatra voasoratra momba anao ao amin’ny bokin’ny fiainana. Vakio ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 ireo fampanantenana nataony tamin’ireo izay mibebaka amin-kitsimpo.

  • Inona no fiantraikan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny fahatsapanao momba ny Fitsarana Farany sy momba ny Mpitsara antsika?

Nilaza ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Ho andron’ny famindram-po sy ny fitiavana izany Andro Fitsarana izany—andro hanasitranana ny fo torotoro, fotoana hanoloana ny ranomason’alahelo amin’ny ranomasom-pankasitrahana, fotoana izay hanovana ny zavatra rehetra ho tsara.

Eny, hisy alahelo lehibe noho ny fahotana. Eny, hisy ny fanenenana ary hisy toloko mihitsy aza noho ireo fahadisoantsika, ny hadalantsika, ary ny hamafisan-katotsika izay nahatonga antsika tsy nanana fahafahana hanana hoavy tsara lavitra kokoa.

Kanefa mahatoky aho fa tsy ho afa-po fotsiny amin’ny fitsaran’ Andriamanitra isika; fa ho talanjona sy ho difotry ny fahasoavany, ny famindram-pony, ny fahalalahan-tanany, ary ny fitiavany antsika zanany izay tsy manam-petra ihany koa.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!Liahona, nôv. 2016, 21)

Saintsaino ny zavatra tsapanao fa hitaoman’ny Fanahy anao hiomanana hijoro eo anoloan’ny Mpamonjy amin’ny Andro Fitsarana.

Ahoana no fomba hanomanako ny tenako amin’ny fitsarana izay antenaiko?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny tsirairay aminareo dia hotsaraina araka ny asanareo manokana sy ny fanirian’ny fonareo. … Tsy kisendrasendra no hametrahana anao any amin’ny fanjakana selestialy, na terestrialy, na telestialy. Ny Tompo dia nametraka fepetra takina izay tsy miova ho an’ny fanjakana tsirairay. Afaka mahafantatra izay ampianarin’ny soratra masina ianao, ary mamolavola ny fiainanao hifanaraka amin’izany.

(Russell M. Nelson, “Constancy amid Change,” Ensign, Nôv. 1993, 35)

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Ny Fitsarana farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 32)

Inona no fepetra ananan’i Jesoa Kristy mahatonga Azy ho Mpitsara antsika?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tamin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahoriana tsy hay eritreretina amin’ny vidiny tsy azo refesina, dia nahazo ny zony ho Mpanavotra antsika sy mpanelanelana antsika ary Mpitsara Farany antsika ny Mpamonjy.

(Richard G. Scott, “Ny Sorompanavotana dia afaka miaro ny fiadanana sy ny fahasambaranao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 42)

Hamoaka printy