2021
Ny fifalian’i Kosei
Jolay 2021


“Ny fifalian’i Kosei,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 12–15.

Ny fifalian’i Kosei

Tia mizara ny filazantsara ity zatovolahy avy any Japana ity.

Sary
Nagasaki, Japana

Sary avy amin’ny Getty Images

Mitendry pianô izy. Manao hazakazaka izy. Ary manao tsambikina lavitra mihitsy aza! Saingy tsy ireo no hany zavatra mahavariana momba an’i Kosei H., izay zatovolahy 17 taona avy ao Nagasaki, Japana.

Sary
zatovolahy mitendry pianô
Sary
zatovolahy mihazakazaka

“Isan’ny tanora misiônera tsara indrindra fantatro izy,” hoy Rahavavy Mckenna Frasure, misiônera nody vao tsy ela izay nanompo tany Japana tany amin’ny toerana misy an’i Kosei. “Araraotin’i Kosei daholo ny fahafahana rehetra iarahana amin’ny misiônera na ijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy amin’ny alalan’ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana sy ny tambajotran-tserasera,” hoy izy.

Amin’i Kosei dia ny misiônera no anisan’ny namany akaiky indrindra. Ary tsy mahagaga ny hoe mahatsapa toy izany izy rehefa hitanao hoe hatraiza ny fitiavany mizara ny filazantsara.

Sary
zatovolahy miaraka amin’ny misiônera

“Ny asa fitoriana dia fifaliako,” hoy Kosei. “Nampianatra antsika i Nefia fa ny voan’ny hazon’aina no -mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra- (1 Nefia 11:22). Mety handà io voa io ny olona sasany. Saingy amin’ny maha olona mahafantatra ny hamamin’ilay voa ahy dia te hizara ny filazantsara amin’ny manodidina ahy aho.”

Ny fizarana ireo fitahian’ny filazantsara dia mety ho ny talentan’i Kosei lehibe indrindra mihitsy.

Fahombiazana amin’ny tambajotran-tserasera

Taorian’ny fandraisana anjara tamin’ny kilasy fiomanana ho misiônera dia vao mainka i Kosei nahatsapa faniriana lehibe kokoa hizara ny fifalian’ny filazantsara amin’ny namany. Natombony tamin’ny internet izany. Iray amin’ireo fitaovana fototra ampiasainy hizarana hafatra sy zavatra mifandray amin’ny filazantsara ny tambajotran-tserasera.

Sary
zatovolahy mitazona smartphone

Maro tamin’ireo namany no namaly ireo fampielezana tamin’ny tambajotran-tserasera nataony ireo. Ny namana iray dia nanatona an’i Kosei ary niteny hoe, “Liana amin’ny Fiangonanao aho.”

Io namana io dia olom-pantatra fotsiny tamin’ny voalohany, saingy lasa nihanitombo haingana ny finamanan’izy ireo. “Natombony tamin’ny fanontaniana ahy ny amin’ny maha samy hafa ny finoany amin’ny ahy izany,” hoy Kosei nanazava. “Na dia tsy nifampiresaka taminy matetika be aza aho dia lasa mpinamana tsara izahay taorian’ny nizarako ny filazantsara tamin’ny tambajotran-tserasera.”

Fanatanjahan-tena, fialam-boly ary finamanana mandrakizay

Tsy ny tambajotran-tserasera ihany no hany fomba hizaran’i Kosei ny finoany. Raha tadidinareo dia be atao izy. Manana fahafahana maro hihaonana aman’olona sy hahazoana namana vaovao izy. Ary ampiasainy ireo fahafahana ireo hanaparitahana ny fifalian’ny filazantsara.

“Indray andro dia nasaiko hanatrika ny kilasy fianarana Anglisy ataon’ny misiônera ao am-piangonana ny namana iray avy ao amin’ny klioba fanaovana fanatanjahan-tena,” hoy Kosei nanazava. “Lasa mpinamana be izy sy ny misiônera, sady nianatra Anglisy izy.”

Saingy tsy nijanona tamin’ny lesona Anglisy ihany ny resadresaka.

“Lasa nanomboka nieritreritra momba ireo misiônera ireo ilay namako, izy ireo izay mitovitovy taona aminy, manao asa mirotsaka an-tsitrapo ary misiônera ao Japana. Ny fanontaniany manaraka dia ny hoe inona no nanosika ireo misiônera hanompo. Efa nahare ny leson’ny misiônera izy ankehitriny ary mbola mifandray amin’ny misiônera amin’ny alalan’ny chat vidéo.”

Isaky ny miresaka momba ny filazantsara amin’ny namany i Kosei dia miezaka mampifanaraka ny zavatra zarainy amin’ny zavatra mahaliana azy ireo. “Ohatra, resahako voalohany aloha ny momba izay hitranga aorian’ny fahafatesana, ny tanjon’ny fiainana, ary ny hoe misy ve Andriamanitra sa tsia,” hoy izy. “Dia azoko ampifanarahana amin’ny zavatra mahaliana azy ireo izany avy eo.”

Mazava ho azy fa fantany hoe tsy ny olona rehetra no ho liana. Efa kivy tahaka ny rehetra ihany izy. Indray andro, rehefa nametraka fanontaniana taminy momba ny Fiangonana ny namany vitsivitsy dia nanandrana nizara taratasy fizara avy amin’ny Fiangonana tamin’ny iray amin’izy ireo izy. “Io namana io anefa dia nihazakazaka nivoaka ny efitrano fianarana ary nihomehy mafy tamiko tao amin’ny lalantsara.

“Nampalahelo be ahy izany,” hoy Kosei.

Saingy tsy navelany nanakana azy ny fahakiviana. Fantany fa ny zavatra zarainy dia hitahy ny fiainan’izy ireo mandrakizay raha mihaino izy ireo.

Ny fifaliana izay manosika azy

“Mahatsapa fifaliana ao amin’ireo fampianaran’i Kristy aho,” hoy Kosei. “Raha tsy nahalala ireo fampianarana ireo aho dia ho nanana fiainana tsy misy fifaliana tena izy.”

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Eo am-panaovan’i Kosei ireo zavatra mahaliana sy fanaony rehetra dia fantany hoe inona no laharam-pahamehana. “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitondra fanantenana eo amin’ny fiainantsika ary manambara ny zavatra rehetra tokony ataontsika,” hoy izy. “Na dia kivikivy na mandalo fotoan-tsarotra aza isika dia hitondra fiadanana amintsika sy hanampy antsika hijery ny lafitsaran-javatra foana ny vavaka avy amin’ny fo.”

Izany no antony maha tena tapa-kevitra azy hizara ny filazantsara isaky ny manana fahafahana. Tiany ny hafa hiaina ny zavatra iainany isan’andro! “Antenaiko avy amin’ny foko manontolo fa olona betsaka no hanana fahafahana hiaina ity fifaliana tena izy ity,” hoy izy.

Sary
zatovolahy any amin’ny tempoly

Ny manan-danja indrindra

Mazava ho azy fa ny fizarana ny filazantsara dia tsy mandany ny fotoany rehetra. Tena miasa mafy mba hanatrarana ireo tanjony hafa amin’ny fiainana i Kosei. Manao fanazaran-tena mafy amin’ny fihazakazahana sy ny fampitomboana tanjaka izy isan’andro. Rehefa mila miala voly kely izy dia mitendry pianô. Tiany ihany koa ny mitsidika zava-boary ary ny fiarahana amin’ny fianakaviany. “Eny an-kalamanjana miaraka amin’ny mpiray tampo amiko—tsy ho hadinoiko mihitsy ny andro nahazoanay trondro ary nihinananay izany!” hoy izy.

Sary
fianakaviana
Sary
fianakaviana manjono
Sary
zatovolahy

Eny rehetra eny dia manohy manokana fotoana ho an’ireo zavatra manan-danja indrindra i Kosei.

Ary manana torohevitra kely izy ho an’ireo izay te hanao toy izany koa: “Mahazo fitarihana isika rehefa mitandrina ny didy. Rehefa manao izany isika dia azon’ny Tompo ampatanjahana. Ho soloina fanantenana sy fahatokian-tena ny tahotra sy ny fiahiahiana. Raha manokatra ny vavantsika isika ka tsy menatra ny filazantsara, dia lasa hahafantatra fitiavana araka ny an’i Kristy ary ho feno fifaliana ny olona.”

Hamoaka printy