Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 25


Famerenana fifehezana fotopampianarana 25

Takaro ary ampiharo

Sary
A woman is sitting against a tree reading her scriptures. It is a nice sunny day with clouds in the sky. She has a flower in her hair.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahatakatra sy hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ireo toe-javatra izay iainanao manokana na rehefa manampy olona hafa ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampitombo ny fahatakarana sy ny fampiharanao ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 ao amin’ny tapany faharoa amin’ny Testamenta Vaovao.

Mahazo hery avy amin’ny fahamarinan’ny filazantsara

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nilaza indray mandeha fa ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hifantohana amin’ny “fanorenana sy fanamafisana orina ny finoan[tsika] an’i Jesoa Kristy ary ny fanamafisana [antsika] amin’ny fahafahana mitombo sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika” (“The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century” [takariva niarahana tamin’ny Manampahefana Ambony, 26 Febroary 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia natao hampatanjaka kokoa ny finoanao!

Alaivo sary an-tsaina hoe indray andro, taorian’ny seminera dia nisy namanao nilaza taminao hoe mahatsapa izy ireo fa fandaniam-potoana fotsiny ny fifehezana fotopampianarana. Mahatsapa izy ireo fa tsy manampy akory ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary tsy hitan’izy ireo izay fomba anampian’izany azy ireo eo amin’ny fiainana.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ilay tabilao efa nomena, dia eritrereto ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao nandritra ny antsasaky ny Testamenta Vaovao ity. Saintsaino hoe inona amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo no fitahiana na fanampiana ho anao.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”  

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”  

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”  

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.  

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”  

Efesiana 2:19–20 

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”  

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy ny Fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”  

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”  

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”   

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”  

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”  

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”  

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”  

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no nitahiana anao, na nampaherezana anao, na nahazoanao hery avy amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nianaranao tamin’ity taona ity?

Mba hanasana ny Mpamonjy hanorina sy hanome hery ary hampatanjaka antsika amin’ny alalan’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia tsy maintsy mampitombo ny fahatakarantsika sy ny fahafahantsika mampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo isika. Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampy anao hanao izany.

Fahatakarana sy fitadidiana ireo fahamarinan’ny filazantsara

Fomba iray hahatakarana sy hitadidiana kokoa ireo fahamarinana hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ny fampitahana izany amin’ny zavatra sy toe-javatra amin’ny andavanandro.

Misafidiana roa amin’ireo andalan-tsoratra masina izay tianao ho takarina bebe kokoa, ary avereno jerena ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandraika amin’izy ireo.

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity ho an’ny andalana tsirairay nosafidinao:

a) Manaova sary na makà sarina zavatra iray izay tsapanao fa mifandray amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. (Ohatra, ho an’ny Jakoba 1:5–6 dia azonao atao ny manao sarina olona iray mivavaka. Ho an’ny 1 Korintiana 15:40–42 dia azonao atao ny manao sary na maka sarin’ny masoandro, na volana, na kintana.)

b) Manorata fanazavana fohy momba ny ifandraisan’ilay sary amin’ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina.

Mampihatra ireo fahamarinan’ny filazantsara

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nampianatra fahamarinana iray izay afaka manampy antsika hahatakatra sy hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Nampianatra izy fa ny fitsipiky ny filazantsara dia manolotra “ilay fomba fijery sarobidy an’ilay fahamarinana mandrakizay rehefa mamakivaky ireo toe-javatra iainana, ireo olana sy ireo fanapahan-kevitra ary ireo zavatra iainana mandritra ny fiainana an-tany isika” (“Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123–24). Ireo fitsipika hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy antsika amin’ny toe-javatra maro eo amin’ny fiainantsika.

Misafidiana andalan-tsoratra masina roa misy fitsipika izay tianao ho fantatra ny fomba hampiharana azy eo amin’ny fiainanao. Mety ho ireo andalana efa nosafidinao teo aloha izany, na mety ho hafa.

3. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity ho an’ireo andinin-tsoratra masina roa nosafidinao:

Isaky ny andalana, dia milazà toe-javatra iray izay ahafahan’ny olona iray mampihatra ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Ohatra, ny tanora iray dia mety harisika kokoa handray anjara amin’ny asa tantaram-pianakaviana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fijoroany vavolombelona momba ny fotopampianaran’ny famonjena ho an’ny maty izay ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 .

Hazavao ny fomba ahafahan’ny fampiharana ny fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny andalana tsirairay nofidinao manampy ilay olona handray ny fanampian’ny Mpamonjy.

Hamoaka printy