Seminera
Apokalypsy 8–11


Apokalypsy 8–11

Ny fisokafan’ny tombokase fahafito

Sary
A Girl/Young Woman lying on a bed reading scriptures.

Ny soratra masina dia manome fahafahana maro hianarana lesona manan-danja avy amin’ireo izay niaina tany amin’ny lasa. Mampianatra antsika ny amin’ireo trangan-javatra voalazan’ny faminaniana izay hitranga amin’ny hoavy ihany koa izy ireo. Ao amin’ny Apokalypsy 8–11, i Jaona dia nandrakitra an-tsoratra ny faminaniana momba ireo zavatra manan-danja sy manahirana izay hitranga alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny herin’ny Tompo sy ny fahaizany miaro antsika amin’ny loza sy ny faharatsian’ny andro farany.

Ireo trangan-javatra mahagaga amin’ny andro farany

  • Inona avy ireo asa lehibe sasany izay nataon’ny Tompo tamin’ny lasa, na izany ho an’ny hafa na teo amin’ny fiainanao manokana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara hevi-baovao manan-danja iray mikasika ireo zavatra izay hitranga alohan’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

I Jesoa Kristy, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia hanatanteraka ny sasany amin’ireo asany lehibe indrindra eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny fotoana hiverenany indray. Hahita famantarana mahagaga isika fa Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zananilahy dia mitantana ity Fiangonana ity amin’ny fahamboniana sy amim-boninahitra.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona Mey 2018, 96) 

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa namaky io fanambarana io?

  • Inona avy ireo asa lehibe vitsivitsy fantatrao fa hotanterahin’ny Tompo alohan’ny Fiaviany Fanindroany?

Avy amin’ny fanambarana nataon’ny Filoha Nelson no ianarantsika fa ny Tompo dia hanao ny sasany amin’ireo asany mahery indrindra alohan’ny hiverenany indray. Ato amin’ity lesona ity dia handalina momba ny sasany amin’ireo asa lehibe ireo ianao. Jereo tsara ny zavatra izay nianaranao momba an’ Andriamanitra sy ny heriny ary ny fitiavany antsika rehefa mandalina.

Nahita ny fisokafan’ny tombokase fahafito i Jaona

Mety ho tadidinao fa nahita boky nisy tombokase fito i Jaona tao amin’ny fahitany izay voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ny tombokase tsirairay dia maneho fe-potoana 1000 taona teto an-tany (jereo ny Apokalypsy 5 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7). Ity sary manaraka ity dia afaka manampy anao haka sary an-tsaina ny fanantitranterana napetrak’i Jaona tamin’ireo vanim-potoana tsirairay ireo.

Sary
A diagram of John’s vision of the 7 seals in the book of revelation including scripture verse reference
  • Nahoana no mety hanampy anao ny mahafantatra fa i Jaona dia nampifantoka ny ankamaroan’ny asa sorany tamin’ireo trangan-javatra mifandraika amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, fa tsy tamin’ireo trangan-javatra izay mifandray amin’ireo tombokase teo aloha?

Ao amin’ny Apokalypsy 11 , dia hitan’i Jaona mialoha ny fotoana iray izay hiezahan’ny tafika mahery ahitana “olona sy foko sy fiteny ary firenena” maro ( Apokalypsy 11:9) handrava an’i Jerosalema (jereo koa ny Ezekiela 38:4–6, 14–16 ; Joela 2:1–9 ; Apokalypsy 9:16–17 ; 11:2). Saingy ny asa soratr’i Jaona dia manondro fa hisy vavolombelona roa hirahin’ Andriamanitra hanakana an’io tafika io tsy hanatanteraka ny tanjony mandritra ny 42 volana (jereo ny Apokalypsy 11:2–3).

Vakio ny Apokalypsy 11:3–6 ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15 , ka tadiavo ny antsipiriany momba ireo vavolombelona roa ireo.

  • Inona no nianaranao momba ireo vavolombelona roa ireo?

  • Inona no porofo hitanao izay manambara fa hiaraka amin’izy ireo ny herin’ Andriamanitra?

Vakio ny Apokalypsy 11:7–10 , ka tadiavo ny faminanian’i Jaona momba ny zavatra hitranga amin’ireo mpaminany roa ireo rehefa tapitra ny asa fanompoany teo anivon’ny Jiosy.

  • Inona no ambaran’ireo andininy ireo momba ny toe-piainana ara-panahin’ny olona maro izay hiaina eto an-tany amin’izany fotoana izany?

Ambaran’ny soratra masina fa mandritra ny “telo andro sy tapany” ( Apokalypsy 11:9) rehefa hiampatrampatra eny an-dalambe ny fatin’ireo mpaminany ireo, dia hitodika any amin’ny fikasana hambabo an’i Jerosalema indray ilay tafika mahery (jereo ny Zakaria 14:2).

Sary
Photo of the Mount of Olives

Sarin’ny Tendrombohitra Oliva any Jerosalema ity. Nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane, teo amin’io tendrombohitra io ny Mpamonjy mba ho ampahany amin’ny Sorompanavotany (jereo ny Lioka 22:39–44). Eo amin’io tendrombohitra Oliva io ihany koa ny Mpamonjy no “handeha, ary hiady amin’ireo firenena” ( Zakaria 14:3–4) izay mitady ny handrava ny firenena Jiosy, alohan’ny hisehoany amin’izao tontolo izao.

Vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ka tadiavo ny antsipirian’ireo asa lehibe izay hataon’ny Tompo ao Jerosalema sy eo amin’ny Tendrombohitra Oliva alohan’ny Fiaviany Fanindroany.

Apokalypsy 11:11–13

Zakaria 14:3–5

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:48–53

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo trangan-javatra voarakitra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo eo amin’ireo olona miaina izany?

  • Ahoana no anampian’ireo trangan-javatra nambara mialoha ireo anao hahatakatra na hahatsapa momba ny Mpamonjy?

  • Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra sy mahatsapa ireo zavatra momba ny Mpamonjy ireo amin’izao fotoana eo amin’ny fiainanao izao?

Fiarovana ho an’ireo Olomasin’ Andriamanitra

Na dia ialohavan’ny faharatsiana sy ny ady ary ny fandringanana aza ny Fiaviana Fanindroany dia zava-dehibe ihany koa ny mahatsiaro fa ny Tompo dia nampanantena fanampiana sy fiarovana ara-panahy ho an’ireo izay misafidy ny hanaraka Azy (jereo ny Apokalypsy 17:14 ; 1 Nefia 22:16–17). Toerana anankiray ahitana fiadanana sy fialofana ary fiarovana i Ziona, ilay Jerosalema Vaovao, izay ho hita ao amin’ny kaontinanta Amerikana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66 ; Fanekem-pinoana 1:10). Tsy mbola nanambara antsipiriany betsaka momba ity tanàna ho avy ity ny Tompo, fa nampianatra kosa ny fiarovana izay ho azo ao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–71 , ka tadiavo ao ny fomba namariparitan’ny Tompo ny tanànan’i Ziona.

Raha mila fanazavana fanampiny momba an’i Ziona dia jereo ny “Inona no atao hoe Ziona?” ao amin’ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?” amin’ity lesona ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny izay hitanao fa manan-danja avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Avy aiza no hiavian’ny olo-marina ao Ziona?

  • Inona no ataon’ny Tompo ankehitriny mba hanomanany antsika amin’io fotoana ho avy io sy mba hiarovany antsika amin’ny faharatsiana sy ny loza amin’izao androntsika izao?

Mieritreritra ny zavatra nianaranao

Jereo ny fanambaran’ny Filoha Nelson tany am-piandohan’ny lesona, ary eritrereto ny zavatra nohalalininao androany mikasika ireo asa lehibe izay hataon’ny Tompo.

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa, farafahakeliny, amin’ireto fisarihana manaraka ireto:

Ny zavatra niavaka indrindra tamiko tamin’ny fianarako androany dia …

Nianatra na nahatsapa aho androany fa ny Tompo …

Noho ny zavatra nianarako na tsapako androany,izaho dia te …

Inona no fantatsika momba ireo mpaminany roa izay ho tonga ao Jerosalema?

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireto hevi-baovao manaraka ireto:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Mety ho iza ireo vavolombelona ireo? Tsy fantatsika, ankoatra ny hoe ho mpanara-dia an’i Joseph Smith izy ireo; hihazona ny Fisoronana Melkizedeka masina izy ireo; ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Ara-drariny ny fiheverana, noho ny fahafantarana ny fomba nitondran’ny Tompo ny olony hatrany amin’ny vanim-potoana rehetra, fa ho mpikambana roa ao amin’ny Filankevitry ny Roambinifololahy na ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny Fiangonana izy ireo.

(Bruce R. McConkie, The Millennial Messiah: The Second Coming of the Son of Man[1982], 390)

Raha mila fanazavana fanampiny momba ireo mpaminany roa ireo, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:15 .

Hanao ahoana rehefa ho avy indray i Jesoa Kristy?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Hiverina any amin’ny Tanàna Masina [i Jesoa Kristy] (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:46–48). Any Jerosalema sy any amin’ny toeran-kafa dia “hiseho ny voninahitry ny Tompo, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany” ( Isaia 40:5 ; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:23). “Ny anarany hatao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Ny Ray Maharitra Mandrakizay, Ny Andrian’ny Fiadanana” ( Isaia 9:5). …

Amin’izany andro izany dia hitondra anarana vaovao maro Izy ary ho voahodidin’ Olomasina miavaka. Izy dia ho fantatra amin’ny anarana hoe “Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka …, ary haharesy azy koa izay homba Azy, dia [ho ireo] olona voantso sy voafidy ary mahatoky” ( Apokalypsy 17:14) noho ny fahatokiany eto amin’ny fiainana an-tany. Dia “hanjaka mandrakizay mandrakizay” ( Apokalypsy 11:15) Izy.

(Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Apr. 2020, 16–17)

Inona no atao hoe Ziona?

Ny teny hoe Ziona ao amin’ny soratra masina dia ampiasaina mba hilazana zavatra maro samihafa. Indraindray ilay teny dia entina ilazana ny vahoakan’i Ziona ary mamaritra azy ireo ho “ny madio am-po” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21). Ziona dia afaka manondro ny Fiangonana manontolo sy ny tsatòkany manerana izao tontolo izao ihany koa (jereo ny  Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14). Ny teny hoe Ziona dia azo ilazana ireo toerana ara-jeôgrafika manokana, toy ny tanànan’i Enoka ihany koa (jereo ny Mosesy 7:18–21), Jerosalema fahiny (jereo ny 2 Samoela 5:7 ; 1 Mpanjaka 8:1), ary Jerosalema Vaovao amin’ny andro farany (jereo ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 45:66–67 ; 57:1–3 ; Fanekem-pinoana 1:10).

Ahoana no ahafahako mahatsapa fiadanana eo anivon’ireo loza amin’ny andro farany?

Jereo ny horonan-tsary “Men’s Hearts Shall Fail Them” (3:24), azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mijery izany ianao, dia tadiavo ny fampianarana avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson mikasika ny fomba ahafahantsika mandresy ny tahotra na ny tebiteby momba ny fiainana amin’ny andro farany. 

Hamoaka printy