Seminera
Apokalypsy 12


Apokalypsy 12

“Ady tany an-danitra”

Sary
illustration of the earth from space

Avy aiza ianao talohan’ny nahaterahanao teto an-tany? Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fahalalana izany eo amin’ny fiainanao? Raha namariparitra ny fahitany ny “zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay” ( Apokalypsy 4:1) mikasika ny andro farany sy ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany i Jaona dia nizara ny antsipiriany ny amin’ny fisiantsika talohan’ny nahaterahana koa izy , anisan’izany ny “ady tany an-danitra” ( Apokalypsy 12:7) sy ny fanoheran’i Satana ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy eto amin’ny fiainana an-tany. Ity lesona ity dia natao hanampy amin’ny fampitomboana ny fanolorantenanao hanaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana anao hahatakatra ny safidy nataonao talohan’ny nahaterahana mba hanaraka ny Mpamonjy sy handà an’i Satana.

Inona no mety ho vokatr’izany?

Nandritra ny fampaherezam-panahy naneran-tany ho an’ny zatovo, dia nizara izao teny nambara manaraka izao ny Rahavavy Wendy W. Nelson, vadin’ny Filoha Russell M. Nelson. Andramo alaina sary an-tsaina hoe inona no zavatra asainy hojerenao sy ho tsapanao. Azonao atao ny mijery ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” (1:01:34), izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana faha 20:52–21:37, na mamaky izao teny nambara manaraka izao.

Ny ady any an-danitra talohan’ny nahaterahana

Mba hanampiana anao hiomana handalina ny fampianaran’i Jaona momba ny Ady tany an-danitra dia mety hanampy anao ny mandalina ny Apokalypsy 12:1–5 ary avy eo mijery ilay sary etsy ambany izay maneho ny sasany amin’ireo sariohatra ao amin’ireo andininy ireo. Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra asehon’ireo sariohatra ireo.

Sary
Book of Revelation Transparencies

Sariohatra

Inona no asehon’izany

Vehivavy anankiray ( Apokalypsy 12:1)

“Ny fiangonan’ Andriamanitra” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

Zanak’ilay vehivavy ( Apokalypsy 12:2)

“Ny fanjakan’ Andriamanitsika sy ny Kristiny” (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

Dragona ( Apokalypsy 12:3)

Satana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:8 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina])

1. Vitao ity sahanasa manaraka ity, ao anatin’izany ny famoronana sy ny famenoana ilay tabilao ary ny famaliana ireo fanontaniana:

Mba hianarana momba ny ady tany an-danitra dia manaova tabilao toy izao manaraka izao ao anatin’ny diary fandalinanao. Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7–11 (ao Torolalana ho an’ny Soratra Masina). I “Mikaela sy ny anjeliny” ( Apokalypsy 12:7) dia i Adama sy ireo fanahy zanak’ Andriamanitra olo-marina.

Ny ady tany an-danitra

Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 12:7–11 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)

Nianatra aho fa i Satana …

Nianatra aho fa i Jesoa Kristy …

Nianatra aho fa izaho …

Saintsaino ny zavatra izay novakianao sy izay nosoratanao tao amin’ilay tabilao.

  • Inona no zavatra manaitra anao? Inona avy ireo fanontanianao?

  • Inona no manampy anao andininy 11 hahatakatra hoe nanao ahoana ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahanao? Inona no anjara asan’ny Mpamonjy tamin’ny fanampiana anao handresy an’i Satana?

Tamin’ny fampianarana momba ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny asa nataontsika tany dia nanamafy izao manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Nandritra ny Filankevitra tany An-danitra dia nampahafantarina an’ireo fanahy rehetra zanak’ Andriamanitra ilay drafitry ny Ray, tafiditra ao anatin’izany ireo vokany sy ireo fitsapana entiny ety an-tany, ireo fanampiana avy any an-danitra ho azo avy amin’izany ary ilay anjara feno voninahitra hoentin’izany. Hitantsika tany am-piandohana ny fiafarany. Ireo olombelona rehetra maro sesehena izay efa teraka teto amin’ity tany ity dia nisafidy ny drafitry ny Ray ary niady ho an’izany nandritra ilay ady tany an-danitra taorian’izany.

(Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Liahona, Mey 2020, 93)

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manorina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy manampy anao hanaraka Azy?

Ny fahamarinana iray izay mety hianaranao avy amin’ny fandalinanao dia ny hoe nandresy an’i Satana ianao tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary tamin’ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fijoroanao ho vavolombelona.

2. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mahatonga ny fahatakaranao an’io fahamarinana io hisy fiantraikany amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa?

  • Inona no anampian’io fahamarinana io anao amin’ny fahatakarana ny herin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

Tsarovy fa taorian’ny fikomiana nataon’i Satana, dia “nazera teny ambonin’ny tany” izy sy ny mpanara-dia azy ( Apokalypsy 12:9). Vakio ny Apokalypsy 12:12, 17 , ary tadiavo hoe iza no niady tamin’i Satana taorian’ny nandroahana azy avy tany an-danitra. Ampio amin’ny hevi-baovaonao ilay tabilao noforoninao.

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanaoireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fahitanao ny ady natombok’i Satana tamin’ireo mpanaradia an’i Kristy izay mbola mitohy ankehitriny?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahalalana ireo fahamarinana nianaranao momba ny Ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahana manampy anao amin’ity ady amin’i Satana ankehitriny ity?

Avereno jerena ny zavatra notanisainao tao amin’ny diary fandalinanao, ary saintsaino sy mivavaha mangina momba ny finoanao manokana mikasika ny fiainanao talohan’ny nahaterahana sy ny zava-misy marina momba ny ady misy eo amin’i Satana sy ireo izay manaraka an’i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba ahafahan’ny zavatra nianaranao androany manampy anao hahatakatra kokoa ny momba ny fahatokianao sy ny fianteheranao tamin’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahana. Ahoana no ahafahanao matoky sy miantehitra kokoa Aminy eto amin’ny fiainanao eto an-tany? Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Ahoana no nandreseko an’i Satana tamin’ny ady tany an-danitra talohan’ny nahaterahako?

Nizara an’izao manaraka izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Tsarovy ny zavatra fantatsika momba ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahantsika. Nanolotra drafitra ho an’ireo zanany ny Raintsika any An-danitra. Nanatrika teo isika. … I Losifera, ilay fanahy rahalahintsika dia nanohitra ilay drafitra izay hahafahantsika hanana ny fahafahana misafidy. I Jehovah, ilay Zanakalahy Malalan’ny Ray any An-danitra dia nanohana ilay drafitra. Nitarika fikomiana i Losifera. Nandresy ny fanohanan’i Jehovah ary dia nanolo-tena Izy mba ho Mpamonjy antsika.

Noho ianareo tonga eto amin’ny fiainana an-tany dia manana antoka isika fa nanohana ny Ray sy ny Mpamonjy ianareo. Nitaky finoana an’i Jesoa Kristy ny fanohanana ilay drafitry ny fahasambarana sy ny toeran’i Jesoa Kristy ao anatin’izany kanefa bitika ihany no mba fantatrareo ny amin’ny olana izay ho atrehanareo ao amin’ny fiainana an-tany.

(Henry B. Eyring, “Ny herin’ny fanohanana entanim-pinoana,” Liahona, Mey 2019, 58)

Ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany, dia nizara izao manaraka izao:

Sary
The official portrait of Ahmad Corbitt.

Rehefa nampanantena i Jesoa Kristy [nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana] fa ho tonga eto amin’ity fiainana an-tany ity ary hanolotra ny ainy ho fanangonana sy ho famonjena antsika, dia tsy nino Azy fotsiny ianareo. Ianareo “fanahy mendri-kaja” dia nanana “finoana lehibe tokoa” ka hitanareo fa azo antoka ny fampanantenany [Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” 8; Almà 13:3 ]. Tsy afaka ny handainga Izy, noho izany dia nahita Azy ianareo ho toy ny efa nandatsaka ny rany sahady ho anareo fotoana ela talohan’ny nahaterahany. …

… Talohan’ny nahaterahanareo dia nianatra nijery ireo fampanantenana nataon’i Kristy ho fampanantenana azo antoka ianareo, ary nanandrana ny famonjeny. Ny finoanareo lehibe dia mitovy amin’ny hozatra izay mihamafy sy mihangeza rehefa manazatra azy ianareo kanefa efa ao anatinareo izy ireo.

(Ahmad S. Corbitt, “Afaka manangona an’i Israely ianao!,” Liahona, Mey 2021, 62)

Aiza no hahafahako mianatra kokoa momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana?

Diniho ny sasany amin’ireto loharanon-kevitra manaraka ireto:

Mosesy 4:1–4

Gospel Topics, “War in Heaven,” topics.ChurchofJesusChrist.org

Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Ady tany an-danitra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org

Kevin W. Pearson, “What You Knew in Premortal Life,” New Era, Sept. 2015, 36–38

Karazan’ady toy ny ahoana ny Ady tany an-danitra?

Nanazava ny ady niseho tany an-danitra ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–1985) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Karazana ady toy ny ahoana? Ilay karazany mitovy amin’izay misy eto an-tany, ilay hany karazany azon’i Satana sy ireo fanahy irotsahana—ady amin’ny teny, ady hevitra, fifandirana amin’ny foto-kevitra, ady eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana, ny fahazavana sy ny haizina. … Ary mbola soritana ny tsipiky ny ady. Ety an-tany ankehitriny tahaka ny tany an-danitra izany; ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy misafidy izay jeneraly harahiny.

(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:518)

Hamoaka printy