Seminera
Apokalypsy 15–19


Apokalypsy 15–19

“Ary ny Zanak’ondry haharesy azy”

Sary
“He Comes Again to Rule and Reign” by Mary R. Sauer. Jesus Christ is descending to Earth at his Second Coming. There are men, women, and children surrounding him. He is wearing a red robe and is looking down at those who are gathering.

Inona ny zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny andro farany izay efa nambara mialoha ianao? I Jaona ilay Mpanambara dia nanao sary hosodoko mazava iray momba ny fandringanana sy ny faharatsiana izay hameno izao tontolo izao. Saingy tsy haharitra ireo toe-javatra ireo. I Jesoa Kristy dia “haharesy azy … fa Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy” (Apokalypsy 17:14). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amim-pahatokiana bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo olan’ny andro farany ianao.

Loza, fizahan-toetra ary finoana ny Tompo

Sary
Illustration of angels pouring out the bowls of wrath onto the earth from the book of Revelation.

Tao anatin’ny fahitan’i Jaona ny Tompo dia naneho taminy anjely fito izay nandraraka loza isan-karazany tamin’ireo ratsy fanahy tamin’ny andro farany. Anisan’ireny loza ireny ny vay, ny rano tonga rà, ny hafanana mamaivay, ny haizina, ny fanaintainana, ny kotrok’orana sy tselatra, ny horohoron-tany ary havandra vaventy (jereo ny Apokalypsy 16).

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ihany koa no zavatra hafa fantatrao momba ny fizahan-toetra sy ny faharatsian’ny andro farany? Inona no zavatra tsapanao mikasika ireo fizahan-toetra ireo?

  • Manao ahoana ny fahatokianao fa afaka manampy anao amin’izay fizahan-toetra mety hatrehinao ny Tompo? Nahoana?

Talohan’ny nanoratan’i Jaona ny fandringanana sy ny fizahan-toetra izay hamelezana ny olona eto an-tany any amin’ny andro farany, dia nanoritsoritra zavatra hafa izy. Vakio ny Apokalypsy 15:2–4 ary andramo alaina sary an-tsaina ny zavatra izay hitan’i Jaona.

  • Nahoana no mety hanampy ny fianarana ny momba ireo Olomasina nasandratra ka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra, mialohan’ny hamakiana ireo loza izay nofaritan’i Jaona?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra sy hahatakatra fa afaka mitodika any amin’ny Tompo ianao mba hahazoana fanampiana mandritra ireo olan’ny andro farany. Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny zavatra ampianarina ao amin’ireo toko tsirairay izay hohalalininao, dia hevero ny hamaky ireo lohatenin’ny toko aloha vao mamaky ireo andininy.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Safidy A: Ny Anjely sy ny loza

Mety hahatonga antsika hatahotra ny fieritreretana ireo loza izay hitan’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 16 . Kanefa, ny fampitomboana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy antsika handresy ireo tahotsika ireo. Zava-dehibe ny manamarika fa rehefa nandatsaka ireo loza ireo ny anjely, dia nijoro ho vavolombelona momba ny toetran’ny Tompo izy ireo. Ny fahafantarana ny toetrany dia afaka manampy antsika hampitombo ny finoantsika Azy.

Manaova sary anjely anankiray. Avy eo dia vakio ny Apokalypsy 16:5, 7 , ary tadiavo ao ny fomba namariparitan’ireo anjely momba ny Tompo sy ny fitsarany. Soraty eo akaikin’ny sary izay nataonao ny zavatra tsapanao fa nolazain’ireo anjely.

  • Nahoana no mety hanampy antsika ny mahatakatra ny toetran’ny Tompo rehefa mianatra momba ny fitsarany isika?

  • Oviana teo amin’ny fiainanao no nanampian’izany anao hahatakatra hoe toy ny ahoana Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny toetran’i Jesoa Kristy manampy anao hiantehitra Aminy?

Safidy B: Ny faharatsiana sy ny herin’ny Mpamonjy

Mieritrereta ohatra vitsivitsy momba ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao sy ny fiantraikan’izany eo amintsika.

  • Raha tsy maintsy mieritreritra marika hamantarana ny faharatsian’izao tontolo izao ianao, dia mety ho inona izany? Nahoana?

  • Raha tsy maintsy mieritreritra marika famantarana na anaram-boninahitra iray maneho fanajana hanehoana ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahany manampy antsika handresy io faharatsiana io ianao, dia mety ho inona izany? Nahoana?

Zarao roa ny pejy iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Vakio ny Apokalypsy 17:3–7, 14 , ary alaivo sary an-tsaina ireo marika famantarana izay nampiasain’i Jaona ao amin’ireo andininy ireo. Soraty eo amin’ny lafiny iray amin’ilay pejy nozaraina roa ao amin’ny diarinao ireo teny na andian-teny fototra nampiasaina hamaritana ny faharatsiana. Eo amin’ny ilany kosa, dia soraty ireo marika izay maneho an’i Jesoa Kristy sy ireo olo-marina. Mety hahasoa ity teny manaraka ity:

Fijangajangana ( Apokalypsy 17:4): fihetsika ara-pitondran-tena tsy mendrika. Mety ho “marika famantarana ny apôstazia” ihany koa izany (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fijangajangana ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Babylona ( Apokalypsy 17:5): anaran’ny tanàna iray izay fantatra amin’ny faharatsiany, ampiasaina ho mariky ny faharatsiana sy ny fanaon’izao tontolo izao

Renin’ny mpijangajanga ( Apokalypsy 17:5): olona manao fihetsika ara-pitondran-tena tsy mendrika mba hahazoana vola na hanaovana varotra

Figagana ( Apokalypsy 17:6): fitalanjonana, fanontanian-tena (jereo ny andininy 6 , torolalana ho an’ny Soratra Masina c)

  • Inona no nianaranao avy amin’ireo fanoharana izay novakianao ireo?

  • Manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy ireo anarana fiantsoana Azy ao amin’ny andininy 14 ireo?

  • Inona no fantatrao momba ny fomba nandresen’ny Zanak’ondry, na i Jesoa Kristy ny faharatsiana rehetra? (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Zanakondrin’ Andriamanitra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.) Midika inona ho anao izany?

Safidy D: Ny Fampakaram-badin’ny Zanak’ondry

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy mahatonga ny fianakaviana mankalaza ny fampakaram-bady matetika?

Nampiasa ny sary fonosin’ny fampakaram-bady i Jaona mba hampianarana antsika momba ny andro farany. Ity fampakaram-bady izay nosoratany ity dia tandindon’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Manaova sary tsotsotran’ny mpampakatra sy ny ampakarina ary soraty ny zavatra nianaranao momba ny tsirairay avy amin’izy ireo rehefa mandalina ianao.

Vakio ny Apokalypsy 19:7–9 hahitana ny fandrisihan’ny Tompo antsika hahatsapa zavatra momba io fampakaram-bady io. Ny ampakarina ao amin’ireo andininy ireo dia maneho ireo mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo izay manomana ny tenany ho amin’ny fiverenan’i Kristy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy faha 8 , ahoana no tokony hiomanantsika amin’ity fampakaram-bady ity? Mety hidika inona aminao izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no maha tandindon’ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy ny fampakaram-bady?

  • Nahoana ny fiverenan’ny Mpamonjy no ho andro feno fifaliana ho anao?

Vakio ireto soratra masina manaraka ireto ary eritrereto ny zavatra azonao atao mba hiomanana amin’ny fotoana hiavian’i Jesoa Kristy indray. Azonao atao ny manisy marika na manoratra ao anaty diary fandalinanao soratra masina izay zavatra hitanao.

Apokalypsy 7:13–14

3 Nefia 27:19–21

  • Inona no zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony mba hanomanana anao amin’ny fiaviany?

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra nohalalininao androany ka manampy anao hiantehitra amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no tianao hotadidina na hatao?

  • Inona no tsapanao fa mety hanampy anao mandritra ireo fizahan-toetran’ny andro farany izany?

Apokalypsy 17 . Inona no azoko ianarana avy amin’ny fanoharana momba ilay vehivavy nitaingina bibidia?

Ireo teny ampiasaina hamaritana ilay vehivavy nitaingina bibidia dia manaporofo ny hery lehibe ara-politika sy mahery vaika izay hananany eo amin’ny firenena sy fanjakana ary vahoaka. … Ny fitafiany dia maneho fahefana sy harena (jereo ny andininy 4); izy no “renin’ny mpijangajanga”, izay manondro fa miteraka fivarotan-tena hafa—fikambanana, fitondram-panjakana, ary foto-pisainana manaparitaka faharatsiana ( andininy 5). Noraketin’i Jaona an-tsoratra fa talanjona tamin’ny halehiben’ny faharatsian’ilay vehivavy izy (jereo ny andininy 6 , Torolalana ho an’ny Soratra Masina c). Na dia izany aza, any amin’ny farany dia horavan’ireo izay nanjakany teo aloha izy (jereo ny andininy 16 ; 1 Nefia 22:13). …

Ny mety ho dikan’ny famaritan’i Jaona ao amin’ireo andininy ireo dia ny hoe amin’ny andro farany dia hanjaka manerana an’izao tontolo izao ny fomba fiaina feno fahalotoana ara-nofo, harena, ary herisetra (jereo ihany koa ny 1 Nefia 13:5–9). Azo heverina ho anisan’i Babylona ny andrim-panjakana, ny governemanta ary ireo olona izay manaiky an’io fomba fiaina io. (Testamenta Vaovao, Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 560)

Aiza no ahafahako mianatra bebe kokoa momba ireo fanoharana ao amin’ny Apokalypsy 15–19?

Raha mila fanazavana momba ny fanoharana ao amin’ireo toko ireo dia azonao atao ny mijery ny toko faha 55 sy 56 ao amin’ny Testamenta Vaovao, Boky torolalana ho an’ny mpianatra (2014), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy