2021
Mendrika ve aho?
Jolay 2021


“Mendrika ve aho?” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 22–23.

Mendrika ve aho?

Niharan’ny fanararaotana efa hatry ny ela tsy tsaroako intsony aho. Niantraika tamin’ny fijerin’ny Tompo ny momba ahy ve izany?

Sary
zatovovavy iray mitanondrika

Sary nataon’i Trent Gudmundsen

Raha ny ivelany no jerena dia nandia fahazazana ara-dalana aho.

Nankany am-piangonana izahay ary nanatrika ireo fivoriana sy fiaraha-mientana rehetra ao amin’ny Fiangonana tokony atrehanay. Nankany an-tsekoly aho ary niara-nilalao tamin’ireo namana. Fony aho zatovo dia nanao ireo zavatra rehetra fanaon’ny zatovo aho. Niarakaraka tamin’ireo namako aho ary mpikambana tao amina amboaram-peo sy klioba fanaovana tantara an-tsehatra . Nanatrika lanonana fisondrotana kilasy aho. Saingy nisy anefa ny tsiambaratelo tena maizina niafina tao ambadik’izany endrika ivelany toa sambatra sy toa ara-dalana izany.

Tamin’izaho roa taona teo ho eo dia niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny zokiko lahy roa aho. Nararaotin’izy ireo koa ireo rahavaviko. Mbola kely loatra izahay ka tsy nahatakatra ny zava-nitranga, saingy rehefa nihalehibe aho dia nanomboka nahatakatra tsikelikely. Nahatsapa haizina sy naloto aho isaky ny teo akaikin’ireo anadahiko.

Nitombo ny fisavorovoroako

Taorian’ny fanatrehana kilasin’ny Zatovovavy iray izay nampianarana anay momba ny fitondrantena dia nahatakatra ny dikan’ny fahadiovam-po sy ny fahadiovam-pitondrantena aho. Nihaino ireo mpitarika ahy niangavy ahy sy ny hafa tao amin’ny kilasy hijanona ho madio ara-pitondrantena aho.

Nanontany tena aho hoe, “Moa ve aho madio ara-pitondrantena?” Raha ny fitadidiako lavitra indrindra dia niharan’ny fanararaotana ara-nofo foana aho. Nanontany tena ny mety ho fijerin’ny Tompo ny momba ahy foana aho. Zatovovavy madio ara-pitondrantena ve aho? Moa ve aho mendrika ny hampiaraka miaraka amin’ireo zatovolahy olo-marina ao amin’ny paroasiko sy ao amin’ny sekoliko? Moa ve mahatonga ahy ho tsy mendrika ny fanambadiana any amin’ny tempoly ny fanararaotana nijaliako?

Nieritreritra betsaka momba izany aho. Tsy nitombona hoe heverina ho tsy madio aho eo anatrehan’ny zavatra nahazo ahy izay tsy safidiko. Nahoana aho no tsy afaka mahatsapa ho madio ara-pitondrantena? Tsy mendrika ny fitiavan’ny Tompo ve aho? Nila nibebaka ve aho?

Niezaka nanadino fotsiny aho

Raha ny marina dia tena tsy haiko. Nahatsapa aho fa tsy tokony nomelohina, saingy sady nahatsapa ihany koa aho fa naloto sy nambaniana ary nalaina baraka tanteraka. Tsy nety nanana ny risim-po hiresaka amin’ny ray aman-dreniko na ny olona hafa mihitsy aho. Niezaka imbetsaka aho saingy nahatsapa ho afa-baraka loatra foana ary tsy nahafantatra izay teny hotenenina. Niezaka nanadino fotsiny aho hoe nitranga ilay izy.

Tamin’izaho 15 taona dia lasa nanana ny risim-po izay tsy nananako ny zandriko vavy. Niresaka tamina mpanoro hevitra tany am-pianarana izy ireo. Fotoana fohy taty aoriana dia nogadraina naiditra am-ponja nandritra ny telo taona ny anadahiko iray. Taona maro taty aoriana anefa dia mbola nijaly noho ny tahotra fa tsy madio na mendrika foana aho.

Nahazo herim-po aho mba hitady fanampiana

Indray andro dia nahazo ny herim-po hanatona ny evekako ihany aho ny farany. Nohazavainy tamiko fa ny Tompo dia tsy mandray ahy ho tompon’andraikitra amin’ireo fanararaotana ara-nofo izay natao an-kery tamiko fony aho zazavavy sy zatovovavy. Nomeny toky aho fa tsy izaho mihitsy no diso. Mijoro ho tsy misy pentina eo anatrehan’ny Tompo aho. Mbola madio aho!

Afaka tsy niraharaha intsony ilay fanararaotana—sy ny fanaintainana sy fijaliana naterak’izany aho— niaraka tamin’ny fanampian’ny evekako sy ny torohevitra avy tamin’ireo matihanina. Ankehitriny aho dia tena manana fiainana mety sy sambatra amin’izay. Nanambady lehilahy marina iray tany amin’ny tempoly aho ary manana fianakaviana sambatra izahay.

Indraindray dia mitsabatsabaka ao an-tsaiko ny lasa anefa, ary tsaroako ny fangirifiriana tsapako rehefa nisaintsaina ny fahamendrehako aho.

Manontany tena aho hoe tanora firy no miaina toe-javatra mitovy amin’ny ahy, mahatsapa menatra sy afa-baraka, manontany tena momba ny fahadiovany sy ny toerany ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Te hiteny amin’ireo tanora ireo aho hoe tia anareo ny Tompo.

Marary ny fony manoloana ny zavatra mahazo anareo.

Fantany fa tsy tokony omena tsiny ianareo.

Fantany fa tena madio ianareo.

Hanampy anareo hahazo ny herim-po sy ny tanjaka mba hanananareo fiainana sambatra Izy.

Hamoaka printy