2021
Manaja ny fampanantenana nataontsika
Jolay 2021


“Manaja ny fampanantenana nataontsika,” Ho zatovo mahery!, July 2021, 32.

Teny farany

Manaja ny fampanantenana nataontsika

Sary
zazalahy mamerina poketra, zazavavy miaraka amin’ny mari-pankasitrahana, ary zazalahy mihanika tendrombohitra

Sary nataon’i Emily Davis

Indray alina fony aho mbola zatovo dia niara-nipetraka tamiko teo an-tongom-pandriany ny reniko ka niresaka tamin’ny fomba matotra momba ny lanjan’ny fanajana ny Tenin’ny Fahendrena. Nibanjina tsara ny masoko izy ary tsapako niditra tao am-poko ireo teniny manao hoe: “Mampanantenà ahy ianao ry Ronnie anio fa hiaina mandrakariva ny Tenin’ny Fahendrena ianao.” Nanao izany fampanantenana izany taminy aho ary nitandrina izany nandritra ireo taona maro rehetra ireo.

Nandray fanapahan-kevitra mialoha mba hanaraka ireo lalàn’ Andriamanitra ihany koa aho, ary tsy nila niova hevitra ny amin’izany velively. Hoy ny Tompo hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:10).

Manasa anareo aho hisaintsaina ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataonareo tamin’ny Tompo sy tamin’ny hafa, miaraka amin’ny fahitsian-toetra lehibe, sady mahafantatra fa azo antoka ny teninareo. Mampanantena anareo aho, fa raha manao izany ianareo, dia hampiorina ny teninareo ny Tompo ary hamaly soa ny asanareo rehefa miezaka amim-pahavitrihana lalandava ny hanamafy orina ny fiainanareo, ny fianakavianareo, ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianareo. Hiaraka aminareo Izy, ary ianareo dia afaka hiandrandra amim-pahatokiana fa “horaisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoa[nareo] miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Môzià 2:41).

Hamoaka printy