2021
Ilay fahitana
Jolay 2021


“Ilay fahitana,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2021, 16–17.

Avia, hanaraka Ahy

Ilay fahitana

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Sary
Ilay fahitana

Taorian’ny fanaovana ny dikantenin’ny Bokin’i Môrmôna dia nandidy an’i Joseph mba hanao fanitsiana ny Baiboly ny Tompo.

Teo am-pamakiany ny Baiboly dia nentanin’ny Tompo i Joseph hanisy fanovana ao amin’izany.

Nangataka mpitantsoratra mba hanampy azy i Joseph.

Lasa tara ilay asa rehefa nandidy ny Olomasina mba hifindra any Ohio ny Tompo.

Rehefa nifindra tany Ohio i Joseph dia namerina ireo fanitsiana indray ka i Sidney Rigdon no mpitantsoratra nanampy azy.

“Mila manohy ny asantsika momba ny Baiboly isika.”

Ny 16 febroary 1832 dia nanao fanitsiana ny bokin’i Jaona ao amin’ny Testamenta Vaovao i Joseph sy Sidney.

“… ireo izay efa nanao ny tsara, amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty; sy ireo izay efa nanao ny ratsy, amin’ny fitsanganan’ny tsy marina amin’ny maty.”

“Inona no dikan’izany?”

Nisokatra tamin’izy ireo ny fahitana mahatalanjona iray.

Nahita an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra izy ireo.

Nianatra ihany koa izy ireo fa misy fanjakana telo any an-danitra.

Naseho tamin’izy ireo fa ireo izay handova ny fanjakana selestialy no hitsangana amin’ny maty voalohany.

“Ireny no ireo izay … natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa.”

Rehefa tapitra ilay fahitana dia nitolagaga izy ireo. Reraka i Sidney.

“Tsy zatra amin’itony zavatra itony tahaka ahy i Sidney.”

Hamoaka printy