2021
Ataovy ny fanoratana
Jolay 2021


“Ataovy ny fanoratana,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 18–19.

Ataovy ny fanoratana

Ny fanoratana ny eritreritrao eo am-pandalinana ny soratra masina dia tena afaka manampy anao hianatra.

“Isaky ny manomboka mamaky ny soratra masina aho dia te hatory!” hoy ny misiônera iray tamin’ny filohan’ny misiônany. “Toy ireny fanafody mampatory ireny ny soratra masina!”

Namaly azy ny filohany hoe: “Efa nanandrana nandray zavatra an-tsoratra ve ianao rehefa mamaky?”

“Tsia,” hoy ilay misiônera.

“Tena mora resin-tory be na lasa mivezivezy be ny sainao rehefa mamaky fotsiny ianao,” hoy ny filoha, “saingy tsy izany kosa no izy raha toa ka ampianao fanoratana ilay izy!”

Ny torohevitra nomen’ity filohan’ny misiôna ity ny misiônerany sahirana iray dia nanova zavatra betsaka. Raha toa ianao izany ka mitady fomba vaovao hanatevenana ny fandalinanao soratra masina dia andramo izany. Rehefa manoratra momba ny zavatra novakianao ianao dia tena mety hahita ny tenanao ho mazoto kokoa sy mianatra tsara kokoa ihany koa.

Ireto misy fomba fiasa hitanay fa tena manampy.

Rahalahy Steven Lund:

Sary
Steven Lund

Mivonona amin’ny taratasy hanoratana aho rehefa mamaky. Rehefa mibitsika zavatra amiko ny Fanahy eo am-pandalinako dia soratako ireo zavatra ireo.

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo no nahazoako izany hevitra izany, hoy izy hoe: “Soraty ao amin’ny toerana azo antoka ireo zavatra manan-danja izay nianaranao avy amin’ny Fanahy. Ho hitanao fa rehefa manoratra ireo fahatsapana sarobidy ianao dia hisy maro kokoa izay ho tonga matetika. Ny fahalalana azonao ihany koa dia ho azonao ampiasaina mandritra ny androm-piainanao manontolo” (“To Acquire Knowledge and the Strength to Use It Wisely,” Ensign, June 2002, 32).

Fantatro fa marina ireo teny ireo. Rehefa manomana lahateny sy lesona aho dia tsy ao amin’ny soratra masina ihany aho no mijery fa jereko ihany koa ny zavatra nosoratako tamin’ny namakiako azy ireo.

Rahalahy Ahmad Corbitt:

Sary
Ahmad Corbitt

Tiako ny mandalina araka ny lohahevitra iray. Mamaky ny soratra masina manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany aho saingy tiako ihany koa ny mitsambikina toko sy andininy ary mandalina lohahevitra. Ohatra, hampiasa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina aho hahitana soratra masina momba ny finoana na ny fanangonana an’i Isiraely. Dia tsy mandray an-tsoratra fotsiny aho fa manoratra ihany koa ny zavatra ianarako mba hakana antoka fa tena takatro tokoa ilay izy. Gaga foana aho amin’ny fahatakarako zavatra tsara kokoa rehefa manao an’izay. Misafidy soratra masina mba ho tadidiana tsianjery ihany koa aho.

Rahalahy Bradley Wilcox:

Sary
Bradley Wilcox

Manana diary fandalinana aho izay hanoratako ny soratra masina amin’ny teniko manokana. Ohatra: “Fa ny olona araka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra,” (Môzià 3:19) dia lasa hoe “Fa ny be avonavona sy ny olona tsy mibebaka dia misafidy ny ho fahavalon’ Andriamanitra, fa Andriamanitra anefa tsy fahavalony. Namany Andriamanitra.”

Manoratra fanontaniana ihany koa aho. Mety ho fanontaniana eritreretiko mialoha ny hamakiako izany, na fanontaniana mitsiry avy amin’ny zavatra vakiako. Na izany na tsy izany dia mahatonga ahy hifantoka izany.

Ny herin’ny fanoratana ireo eritreritrao

Ny tsirairay aminay ao amin’ny fiadidianay dia mandalina ny soratra masina amin’ny fomba samy hafa, fa samy manoratra avokoa izahay rehefa mandalina!

Ny fanoratana dia manampy anay hirakitra ireo eritreritra sy fahatsapana. Zava-dehibe izany. Ary rehefa miresaka na manoratra izahay dia mianatra sy maneho eritreritra sy fahatsapana avy ao anatinay. Mahatsapa izahay fa izany dia manampy ireo fahamarinan’ny filazantsara hiantefa aminay manokana.

Nianatra manokana izany fahamarinana izany ny zatovolahy iray rehefa nangatahana hanao lahateny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Efa naheno olona maro nanao lahateny izy saingy tsy tsaroany ny antsipirian’izy ireny. Zavatra hafa no nitranga tamin’izay. Rehefa nanoratra drafitra ho an’ny lahateniny manokana izy dia tsy vitan’ny hoe nanampy azy hanao lahateny mirindra fotsiny izany fa tsaroany nandritra ny fotoana naharitra ihany koa.

Afaka ny hitranga amin’ny fandalinanao ny soratra masina ihany koa izany. Raha toa ianao ka te hatory rehefa manokatra ny soratra masinao dia fotoana izao hifohazana. Makà pensilihazo, penina, finday, na solosaina ary manorata. Ho gaga tokoa ianao amin’ny fiovana izay ho hitanao!

Hamoaka printy