Seminera
Apokalypsy 6–7


Apokalypsy 6–7

“Iza no ho tafajoro?”

Sary
A family gathers inside the Conference Center. They are looking at a statue of the Christus.

Tao anatin’ny fanambarana izay nataony, dia nahita fahitana momba ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra i Jaona nanokatra ny tombokase enina voalohany tamin’ny boky voaisy tombokase. Tamin’ny fanokafana ny tombokase fahenina, dia naseho an’i Jaona ny fahoriana lehibe, narahin’ny fahitana ny amin’ ireo mpanompon’ Andriamanitra izay lasa nadio tamin’ny alalan’ny ràn’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy, izay nitsaoka teo anoloan’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra (jereo ny Apokalypsy 7:9–15). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy mba ho lasa madio sy hijanona ho mahatoky mandritra ny fahoriana amin’ny andro farany.

Fanokafana ny tombokase enina voalohany

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra manahirana anao amin’ny fiainana amin’ny andro farany? Nahoana?

  • Inona no zavatra mampientanentana anao amin’ny fiainana amin’ny andro farany? Nahoana?

Sary
A modern replica of an ancient papyrus scroll, folded and sealed with multiple clay seals. Sealing an ancient document in this way identified its owner and his authority, made the document legally binding, and protected it from unauthorized disclosure. Jesus Christ’s role as the only person worthy to open and read the sealed book in Revelation 5 highlights His authority as the executor of God’s plan of salvation.

Tsarovy fa tao amin’ny Apokalypsy 5 , i Jaona dia nahita boky misy tombokase fito izay i Jesoa Kristy irery ihany no mendrika hanokatra izany. Ny tombokase tsirairay dia maneho ny fe-potoana 1.000 taona teo amin’ny tantara teto an-tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:7). Nanomboka tamin’ny Apokalypsy 6:12 , dia nahita ny fanokafana ny tombokase fahenina i Jaona. Ny tombokase fahenina dia maneho ny arivo taona mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany ary azo inoana fa ahitana ny fotoana izay iainantsika ankehitriny.

Ho fampahalalana sy fanazavana momba ireo sariohatra nofaritan’i Jaona ho an’ireo tombokase enina voalohany (jereo ny Apokalypsy 6:1–11), dia jereo ny “Apokalypsy 6. The First Six Seals” ao amin’ny New Testament Student Manual (2014), 542–43.

Vakio ny Apokalypsy 6:12–16 , ary tadiavo ny sasany amin’ireo zava-nitranga izay hitan’i Jaona nandritra ny fanokafana ny tombokase fahenina.

  • Inona no zavatra nanaitra anao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Inona ny zavatra hianaranao avy amin’ny andininy 15–16 mikasika ny toe-piainana ara-panahin’ny maro izay miaina mandritra ny fanokafana ny tombokase fahenina?

Vakio ny Apokalypsy 6:17 ary asio marika ilay fanontaniana ao amin’io andininy io.

  • Ahoana no fomba hilazanao io fanontanian’i Jaona io amin’ny teninao manokana?

  • Inona araka ny hevitrao no valin’ny fanontaniana izay napetrak’i Jaona?

Na dia eo aza ny fandravana sy ny faharatsiana nambara amin’ny andro farany, dia diniho ny zavatra rehetra izay nataon’ny Tompo sy ny ataony mba hikarakarana ireo Olomasina ho fanomanana ny fiverenany eto an-tany.

  • Inona no zavatra izay nataon’ny Mpamonjy ary inona no ataony ankehitriny mba hanomanana sy hiarovana ny Olomasiny?

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hamaly ilay fanontaniana ao amin’ny Apokalypsy 6:17 . Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy manampy anao hahatsapa fiadanana sy fifaliana rehefa miezaka miaritra ireo olana ara-panahy sy ara-batana amin’ny andro farany ianao.

Nahita fiomanana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany sy fahitana momba ny fanjakana selestialy i Jaona

Ao amin’ny Apokalypsy 7 , i Jaona dia nahita anjely efatra nirahin’ Andriamanitra izay nanana hery mba hamonjena sy handrava ny fiainana eto an-tany (jereo ny Apokalypsy 7:1 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8). Hitan’i Jaona mialoha ireo anjely izay niomana ny handatsaka faharavana eto an-tany ho fanomanana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Hitany koa fa nomena fiarovana ireo mpikambana tao amin’ny fokon’i Isiraely (jereo ny Apokalypsy 7:1–8 ; 9:3–4). Nahita fahitana momba ny fanjakana selestialy izy.

Vakio ny Apokalypsy 7:9–12 , ka tadiavo ny fomba namariparitan’i Jaona ny olona ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Firy ny olona hitan’i Jaona, ary nahoana no zava-dehibe izany?

  • Inona no zavatra nanaitra anao momba ny teny sy ny fihetsik’ireo olona ireo?

Manaraka izany, dia vakio ny Apokalypsy 7:13–14 ary tadiavo ireo fitahiana izay miandry ny olona mahatoky sy nahafahan’ny olona niditra teo anatrehan’ Andriamanitra.

  • Ahoana no fomba hanampian’ireo andininy ireo amin’ny famaliana ny fanontaniana izay napetraka ao amin’ny Apokalypsy 6:17 ?

  • Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe fitafiana nosasana ho fotsy tamin’ny ran’ny Zanakondry?

Fitsipika anankiray azo fantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe raha miaritra fahoriana amim-pahatokiana sy lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, dia higoka ny voninahitra selestialy miaraka amin’ Andriamanitra.

Mba hahatakarana kokoa ny dikan’ny hoe natao fotsy avy tamin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry ny akanjontsika sy ny fomba izay ahafahanao mahazo izany fitahiana izany, dia halalino ny sasantsasany amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto:

Isaia 1:18

Almà 7:14

Môrmôna 9:6

Môrônia 10:32–33

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43

  • Inona no zavatra izay nianaranao mikasika ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotany?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany azonao atomboka mba hahafahanao mahazo ny hery manadio an’i Jesoa Kristy dieny izao?

Fiadanana ary fitsaharana amin’ Andriamanitra

1. Ataovy ity sahanasa manaraka ity, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireo fanontaniana ireo.

Vakio ny Apokalypsy 7:15–17 , ary tadiavo ireo fitahiana betsaka kokoa izay hitan’i Jaona fa hiainan’ny olo-marina any amin’ny fanjakana selestialy.

  • Inona amin’ireo fitahiana ireo no toa manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana ireo fitahiana ho avy ireo hisy fiantraikany amin’ny fitondrantenanao ankehitriny?

Apokalypsy 7:1 . Inona no antony nanirahana sy ny zavatra fonosin’ireo anjely efatra ireo?

Apokalypsy 7:1 dia manondro anjely efatra, ny vazan-tany efatra, ary ny rivotra efatry ny tany. Ny isa efatra ao amin’ny soratra masina dia matetika milaza ny fahafenoana ara-jeografika, toy ny amin’ny fitodihana efatra amin’ny kompà. Ireo anjely ireo dia nomena ny iraka hanolotra ny filazantsara mandrakizay amin’ny “firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny vahoaka rehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:8).

Apokalypsy 7:2–8 . Iza ireo 144 000 amin’ny fokon’ny Israely, ary inona no tombokase natao teo amin’ny handrin’izy ireo?

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:11 , ny Tompo dia nanazava tamin’i Joseph Smith fa ny isa 144.000 voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7:4–8 dia ny isan’ny solontena avy amin’ireo foko roa ambin’ny folo an’i Isiraely izay hotendrena hanampy ny hafa amin’ny fikatsahany ny fisandratana. Tsy araka izay inoan’ny sasany fa hoe fitambaran’ny olona hasandratra anefa izany.

Mikasika ny fanisiana tombonkase “eo amin’ny handrin’ny … mpanompon’ Andriamanitra” ( Apokalypsy 7:3), nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa izany dia “midika fa famehezana ny tsodrano eo amin’ny lohany, izany hoe ny fanekempihavanana mandrakizay” (ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume E-1, 1690, josephsmithpapers.org).

Ahoana no ahafahako manomboka ny dingan’ny fanasana ny akanjoko ho “fotsy amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry”? ( Apokalypsy 7:14)

Ny Loholona Lynn A. Mickelsen ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa:

Sary
Final official portrait of Elder Lynn A. Mickelsen of the First Quorum of the Seventy, 1999. Released October 3, 2009 at general conference.

Ny andraikitsika dia ny manao ny asan’ny fibebahana. Tsy maintsy miala amin’ny fahotantsika isika mba hanombohan’ny fanadiovana. Ny fampanantenan’ny Tompo dia ny hanadio ny akanjontsika amin’ny rany [jereo ny Apokalypsy 7:14 ]. Nanolotra ny ainy Izy ary nijaly noho ny fahotantsika rehetra. Afaka manavotra antsika amin’ny fahalavoantsika manokana Izy. Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, nanolotra ny Tenany ho avotra noho ny fahotantsika, dia nanome lalana ny Fanahy Masina hanadio antsika amin’ny batisan’ny afo Izy.

(Lynn A. Mickelsen, “The Atonement, Repentance, and Dirty Linen,” Ensign na Liahona, Nôv. 2003, 12)

Ahoana no fomba ahafahako mahazo ny hery sy ny fiarovana atolotry ny Mpamonjy ho an’ireo Olomasiny mandritra ny andro farany?

Ao amin’ny 1 Nefia 14:12–17 , i Nefia dia nahita ny faharatsiana sy ny faharavan’ny andro farany ary ireo Olomasina dia “mirongo fiadiana amin’ny fahamarinana sy amin’ny herin’ Andriamanitra amin’ny voninahitra lehibe” ( andininy 14). Raha niresaka momba ny fomba ahafahantsika mitaona ny tenantsika amin’ireo fitahiana ireo ihany koa ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava hoe:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Ahoana no ahafahantsika mitafy fahamarinana sy hery? Mihazona tsy tapaka ny andro Sabata ho masina sy manaja ny fisoronana isika. Manao sy mitandrina ireo fanekempihavanana, manao asa mikasika ny tantaram-pianakaviantsika, ary mandeha any amin’ny tempoly isika. Miezaka ny mibebaka tsy tapaka sy mitalaho amin’ny Tompo isika mba “hampihatra ny ran’ny sorompanavotan’i Kristy hahazoan[tsika] mandray ny famelana ny fahotan[tsika]” ( Môzià 4:2). Mivavaka sy manompo ary mijoro ho vavolombelona sy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika.

(Henry B. Eyring, “Mitafy fahamarinana,” Liahona, Mar. 2017, 4)

Hamoaka printy