2021
Toy ny ahoana ny fanjakana selestialy?
Jolay 2021


“Toy ny ahoana ny fanjakana selestialy?” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 31.

Mivantana

Toy ny ahoana ny fanjakana selestialy?

Sary
Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy

Glory in Degrees (Voninahitra araka ny ambaratonga), nataon’i Annie Henrie

Na dia tsy manana ny antsipiriany rehetra mikasika ny fanjakana selestialy aza isika dia nanambara fahamarinana mahery vaika sasany momba izany ny Tompo. Ireto ny zavatra sasantsasany fantatsika:

  • Ny miaina any dia midika hoe mitoetra miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy miaraka amin’ny vatana tonga lafatra efa tafatsangana amin’ny maty, ary miaina ny karazana fiainana ananan’ Izy Ireo. Izany fiainana izany dia “toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.” (Môzià 2:41) ary “fahafenoan’ny fifaliana” (3 Nefia 28:10).

  • Ireo izay miaina any dia “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa,” ary “ny zava-drehetra dia azy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:59, 69).

  • Manana ny voninahitra ambony indrindra amin’ireo fanjakana rehetra izany. Ny voninahiny dia nampitoviana amin’ny famirapiratry ny masoandro.

  • Ny karazana fifandraisana ananantsika eto dia hisy any, ao anatin’izany ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviana, saingy izany dia “homban’ny voninahitra mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2).

  • Ahitana ambaratonga telo ao aminy. Ny ambaratonga avo indrindra no hiainan’ny olona nofehezina tao amin’ny fanambadiana mandrakizay sy nahatoky tao amin’ny fanekempihavanany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4).

  • Handray voninahitra selestialy ny tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:17–20).

Hamoaka printy