2021
Ahoana no ahafahako mitsahatra tsy miahiahy ny amin’ny lanjan’ny tenako manokana?
Jolay 2021


“Ahoana no ahafahako mitsahatra tsy miahiahy ny amin’ny lanjan’ny tenako manokana?” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 30–31.

Fanontaniana sy valiny

“Ahoana no ahafahako mitsahatra tsy miahiahy ny amin’ny lanjan’ny tenako manokana?”

Amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra

Sary
zatovovavy iray

“Isan’andro aho dia mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ary mangataka Azy mba hanampy ahy hahita ny tenako araka ny fahitany ahy. Avy eo aho mihaino tsara rehefa manome ahy hafatra mankahery avy amin’ Andriamanitra momba ny lanjako sy ny fiiziko manokana Andriamanitra, dia teneniko amin’ny tenako amin’ny fitaratra ireo teny ireo. Izany zavatra fanao tsotra izany dia fomba iray ahafahantsika mifandray amin’ny lanitra sy mianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tia sy mino antsika.”

Madeleine M., 14, New York, Etazonia

Tiavo ny fahasamihafantsika

Sary
zatovovavy iray

“Manao izay tsara indrindra azoko atao foana aho hahatsiarovana fa izaho dia zanak’ Andriamanitra lalaina. Miezaka tsy mampitaha ny tenako amin’ny hafa aho, satria izany dia mahasarotra kokoa ny mino ny lanjan’ny tena manokana. Nataon’ Andriamanitra miavaka sy kanto amin’ny fombantsika manokana isika tsirairay avy, ary ireo fahasamihafana ireo dia zavatra tsara.”

Brooke D., 14, Alberta, Kanadà

Fitahiana miafina

Sary
zatovolahy iray

“Mieritreritra isika matetika fa ny hoe malemy na manana tsy fahatomombanana dia mahatonga antsika ho tsisy lanjany. Raha ny marina dia fitahiana izy ireny mba hahafahantsika mihoatra azy ireny ary ho lasa ilay tenantsika tsaratsara kokoa amin’ny alalan’ny fanetrentena sy ny fivoaran’ny tena manokana. Raha miasa momba ireo zavatra izay sarotra amintsika isika dia hahita izany ary hamaly soa ny ezaka ataontsika ny Tompo. Fiezahana hatrany sy tsy filavoana lefona na oviana na oviana ilay izy raha ny tena marina.”

Ricardo R., 17, Chihuahua, Meksika

Ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amintsika

Sary
zatovolahy iray

“Tsy misy azo ampitahaina amin’ny fahafantarana fa noho isika zanak’ilay Andriamanitra velona dia afaka ny ho lasa tahaka Azy isika. Mampiova ny zavatra rehetra izany! Rehefa manana eritreritra ratsy izay mahatonga antsika hiahiahy ny amin’ny lanjatsika manokana isika dia tadidio fa ireo eritreritra ireo dia avy amin’i Satana fa tsy avy amin’Andriamanitra. Manana hery anaty tsy manam-petra sy toetra araka an’ Andriamanitra isika, tahaka ny Raintsika any an-danitra. Matoky sy tia ny tsirairay amintsika Izy.”

Alexandre S., 16, Minas Gerais, Birezila

Andraikitra lehibe

Sary
zatovovavy iray

“Rehefa miezaka mandalina sy misaintsaina ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany velona aho dia afaka mahatsapa ny Fanahy Masina miaraka amiko, izay mampahatsiahy ahy fa izaho dia zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra ary Andriamanitra dia manana drafitra lehibe ho ahy. Ny Filoha Nelson dia mampiseho antsika foana ny andraikitra lehibe sahanintsika amin’izao andro farany izao ary koa ny hoe Andriamanitra dia matoky antsika sy mahafantatra ny zavatra mety ho vitantsika.”

Mirian P., 16, Paraná, Birezila

Manaova zavatra tianao

“Rehefa miahiahy ny amin’ny lanjantsika manokana isika dia afaka mikatsaka hatrany fanampiana avy amin’ny olona hafa. Fa voalohany aloha, afaka manomboka amin’ny fanovana ny toe-tsaintsika manokana isika. Afaka manao fampiasam-batana isika, mifandray amin’ny namana sy fianakaviana amin’ny fomba mahasoa, na manao zavatra ankafizintsika. Izany dia manampy antsika ho tonga saina fa zanak’ Andriamanitra isika, Izy izay manome lanja sy talenta antsika.”

Carlos V., Mexico

Ataovy izay hahafantarana kokoa ny momba anao

“Hitako fa mora kokoa ny mitia ny tenako satria naka fotoana hahafantarana momba ny tenako aho. Nilaza tamiko ny raibeko indray andro izay hoe, “Tsy maintsy hiaina miaraka amin’ny tenanao mandrakizay ianao, noho izany dia maninona moa raha atao olona tianao iarahana izany.” Narahako izany torohevitra izany ary niezaka ny ho lasa ho ilay izaho tsara indrindra aho. Izao aho dia matoky tena kokoa satria fantatro ny zavatra tiako, ny zavatra manavanana ahy, ary ny zavatra ijoroako. Mahatsapa fifaliana aho rehefa miezaka ny ho lasa ilay olona izay tian’ny Ray any An-danitra hahatongavako.”

Sarah Nielson, Utah, Etazonia

Tadidio hoe iza ianao

“Ao an-tsaiko ilay hiran’ny kilonga hoe “Zanaky ny Ray aho.” Mampahatsiahy ahy izany fa nomena fanomezam-pahasoavana sy talenta hanampiana izao tontolo izao hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo fanindroany aho. Ny anjaran’ny tsirairay ao amin’izany dia miavaka sy ilaina, ary isika rehetra dia fahagagana ho an’ny fiainantsika samy isika. Fahagagana tokoa ho an’ny manodidina anao ianao eto amin’ity fiainana ity. Raha sendra manadino izany ianao dia eritrereto ireo zavatra rehetra nataon’i Jesoa tety an-tany ary ezaho ny manaraka ny ohatra nataony. Isaky ny mahatsapa alahelo na tsy fisian-danja ianao dia mitadiava olona mahatsapa toy izany koa ho ampiana, dia hahatsapa fankaherezana ianao.”

Brigham M., Mexico

Fankatoavana avy amin’ Andriamanitra

“Rehefa mihaino an’ Andriamanitra aho dia manampy Ahy hitsahatra tsy hiahiahy ny amin’ny lanjako manokana Izy. Ny olona hafa dia tsy afaka mahatakatra feno ny lanjako, fa Andriamanitra anefa mahafantatra, ary matoky Azy aho. Raha ny hafa no avelako hanapa-kevitra ny ho lanjako dia ho sahiran-tsaina amin’ny teny lazain’izy ireo aho ary hieritreritra ratsy momba ny tenako. Fa rehefa tsy raharahiako kosa ireo teny tsy mankahery lazain’izy ireo dia tsy mila miahiahy ny amin’ny lanjan’ny tenako manokana intsony aho. Nianatra aho fa tsy mila ny fankatoavan’izy ireo intsony aho. Samy manana lanja manokana anaty isika amin’ny maha-zanaky ny Raintsika any An-danitra antsika. Mila mampahatsiahy ny tenantsika an’izany isika, indrindra rehefa tsy misy manao izany.”

Anna G., 23, Frantsa

Fahatokiana ny filazantsara

“Ao amin’ny tambajotran-tserasera dia mahita olona isan-karazany izay toa tonga lafatra na farafaharatsiny tsara kokoa noho ny tenako aho. Ny fiainana ny filazantsara. dia manampy ahy hikolokolo toe-tsaina mankasitraka mikasika ny hoe iza aho. Rehefa miaina fitsipiky ny filazantsara toy ny finoana, ny fibebahana, ary ny fisaintsainana ny soratra masina aho dia mahatsapa ho miavaka. Mahatsapa aho fa tsy ilaina ny hampitaha ny tenako amin’ny hafa ary amin’ny farany dia lasa mahatoky tena kokoa.

Alexandra R., Meksika

Mamelà ny tenanao

“Tsy mihevitra foana isika hoe manan-jo hahazo famelan-keloka, satria fantatsika ireo fahadisoana vitantsika. Olombelona anefa isika—manao fahadisoana isika ary mbola hanao izany foana. Mila mamela ny tenantsika isika, satria ny olona rehetra dia tokony hahazo fahafahana hafa avokoa. Mila mijery ny tenantsika amin’ny alalan’ny mason’ireo olona izay tia antsika isika. Hahita olona miavaka sy tena mahatalanjona izay manan-jo hahazo fitiavana tsy misy fepetra isika.

Valerie J., Meksika

Hamoaka printy