Seminera
Apokalypsy 21–22


Apokalypsy 21–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Sary
A person standing on a mountain top

Azonao sary an-tsaina ve hoe manao ahoana izany fiainana miaraka amin’ Andriamanitra any amin’ny fanjakana selestialy izany? Tao amin’ireo seho farany tamin’ny fanambarana lehibe nataony dia nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao” ary tanàna masina iray nidina avy tany an-danitra i Jaona (jereo ny Apokalypsy 21:1–2). Nijoro vavolombelona izy fa Andriamanitra dia “hitoetra eo aminy, ary izy ireo ho olony” (Apokalypsy 21:3). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra fa ny fahafahana miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy dia mendrika ny hanaovana ny ezaka rehetra.

Ny vokatra farany

Sary
The next would be the team celebrating the goal.

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikambana ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahantena iray ianao ary efa fantatrao mialoha fa hahazo ny anaram-boninahitra maha tompondaka ny ekipanao amin’ny faran’ny taom-pilalaovana. Na izany aza, tsy fantatrao hoe haharitra hafiriana ny fotoam-pilalaovana, ary ny mpanazatra dia manantena ny mpilalao rehetra mba hanao ny ezaka tsara indrindra avy any amin’izy ireo mba hijanonana ao amin’ny ekipa.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahalalana izany amin’ny fomba fiomananao sy ny fanatontosanao ny lalao tsirairay? Nahoana?

  • Ahoana no mety ho fihetsikao raha toa ka resy amin’ny lalao vitsivitsy misesy ny ekipanao? Ahoana no mety hampaherezanao ny mpiara-milalao aminao ao aorian’ireo faharesena ireo?

Zao dia makà fotoana kely hieritreretana momba ny andro farany sy ny Fiaviana Fanindroany.

  • Manao ahoana ny fahatokianao fa ny fahamarinana dia tsy maintsy handresy ny ratsy? Inona no mety hanampy anao hampitombo ny fahatokisanao?

  • Tsapanao ve fa mendrika ny ezaka tsara indrindra izay ataonao tsy tapaka ny fanarahana ny Mpamonjy? Fa nahoana?

Ny fiafaran’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy dia nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fa: ny ankolafin’i Jehovah no handresy. Mandritra ny Arivo Taona, dia hofatorana i Satana ary i Jesoa Kristy dia hanjaka amim-piadanana eto an-tany (jereo ny Apokalypsy 20:1–4). Aorianan’io arivo taona io dia “hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara” mandrakizay i Satana, ary hisy ny Fitsarana Farany (jereo ny Apokalypsy 20:7–15). Aorian’ny Fitsarana Farany dia handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy ny olo-marina sy mahatoky.

Rehefa mandalina ny Apokalypsy 21–22 ianao, dia mitadiava ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hampitomboana ny fanirianao hanao ny ezaka tsara indrindra amin’ny fiezahana hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra selestialy.

Ny fiandohana sy ny fiafarana

Iray amin’ireo zava-nitranga manan-danja izay hitan’i Jaona tao amin’ny fahitany ny fandresen’i Jesoa Kristy an’i Satana any amin’ny faran’izao tontolo izao. Ao amin’ny Apokalypsy 21–22, i Jaona dia namariparitra ny anjaran’ireo izay niara-niady tamin’ny Mpamonjy mba handresy ny faharatsiana.

Vakio ny Apokalypsy 21:1–7 , ary tadiavo ireo fitahiana izay homen’ Andriamanitra ny mahatoky. Azonao atao ny manisy marika ireo fitahiana izay manan-danja aminao.

Raha te hianatra misimisy kokoa momba an’i Jerosalema Vaovao izay voalaza ao amin’ny andininy 2 , ianao, dia hevero ny hijery izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina .

Marihina fa ao amin’ny andininy 2 , ny mpampiakatra dia tandindon’ny Mpamonjy, ary ny ampakarina dia tandindon’ny Fiangonana, na ireo izay manaraka Azy amim-pahatokiana.

Ao amin’ny andininy 7 , ny zanakalahy na zanakavavin’i Kristy dia olona iray izay nitandrina ny fanekempihavanana nataony taminy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fitahiana izay homen’ Andriamanitra an’ny mahatoky no tena manan-danja aminao? Nahoana?

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra ireo zavatra momba Azy ireo?

Mandova ny fanjakana selestialy

Anisan’ireo fahamarinana maro ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ireto manaraka ireto: Ao amin’ny fanjakana selestialy, Andriamanitra dia hiara-hitoetra sy hampionona ny olony, ary tsy hiaina fahafatesana, alahelo, na fanaintainana intsony izy ireo; ary ireo izay maharesy amim-pahatokiana ireo fitsapana eo amin’ny fiainana an-tany dia handova fitahiana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy.

Alaivo sary an-tsaina hoe tsy mihevitra ny iray amin’ireo namanao fa ny fiezahana hahazo ny fanjakana selestialy dia mendrika ny hanaovana ny zavatra rehetra takin’izany.

Manomàna valiny fohy izay azonao zaraina amin’ny namanao ka afaka manampy azy ireo hahatakatra fa ny fanjakana selestialy izay mendrika ny ezaka rehetra ilaina mba hiainana ny filazantsara. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanomana ny valinteninao:

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Final official portrait of Elder L. Tom Perry of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 30 May 2015.

Mino aho fa raha afaka mamorona sary mazava tsara sy marina momba ny fiainana mandrakizay ao an-tsaintsika isika, dia hanomboka hanana fitondrantena tena hafa mihitsy. Tsy mila amporisihina isika hanao ireo zavatra maro izay tafiditra ao amin’ny faharetana hatramin’ny farany, toy ny [fanompoana], fanatrehana ireo fivoriantsika, fandehanana any amin’ny tempoly, ny fananana fiainana madio ara-pitondran-tena, ny fanaovantsika vavaka, na ny famakiana soratra masina. Maniry hanao ireo zavatra rehetra ireo sy ny maro hafa koa isika, satria tsapantsika fa hanomana antsika fahafahana handeha amin’ny toerana izay irintsika haleha izy ireo.

(L. Tom Perry, “L’evangile de Jésus Christ,” Liahona, Mai 2008, 44)

Apokalypsy 7:13–17

Apokalypsy 21:22–27

Môzià 2:41

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–52, 59–60, 69–70

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2

Ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny eritreritrao rehefa mandinika ny valinteninao ianao:

  • Inona no mahafaly anao rehefa mieritreritra momba izany hoe hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy izany?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy izay mamporisika anao hanaraka Azy sy hiezaka hahazo ny fanjakana selestialy?

  • Inona no zavatra niainanao niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay nampitombo ny fanirianao hiara-hiaina amin’Izy ireo indray?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitiavan’izy ireo anao nanampy anao hahatsapa fa azo atao tsara ny miditra ao amin’ny fanjakana selestialy?

Soraty ao anatin’ny fehezanteny efatra na dimy ny zavatra mety holazainao amin’ny namanao.

2. Soraty ao anatin’ny fehezanteny efatra na dimy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra mety holazainao amin’ny namanao.

Saintsaino mandritra ny minitra vitsivitsy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’izy ireo mba hahazoanao ny fiainana mandrakizay. Eritrereto ny fomba ahafahanao maneho fankasitrahana noho ny famindram-pony sy ny fahasoavany.

Moa ve ny Ray any an-danitra tena nanao izay hahatonga ahy ho any amin’ny fanjakana selestialy?

Ny valiny tsotra sady marina dia ny hoe eny tanteraka! Fa raha te-hianatra misimisy kokoa ianao dia hevero ny hamaky ny “You Can Make It!” izay nosoratan’i Eric B. Murdock, ny volana jolay 2021, ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! (pejy 24–26).

Ahoana no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny atao hoe fanjakana selestialy?

Azonao atao ny mijery ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina “Fanjakana selestialy” (topics.ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ihany koa ny mamaky ny “Tahaka ny ahoana ny Fanjakana selestialy?” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! izay nivoaka ny volana jolay 2021 (pejy 31).

Apokalypsy 21:6 . Inona no tiany hotenenina rehefa niantso ny tenany hoe “Alfa sy Omega” i Jesoa?

Alfa dia litera voalohany amin’ny alfabeta Grika. Alfa dia midika hoe “ny voalohany” na “ny fiandohana.” Omega dia midika hoe “farany amin’ny andiany rehetra”, na “farany.” Rehefa atambatra ireo teny roa, Alfa sy Omega, dia midika hoe “hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafaràna,” na “hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” Rehefa antsoina hoe Alfa sy Omega i Jesoa, dia midika izany fa efa hatramin’ny voalohany Izy ary ho any amin’ny farany amin’ny zava-drehetra; mandrakizay izy.

(Dorothy Leon, “By These Names,” Liahona, Aprily. 1996)

Iray amin’ireo fomba ahafahantsika mahita an’i Jesoa Kristy ho Alfa sy Omega ny maha mpikambana Azy ao amin’ Andriamanitra sy ny maha mpahary izao tontolo izao Azy (jereo ny Môzià 3:8 ; Mosesy 1:33 ; 2:1). Nanaiky ho Mpamonjy antsika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ihany koa Izy (jereo ny Mosesy 4:2). Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22 ; Almà 11:42–44), ary Izy no ho Mpitsara sy Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray (jereo ny Romana 14:10–12 ; Almà 33:22 ; 3 Nefia 27:14–16 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5).

Moa ve ny Apokalypsy 22:18–19 midika fa tsy afaka ny hisy soratra masina fanampiny intsony ankoatra ny Baiboly?

Ny olona sasany dia mampiasa ny Apokalypsy 22:18–19 ho antony handavana ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa an’ny andro farany. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nanazava ny antony mahadiso io hevitra io ao amin’ny hafany hoe “My Words … Never Cease” (Ensign na Liahona, Mey 2008, 91–94).

Hamoaka printy