2021
Nahoana ianao no tokony hatoky
Jolay 2021


“Nahoana ianao no tokony hatoky,” Ho zatovo mahery!, jolay 2021, 6.

Avia, hanaraka Ahy

Nahoana ianao no tokony hatoky

Miravoravoa! Nanome antsika antony tokony hiravoravoana ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18

Nanome antsika fanasana maro ny Tompo. Ary matetika dia averimberiny ireo izay manan-danja. (Ohatra, impiry Izy izay no nilaza zavatra mitovitovy amin’ny hoe “Avia, hanatona Ahy”?)

Fanasana iray ho hitanao miverimberina ao amin’ny soratra masina ny hoe: “Matokia.”

Matetika ny Tompo no milaza an’io rehefa miezaka manaraka Azy eo am-piatrehana fanoherana sy fisedrana ny olony. Ary rehefa manasa antsika mba hatoky Izy dia mazàna manome antsika antony hamporisihany antsika mba hifaly. Ohatra, nisy fotoana Izy nilaza hoe:

“Matokia fa hitari-dalana anareo Aho. Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18).

Andao fakafakana izany:

“Matokia fa [Antony 1] hitari-dalana anareo Aho. [Antony 2] Anareo ny fanjakana, ary [Antony 2a] anareo ny fitahiany, ary [Antony 3] anareo ny haren’ny mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18).

Eto ny Tompo dia mampahatsiahy antsika ny fitarihany sy ireo fitahiany. Ireo dia antony tena tsara hahatokiana.

Indro misy ohatra anankiray hafa:

“Ma[tokia] rankizy madinika; fa [Antony 1]eo afovoanareo Aho, ary [Antony 2] tsy nahafoy anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36).

Iray hafa koa:

“Ma[tokia], ary aza matahotra, fa [Antony 1] Izaho Tompo dia momba anareo, ka [Antony 2] hijoro eo anilanareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6).

Mampahatsiahy antsika ny Tompo fa akaiky antsika Izy ary hanampy antsika rehefa miezaka ny hanaraka Azy sy hanao ny asany isika. Dia afaka hanohy ny diantsika amin’ny fahatokiana mihitsy isika. Satria rehefa dinihana dia “drafitry ny fahasambarana” (Almà 42:8, 16) ny drafitry ny Ray any An-danitra, ary ny fanarahana ny didin’ny Tompo dia ny “[m]iaina [ao] amin’ny toetry ny fahasambarana” (2 Nefia 5:27).

Na dia manomboka mampitolefika antsika aza ny fitsapana mahazo antsika, raha maniry ny hanaraka ny Tompo isika dia hankahery antsika mba hatoky Izy. Ary dia manome antsika antony tsara hahatokiana Izy.

Hamoaka printy