2021
Miala voly kely
Jolay 2021


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery!, July 2021, 28–29.

Miala voly kely

Sary
Miala voly kely

Fotoan’ny fitadiavana ny lalan-kaleha

Ireto mpiray tampo telo ireto dia samy mila mandalo ilay tanàna mba hizaràna ireo fanasana amin’ny fetin’ny tsingerintaona faha 90 nahaterahan’ny reniben’izy ireo. Vitanao ve ny manampy azy ireo hahita lalana telo ka miafara any amin’ireo trano tsirairay misy tafo mena, ka ny mpiray tampo roa dia tsy mahazo mampiasa arabe iraisana?

Fitsapam-pahaizana momba ny Filoha Nelson

Fantaro hoe hatraiza ny fahafantaranao ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny alalan’ity fitsapam-pahaizana isafidiana marina sa diso ity.

Marina sa Diso?

  1. Mba hanampiana ny ray aman-dreniny izay tsy nazoto tao amin’ny Fiangonana hiaina ny Tenin’ny Fahendrena dia nosimbainy avokoa ny zava-pisotro misy alikaolan’ny ray aman-dreniny ka nararany tao anaty tatatra.

  2. Mpandidy atidoha izy taloha.

  3. Nanampy tamin’ny fanamboarana milina manampy ny fiasan’ny fo sy ny avokavoka izy.

  4. Ny Filoha Nelson no nanao ny fandidiana fo misokatra voalohany indrindra tany Utah.

  5. Manan-janakalahy sivy sy zanakavavy iray izy.

  6. Mahavita manome naoty amin’izao izy amin’ny mozika.

  7. Nandidy ny fon’ny Loholona Spencer W. Kimball izay lasa Filohan’ny Fiangonana taty aoriana izy.

  8. Saika nilentika tany anaty rano izy nandritra ny dia iray nanaovan’ny fianakaviany dia nidina rian-drano mahery.

  9. Naniry nianatra hanao ski amin’ny ranomandry efa hatramin’izay izy saingy tsy nety nahita fotoana mihitsy.

  10. Noho ny ady nipoaka tampoka dia tsy afaka nanao asa fitoriana ny filazantsara tamin’ny fotoana feno ny Filoha Nelson.

Tantara an-tsary

Sary
haizin-kitroka afa-tsy ny maso natao sary

Miteny foana aho hoe aloha loatra izao hanaovana fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina izao!

Kevin Beckstrom

Sary
lehilahy manao akanjo entina matory voarakotra lambam-pandriana sy fitaovana fampiasa ao an-trano hafa, vehivavy ao am-pandriana mandrehitra jiro

Noheveriko fa nisy horohoron-tany, na tafiditry ny bera ny trano, na nisy zavatra hafa nitranga! Fa maninona tsy nampiretinao ny jiro?

Tsy te hanaitra an’iza na iza aho.

Val Chadwick Bagley

Valiny

Fitsapam-pahaizana momba ny Filoha Nelson 1. Marina; 2. Diso—mpandidy fo izy teo aloha; 3. Marina; 4. Marina; 5 Diso—sivy no isan’ny zanakavaviny ary iray no isan’ny zanakalahiny! 6. Marina; 7. Marina; 8. Marina; 9. Diso—mpanao ski amin’ny ranomandry mavitrika nandritra ny fiainany manontolo izy; 10. Marina

Hamoaka printy