2021
Ilay drafitra masina hivoarana bebe kokoa
Jolay 2021


“Ilay drafitra masina hivoarana bebe kokoa,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 2–5.

Ilay drafitra masina hivoarana bebe kokoa

Rehefa tena dinihana ny fiainana ety an-tany dia mahita isika fa tsy hoe “tokony ho velona ve aho sa tsia?” no zava-dehibe fa ny hoe “tokony hiezaka hivoatra ve aho sa tsia?” kosa.

Sary
zatovolahy iray

Notahiana aho afaka niaraka tamin’ny vadiko tamin’ny nahaterahan’ny zanakay tsirairay, ary teo koa aho tamin’ny fotoana nahafatesan’ny raiko sy ny reniko. Gaga aho nahatsapa ny zavatra tsapako tamin’ireo fotoana fahaterahana sy fahafatesana. Nahatsapa aho fa zavatra masina no nitranga. Ny fotoana iainantsika ety an-tany dia ampahany manan-danja mandrakizay amin’ny fisiantsika. Ny lanitra dia fanombohana sy fiafaran’ny fiainan’ny olona tsirairay ety an-tany.

Ny zavatra mila ataontsika raha mbola eto ambonin’ny tany dia tsy azo takarina raha tsy amin’ny alalan’ny fahafantarana izay nitranga talohan’ny nahaterahana sy aorian’ny hahafatesana. Raha izay misy eto ihany no fiainantsika ety an-tany, dia mety ny “[hihinana], [hisotro] ary [hifaly]” (2 Nefia 28:7) ihany no ataontsika rehetra ka tsy hiraharaha firy ny hafa. Saingy rehefa tena dinihana ny fiainana ety an-tany dia mahita isika fa tsy hoe “tokony ho velona ve aho sa tsia?” no zava-dehibe fa ny hoe “tokony hiezaka hivoatra ve aho sa tsia?” kosa”1

Sary
zatovovavy iray

Ny fahatakarana ny drafitry ny famonjena—ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana, ny tanjon’ny fiainantsika eto an-tany, ny fiainantsika aorian’ny fahafatesana—ary ny anjara asa fototra tanan’i Jesoa Kristy Mpamonjy ao amin’izany drafitra izany dia mampiseho antsika fa hanampy antsika mandritra ny fiainantsika Izy. Rehefa manao fanekempihavanana Aminy isika dia mametraka ny tenantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ary lasa mitovy kokoa Aminy sy ny Raintsika any An-danitra isika, dingana iray isaky ny mandeha.

Ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana

Mampianatra ny fanambarana fa isika dia fanahy zanak’ Andriamanitra ary niaina niaraka Taminy nandritra ny fotoana elabe talohan’ny nahatongavantsika tety an-tany. Nanomana lalana ho antsika mba hitovizantsika kokoa Aminy ny Raintsika any An-danitra. Ireo izay nisafidy ny drafitry ny famonjen’ny Ray na ny drafitry ny fahasambarana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana—isika rehetra izany—dia nisafidy ny “hivoatra bebe kokoa.”

Sary
Ny Loholona Christofferson miaraka amin’ny fianakaviany

Ny Loholona Christofferson miaraka amin’ny vady aman-janany.

Ny fiainantsika eto an-tany

Tonga eto amin’ny tany noharian’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany isika. Nandray vatana mety maty isika. Ny fananana vatana dia ilaina mba handraisana ny voninahitra izay ananan’ Andriamanitra. Raha mampiseho isika fa hitandrina ny didin’ Andriamanitra dia “hanana voninahitra anampy eo ambony loha[ntsika] mandrakizay mandrakizay” isika (Abrahama 3:26). Midika izany fa ho lasa tahaka ireo ray aman-drenintsika any an-danitra isika ary hiaina mandrakizay miaraka amin’izy ireo. Nihoby teo anatrehan’ireo tombontsoa feno voninahitra ireo isika.

Izaho sy ianao dia niandry elabe, fa izao isika dia tonga eto an-tany. Miandrandra ny fotoana hitsanganantsika amin’ny maty amin’ny fananana vatana tonga lafatra sy tsy mety maty isika ka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy mba hiaina fiainana mandrakizay, izay zavatra tena mahatalanjona tokoa ka tsy ho azontsika sary an-tsaina mihitsy. Fa amin’izao aloha dia mianatra sy miezaka “[m]anao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamani[tsika] [antsika]” isika (Abrahama 3:25). Noho ny fahafantarantsika ny drafitr’ Andriamanitra dia mahafantatra isika fa ireo didy ireo dia tsy natao mba hametra ny fahalalahantsika na ny fahasambarantsika, ny mifanohitra amin’izany mihitsy aza no izy. Ny didy no mpanoro lalana antsika ho amin’ny fahalalahana sy fifaliana faratampony.

Nandefa Mpamonjy Izy

Mbola sarotra foana anefa ny fiainana. Samy lavo avokoa isika eo am-pianarantsika miaina amin’ny alalan’ny finoana. Saingy Andriamanitra dia nampanantena antsika talohan’ny fahariana ny tany fa handefa Mpamonjy mba hanafaka antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana Izy. Tamin’ny alalan’ny fijaliany sy ny fahafatesany—ny Sorompanavotany—i Jesoa Kristy dia nanefa ny saran’ny fahotantsika ary manolotra antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana. Araka izany, rehefa mibebaka isika dia mamela ny fahotantsika Izy ary manadio antsika amin’ny vokatr’izy ireny. Ary amin’ny alalan’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manome antsika ny fanomezam-pahasoavan’ny fitsanganantsika manokana amin’ny maty sy ny tsy fahafatesantsika intsony Izy.

Sary
vahoaka mandohalika eo anoloan’i Kristy

Every Knee Shall Bow (Ny lohalika rehetra dia handohalika), nataon’i J. Kirk Richards

Mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Tahaka ny nahaterahantsika ara-nofo tato amin’ity tontolo mitondra fahafatesana ity, isika koa dia tsy maintsy ateraka indray ara-panahy ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Tanterahantsika izany amin’ny fampiasana finoana an’i Jesoa Kristy, fibebahana, fanaovana batisa, ary fandraisana ny Fanahy Masina. Izany no fiandohan’ny fiovana ara-panahy izay haharitra mandritra ny fiainantsika manontolo ety an-tany. Antsointsika hoe “maharitra hatramin’ny farany” izany indraindray, izay midika hoe miezaka mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa ny hankatò mandritra ny fiainantsika manontolo isika, sy mibebaka rehefa ilaina ary mandroso hatrany indray. “Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko” hoy i Jesoa (Môzià 26:30).

Sary
batisa

Afaka miantehitra amin’ny fanampian’ Andriamanitra ianao

Tamin’ny fiainanao talohan’ny nahaterahana dia nisafidy an’ Andriamanitra ianao, nisafidy an’i Kristy, nisafidy ny “hivoatra bebe kokoa” miaraka amin’ny fanampian’ Izy Ireo. Ary afaka miantehitra amin’ny fanampian’ Izy Ireo ianao. Ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia tsy hoe mpijery tsy liana amin’ny fiainantsika. Tia antsika mandrakizay Izy Ireo ary mampiasa ny heriny mba hanampiana antsika, arakaraka izay hamelantsika Azy Ireo. Manaja foana ny fahafahantsika misafidy Izy Ireo, fa maniry mafy ny hitahy antsika koa anefa. Manome toky antsika i Jesoa hoe: “Izaho tsy hanadino anao Ry mpianakavin’i Isiraely. Indro efa vitako tombokavatsa eo amin’ny felatanako ianao” (1 Nefia 21:15–16).

Lasa tsara kokoa, dingana iray isaky ny mandeha

Misy olona mahatsapa fa ny fanjakana selestialy dia zavatra azo andrandraina tsara ho an’ny olona sasany saingy tsy izany no izy ho azy ireo. Ny marina dia tsy misy mendrika izany raha tsy eo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy. Soa ihany fa afaka mahazo ny fahasoavany ianao. I Jesoa dia nilaza tamintsika fa nandresy izao tontolo izao Izy. Amin’ny alalan’ny batisanao sy ireo fanekempihavanana hafa dia mamatotra ny tenanao Aminy ianao mba hahafahanao rehefa miaraka Aminy dia mandresy izao tontolo izao ihany koa.

Tsy voatery hahatratra ny fahatanterahana ety an-tany ianao. Ny Mpaminany Joseph Smith dia nampitaha izany amin’ny fiakarana tohatra: manomboka eo ambany ianao ka miakatra ireo dingana tsikelikely amin’ny alalan’ny fianarana sy fiainana ireo fitsipiky ny filazantsara. Ary izany fianarana izany, hoy izy nampianatra, dia mitohy aorian’ity fiainana ity—“Tsy natao ho takatra eto amin’ity tontolo ity ny rehetra aminy.”2

Sary
zatovolahy iray ao amin’ny tempoly

Na inona na inona fahalemena, olana, na fijaliana atrehantsika ety an-tany, Andriamanitra dia mampanantena ireo zanany mahatoky fa tsy misy fitahiana ho lavina amintsika raha toa isika ka mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (na miverina haingana ao amin’izany). Dia hilamina ho azy ny zava-drehetra avy eo. Izay ilay drafitra masina hivoarana bebe kokoa!

Fanamarihana

  1. Truman G. Madsen, Eternal Man (1966), 31–32.

  2. Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith (2007), 268.

Hamoaka printy